Fizarana 16: Andro 4
Jaona 20–21
Fampidirana
Tamin’ilay alahady taorian’ny Fanomboana dia hitan’i Maria Magdalena fa foana ny fasana nametrahana ny vatamangatsiakan’i Jesoa ka dia nandeha izy ka nampandre an’i Petera sy i Jaona, izay nihazakazaka nankany amin’ilay fasana taorian’izay. Niseho tamin’i Maria Magdalena ary tamin’ireo mpianany taoriana kelin’izay ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Nanasa an’i Petera mba hampiseho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny i Jesoa.
Jaona 20:1–10
Hitan’i Maria Magdalena fa foana ny fasan’i Jesoa ka dia notantarainy tamin’i Jaona sy i Petera, izay nihazakazaka tany amin’ilay fasana taorian’izay.
Alaivo sary an-tsaina izay mety ho tsapanao raha toa ka nanatrika ny fotoana nanitrihana ny vatamangatsiakan’i Jesoa tao am-pasana ianao. Zoma tamin’izay, ary tsy maintsy notontosaina mialoha ny Sabata Jiosy izay nanomboka tamin’ny fodian’ny masoandro ka nitohy hatramin’ny fodian’ny masoandro ny Sabotsy ny fandevenana Azy. Eritrereto ny fahatsapana nananan’ireo mpianatr’i Jesoa rehefa mamaky izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin ianao:
“Azoko sary an-tsaina hoe maizina tokoa io andro zoma io rehefa nakarina teo amin’ny hazofijaliana i Kristy.
“Tamin’io zoma nampatahotra io dia nihorohoro ny tany ary nihamaizina ny andro. Nitranga manerana ny tany ireo oram-baratra nampatahotra.
“Nifaly ireo lehilahy ratsy fanahy izay nifofo ny ainy. Koa satria maty i Jesoa tamin’izay dia azo antoka fa niparitaka ireo izay nanaraka Azy. Nihevitra izy ireo fa nandresy tamin’io andro io.
“Tamin’io andro io dia nizara roa ny voalin’ny tempoly.
“Samy difotry ny alahelo sy ny fahakiviana i Maria Magdalena sy i Maria renin’i Jesoa. Nihantona efa tsy nisy aina intsony teo amin’ny hazofijaliana ilay lehilahy mahatalanjona izay tian’izy ireo.
“Rotiky ny alahelo mafy ny Apôstôly tamin’io zoma io. I jesoa, ilay Mpamonjy azy ireo—ilay lehilahy izay nandeha teo ambony rano sy nanangana ny maty—dia teo am-pelatanan’ireo ratsy fanahy. Nijery fotsiny tsy afaka nanao na inona na inona izy ireo rehefa voasambotra sy nohomboin’ireo fahavalony Izy.
“Tamin’io zoma io ny Mpamonjy ny olombelona rehetra dia nalaina baraka sy mangana, nampiharana herisetra ary nompaina.
“Izany dia zoma feno alahelo nahaketraka sy nandifotra izay nampikorontana mafy ny fanahin’ireo izay tia sy nanaja ny Zanak’ Andriamanitra.
“Mino aho fa tamin’ireo andro rehetra hatramin’ny niantombohan’ny tantaran’izao tontolo izao dia io Zoma io no maizina indrindra” (“Sunday Will Come,”Ensign na Liahona, nôv. 2006, 29–30).
-
Alaivo sary an-tsaino hoe mpanao gazety tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa sy ny nitsanganany tamin’ny maty ianao ary nasaina hanoratra lahatsoratra an-gazety maromaro momba ireo zava-nitranga ireo. Manorata lahatsoratra an-gazety ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina toy ireny hoe naka am-bavany ireo mpianatr’i Jesoa ireny ianao taorian’ny fahafatesany sy ny fandevenana Azy. Azonao atao ny milaza ireo eritreritra sy fahatsapana nolazain’izy ireo fa nananany rehefa nijery ny fasan’i Jesoa nohidiana izy ireo.
Na dia teo aza ny fahoriana tamin’ny fahafatesana sy ny fandevenana ny Mpamonjy dia nilaza ny Loholona Wirthlin hoe: “Saingy tsy naharitra ny fahadisoam-panantenana tamin’io andro io” (“Sunday Will Come,” 30).
Rehefa mandalina ny Jaona 20 ianao dia tadiavo ny antony “tsy [nampaharitra] ny fahadisoam-panantenana tamin’io andro io”.
Vakio ny Jaona 20:1-2, ka tadiavo ny zavatra hitan’i Maria Magdalena rehefa tonga vao maraina teo amin’ny fasan’i Jesoa izy ny alahady vao maraina.
Inona no nataon’i Maria rehefa nahita fa voaisotra teo amin’ny varavaram-pasana ilay vato? Inona no ninoany fa nitranga?
Vakio ny Jaona 20:3–10, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Petera sy i Jaona izay nantsoina hoe “ilay mpianatra anankiray” (andininy 2) sy hoe “ilay mpianatra anankiray” (andininy 3), rehefa avy nandre ny vaovao avy amin’i Maria.
Inona no fihetsika nasehon’i Jaona rehefa nahita ilay fanasa foana? Inona no ninoany?
Raha tsy efa nijery tao anatin’ilay fasana foana i Jaona dia tsy nahatakatra feno ilay fanambarana nataon’ny Mpamonjy fa hitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro fahatelo. Rehefa nahita ilay fasana foana i Jaona dia nahatadidy ka nino (jereo ny Jaona 20:8–9).
Jaona 20:11–31
Niseho tamin’i Maria Magdalena ary tamin’ireo mpianany taoriana kelin’izay ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty
Vakio ny Jaona 20:11–15, ka tadiavo ny olona niresaka tamin’i Maria rehefa nandao ilay fasana i Petera sy i Jaona.
Vakio ny Jaona 20:16–18, ka tadiavo izay nasain’i Jesoa nataon’i Maria.
Nanazava ny dikan’ny andian-teny hoe “aza manendry Ahy” ao amin’ny Jaona 20:17 ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny Baiboly King James dia milaza fa i Jesoa dia niteny hoe ‘aza manendry Ahy.’ Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe ‘Aza mitazona Ahy.’ Dikanteny isan-karazany avy amin’ny teny Grika no nandika ilay andininy hoe ‘Aza mitangazona Amiko’ na ‘Aza mitazona Ahy.’ Ny dikanteny sasany dia mandika izany hoe ‘Aza mitangazona Amiko intsony’ na ‘Aza mitazona Ahy intsony.’ Ny sasany dia miresaka ny hoe mijanona tsy mitazona na mitangazona Aminy, izay midika fa efa nitazona Azy i Maria. Misy antony azo ekena amin’ny fieritreretana fa ny tian’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty nampitaina tamin’i Maria dia ny hoe: ‘Tsy afaka mitazona ahy ety ianao satria handeha hiakatra ho any amin’ny Raiko Aho’” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 4:264).
Niseho tamin’i Maria i Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty.
Araka ny Jaona 20:17, dia inona koa no nasain’i Jesoa nataon’i Maria?
-
Tohizo alaina sary an-tsaina hatrany hoe mpanao gazety ianao nandritra ireo zava-nitranga ireo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lahatsoratra an-gazety iray toy ny hoe naka am-bavany an’i Maria Magdalena ianao. Azonao atao ny manoratra momba ny tenivavolombelony mikasika ny Tompo nitsangana tamin’ny maty sy ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no neritreretinao rehefa nahita fa foana ilay fasana? Inona no nataonao avy eo? Oviana no nahafantaranao fa mbola velona i Jesoa Kristy? Soraty raha toa ka nino ny fitantaran’i Maria ianao na tsia sy ny anton’izany.
Tadidio fa sahirana ny mpianatra sasany vao nino ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Maria (jereo ny Marka 16:11). Vakio ny Jaona 20:19–20, ka tadiavo ny zavatra nitranga tamin’io hariva io.
Mianatra isika avy amin’io tantara io fa nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy.
Araka ny voalazan’ny Jaona 20:20, dia inona no tsapan’ireo mpianatra rehefa nahita ny Tompo nitsangana tamin’ny maty?
Ny Loholona Joseph B. Wirthlin dia nanazava ny antony “tsy [nampaharitra] ny fahadisoam-panantenana tamin’[izay zoma maizin-kitroka] izay”:
“Tsy naharitra ilay fahadisoam-panantenana satria ny alahady dia nandresy ny famatoran’ny fahafatesana ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Niakatra avy tao amin’ny fasana Izy dia niseho tamin’ny fandresena feno voninahitra ho ny Mpamonjy ny olombelona rehetra. …
“Ny tsirairay avy amintsika dia handalo fotoan-tsarotra avokoa—ireo andro izay hahatsapantsika fa toy ny hoe mirodana avokoa ny tontolo manodidina antsika ary tsy tanteraka ny nofinofintsika. Isika rehetra dia samy hiaina ireo fotoan-tsarotra izay ahitantsika fa toy ny hoe tsy mandeha avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy handeha intsony. Samy handalo fotoan-tsarotra isika.
“Saingy mijoro ho vavolombelona aminareo aho amin’ny anaran’ilay Iray izay nandresy ny fahafatesana—fa handresy ny fahadisoam-panantenantsika isika. Handresy ny fahadisoam-panantenantsika isika rehefa avy nandalo alahelo lalina.
“Na toy ny ahoana ny fahadisoam-panantenantsika, na toy ny ahoana ny alahelontsika dia handresy ny fahadisoam-panantenantsika isika. Handresy ny fahadisoam-panantenantsika isika na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy” (“Sunday Will Come,” 30).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampiana antsika rehefa malahelo ny fahafatesan’ny olona iray izay tiantsika amin’ny alalan’ny fahafantarana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampanantenana ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty manampy antsika mandritra ireo zavatra iainana sarotra hafa eo amin’ny fiainantsika?
-
Ny Jaona 20:21–23 dia milaza fa rehefa nasehon’i Jesoa ny mpianany ireo diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny lanivoany dia naniraka azy ireo hanao ny asany Izy. Nolazainy tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina” (Jaona 20:22), izay mety nidika hoe nitsodrano azy ireo Izy mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina, kanefa tsy hahazo tanteraka ny fitahiana avy amin’izany izy ireo raha tsy taty aoriana. Nampianatra momba ny andraikitr’izy ireo hanampy ny hafa hahazo ny famelana ny helony ihany koa Izy.
Vakio ny Jaona 20:24–25, ka fantaro ny anaran’ilay Apôstôly izay tsy teo nandritra io fotoana masina io.
Jereo ao amin’ny andininy 25 izay nolazain’i Tomasy fa nilainy mba hinoany. Nahoana araka ny eritreritrao no sarotra ho azy ny hino fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa?
Sarotra ho an’ny ankamaroan’ny mpianatra rehetra ny nahatakatra ny momba ny fitsanganana tamin’ny maty nandritra ny fiainan’i Jesoa tety ambonin’ny tany. Tahaka ireo mpianatra hafa dia tsy mbola afaka nahatakatra ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty i Tomasy, ary nikatsaka ny hahita izany tamin’ny fomba azo tsapain-tanana izy.
Vakio ny Jaona 20:26–29, ka tadiavo ny zavatra niainan’i Tomasy nandritra ny valo andro.
Jereo fa nanasa an’i Tomasy i Jesoa hoe “ary aza isan’izay tsy mino, fa minoa” (Jaona 20:27). Mianatra isika avy amin’ny zavatra niainan’i Tomasy fa hotahiana isika raha misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy na dia amin’ny fotoana tsy ahafahantsika mahita Azy aza.
Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Fitopololahy hoe:
“Safidy ny finoana. …
“Rehefa misafidy ny hino isika dia mahatakatra sy mahita ny zavatra misy amin’ny fomba hafa. Rehefa manana fomba fijery sy miaina toy izany isika dia sambatra sy feno fifaliana amin’ny fomba izay ny filazantsara ihany no afaka mitondra izany” (“Choose Goodness and Joy,” New Era, aog. 2011, 44).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana ianao no misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy na dia tsy nahita Azy tamin’ny masonao amin’ny maha-olombelona anao aza?
-
Inona no azontsika atao mba hanehoana fa nisafidy ny hino an’i Jesoa Kristy isika?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao rehefa nisafidy ny hino an’i Jesoa Kristy ianao?
-
Vakio ny Jaona 20:30–31, ka tadiavo ny antony niraketan’i Jaona an-tsoratra ireo zava-nitranga ireo.
Afaka mianatra ireto fahamarinana manaraka ireto isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Ny Apôstôly sy ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy mba hinoantsika fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Rehefa misafidy ny hino ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay ataon’ireo apôstôly sy mpaminany isika ary avy eo dia mijanona ho mahatoky amin’izany fijoroana ho vavolombelona izany, dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’izao fanontaniana manaraka izao ao anatin’ny andian-pehezanteny roa farafahakeliny: Amin’ireo zavatra rehetra izay voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka sy i Lioka ary i Jaona, inona no tantara na zava-nitranga, na fampianarana avy amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany izay nanampy anao hino fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra? Nahoana? Miomana hizara ny zavatra izay nosoratanao amin’ny iray kilasy aminao.
Jaona 21:1–17
Niseho tamin’ny sasany tamin’ireo mpianany teo amin’ny Ranomasin’i Tiberia ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty.
Voarakitra ao amin’ny Jaona 21:1–17 fa niseho indray tamin’ny mpianatra maro ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty raha nanjono izy ireo. Rehefa nahita an’i Jesoa izy ireo dia niverina haingana teny amoron-dranomasina, ka nihinana hazandrano sy mofo niaraka Taminy. Nandritra ny sakafon’izy ireo dia nanasa an’i Petera i Jesoa mba hampiseho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny fandaozany ny fiainany amin’ny maha-mpanarato azy ka hanompo ny vahoakan’ny Tompo.
Jaona 21:18–25
Nilaza mialoha ny ahalasa maritiora an’i Petera sy ny fanovana an’i Jaona i Jesoa
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 21:18–19 fa i Jesoa dia naminany fa rehefa antitra i Petera dia “haninjitra ny tana[ny]” (Jaona 21:18) ary hoentina any amin’ny toerana tsy tiany handehanana. Ninoan’ny olona hatramin’izay fa maty nohomboana i Petera. Kanefa dia voalaza fa nangataka ny hohomboina mitsongoloka i Petera satria nihevitra ny tenany ho tsy mendrika ny ho faty tamin’ny fomba nahafatesan’ny Mpamonjy izy (jereo ny Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 3:151–52).
Taorian’ny nandrenesany io faminaniana io dia nanontanian’i Petera ny zavatra hitranga amin’ny Apôstôly Jaona, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe i Jaona ilay Lalaina (jereo ny Jaona 21:22-23). Vakio ny Jaona 21:22–23, ka tadiavo ny teny navalin’ny Mpamonjy an’i Petera.
Ny teny hoe hitoetra ao amin’ny andininy 22 dia midika hoe mijanona velona eto an-tany. Noho izany, i Jaona dia hijanona eto an-tany toy ny olona novana mandrapahatongan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ireo olona novana dia “olona novana mba tsy handalo fanaintainana na fahafatesana mandrapahatongan’ny fitsanganany ho amin’ny tsy fahafatesana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona novana,” scriptures.lds.org).
Araka ny voalazan’ny Jaona 21:22, dia inona no tian’i Jesoa hifantohan’i Petera toy izay hisahiran-tsaina amin’izay hitranga amin’i Jaona?
Vakio ny Jaona 21:24–25, ka tadiavo ny zavatra tian’i Jaona ho fantatry ny olona rehetra rehefa namarana ny rakitsorany izy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 20–21 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: