Tahirim-pitaovana
Fizarana 28, Andro 2: Hebreo 7–10


Fizarana 28: Andro 2

Hebreo 7–10

Fampidirana

Nampianatra i Paoly Apôstôly fa i Jesoa Kristy no Mpanalalana amin’ilay “fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely” (Hebreo 8:8). Nanazava izy fa ny sorona nataon’ny Mpamonjy dia lehibe lavitra noho ireo fanatitra notanterahin’ireo mpisorona avo teo ambany lalàn’i Mosesy. Nanazava ihany koa izy fa ireo ôrdônansy notanterahina teo ambany lalàn’i Mosesy dia nitarika ny olona ho any amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Hebreo 7–8

Nampianatra i Paoly fa i Jesoa Kristy no Mpanalalana amin’ilay fanekempihavanana vaovao

aloka maneho seza, lokangabe, ary gana

Fantaro ka soraty eo amin’ireo faritra malalaka ireo ny zavatra mamoaka ny aloka tsirairay.

Nahoana ianao no afaka mamantatra hoe inona ilay zavatra raha miainga avy amin’ny alok’izany?

Ny Testamenta Taloha dia mitantara mikasika ireo fombafomba atao sy ôrdônansy izay tandindona mampahafantatra mialoha ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Noho ny fahafantaran’i Paoly fa ny Kristiana Jiosy, na Hebreo, dia efa zatra ireo fombafomba atao sy ôrdônansy ireo dia ireo no resahiny ao amin’ny epistiliny rehefa nampianatra ireo Olomasina ireo mikasika an’i Jesoa Kristy.

Ny soratra masina rehetra dia ahitana fanehoana an’ohatra, sariohatra, tandindona ary fifanahafana amin’i Jesoa Kristy. Ireo fanehoana an’ohatra sy sariohatra sy tandindona ary fifanahafana ireo dia fanehoana fahamarinana manan-danja kokoa. Ny ankabeazan’ireo sary anohatra ireo dia miendrika olona na zavatra na zava-mitranga na toe-javatra.

Ny lalàn’i Mosesy dia natao ho fanehoana an’ohatra sy tandindon’i Jesoa Kristy, na tandindona nampitodika ny zanak’Isiraely tany amin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany (jereo ny 2 Nefia 11:4; Jakôba 4:4–5). Nanazava ny fomba hanaovan’ny ampahany maro amin’ny lalàna izany i Paoly Apôstôly. Naniry ny hanampy ireo Olomasina Jiosy izy mba hijanona ho mahatoky tamin’i Jesoa Kristy fa tsy hiverina hanaraka ny lalàn’i Mosesy, tahaka izay nataon’ny sasany.

Novakinao tao amin’ny Hebreo 2:17 fa i Paoly dia niantso an’i Jesoa Kristy ho “Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky.” Nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ka hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy dia ny mpisoronabe no anjara fanompoana mpiahy ny Fisoronana Aharôna, izay nantsoina indraindray hoe Fisoronan’i Levy, izay iantsoana ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna nohazonin’ireo olona tao amin’ny fokon’i Levy (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny Baibolin’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny teny anglisy, “Aaronic Priesthood”).

Niantso an’i Aharôna ho amin’ny asa fanompoana i Mosesy

Nanendry an’i Aharôna ho mpisorona avo tao amin’ny Fisoronana Aharôna i Mosesy.

Vakio ny Hebreo 7:1–4 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Paoly momba an’i Melkizedeka. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 7:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) mba hahazoana fanazavana mikasika ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 3.

I Melkizedeka dia “mpaminany sy mpitondra lehibe izay niaina tany ho any amin’ny taona 2000 talohan’i J.K. Nantsoina hoe mpanjakan’i Salema (Jerosalema) izy, mpanjakan’ny fiadanana, ary ‘mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra’ izy [Hebreo 7:1]” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Melkizedeka”; jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Nahatakatra ny halehiben’i Melkizedeka i Paoly ka nampiasa azy ho fanehoana an’ohatra sy tandindon’i Jesoa Kristy.

Ao amin’ny Hebreo 7:15–17 i Paoly dia niresaka mikasika ny faminaniana iray ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny fiavian’ny mpisorona iray “araka ny fanaon’i Melkizedeka” (Hebreo 7:17; jereo koa ny Salamo 110:4). Nampianatra i Paoly fa notanterahin’i Jesoa Kristy io faminaniana io.

“Iray amin’ireo tanjon’i Paoly ao amin’ny Hebreo 7 ny haneho ny maha-ambony ny Fisoronana Melkizedeka manoloana ny Fisoronana Levy na Aharôna sy ireo ôrdônansy miaraka amin’izany. Raha afaka ny ho azo tamin’ny alalan’ny Fisoronana Levy ny fahatanterahana sy ny fisandratana dia nahoana no nilaina ny nanova zavatra ka nampiasa ny fisoronana ambony kokoa? Nampianatra i Paoly fa ny fahatanterahana, na ny ‘[fanaovana mba ho tonga] tahaka ny Zanak’ Andriamanitra’ (Hebreo 7:3), dia tsy tonga amin’ny alalan’ny Fisoronana Levy fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny lamin’ny fisoronana ananany. ‘Avy tamin’i Joda no nisehoan’’i Jesoa Kristy fa tsy avy amin’i Levy, ka noho izany dia nampianatra i Paoly fa ny zony hahazo ny fisoronana dia hifototra, tsy amin’ny razambe ihany fa amin’‘ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana’ ihany koa (jereo ny Hebreo 7:14–16). Fony Izy Jehovah tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nahary ny tany Izy ary nitantana ireo zava-nitranga tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ilay herin’ny Fisoronana izay hohazoniny mandritra ny asa fanompoany eto an-tany” (New Testament Student Manual [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 480).

Vakio ny Hebreo 7:23–28, mba hitadiavana ny maha-samy hafa an’i Jesoa Kristy sy ireo mpisorona avon’i Levy izay nanatanteraka ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna ho an’ny olona.  Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 7:25–26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina).

Ilay andian-teny ao amin’ny Hebreo 7:25 hoe “velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” dia midika fa ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy dia ny hirotsaka an-tsehatra ho antsika mba hanampiana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mivavaka ao Getsemane i Jesoa

Ahoana no hanazavanao ny fahasamihafana eo amin’i Jesoa Kristy sy ireo mpisorona avon’i Levy?

Vakio ny Hebreo 8:1–4 hitadiavana ny fanomezana na ny fanatitra natolotr’i Jesoa Kristy. Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Hebreo 8:4 dia mivaky hoe: “Koa raha mbola teto ambonin’ny tany izy, dia nanolotra ho fanatitra ny ainy noho ny fahotan’ny olona. Ankehitriny ny mpisorona rehetra eo ambany lalàna dia tsy maintsy manolotra fanomezana, na fanatitra, araka ny lalàna” (Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 8:4 ).

Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 8:4 mikasika ny zavatra azon’i Jesoa Kristy atao ho antsika?

  1. journal iconSaintsaino ny lanjan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho anao manokana, dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fehezanteny manaraka ireto. Mitadiava fotoana iray tena mety hizarana amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny zavatra nosoratanao.

    1. Feno fankasitrahana ny Mpamonjy ahy aho satria …

    2. Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy ahy satria …

    3. Notahiana tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho satria …

Ny mpanalalana dia olona iray izay mamaha ny olana misy eo amin’ny olona roa na vondron’olona. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mampihavana ny olombelona (izay mpanota avokoa) amin’ Andriamanitra Ray. Noho ny sorona nataony dia i Jesoa Kristy no “Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra” (Hebreo 8:6), fanekempihavanana izay nanambaran’ny Tompo hoe “hatao[ny] ao an-tsainy ny lalà[ny], sady hosorata[ny] ao am-pony,” ary “ho Andriamaniny [Izy], ary izy ho olo[ny]” (Hebreo 8:10). Io fanekempihavanana io, raha eken’ny olona, dia hanampy azy ireo “hahalala [ny Tompo]” (Hebreo 8:11) ary ho voadio amin’ny “fahotany” (Hebreo 8:12).

Hebreo 9–10

Nasehon’i Paoly ny fomba hanehoan’ireo ôrdônansin’ny lalàn’i Mosesy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Vakintsika ao amin’ny Hebreo 9–10 fa i Paoly Apôstôly dia nanohy nampitaha ireo mpisorona avon’i Levy tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny firesahana ny andraikitra notanterahin’ireo mpisorona avo ireo tamin’ny Andro Fanavotana.

