Tahirim-pitaovana
Fizarana 15, Andro 4: Jaona 14–15


Fizarana 15: Andro 4

Jaona 14–15

Fampidirana

Taorian’ilay sakafon’ny Paska dia nampianarin’i Jesoa ireo Apôstôliny ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra sy ny fomba hanehoan’izy ireo ny fitiavany Azy. Taorian’izay i Jesoa dia nampanantena ireo Apôstôliny fa haniraka Mpananatra hafa ho azy ireo. Nampianatra Izy fa Izy no Tena Voaloboka ary ireo mpianany no sampany. Nandidy ny mpianany ihany koa ny Mpamonjy mba hifankatia ary nampitandrina azy ireo ny amin’ireo fanenjehana izay hihatra amin’izy ireo Izy vokatry ny fiarahan’izy ireo Aminy.

Jaona 14:1–14

Mampianatra ireo Apôstôliny ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe manontany izao anao ny namana iray: “Nambara tamiko fa misy lalana marobe mankany an-danitra ary mampiseho amintsika fomba samihafa handehanana any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny fivavahana samihafa. Mino ve ianao fa marina izany? Soraty eo amin’ny toerana nomena ny fomba hamalianao izany fanontaniana izany, ary hazavao ny antony hinoanao hoe marina na tsia izany teny nolazaina izany.

Vakio ny Jaona 14:1-6, ka tadiavo ny fampianarana nataon’ny Mpamonjy mikasika ny fomba hiverenana any amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra. (Ny Jaona 14:6 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)

Mianatra isika avy amin’ny Jaona 14:6 fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny lalany ihany no ahafahantsika miditra ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no maha-hany lalana hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy?

    2. Amin’ny fomba ahoana no maha-Fahamarinana an’i Jesoa Kristy?

    3. Amin’ny fomba ahoana no maha-Fiainana an’i Jesoa Kristy?

Ny lalan’ny Mpamonjy dia ahitana ny fampitomboana ny finoana Azy sy ny Ray any An-danitra; ny fibebahana; ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena, toy ny batisa sy ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly; ary ny faharetana hatramin’ny farany amim-pinoana sy fankatoavana.

Vakio ny Jaona 14:7-14, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany mikasika ny fifandraisany amin’ny Rainy. Asio marika ilay andian-teny hoe “izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” ao amin’ny andininy 9.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa naniraka ny Zanany Lahy mba hanampy antsika hahafantatra sy ho tia ary hankato ny Raintsika any An-danitra ny Ray:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tamin’ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony, tafiditra ao anatin’izany, ary indrindra indrindra tamin’ny fijaliana sy ny sorona manavotra nataony, dia nasehony antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany Izy tamin’ny vanim-potoana sy tao amin’ny firenena rehetra. Niezaka nampahafantatra tamintsika tsirairay avy ny tena toetran’ny Rainy, ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa i Jesoa.

“Anisany antony nanaovany izany farafahakeliny ny hoe mila mahafantatra an’ Andriamanitra bebe kokoa isika rehetra tamin’izany sy amin’izao mba hitiavana Azy lalina kokoa sy hankatoavana Azy feno kokoa. …

“Rehefa niezaka nampianatra ny fianakavian’ny olombelona ny sitrapo sy ny lalan’ny Ray ireo mpaminany maro nifandimby, izay mazàna no tsy nahita afa-tsy fahombiazana kely, dia niezaka araka izay tsara indrindra Andriamanitra mba hahafantarantsika Azy, naniraka ny Zanany Lahitokana sy Lavorary teto an-tany, izay nohariana araka ny endriny tanteraka, mba hiaina sy hanompo teo anivon’ny olombelona tao amin’ny rotoroton’ny fiainana andavanandro. …

“… I Jesoa dia … tonga mba hampivoatra ny fijerin’ny olombelona an’ Andriamanitra sy hiangavy azy ireo mba hitia ny Rainy any An-danitra tahaka ny nitiavany azy ireo hatrany sy ho mandrakariva. Ny drafitr’ Andriamanitra, ny herin’ Andriamanitra, ny fahamasinan’ Andriamanitra, eny fa na dia ny hatezerana sy ny fitsaran’ Andriamanitra izay tokony ho takatr’izy ireo. Saingy ilay fitiavan’ Andriamanitra, ny halalin’ny fanolorantenany ho an’ny zanany, dia tsy mbola fantatr’izy ireo tanteraka—raha tsy tonga i Kristy.

“Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray, Izy ‘izay mamindra fo sy miantra, tsy mora sosotra, mahari-po ary heniky ny hatsarana’ [Lectures on Faith (1985), 42]. Nandritra ny fiainany ary indrindra rehefa maty i Kristy dia nanambara Izy hoe: ‘Ity ny famindram-po avy amin’ Andriamanitra sy avy amin’ny tenako manokana’” (“The Grandeur of God,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 70–72).

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Jaona 14:6

  1. journal iconNy fanaovana tsianjery ny andalan-tsoratra masina ao amin’ny Jaona 14:6 dia afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana tahaka ilay anankiray tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity. Ataovy tsianjery izany andalan-tsoratra masina izany amin’ny alalan’ny famerimberenana izany mafy im-betsaka. Dia tanisao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao iray izany avy eo. Rehefa izany dia soraty hoe nanao tsianjery ny Jaona 14:6 aho ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ary asaivo manao sonia izany ilay olona izay nitanisanao ilay izy.

Jaona 14:15–31

Nampianatra ireo Apôstôliny ny fomba hanehoan’izy ireo ny fitiavany Azy i Jesoa

Mieritrereta olona iray izay tianao. Ahoana no hanehoanao ny fitiavanao io olona io?

Vakio ny Jaona 14:15, ka tadiavo ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ireo Apôstôliny mba hanehoan’izy ireo ny fitiavany Azy. (Soratra masina fehezina nyJaona 14:15.) Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)

Fenoy avy amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa ny Apôstôliny izao fahamarinana manaraka izao: Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny .

Eritrereto ny fomba hampisehoan’ny fitandremana ny tsirairay amin’ireto didy manaraka ireto ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy: mitandrina ny andro sabata ho masina, manaja ny ray aman-dreninao, mandoa ny fahafolonkarena, ary mitia ny namanao.

Makà telo na efatra minitra dia eritrereto tsara hoe manao ahoana ny fampisehoanao ny fitiavanao ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didiny.

Vakio ny Jaona 14:16–17, 26, ka tadiavo ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny.

Ny andian-teny hoe “Mpananatra hafa ” ao amin’ny andininy 16 dia entina ilazana ny Fanahy Masina. Koa satria ny Mpamonjy dia mpananatra ireo Apôstôliny nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia niantso ny Fanahy Masina hoe Mpananatra hafa Izy. Noho ny antony tsy fantatra dia tsy niasa tanteraka ny Fanahy Masina nandritra ny asa fanompoan’i Jesoa teto ambonin’ny tany, na dia niasa tanteraka aza izany mialoha sy taorian’ny asa fanompoan’i Jesoa teto ambonin’ny tany (jereo ny Bible Dictionary, “Holy Ghost”).

Nanazava ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpananatra azy ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Bruce R. McConkie

“Raha mbola niaraka tamin’izy ireo i Jesoa dia Izy no Mpananatra azy ireo. Niresaka ny fiadanana ho an’ny fanahin’izy ireo Izy. Ireo izay nanana enta-mavesatra noho ireo alahelo sy fijaliana ary ady eto amin’izao tontolo izao dia nanatona Azy ka nahita fitsaharana ho an’ny fanahiny. Nampionona ny mananontena Izy ary rain’ireo izay tsy nanan-dray. Ny teniny dia nampahery ireo olona nino mba hanana fahatoniana sy fiadanana lehibe kokoa. Ary izao izy dia handao, kanefa handefa Mpananatra hafa—ny Fanahy Masina—mba hijanona mandrakizay hiaraka amin’ireo izay mahatoky.

“Ho an’ny olona rehetra ankoatra ireo vitsy izay nandre ny feony teto an-tany, dia ny Fanahy Masina no Mpananatra voalohany. Ity mpikambana ao amin’ny Andriamanitra ity dia miresaka fiadanana amin’ny fanahin’ireo olomarina amin’ny vanim-potoana rehetra. Ny Fanahy Masina dia ‘fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy amim-pahazotoana tokoa na amin’ny fotoana izay hanehoany ny tenany amin’ny zanak’olombelona’ (1 Ne. 10:17), ary amin’ny fotoana ho avy ihany koa. Izy no Fanahin’ny fahamarinana—tahaka an’i Kristy ihany koa—saingy tsy afaka mandray ny Fanahy Masina izao tontolo izao satria tsy hitoetra ao amin’ny tabernakely maloto ny Fanahy” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 4:74–75).

Araka ny voalazan’ny Jaona 14:16–17, 26, dia inona avy ireo zavatra telo azon’ny Fanahy Masina atao ho antsika? Valio io fanontaniana io amin’ny alalan’ny famenoana izao fahamarinana manaraka izao: Ny Fanahy Masina dia afaka .

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nananatra anao?

    2. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nampianatra anao?

    3. Oviana ny Fanahy Masina no nanampy anao nitadidy zavatra?

Vakio ny Jaona 14:18–23, ka tadiavo ny fampanantenana nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mampiseho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha mitandrina ny didy isika dia hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:3, ka tadiavo ny dikan’ny hoe hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jaona 14:27, ka tadiavo ireo teny fankaherezana nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny.

Saintsaino ny maha-samy hafa ny fiadanana omen’ny Mpamonjy amin’ny fiadanana omen’izao tontolo izao.

Loholona Bruce R. McConkie

Namariparitra ny fiadanana omen’ny Mpamonjy ny Loholona McConkie: “[Izany dia] fiadanana ao anaty izay ateraky ny finoana azo antoka momba ny maha-masina ny fanjakan’ny Tompo eto ambonin’ny tany; fiadanana izay mitondra antoka fa hisy tontolo tsara kokoa amin’ny ho avy; fiadanana izay mitoetra ao amin’ny fanahin’ny olona na dia eo anivon’ny ady sy ny korontana aza izy ireo” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:742).

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 14:28–30 fa nilaza tamin’ny Apôstôliny i Jesoa fa tokony hifaly izy ireo satria efa handao azy ireo mba hiverina any amin’ny Ray any An-danitra Izy. Araka ny nohazavaina ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith dia nilaza tamin’izy ireo ihany koa i Jesoa fa tsy nanana fahefana Taminy i Satana satria nandresy izao tontolo izao Izy, kanefa mbola afaka nitaona azy ireo i Satana satria tsy mbola tontosa ny asan’izy ireo teto ambonin’ny tany (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 14:30 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).

Vakio ny Jaona 14:31, ka tadiavo ny fomba nampisehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany ny Rainy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Jaona 14:15

  1. journal iconJereo hoe hafiriana no hahavitanao tsianjery ny Jaona 14:15. Tonony amin’ny feo mafy izany. Avy eo dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany ka avy amin’ny fitadidianao ihany hanaovanao izany.

Avereno vakina ny Jaona 14:31, ka tadiavo ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy mba ho arahantsika mikasika ny fitsipika izay nampianariny ao amin’ny Jaona 14:15. Diniho ilay fehezanteny hoe “Mitsangàna, andeha isika hiala eto” (Jaona 14:31). Mety ho nilaza ny fandaozana ny efitra ambony izay nanaovana ny Sakafo hariva Farany ny Mpamonjy ary avy eo dia nanatanteraka ny adidiny tamin’ Andriamanitra tao Getsemane sy Golgota. Ny didy sarotra indrindra avy tamin’ny Ray ho an’ny Zanakalahiny dia ny hijalian’i Jesoa ka ho faty ho antsika (jereo ny 3 Nefia 27:13–14). Saintsaino ny didin’ny Tompo sy ireo fenitra izay sarotra ankatoavina ho anao. Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no hampisehoan’ny fankatoavana ireo didy ireo ny fitiavanao ny Mpamonjy. Manorata tanjona mba ho mpankato amin’ireo fomba izay nosaintsaininao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Jaona 15:1–11

Nanazava i Jesoa fa Izy no Tena Voaloboka

Alaivo sary an-tsaina hoe manao jery todika ny fiainanao ianao rehefa afaka 60 taona. Asio faribolana hoe iza amin’ireto manaraka ireto no ho tianao indrindra hamaritra ny fiainanao: mahomby, tsy faly, feno fifaliana, mendrika ny niainana, tsy mamokatra, mamoa be, mamokatra, betsaka, ary tsy mahomby.

Nampiasa ny sarin-teny hoe tena voaloboka i Jesoa mba hanampiana ireo mpianany hahatakatra ny fomba hananana fiainana mamoa be sy mamokatra ary betsaka.

foto-boaloboka

Vakio ny Jaona 15:1-5, ka tadiavo ny zavatra asehon’ireo singa samihafa amin’io sarin-teny io.

Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa maneho an’i Jesoa Kristy ny voaloboka, ary ireo sampana dia maneho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy. Ny voa dia afaka maneho ireo asan’ny fahamarinana sy ireo asa tsara izay tokony hataon’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy. Soraty eto akaikin’ny anarana ao amin’ilay sary ireo hevi-teny ireo. Ilay mpamboatra, araka ny nolazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 15:1, dia ny Ray any An-danitra. Ny mpamboatra dia olona iray izay mikarakara ny tanim-boaloboka iray.

Asio marika isaky ny mahita ny teny hoe tomoera na miray ao amin’ny Jaona 15:4–5 ianao. Ny teny hoe tomoera araka izay ampiasaina ato amin’ireto andininy ireto dia midika hoe mijanona mifatotra mafy sy maharitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 15:5 fa raha mitoetra ao amin’ny Mpamonjy isika dia hamoa asan’ny fahamarinana.

sampana

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 15:6–8 fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa ireo izay tsy miray Aminy dia tahaka ny sampana iray izay notapahina—malazo izany dia maty. Mamoa asan’ny fahamarinana izay manome voninahitra an’ Andriamanitra ireo olona tsirairay izay mitoetra ao amin’i Jesoa Kristy.

Inona no azontsika atao mba hitoetra ao amin’ny Mpamonjy, na hifandray mafy Aminy?

Vakio ny Jaona 15:9-11, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa ireo mpianany mba ho ataon’izy ireo sy ireo fitahiana ho azon’izy ireo. Asio marika izay zavatra hitanao.

Tia antsika amin’ny fitiavana lavorary sy maharitra mandrakizay ny Ray sy ny Zanaka, ary ny fitandremana ny didin’Izy ireo dia mamela antsika handray ny fahafenoan’ireo fitahiana izay tian’Izy ireo omena amim-pitiavana tokoa (jereo ny 1 Nefia 17:35; F&F 95:12; 130:20–21).

Mianatra isika avy amin’ny Jaona 15:10–11 fa raha mitandrina ny didy isika dia hitoetra ao amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy handray ny fahafenoan’ny fifaliana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mamela antsika handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny firaisana amin’ny Mpamonjy?

    2. Araka ny eritreritrao, nahoana no hamoa asan’ny fahamarinana ireo izay mitoetra ao amin’ny Mpamonjy?

Eritrereto ireo fomba ahafahanao mijanona mifandray mafy amin’ny Mpamonjy ka hahazo fifaliana bebe kokoa amin’izany.

Jaona 15:12–17

Mandidy ny mpianany mba hifankatia i Jesoa

Loholona Russell M. Nelson

Ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Azo antoka fa ny porofo tsara indrindra amin’ny fiderantsika an’i Jesoa dia ny fakantsika tahaka Azy” (“The Mission and Ministry of Jesus Christ,” Ensign, apr. 2013, 38).

Ny fiderana dia fitiavana sy fanajana lehibe, ary ny fakana tahaka dia midika hoe manao zavatra mitovy amin’izay nataony.

Vakio ny Jaona 15:12, ka tadiavo ny fomba nangatahan’ny Mpamonjy antsika haka tahaka Azy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Vakio ny Jaona 15:13–17, ka tadiavo ny fomba nitiavan’ny Mpamonjy antsika. Asio marika izay nolazain’ny Mpamonjy fa fanehoam-pitiavana lehibe indrindra ao amin’ny andininy 13.

Loholona Claudio R. M. Costa

Tsipiho ny sosokevitra nomen’ny Loholona Claudio R. M. Costa ao amin’ny Fitopololahy mba ho ataontsika hahafoizantsika ny aintsika ho an’ireo izay tiantsika: “Afaka manolotra ny aintsika ho an’ireo olon-tiantsika isika, tsy amin’ny alalan’ny fahafatesana ara-batana ho azy ireo fa amin’ny alalan’ny fiainana ho azy ireo kosa—manome ny fotoantsika; miaraka amin’izy ireo mandrakariva eo amin’ny fiainany; manompo azy ireo; mahalala fomba sy be fitiavana ary maneho fitiavana marina ho an’ireo ao amin’ny fianakaviantsika sy ny olon-drehetra—araka izay nampianarin’ny Mpamonjy” (“Don’t Leave for Tomorrow What You Can Do Today,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 74).

Mieritrereta olona iray izay nanolotra ny ainy ho anao tamin’ny iray amin’ireo fomba ireo.

Jaona 15:18–27

Mampitandrina ireo mpianany ny amin’ireo fanenjehana izay hihatra amin’izy ireo noho ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny Aminy i Jesoa

Rehefa avy nampianatra ireo mpianany mikasika ny firaisana Aminy sy ny fifanehoana fitiavana ny Mpamonjy dia nampianatra azy ireo ny zavatra hitranga amin’izy ireo noho ny fifandraisany Taminy. Mianatra isika ao amin’ny Jaona 15:18–25 fa izao tontolo izao, na ireo mpanota, dia hankahala ireo Apôstôly. I Jesoa Kristy dia nanamafy fa ireo izay mankahala Azy dia mankahala ihany koa ny Ray ary ho tanana ho tompon’andraikitra amin’ny safidy ataony izy ireo.

Na dia eo aza ny fankahalana sy ny fanenjehan’ireo olona hafa ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia nanome fomba maro ho an’izao tontolo izao Izy mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona ny Aminy. Vakio ny Jaona 15:26–27, ka tadiavo ny vavolombelona izay hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 14–15 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: