Fampahafantarana ny 1 Jaona
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ato amin’ity epistily ity, i Jaona Apôstôly dia miresaka momba ny fitaomana mampidi-dozan’ireo mpikomy izay niparitaka tao anatin’ny Fiangonana. Nampitandrina ireo Olomasina izy mba tsy hiombona amin’ny maizina ary hijanona ao amin’ny fiarovan’ny fahazavan’ny filazantsara. Ny fandalinana ny 1 Jaona dia afaka manampy anao mba hanavaka bebe kokoa ireo fampianaran-diso momba an’i Jesoa Kristy, ary ny fanarahana ny torohevitr’i Jaona dia afaka manampy anao mba hiombona hatrany amin’ny Tompo rehefa mitoetra ao amin’ny fahamarinana ianao. Ankoatra izany, ny fandalinana ity boky ity dia afaka manampy anao mba hahatakatra ny fitiavana lehiben’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, izay nasehony tamin’ny nanolorany ny Zanany, Jesoa Kristy ho sorona ho an’ny olombelona rehetra.
Iza no nanoratra ity boky ity?
“Tsy mitonona ny anarany na aiza na aiza ao amin’ireo epistily telo ireo ny mpanoratra; kanefa araka ny lovan-tsofina dia heverina fa an’i Jaona izy ireo,” izay iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany (Bible Dictionary , “Jaona, Epistilin’i Jaona”). Ny mpanoratra ireo Epistilin’i Jaona dia vavolombelona nahita maso ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, izay azo heverina marina tokoa fa i Jaona Apôstôly (jereo ny 1 Jaona 1:1—4; 4:14).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 1 Jaona. Mety ho nosoratana tany amin’ny fiafaran’ny taonjato voalohany talohan’i J.K. izany.
Na dia nandany ny ankamaroan’ireo taona voalohany teo amin’ny androm-piainany tany Palestina aza i Jaona dia nankahala ireo Kristianina sy ireo Jiosy izany faritra izany taorian’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70 taorian’i J.K. Ny lovan-tsofina dia manambara fa niala tao Palestina i Jaona ary nipetraka tao Efesosy ny androm-piainany sisa. Raha toa ka marina izany, dia mety ho nanoratra ilay taratasy tao Efesosy i Jaona teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K.
Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?
Ireo mpamaky ny 1 Jaona dia tsy voatonona mazava, fa araka ny zavatra hita ao amin’ny asa sorany dia nanoratra ho an’ireo mpino i Jaona (jereo ny 1 Jaona 1:3—4; 2:12—14), angamba ireo tao amin’i Asie Mineur (Turquie ankehitriny), toerana izay lazain’ny loharanon-tantara sasany fa mety nonenan’i Jaona sy nanaovany asa fanompoana tany amin’ny faraparan’ny taonjato voalohany taorian’i J.K.
Nandritra io fotoana io dia nahatonga fampisarahana, na fizarazarana teo anivon’ireo Olomasina tao amin’ilay faritra ireo mpampianatra sandoka (jereo ny 1 Jaona 2:18-19, 22, 26; 4:1), ary niparitaka tao amin’ny Fiangonana ny apôstazia. Filôzôfia iray manokana izay nahazo laza ny Docetisme. Ny Docetisme dia anisan’ny vondrona lehibe iray fantatra amin’ny anarana hoe Gnosticisme. Ny fampianarana fototra iray amin’ireo endrika Gnostcisme maro dia hoe: ny fanahy dia tsara tanteraka ary ny zavatra, anisan’izany ny vatana ara-nofo, dia ratsy tanteraka.
Ireo mpanaradia ny Gnosticisme dia nino fa ny famonjena dia tsy tanteraka avy amin’ny fanafahana amin’ny ota, fa amin’ny alalan’ny fanafahana ny fanahy amin’ny zavatra kosa, izany hoe ny vatana. Nino ihany koa izy ireo fa ny famonjena dia tanteraka amin’ny alalan’ny fahalalana manokana (gnosis) fa tsy avy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Ny Docetisme dia avy amin’ny teny Grika hoe dokeō, izay midika hoe “toa” na “miseho.” Ireo mpanaraka ny Docetisme dia diso nanamafy ny toetra ara-panahan’i Jesoa hatrany amin’ny fandavan’izy ireo fa tonga teto an-tany tamin’ny endriny ara-batana Izy. Ninoan’izy ireo fa Andriamanitra dia tsy hita maso, tsy mety maty, mahafantatra ny zavatra rehetra sy tsy azo tsapain-tanana, ary noheverin’izy ireo fa ny tany sy ny vatana dia voaloto sy ratsy. Noho izany dia nino izy ireo fa noho i Jesoa Zanaka masin’ Andriamanitra, dia tsy ho afaka niaina ny fiainana manam-petran’ny olombelona Izy. Amin’ny fomba fijerin’izy ireo, i Jesoa Kristy dia tsy teraka tao amin’ny nofo ara-bakiteny sy tsy niaina tao anatin’ny vatana azo tsapain-tanana, na nandeha ra, na nijaly, na maty, na nitsangana tamin’ny maty ara-batana—Toa nanao ireo zavatra ireo fotsiny Izy.
Na dia nanitsy ireo fampianaran-diso ireo aza i Jaona Apôstôly ao amin’ny 1 Jaona, dia nisisika sy nisoko tao amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izany. Izany sy ny fotopampianaran-diso hafa dia anisan’ny nahatonga ny Apôstazia Lehibe.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Amin’ny mahairay amin’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy voalohany an’i Jaona dia vavolombelona manokan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izy. Natombok’i Jaona ny epistiliny tamin’ny fanambarana fa izy dia nahita, sy nandre, ary nikasika an’i Jesoa Kristy. Miainga avy amin’ity fijoroana ho vavolombelona manokana ity no nanasany ireo mpamaky mba “hiombona … amin’ny Ray, sy amin’ny Zanany Jesoa Kristy” (1 Jaona 1:3). Ny fitiavana no lohahevitra ivon’ny Epistily voalohany nosoratan’i Jaona. Nohamafisin’i Jaona fa ireo izay milaza fa tia an’ Andriamanitra kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga; (jereo ny 1 Jaona 4:20—21).
Topimaso
Jaona 1:1—3. Nampianatra i Jaona fa amin’ny alalan’ny fankatoavana no ahafahantsika mahafantatra an’ Andriamanitra, sy miombona miaraka Aminy, ary ho tonga tahaka Azy. Amin’ny andro farany, dia hisy ireo antikristy. Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika dia nasehony tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.
1 Jaona 4—5. Namporisika ireo Olomasina i Jaona mba hamantatra raha toa ka avy amin’ Andriamanitra na tsia ny mpampianatra iray. Andriamanitra dia fitiavana, ary noho ny fitiavany lehibe ho antsika, dia nirahiny ny Zanany mba hijaly ho antsika. Ireo izay tia an’ Andriamanitra dia hitandrina ny didiny. Ireo izay mino an’ i Jesoa Kristy sy aterak’ Andriamanitra dia handresy izao tontolo izao.