fanehoana an-tsary, ny tabernakely

Indray mandeha isan-taona mandritra ny andro masin’ny Jiosy antsoina hoe Andro Fanavotana (antsoina ihany koa hoe Yom Kippur), dia nahazo lalana ny mpisorona avo hiditra ao amin’ny Fitoerana masina indrindra (izay nantsoina ihany koa hoe Masina ambonin’ny Masina) ao amin’ny tabernakely na taty aoriana ny tempolin’i Jerosalema. Mialoha ny hidirana ao dia nanao sorona vantotr’ombolahy ilay mpisoronan avo mba ho asa fanavotana “ho an’ny tenany sy ny ankohonany” ary avy eo dia nanao sorona osilahy mba ho asa fanavotana “ho an’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.” Mamafy ny ran’ireo biby amin’ny toerana manokana sy amin’ny zavatra voafaritra manokana ao amin’ny Fitoerana masina indrindra izy mba ho asa fanavotana fanampiny. Avy eo dia “hekeny [eo ambonin’ny osilahy iray hafa] ny fahotan[’ny zanak’Isiraely]”, izay nalefa tany an’efitra mba ho tandindon’ny fanaisorana ny fahotan’ny olona rehetra. Aorian’izay dia soloiny ny akanjony ary “hanatitra fanatitra odorana ho an’ny tenany sy ny fanatitra odorana ho an’ny olona” izy (Bible Dictionary ao amin’ny Baibolin’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny teny anglisy, “Fasts”; jereo koa ny Levitikosy 16).

Vakio ny Hebreo 9:11–12, 24, 28 sy ny Hebreo 10:1, 4, 10–12, mba hitadiavana ny maha-fanehoana an’ohatra sy tandindon’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo zava-nitranga tamin’ny Andro fanavotana.

Navela niditra tao amin’ny Fitoerana masina indrindra tao amin’ny tabernakely indray mandeha isan-taona ireo mpisorona avo tamin’ny Andro fanavotana. Inona ny “fitoerana masina” (Hebreo 9:12) azon’ny Mpamonjy (sy ny olombelona rehetra ihany koa) hidirana noho ny Sorompanavotany?

Inona no azon’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy atao kanefa tsy azon’“ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” (Hebreo 10:4) atao?

Na dia tsy afaka manaisotra ny fahotan’ny olona aza ny ram-biby dia nanatanteraka ireo ôrdônansy ireo ireo mpisorona avon’i Levy mba hanehoana “ny aloky ny zava-tsoa ho avy” (Hebreo 10:1), na haneho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Vakio ny Hebreo 10:17–20, mba hitadiavana ny zavatra azo tanterahina noho ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Araka ny voalazan’ny Hebreo 10:19, dia afaka miditra ao amin’ny fitoerana “masina” isika, na eo anatrehan’ Andriamanitra any amin’ny fanjakana selestialy noho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. Ilay andian-teny hoe “làlana vaovao sady velona” ao amin’ny Hebreo 10:20 dia entina ilazana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na ilay drafitra izay ahafahana mamela heloka sy manamasina antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ka hahatonga antsika ho mendrika ny hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra.

Vakio ny Hebreo 10:22–24, mba hitadiavana ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hidirana ny fanjakana selestialy. Dia fenoy avy eo ity fitsipika manaraka ity: Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miditra ny fanjakana selestialy isika raha .

Araka ny eritreritrao dia midika inona ny hoe “mihazona mafy” (Hebreo 10:23) amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Hebreo 10:35, mba hitadiavana ny torohevitra nomen’i Paoly izay afaka manampy antsika hihazona mafy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “aza manary ny fahasahianareo”? (Hebreo 10:35).

Loholona Jeffrey R. Holland

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe tsy “manary ny fahasahia[ntsika]”: “Raha ny fitenin’ny Olomasin’ny Andro Farany no ampiasaina dia azo lazaina toy izao izany: Eny, sarotra tokoa ny lalana—mialoha ny hidiranao ny Fiangonana sy rehefa miezaka ny hiditra ianao ary aorian’ny nahatafidiranao. Saingy efa tahaka izany foana ny fisehony araka ny voalazan’i Paoly, kanefa aza mihemotra. Aza mihotakotaka sy miala. Aza manary ny fahatokianao. Aza adino ny zavatra efa tsapanao. Aza ahiahiana ireo traikefa azonao taloha. Izany fikirizana izany no namonjy an’i Mosesy sy i Joseph Smith rehefa nifanandrina tamin’izy ireo ny fahavalo, ary izany no hamonjy anao” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, mar. 2000, 8).

  1. journal iconManorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny olona iray izay fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fihazonana mafy amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy ka tsy manary ny fahasahiany.

  2. journal iconEritrereto ny fanolorantenanao mba hihazona mafy amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampitomboanao ny fanolorantenanao sy ny fahafahanao manao izany.

  3. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Hebreo 7–10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: