Fizarana 4: Andro 1
Matio 13:24–58
Fampidirana
Nampiasa fanoharana ny Mpamonjy mba hampianarana momba ny fanjakan’ny lanitra, ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fitombon’ny Fiangonany amin’ny andro farany, ny fanangonana ireo olo-marina, ary ny fandravana ireo olon-dratsy amin’ny Fiaviany Fanindroany.
Matio 13:24–30, 36–43
Mampianatra ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary i Jesoa
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto ary manorata valinteniny iray ho an’ilay fanontaniana farany:
-
Efa nahatsapa ho sosotra na tezitra ve ianao satria misy faharatsiana betsaka eto amin’izao tontolo izao?
-
Nahoana no tsy esorin’ny Tompo fotsiny ny ratsy izay manodidina antsika?
-
Nahoana ianao no tokony hisafidy ny ho marina rehefa toa tsy miaina ireo voka-dratsy avy amin’ireo safidy ratsy ataony ny olona sasany manodidina anao?
Rehefa mandalina ny Matio 13:24–30, 36–43 ianao dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy anao hahita fiononana rehefa miezaka ny hiaina araka ny fahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana ianao. Rehefa avy nandalina ilay tantara ao amin’ny Matio ianao dia hevero ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7, izay nanomezan’ny Tompo fanazavana fanampiny momba ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary.
Nampianatra fanoharana iray momba ny vary sy ny tsimparifary ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 13:24–30.
Ny tsimparifary dia karazana ahi-dratsy iray misy poizina. Saika mitovy ny vary sy ny ahi-dratsy raha vao mitsiry, saingy azo avahana izy roa rehefa feno ny fitombony.
Vakio ny Matio 13:24–30 sy ny ampahan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Matio13:30, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b, ka tadiavo ny zavatra nitranga tamin’ny vary sy ny tsimparifary.
Inona no nitranga tamin’ny vary sy ny tsimparifary?
Nahoana araka ny eritreritrao no nilaza tamin’ny mpanompo mba hamela ny vary sy ny tsimparifary “hiara-maniry ambara-piavin’ny fararano” (Matio 13:30) ilay mpamafy ny voa tsara?
Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith, inona no hangonina voalohany—ny vary sa ny tsimparifary?
Rehefa nanome ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny Mpamonjy dia nangataka Azy mba hanazava ny dikan’izany ny mpianany. Vakio ny Matio 13:36–43, ka tadiavo ny fanazavan’ny Mpamonjy momba ilay fanoharana. (Azonao atao ny manoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny soratra masinao.)
-
Iza no namafy, na namboly, ilay voa tsara?
-
Iza no namafy, na namboly, ny tsimparifary?
-
Maneho inona ny vary sy ny tsimparifary? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ianao dia tsarovy fa ireo olon-dratsy dia ireo izay misafidy ny tsy hibebaka [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17].)
Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa ilay andian-teny hoe “ny fahataperan’izao tontolo izao” ao amin’ny andininy 39 dia milaza ny fandravana ireo olon-dratsy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ihany koa dia manampy antsika hahatakatra fa haniraka anjely sy mpitondra hafatra ny Tompo amin’ny andro farany mba hanampy amin’ny fanavahana ireo olo-marina amin’ireo olon-dratsy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:39–44 [ao amin’ny Tovana ho an’ny baiboly ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy an’ny OAF]).
Ny fahamarinana iray izay ampianarin’ity fanoharana ity dia hoe hanangona ny olo-marina ny Tompo mandritra ny andro farany ary handrava ny olon-dratsy avy eo amin’ny Fiaviany.
Saintsaino ny fomba hitondran’izany fahamarinana izany fiononana ho anao raha miaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana ianao. Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hahatakatra ny antony tokony hisafidiananao ny ho olo-marina rehefa toa tsy miaina ireo voka-dratsy avy amin’ireo safidy ratsy ataony ireo olona sasany manodidina anao?
Noho ny fahafahantsika misafidy dia manapa-kevitra amin’ny alalan’ireo safidy ataontsika isika raha toa ka ho hangonina miaraka amin’ireo olo-marina isika na hijaly hiaraka amin’ireo olon-dratsy. Tadidio fa satria manao fahadisoana avokoa isika rehetra, dia manasa antsika hibebaka ny Mpamonjy mba hanangonana antsika miaraka amin’ireo olo-marina.
Vakio ity teny nambara manaraka ity izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka tadiavo ny zavatra nolazainy fa tsy maintsy ataontsika mba ho voangon’ny Tompo:
“Manangona ny olony ny Tompo rehefa manaiky Azy sy mitandrina ny didiny izy ireo. …
“… Manangona ny vahoakany ny Tompo mba hitsaoka, mba hanangana ny Fiangonana, ho fiarovana, ary mba handray toro-hevitra sy torolalana. …
“Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana tamin’ny vanim-potoana rehetra dia ny hananganana tempoly mba hahafahan’ny zanaky ny Tompo mandray ireo ôrdônansy ambony indrindra ka hahazo ny fiainana mandrakizay noho izany [jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 416–17]” (“The Spirit and Purpose of Gathering” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho, 31 ôkt. 2006], byui.edu/devotionals).
Araka ny Loholona Bednar dia inona no tokony ataontsika mba ho voangon’ny Tompo?
Saintsaino ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nangonin’ny Tompo ianao.
Jereo ireto sary manaraka ireto:
Saintsaino ny fomba hanehon’ireo sary ireo ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny fanangonana ireo zanaky ny Ray any An-danitra.
Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ity fotopampianarana momba ny fanangonana ity dia anisan’ireo fampianarana manan-danja ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. … Tsy mampianatra izany fotopampianarana izany fotsiny isika fa mandray anjara ao amin’izany. Manao izany isika rehefa manampy amin’ny fanangonana ireo olom-boafidin’ny Tompo ao amin’ireo lafiny roa amin’ny voaly. …
“… Manangona ny sarin’ny rohim-pianakaviana isika, mamorona ireo taratasy ahitana ny vondrom-pianakaviana, ary manao ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fisoloan-tena mba hanangonana ireo olona tsirairay ho ao amin’ny Tompo sy ho ao amin’ny fianakavian’izy ireo.
“Manan-danja tokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely ny asa fitoriana eto ambonin’ny tany” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 80–81).
Saintsaino ireo fitahiana noraisinao avy amin’ny fanampiana ny Tompo hanangona ireo olo-marina amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy asa atao any amin’ny tempoly.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Manampy anao hiaina araka ny fahamarinana amin’ny fomba ahoana ny fandraisana anjara ato anatin’ity fanangonana ity na dia miaina ao anatin’ny tontolo feno fakam-panahy sy fahotana aza ianao?
-
Inona no hataonao mba hanangonana ny tenanao sy ny fianakavianao ary ny hafa ao amin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany?
-
Matio 13:31–35, 44–52
I Jesoa dia mampiasa fanoharana mba hampianarana mikasika ny fanjakan’ny lanitra
Nampitaha ny fanjakan’ny lanitra (na ny Fiangonany sy ny filazantsara) tamin’ny voan-tsinapy, sy ny masirasira (lalivay na masirasira, izay ampiasaina amin’ny fandrahoana ary ampiana ao amin’ny mofo mba hampitombo izany mialoha ny fandrahoana azy), sy ny harena nafenina, sy ny voahangy iray, ary ny harato iray ny Mpamonjy tao anatin’ny fanoharana samy hafa.
-
Vakio ny tsirairay amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany tao anatin’izany fanoharana izany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fahamarinana eritreretinao fa nampianarin’ny Mpamonjy.
-
Matio 13:31–32
-
Matio 13:33
-
Matio 13:44.
