Fizarana 30: Andro 4
Joda
Fampidirana
Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba “hiezaka mafy hiaro ny finoana” (Joda 1:3) hanohitra ireo mpampianatra sandoka. Namariparitra ireo mpampianatra sandoka izy ary nanoro hevitra ireo Olomasina mba hanorina ny fiainan’izy ireo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Joda 1:1-19
Mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba hiezaka mafy hiaro ny finoana manoloana ireo mpampianatra sandoka
-
Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba samihafa vitsivitsy izay mety hasetrinao ireto tranga tsirairay manaraka ireto:
-
Eo amin’ny tranokalan’ny tambazotra ifaneraserana iray dia nametraka fanambarana iray izay mitsikera ny fihevitry ny Fiangonana momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny namana iray.
-
Ny mpiara-monina iray aminao dia mahafantatra fa ianao dia mpikamban’ny Fiangonana. Nilaza taminao izy fa namaky ny Bokin’i Môrmôna ary nahatsapa fa asa soratra mampientana ny fanahy izany fa tsy tenin’ Andriamanitra.
-
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny iray kilasy tany an-tsekoly dia nandresy lahatra ny mpiara-mianatra iray fa tsy mampaninona sy tsy tokony ho raràna ny fijerena pôrnôgrafia.
-
Ny taratasin’i Joda ho an’ireo Kristianina mahatoky dia nitranga tamin’ny vanim-potoana izay niainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana fanenjehana mahery vaika. Vakio ny Joda 1:3–4 dia tadiavo izay namporisihan’i Joda mba ho ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana manoloana ny fanoherana.
Mariho fa i Joda dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba “hiezaka mafy hiaro ny finoana” (andininy 3). Midika izany fa mila miaro mafy, mampianatra, ary mijoro ho vavolombelona momba ny filazantsara izy ireo. Nisy “olona ratsy fanahy” (andininy 4) nanana tanjona ratsy izay tafiditra tao amin’ny Fiangonana. Ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo dia nanindraindra fombafomba tsy mendrika sy maloto tamin’ny fampianarana fa ny fotopampianarana momba ny fahasoavana dia manome lalana malalaka mba hanota satria Andriamanitra dia hamela heloka amin’ny indrafo. Nolavin’izy ireo ihany koa ny fahamarinana sasantsasany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Joda ny hoe ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia tokony hiady mafy ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hanohitra ireo fampianaran-diso sy fombafomba tsy mendrika.
Ny fiadiana ho an’ny filazantsara dia tsy midika hoe tia mifanditra am-panahy isika. Tokony ho tsara fanahy sy hentitra isika fa tsy tokony hanjakazaka amin’ny fiarovana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana (jereo ny Almà 38:12; 3 Nefia 11:29). Ny hoe miady ho an’ny filazantsara amim-pahombiazana–izany hoe miaro, sy mampianatra, ary mijoro ho vavolombelona–dia midika ihany koa hoe mila mahafantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika marin’ny filazantsara isika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafantsika miady ho an’ny filazantsara ka tsy hisy ny filàna vaniny?
-
Tsarovy ireo toe-javatra miseho natolotra tao amin’ny asa nampanaovina 1. Ao amin’ireo toe-javatra miseho ireo sy ny toe-javatra miseho mitovitovy amin’ireo, dia inona ireo fomba sasantsasany hahafahantsika miady ho an’ny filazantsara ka hanohitra ireo fampianaran-diso sy ireo fombafomba tsy mendrika?
-
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara tantara iray momba ny zatovovavy iray izay niady ho an’ny filazantsara:
“Vao haingana aho no niresaka tamin’ny zatovovavy Ravintsara iray avy eto Etazonia. Izao no nolazainy tao amin’ny mailaka nalefany:
“‘Nanomboka nanoratra ny hevitr’izy ireo mikasika ny fanambadiana tao amin’ny Facebook ny sasany amin’ireo namako tamin’iny taona lasa iny. Betsaka ireo nanohana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy, ary zatovo Olomasin’ny Andro Farany maro no nanindry ny hoe “tiako” teo amin’ireo soratra. Tsy naneho hevitra aho.
“‘Nanapa-kevitra aho ny hanambara tamim-pitandremana ny finoana ijoroako, dia ny fanambadian’ny lehilahy iray amin’ny vehivavy iray.
“‘Nampiako soratra hoe: ‘Mino ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray aho’ teo amin’ny sary famantarana ahy. Fotoana fohy monja taorian’izay dia nanomboka naharay hafatra aho. “Tia tena ianao.” “Be tsikera ianao.” Nampitaha ahy tamin’ny tompona andevo ny olona iray. Dia naharay ity hafatra ity avy amin’ny namako iray izay mpikamban’ny Fiangonana matanjaka tokoa aho: “Mila manaraka ny toetr’andro ianao. Efa niova ny zavatra maro ary tokony hiova araka izany ianao.”
“‘Tsy namaly aho,’ hoy izy ‘saingy tsy nofafako ireo teny nambarako.’
Nofaranany tamin’ny hoe: “Indraindray, araka ny nolazain’ny Filoha Monson dia “Mila sahy mijoro irery ianao”. Enga anie isika tanoran’ny Fiangonana mba hiara-hivondrona amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy amin’ireo fampianaran’ny mpaminaniny velona’” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 19–20).
Mieritrereta fotoana iray izay niadianao na ny olona fantatrao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Saintsaino ny zavatra azonao atao bebe kokoa mba hiarovana sy hijoroana ho an’ny fahamarinana. Manolora tena hanaraka izay mety ho bitsiky ny Fanahy voarainao.
Ao amin’ny Joda 1:5-7, i Joda dia mampitaha ireo mpikamban’ny Fiangonana nikomy tamin’ireo olona tsy nahatoky teo anivon’ny Israelita fahiny izay notarihina hiala avy tao amin’ny tanin’i Egypta; ireo izay nikomy tamin’ Andriamanitra tao amin’ny “toetrany voalohany” (Joda 1:6; jereo ihany koa ny Abrahama 3:22–26), na ny fiainana talohan’ny nahaterahana; ary ireo olon-dratsy tao anatin’i Sodoma sy Gomora sy nanodidina izany izay naringana.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Joda 1:8–16 dia mamariparitra ireo toetra izay afaka manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hahafantatra ireo izay nanaparitaka filôzôfia diso sy fombafomba tsy mendrika tao amin’ny Fiangonana i Joda. Ohatra, nofariparitany ho toy ny “rahona … tsy misy rano, entin’ny rivotra ireo” ary ”hazo fararano, nefa tsy misy voany” (Joda 1:12). Amin’ny fomba ahoana ny mpampianatra sandoka no mitovy amin’ny rahona tsy misy rano sy ny hazo fararano tsy misy voany?
Mety nilaza fampahalalana hita ao amin’ireo boky apôkrifa momba ny Vinavinan’i Mosesy ary ny Bokin’i Enoka i Joda tao anatin’ny epistiliny. Ny Vinavinan’i Mosesy dia mamaritra an’i “Mikaely arikanjely … niady tamin’ny devoly … nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy” (Joda 1:9). Ilay boky dia milaza ny fomba nandresen’i Mikaely tamin’ny farany, ary i Mosesy dia nasandratra teo amin’ny fiafaran’ny androm-piainany (jereo ny Almà 45:19). Ny Bokin’i Enoka dia mirakitra ny faminaniana avy amin’i Enoka momba ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Joda 1:14–15). Nanambara ny Tompo fa zavatra maro voarakitra ao amin’ny apôkrifa no marina, ary ireo izay entanim-panahy dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny famakiana izany. Na dia izany aza dia ahitana fanampin-javatra izay manimba ny lahatsoratra voalohany ny sasany amin’ireo boky (jereo ny F&F 91). (Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny Apôkrifa dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôkrifa.”)
Vakio ny Joda 1:8, 10, 14–19 dia tadiavo ireo toetra fanampiny ananan’ireo mpampianatra sandoka. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao. Ao amin’ity tabilao nampiarahina etoana ity dia fenoy ireo banga araka ny zavatra nianaranao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ny sasantsasany amin’ireo fanambarana ao amin’ny tabilao dia nomena mba hanampiana anao hahatakatra ny asa soratr’i Joda. (Mariho fa ny “andro farany” [andininy 8] dia manondro ny vanim-potoana niainan’i Joda ary koa izao andro farany iainantsika izao.)
|
Toetoetran’ ireo mpampianatra sandoka | |
|---|---|
|
|
Nahoana no zava-dehibe ny mamantatra ny toetoetran’ireo mpampianatra sandoka?
Tsy ny olon-drehetra izay manana ny iray na maromaro amin’ireo toetra ireo dia mpampianatra sandoka avokoa. Tsy ny olon-drehetra izay mampianatra zavatra izay tsy marina koa dia mpampianatra sandoka avokoa. Mety ho diso fihevitra tsy nahy teo amin’ny fahatakarany ny lohahevitra iray izy ireo. Na dia izany aza, ny fahafantarana ireo toetra ireo dia afaka manampy antsika hamantatra ireo mpampianatra sandoka izay ny hampalemy ny finoana sy ny fankatoavan’ny hafa no tanjon’izy ireo amin’ny alalan’ny famitahana azy ireo sy amin’ny fanindraindrana ny ratsy.
Mariho ao amin’ny Joda 1:17 fa i Joda dia nampahatsiahy ireo Olomasina fa ireo Apôstôlin’ny Tompo dia nampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ireo mpampianatra sandoka. Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa ireo apôstôly sy mpaminany dia mampitandrina antsika sy manampy antsika hanavaka ireo izay mikatsaka ny hampalemy ny finoantsika sy ny fankatoavantsika.
Mbola manohy mampitandrina antsika manoloana ireo mpampianatra sandoka ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny.
Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa: “Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo anay dia adidinay ny ho mpiambina eo amin’ny tilikambo ka mampitandrina ny mpikamban’ny Fiangonana mba hitandrina amin’ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka izay miandry fotsiny mba hamandrika sy hanimba ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Androany izahay dia mampitandrina anareo fa misy ny mpaminany sandoka sy ny mpampianatra sandoka izay mitsangana; ary raha toa ka tsy mitandrina isika dia hanjary ho voafitak’izy ireo na ireo izay anisan’ireo mpikambana mahatokin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aza” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 62).
Inona avy ireo mpampianatra sandoka na fampianaran-diso sasantsasany izay nampitandreman’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina?
Araka ny zavatra nianaranao avy amin’ny epistilin’i Joda, nahoana no manan-danja ny mandalina ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminany?
Joda 1:20–25
Nanoro hevitra ireo Olomasina mba hampiorina ny fiainan’izy ireo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanampy amin’ny famonjena ny hafa i Joda
Vakio ny Joda 1:20–21 dia tadiavo ny torohevitra izay nomen’i Joda mba ho ataon’ireo Olomasina mba hijanonana ho mahatoky amin’ny finoana. Ny andian-teny hoe “mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina” ao amin’ny andininy 20 dia midika hoe mivavaka miaraka amin’ny fanampian’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Ampiasao ireo fahamarinana izay nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hamenoana ity fitsipika manaraka ity: Afaka mijanona ho mahatoky amin’ny finoana isika amin’ny alalan’ny .
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana ny fijanonana ho marina amin’ny finoana no mendrika ny ezaka rehetra izay takin’izany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampy anao na ny olona iray izay fantatrao mba hijanona ho marina amin’ny finoana ny fiainana ny torohevitr’i Joda?
-
-
Eo amin’ny taratasy manokana iray dia manorata fomba iray azonao hatsaraina amin’ny fanarahana ny toro-hevitr’i Joda, ary apetraho amin’ny toerana hahitanao izany matetika izany ho fampahatsiahivana mba hampihatra ny zavatra nosoratanao. Rehefa vitanao izany dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe Vita.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Joda 1:22–25, i Joda dia nanoro hevitra ireo mpikambana mahatokin’ny Fiangonana mba hanampy ireo izay manana olana ara-panahy, izay mety ho vokatry ny fitaoman’ireo mpampianatra sandoka. Naneho fiderana an’ Andriamanitra ihany koa izy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Joda ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: