Fampahafantarana ny Joda
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny Epistily Ankapobeny nosoratan’i Joda dia mamariparitra ireo herin’ny apôstazia izay niasa tao amin’ny Fiangonana fahiny. Afaka mianatra momba ny fomba ahafahana manavaka ireo izay mikasa ny hampivily ireo mpianatr’i Jesoa Kristy amin’ny finoana ianao eo am-pandalinana ity epistily ity. Afaka ny mahatsapa ny maha- zava-dehibe ny fiarovana mafy ny finoana sy ny fijanonana ho mahatoky amin’izany ihany koa ianao.
Iza no nanoratra ity boky ity?
Ny mpanoratra ity epistily ity dia namaritra ny tenany ho i “Joda, mpanompon’i Jesoa Kristy, sady rahalahan’i Jakoba” Joda 1:1). Araka ny lovan-tsofina, ny mpanoratra ny boky dia fantatra fa i Joda ilay rahalahin’i Jesoa Kristy (jereo nyMatio 13:55; Marka 6:3; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Joda”).
Nazava ho azy fa mpikamban’ny Fiangonana izay nanana ny maha-izy azy tao Jerosalema i Joda, ary mety ho nandehandeha nanao asa fitoriana izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:13–14; 1 Korintiana 9:5). Tsy misy na inona na inona milaza ny anjara fanompoana izay nohazonin’i Joda, kanefa ilay epistily mihitsy dia maneho fa nanana ny anjara toeran’ny manampahefana izy izay nahafahany manoratra hafatra mifono torohevitra.
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Tsy fantatsika ny toerana nanoratana ny Epistilin’i Joda. Raha toa ka i Joda rahalahan’i Jesoa tokoa ny mpanoratra ity taratasy ity, dia mety ho teo anelanelan’ny taona 40 sy 80 taorian’i J.K.no nanoratana azy.
Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?
Ny Epistilin’i Joda dia niantefa tamin’ireo Kristiana mahatoky—“malala ao amin’ Andriamanitra sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy” Joda 1:1). Ny tanjona voalazan’i Joda dia ny hankahery ireo mpamaky ny teniny mba “hiezahanareo mafy hiaro ny finoana” (Joda 1:3) hanohitra ireo mpampianatra ratsy fanahy izay nisosoka miditra ny Fiangonana, ary nandrisika ny fitondrantena vetaveta ary ireo fampianaran-diso izay nandà ny Tompo Jesoa Kristy.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny Epistilin’i Joda dia mirakitra fampahalalana izay tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly na dia anisan’ireo boky fohy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao aza izany. I Joda dia nanoratra momba “ireo anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany voalohany” (Joda 1:6; jereo ihany koa ny Abrahama 3:26), ny fifandirana teo amin’i Mikaela sy Losifera ny amin’ny fatin’i Mosesy (Joda 1:9), ary ny faminananiana iray nataon’i Enoka momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (Joda 1:14–15; jereo ihany koa Mosesy 7:65–66).
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamarika toetra miavaka maromaro momba ny Epistilin’i Joda:
“Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia i Joda irery no nitahiry ho antsika ny foto-kevitra fa ny fiainana talohan’ny nahaterahana no anjara-fanapahana voalohany ho antsika ary nisy anjely sasantsasany izay tsy nahomby tamin’ireo fitsapana tao amin’izany.
“Ao aminy isika no mampitombo ny fahalalana kely ananantsika momba ny fifandirana teo amin’i Mikaela sy Losifera momba ny fatin’i Mosesy.
“Izy irery no nirakitra ny faminaniana lehiben’i Enoka momba ny Fiavian’ny Zanak’Olona Fanindroany” (Doctrinal New Testament Commentary, ed.3 [1965–73], 3:415).
Mahitsy ny tenin’i Joda momba ireo izay manohitra an’ Andriamanitra sy ireo mpanompony ary manohitra ireo izay manao fomba fiderana tsy mendrika araka ireo tsy mpivavaka sy milaza ho tsy anisan’ireo mila mankatò ny didin’ Andriamanitra, anisan’izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Nofaritany ny sasany amin’ireo toetran’ireo olona tsy marin-toetra ireo.
Topimaso
Joda 1. Mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba “hiezaka mafy hiaro ny finoana” (Joda 1:3). Nanazava izy fa misy ireo olona sasany izay efa niditra misokosoko eo anivon’ny Olomasina ary mampiely fotopampianaran-diso sy mamporisika ny fomba fanao ratsy. Mampitandrina momba ireo fitsarana izay hihatra amin’ireo izay manalavitra an’ Andriamanitra izy, ary nanoro hevitra ireo Mpikamban’ny Fiangonana mba hampatanjaka ny finoan’izy ireo ary “[hitahiry ny tenanan’izy ireo] ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra” (Joda 1:21).