-
Matio 13:45–46
-
Matio 13:47–50
-
Fahamarinana iray nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo fanoharana momba ny voan-tsinapy sy ny masirasira ireo ny hoe hitombo avy amin’ny fiantombohana kely ka hameno ny tany manontolo ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 13:31–33 izany fahamarinana izany.
Nampianatra ny fomba hampitahana ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny masirasira ny Filoha Joseph F. Smith: “Raha lazaina aza izany, ary misy mahamarina izany tokoa, fa kely dia kely tokoa isika raha ampitahaina amin’ireo mpiara-belona amintsika eto amin’izao tontolo izao, dia azo ampitahaina amin’ilay masirasira izay noresahan’ny Mpamonjy anefa isika, izay hampitombo izao tontolo izao manontolo amin’ny farany” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 74).
Nampianatra momba izany fanoharana izany ihany koa ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinfolo: “Tokony hiaina ao amin’izao tontolo izao isika fa tsy ho anisan’ izao tontolo izao. Tsy maintsy miaina ao amin’izao tontolo izao isika, araka ny nampianarin’i Jesoa tao anaty fanoharana iray, hoe ny fanjakany dia toy ny ‘masirasira,’ izay ny asany dia ny mampitombo ilay koba manontolo noho ny fiantraikany (jereo ny Lioka 13:21; Matio 13:33; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 5:6–8). Tsy afaka manao izany ireo mpanara-dia Azy raha tsy mifandray afa-tsy amin’ireo izay iray finoana sy iray fomba aminy” (“Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 25).
Saintsaino ny zavatra azonao atao amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany anao mba hanampiana ny Fiangonan’ny Mpamonjy hitombo.
Fitsipika iray hafa nampianarin’ny Mpamonjy tao anatin’ireo fanoharana momba ny harena tany an-tsaha sy ilay voahangy lafo vidy ny hoe mendrika ny fahafoizana rehetra ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara satria manana lanja mandrakizay izany. Azonao soratana eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 1:44-46 izany fahamarinana izany.
-
Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia manaova tabilao misy tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo anarana hoe Ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara, ny tsanganana iray ary omeo anarana hoe Ireo fahafoizana atao mba hahazoana ireo fitahiana ny tsanganana faharoa.
Ataovy lisitra ao amin’ilay tsanganana hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara” ny sasany amin’ireo fitahiana izay avy amin’ny filazantsara (mety ahitana ny fahalalana avy ao amin’ny soratra masina, ny fitarihana avy amin’ireo mpaminany velona, ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary ny fanambadiana mandrakizay ireo ohatra). Soraty ao amin’ilay tsanganana hoe “Ireo fahafoizana atao mba hahazoana ireo fitahiana”, ho an’ny fitahiana tsirairay izay voatanisa, ireo fahafoizana izay mety ilainao atao mba hahazoanao izany fitahiana izany. Ohatra, mba hahazoana ny fitahian’ny fahalalana avy amin’ny soratra masina, dia mila mandalina ny soratra masina isan’andro isika.
Eritrereto ireo fitahiana izay notanisainao, ary saintsaino ny antony mahatonga ny fahazoana ireo fitahiana ireo ho mendrika ny fahafoizana rehetra izay takina.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no fitahiana avy amin’ny filazantsara izay irianao ho azo?
-
Nahoana ianao no maniry izany fitahiana izany?
-
Inona no mety ho fahafoizana ataonao mba hahazoana izany fitahiana izany?
-
Matio 1:53-58
Nampianatra tao Nazareta i Jesoa ary nolavin’ny vahoakany
Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 13:53–58 dia nandà ny Mpamonjy sy ireo fampianarany ny vahoaka tao Nazareta. Vokatry ny tsy finoan’izy ireo dia tsy afaka nanatanteraka fahagagana marobe teo anivon’izy ireo ny Mpamonjy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 13:24–58 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: