Fizarana 3: Andro 3
Matio 11–12
Fampidirana
Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa nirahina hanomana ny lalana ho Azy i Jaona Mpanao Batisa, ary nampanantena fitsaharana ho an’ireo rehetra izay manatona Azy Izy. Novaliany ny fiampangan’ny Fariseo fa avy amin’ny devoly ny fahefany. Nampitandrina azy ireo momba ny fanaovana fiampangana diso sy ny fikatsahana famantarana Izy, ary nampianatra ny fanoharana momba ny trano foana.
Matio 11
Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa nirahina hanomana ny lalana ho Azy i Jaona Mpanao Batisa.
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny olona izay milaza ny tenany ho mpitandro filaminana na dokotera dia tena izay asehony marina tokoa? Ahoana no ahafahanao mahalala fa izay tena asehony marina tokoa izy ireo?
Nandritra ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto ambonin’ny tany, rehefa nanatanteraka fahagagana sy nampianatra ny olona Izy, dia maro no nikatsaka ny hahalala raha toa ka izay nasehony marina tokoa Izy—dia ilay Mesia nampanantenaina. Nisambotra sy nampiditra am-ponja an’i Jaona Mpanao Batisa ny Mpanjaka Heroda tamin’izay fotoana izay. Vakio ny Matio 11:2-3, ka tadiavo ny fomba nanampian’i Jaona Mpanao Batisa ny roa tamin’ireo mpianany mba hahazoany tenivavolombelona ho an’ny tenan’izy ireo momba ny hoe iza i Jesoa.
Inona no nanirahan’i Jaona ireo mpianany mba hanontaniana an’i Jesoa?
Miaraka amin’ity fanontaniana ity ao amin’ny andininy 3, dia nanontany an’i Jesoa ireo mpianatr’i Jaona raha toa ka Izy no ilay Mesia. Tsarovy fa efa fantatr’i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesoa no ilay Mesia (jereo ny Matio 3:11, 13–14; Jaona 1:29–34).
Nahoana araka ny eritreritrao no naniraka ny mpianany i Jaona mba hahafantatra ho an’ny tenan’izy ireo fa i Jesoa no ilay Mesia rehefa efa fantany hoe iza i Jesoa?
Vakio ny Matio 11:4-5, ary tadiavo ny fomba namalian’i Jesoa ny fanontanian’izy ireo.
Raha toa ka tokony nanamafy fotsiny Izy fa Izy no ilay Mesia, inona kosa no nasain’i Jesoa nataon’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa?
Afaka nilaza tsotra tamin’ireo mpianatr’i Jaona i Jesoa fa Izy no ilay Mesia. Nanasa azy ireo kosa Izy mba hisaintsaina ny asany ka hiverina tany amin’i Jaona avy eo ary hijoro ho vavolombelona momba ireo zavatra izay henony sy hitany nataon’i Jesoa.
Mety ho nanampy an’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa hahazo tenivavolombelona mahery vaika kokoa momba ny Mpamonjy tamin’ny fomba ahoana ny fisaintsainana momba ny asan’i Jesoa noho ny hoe nilaza tamin’izy ireo fotsiny Izy hoe iza Izy?
Mianatra isika avy amin’io tantara io fa rehefa mikatsaka ny hahalala an’i Jesoa Kristy isika sy rehefa mijoro ho vavolombelona momba Azy dia afaka ampatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananantsika momba Azy.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nahafantaranao ho an’ny tenanao fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra.
Raketin’ny Matio 11:7–27 fa rehefa lasa ireo mpianatra roa dia nilaza tamin’ny valalabemandry i Jesoa fa i Jaona Mpanao Batisa no ilay mpaminany voafidy hanomana ny lalana ho an’ny Mesia. I Jesoa dia nanameloka ireo izay nandà Azy sy nandà an’i Jaona Mpanao Batisa na dia nahita porofo mazava momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa aza.
Vakio ny Matio 11:28-30, ka tadiavo ny fanasana sy ny fampanantenana natolotr’i Jesoa ho an’ireo rehetra izay manaiky azy ho ilay Mesia. (Soratra masina fehezina ny Matio 11:28–30. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany andinin-tsoratra masina izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny toerana misy izany.)
Fenoy mifanaraka amin’izay nianaranao tao amin’ny andininy 28–30 izao fitsipika manaraka izao: Raha manatona an’i Jesoa Kristy isika, Izy dia .
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’izao fanontaniana manaraka izao: Oviana ianao no nahatsapa fa nanamaivana ny enta-mavesatrao ny Mpamonjy rehefa nanatona Azy ianao?
Soratra masina fehezina—Matio 11:28–30
-
Mba hanampiana anao hitadidy ny Matio 11:28–30, dia mamorona fihetsika izay afaka maneho ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy tsirairay. Ampianaro amin’ny olon-kafa ireo fihetsika ireo (toy ny amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana mandritra ny takarivam-pianakaviana na amin’ny namana iray). Ataovy ireo fihetsika rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ianao mandrapahafahanao mitanisa tsy an-kijery ilay andalan-tsoratra masina. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fehezanteny iray izay maneho fa nahavita ity asa nampanaovina ity ianao.
Matio 12:1–42
Nibedy ny Fariseo noho ny fiampangana diso sy ny fikatsahana famantarana nataon’izy ireo i Jesoa Kristy
Mianatra isika ao amin’ny Matio 12:1–21 fa rehefa avy nanasitrana lehilahy iray nandritra ny andro Sabata i Jesoa dia nanomboka nikatsaka ny handrava Azy ireo Fariseo. Rehefa nanasitrana olona iray nidiran’ny devoly Izy dia niezaka ny hanala baraka Azy teo imason’ny olona izy ireo tamin’ny fiampangana Azy ho nanatanteraka ireo asa ireo tamin’ny alalan’ny herin’ny devoly. Fantatr’i Jesoa ny eritreritr’izy ireo ka nanambara fa, mifanohitra amin’izany dia, nampisehoany fa Izy no ilay Mesia ary nanangana ny Fanjakan’ Andriamanitra Izy tamin’ny alalan’ny fandroahana devoly.
Vakio ny Matio 12:30, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ireo izay tsy miaraka Aminy.
Araka ny andininy 30 dia tsy maintsy manolo-tena feno ho an’i Jesoa Kristy isika raha toa ka maniry ny ho anisan’ny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Eritrereto ireo fomba sasany ahafahanao mampiseho ny fanoloran-tenanao feno ho an’i Jesoa Kristy.
Raketin’ny Matio 12:31-42 fa nanamafy i Jesoa fa ireo asa tsara nataony dia porofo fa avy amin’ Andriamanitra Izy fa tsy avy amin’ny devoly. Nampitandrina ireo Fariseo ihany koa Izy fa hihazona azy ireo ho tompon’andraikitra ny amin’ireo teny fiampangana nataon’izy ireo Andriamanitra. Dia nangataka famantarana iray ny sasany tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo avy eo, ka nibedy azy ireo i Jesoa noho ny fikatsahana famantarana sy tsy fahitana fa lehibe kokoa no ireo mpaminany sy mpanjaka tao Isiraely teo aloha rehetra Izy. Nanameloka ny fikatsahana famantarana amin’izao androntsika izao ihany koa ny Tompo ary nampianatra fa tsy tonga aorian’ny famantarana ny finoana (jereo ny F&F 63:7–11).
Inona no dikan’izany hoe “miteniteny foana ny Fanahy Masina” (Matio 12:31)?
Nanazava ny fomba hanatanterahan’ny olona iray izany fahotana izany ny Mpaminany Joseph Smith: “Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina izy, nisokatra taminy ny lanitra ary mahafantatra an’ Andriamanitra izy, ary avy eo dia nanota Taminy taty aoriana. Tsy misy fibebahana ho an’ny olona iray rehefa avy nanota tamin’ny Fanahy Masina izy. Mila milaza izy fa tsy mamiratra ny masoandro kanefa mahita izany izy, mila mandà an’i Jesoa Kristy izy rehefa avy nosokafana taminy ny lanitra ary mandà ny drafitry ny famomjena kanefa mahita ny fahamarinan’izany ny masony; ary amin’izay fotoana izay dia manomboka ho lasa fahavalo izy” (ao amin’ny History of the Church, 6:314).
Miahiahy momba ny fahotana amin’ny fitenitenenana foana na fandavana ny Fanahy Masina ny Olomasin’ny Andro Farany indraindray. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny fahotana atao amin’ny Fanahy Masina dia mitaky fahalalana be hany ka tsy azo heverina mihitsy ny hahavitan’ny mpikambana tsotra ny fahotana toa izany” (Le Miracle du pardon 1969, 123).
Nomelohin’ny Mpamonjy ny fikatsahana famantarana ao amin’ny Matio 12:39-40. Niresaka momba izany fampianaran’ny Mpamonjy izany ny Mpaminany Joseph Smith: “Olona mpijangajanga izay mikatsaka famantarana; ary izany fitsipika izany dia mandrakizay, tsy miovaova ary mafy orina tahaka ny andrin’ny lanitra; fa isaky ny mahita olona iray mikatsaka famantarana ianareo dia azonareo fantarina mazava fa olona mpijangajanga izy” (ao amin’ny History of the Church, 3:385).
Niteny ny Mpaminany Joseph Smith taty aoriana hoe: “Rehefa nitory tany Philadelphie aho, dia nisy olona iray avy ao amin’ny vondrom-pivavahana Quaker izay nangataka famantarana. Nolazaiko izy mba ho tony. Nangataka famantarana indray izy taorian’ilay toriteny. Nolazaiko tamin’ireo mpihaino fa mpijangajanga ilay lehilahy; fa mikatsaka famantarana ny taranaka olon-dratsy sy mpijangajanga; ary nilaza tamiko tao anatin’ny fanambarana iray ny Tompo fa izay olona rehetra maniry famantarana dia olona mpijangajanga. ‘Marina izany,’ hoy ny iray nihiaka, ‘satria tena tratrako tokoa izy nanao izany,’ izay nibabohan’ilay lehilahy taty aoriana rehefa natao batisa izy” (ao amin’ny History of the Church, 5:268).
Matio 12:43–50
Mampianatra ny fanoharana momba ny trano foana i Jesoa
Alaivo sary an-tsaina hoe nangataka torohevitra taminao momba ny fomba hisorohana ny famerimberenana ny fahotana iray izay ezahiny hialana ny iray amin’ireo namanao. Inona no torohevitra homenao mba hanampiana ilay namanao handresy ny fakam-panahy?
Nanome fanoharana iray momba ny fanahy maloto izay noroahina tao amin’ny lehilahy iray i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina io fanoharana io ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy ilay namanao hianatra ny fomba handresena ny fakam-panahy.
Vakio ny Matio 12:43-44, ka tadiavo ny zavatra nataon’ilay fanahy maloto rehefa avy noroahina hiala tao amin’ilay lehilahy izy.
Inona no nataon’ilay fanahy maloto rehefa tsy nahita toerana na aiza na aiza izy?
Inona ireo teny izay mamariparitra ny toetr’ilay “trano,” na ilay lehilahy, rehefa niverina ilay fanahy maloto?
Vakio ny Matio 12:45, ka tadiavo ny zavatra nataon’ilay fanahy maloto rehefa hitany fa foana ilay “trano,” na ilay lehilahy.
Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny zavatra niainan’ity lehilahy ato anatin’ity fanoharana ity olona iray izay mibebaka amin’ny fahotany sy miezaka mandresy ny fakam-panahy?
Rehefa avy nanaisotra ilay devoly ilay lehilahy dia inona no tsy vitany ka nahatonga ny fanahy ratsy hiverina?
Rehefa mamaky izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball ianao dia eritrereto ny fomba mety hitovian’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy amin’ny olona iray izay sahirana amin’ny fandresena ny fakam-panahy:
“Fantatry ny devoly izay hakana fanahy antsika, izay hametrahany ny fifantohany amin’ny ezaka ataony. Hitany ireo faritra malemy. Izay nampalemy ny olona iray teo aloha no ho mora aminy ny hakana fanahy azy indray amin’izany.
“Eo amin’ny fialan’ny olona iray amin’ny fahotana, dia tsy vitan’ny hoe maniry toe-javatra iainana tsaratsara kokoa fotsiny. Mila manamboatra izany toe-javatra izany izy. … Mila azony antoka fa tsy namoy ilay fahotana fotsiny izy fa nanova ihany koa ireo toe-javatra manodidina ilay fahotana. Mila misintaka amin’ireo toerana sy ireo toe-javatra izay nitrangan’ilay fahotana izy, satria mety hiteraka mora foana ilay fahotana indray izany. Mila mamoy ireo olona izay niara-nanaovana ilay fahotana izy. Tsy voatery hankahala ireo olona niara-nanao izany izy kanefa mila misintaka amin’izy ireo sy ny zava-drehetra izay mifandray amin’ilay fahotana. … Tsy maintsy manaisotra izay rehetra mety hamoha ireo fahatsiarovana taloha izy.
“Midika ve izany fa misy fotoana foana ny fiainan’ny … olona iray? Lasa ireo zavatra izay nanahirana azy sy nahasarika azy ary nibahana ny eritreriny, ary tsy mbola nameno ny banga ireo solon’izany tsaratsara kokoa. Fahafahana ho an’i Satana izany. …
“Maro amin’ireo izay nitsahatra tamin’ireo fahazaran-dratsy no nahita fa anisan’ny valinteny ho azy ireo izany fanoloana izany, ka nandresy ny fahazaran-dratsy iray tamin’ny fanoloana izany amin’ny fahazarana tsara na tsy mandratra” (The Miracle of Forgiveness, 171–73; nampiana soratra misompirana).
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy ny hoe afaka mandroaka ireo fitaoman-dratsy isika rehefa avy manaisotra azy ireny eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanoloana izany amin’ny fahamarinana. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 12:43–45 izany fahamarinana izany.
Halalino izao teny natao manaraka izao, ary asio marika ireo fomba ahafahantsika mandresy ireo fitaoman’ny ratsy amin’ny alalan’ny famenoana ny fiainantsika amin’ny fahamarinana:
“Tsy ampy ny fiezahana fotsiny hanohitra ny ratsy na hanaisotra ny fahotana ao amin’ny fiainanao. Tokony ho fenoinao fahamarinana ny fiainanao ary tokony hanolo-tena hanao zavatra izay mitondra hery ara-panahy ianao. Mirotsaha lalina ao anatin’ny soratra masina. Mivavaha amin’ny Tompo isan’andro mba homeny tanjaka mihoatra ny anananao ianao. Mifadia hanina indraindray hahazoana fitahiana manokana.
“Ny fankatoavana tanteraka dia mitondra hery fenon’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao, ka ao anatin’izany ilay tanjaka izay mihamitombo handresena ireo fahalemenao. Izany fankatoavana izany dia ahitana ireo fihetsika izay mety tsy noeritreretinao tany am-boalohany fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana, toy ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, fandoavana ny fahafolonkarena, fanaovana asa fanompoana ary famelana ny heloky ny hafa” (Miorim-paka amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 135).
-
Saintsaino ireo zavatra sasany azonao atao mba hamenoana ny fiainanao amin’ny fahamarinana. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany, ary hazavao fa afaka mitondra hery ara-panahy lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao sy manampy anao handresy ireo fitaoman’ny ratsy ny fanaovana ireo zavatra ireo.
Ny ambin’ny Matio 12 dia mirakitra fa rehefa nampianatra i Jesoa dia nisy olona niteny taminy fa te hiresaka Taminy ny olona sasany tao amin’ny fianakaviany. Nampianatra ny Tompo tamin’izay fa anisan’ny fianakaviany ireo rehetra izay manao ny sitrapon’ny Ray.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 11–12 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: