Tahirim-pitaovana
Fizarana 1: Andro 1 Ny Drafitry ny Famonjena


Fizarana 1 Andro 1

Ny Drafitry ny Famonjena

Fampidirana

Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny hanaovana famintinana fohifohy mikasika ny drafitry ny famonjena isaky ny fiandohan’ny taom-pianarana ho an’ny seminera ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo :

Filoha Boyd K. Packer

“Ny famintinana fohifohy ny ‘drafitry ny fahasambarana’ dia hanan-danja lehibe tokoa eo amin’ireo mpianatrao … raha atao any am-piandohan’ny taom-pianarana izany, ary haverimberina indraindray. …

“Manontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana?’—Nahoana isika no didina hanao zavatra sasantsasany, ary nahoana isika no didina tsy hanao zavatra hafa? Ny fahalalana momba ny drafitry ny fahasambarana, na amin’ny endrika famintinana aza, dia afaka mampanontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana’” (“The Great Plan of Happiness,” ao amin’ny Teaching Seminary: Preservice Readings [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2004], 69–70, LDS.org; jereo ny Almà 12:32).

Ity lesona ity dia manome famintinana fohy mikasika ny drafitry ny famonjena ary miompana amin’ny anjara asa fototra tanan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ao anatin’izany drafitra izany.

Ny anjara asan’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Inona no havalinao raha misy olona manontany anao hoe nahoana no manan-danja aminao i Jesoa Kristy ?

Ao anatin’ny lesona androany ianao dia hianatra mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ianao.

  1. journal iconAdikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Hanoratra fotopampianarana maro ao amin’ny tabilaonao ianao eo am-pandalinanao ity lesona ity.

    I Jesoa Kristy no fototry ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra

    Fiainana talohan’ny nahaterahana

    Fiainana an-tany

    Fiainana aorian’ny fiainana an-tany

Misy dingana telo lehibe ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fanavotana antsika: ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, izay mialoha ny fahaterahantsika ao anaty vatana; ny fiainantsika eto an-tany, ary ny fiainantsika aorian’ny fiainana an-tany.

Vakio ity teny manaraka nolazaina ity ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo zavatra tsy azontsika natao tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana:

“Niaina tany an-danitra tamin’ny naha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any An-danitra antsika isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity [jereo ny Asan’ny apostoly 17:28–29; Abrahama 3:22–26]. Saingy tsy nitovy tamin’ny Raintsika any An-danitra isika ary tsy afaka ho tonga tahaka Azy na oviana na oviana sy higoka ny fahasoavana rehetra izay ananany raha tsy mandalo ny fiainana an-tany miaraka amin’ny vatana.

“Ny tena tanjon’ Andriamanitra—ny asany sy ny voninahiny—dia ny hanome fahafahana antsika hahazo ny fahasoavany rehetra [jereo ny Mosesy 1:39]. Nanome drafitra tonga lafatra Izy mba hanatanterahana ny tanjony. Nahatakatra sy nanaiky io drafitra io isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. …

“… Mba hahafahantsika mivoatra sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mahazo vatana isika ary tsapaina mandritra ny fotoana fisedrana eto an-tany” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 56–57).

Rehefa nampahafantatra ny drafitry ny fahasambarana izay nataony ny Ray any An-danitra dia nahafantatra isika fa ho ilaina ny hisian’ny mpamonjy iray mba hanatanteraka io drafitra io. Nikomy tamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra i Losifera izay iray tamin’ireo zanaka ara-panahin’ny Ray any An-danitra. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Satana izy.

Vakio ny Mosesy 4:1–3, mba hitadiavana ny zavatra nangatahin’i Satana tamin’ny Ray any An-danitra.

Inona no nangatahin’i Satana tamin’ny Ray any an-danitra?

Mianatra isika ao amin’ny Mosesy 4:2 fa i Jesoa Kristy no ilay iray voafidy hatrany am-piandohana mba hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Soraty eo amin’ny tabilaonao, ao amin’ny tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana talohan’ny nahaterahana” ity fotopampianarana manaraka ity izay nianarantsika avy amin’io andininy io: I Jesoa Kristy no voafidy mba ho Mpanavotra ny olombelona tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Taorian’ny naha-voafidy an’i Jesoa Kristy hanatanteraka ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia nilaina ny namoronana tany iray izay ahafahantsika mahazo vatana sy maka traikefa.

Vakio ny Hebreo 1:1-2, mba hitadiavana ny andraikitr’i Jesoa Kristy tamin’ny fahariana ny tany.

Mianatra ity fotopampianarana manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Namorona ity tany ity teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Soraty ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana talohan’ny nahaterahana” ao amin’ny tabilaonao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io fotopampianarana io.

farihy akaikin’ny tendrombohitra
  1. journal iconEritrereto ny hakanton’ny tany ary eritrereto ireo fotoana sy toerana izay tena nankafizanao izany marina. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Soritsorito ny fotoana iray izay nankafizanao ny hakanton’ny tany.

    2. Inona no tsapanao momba an’i Jesoa Kristy noho ny fahafantaranao fa namorona ity tany ity Izy?

Ny anjara asan’i Jesoa Kristy teto amin’ny fiainana an-tany

Aorian’ny ahatongavantsika eto an-tany sy ahazoantsika vatana dia mandalo sakana maro hafa isika izay hanakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra ka hiverina ho eo anatrehany. Fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy ny roa amin’ireo sakana ireo. Ny fahafatesan’ny vatana dia fisarahan’ny vatantsika sy ny fanahintsika, ary ny fahafatesana ara-panahy dia ny fisarahantsika amin’ Andriamanitra. Vakio ity teny manaraka nolazaina ity ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo sakana roa izay lalovantsika ireo mandritra ny fiainantsika eto an-tany:

“Eto amin’ny fiainana an-tany dia miaina ao anatin’ny toetoetra izay iharan’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy isika. Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana izay tanteraka, be voninahitra ary tsy mety maty. Mba hitoviana amin’ Andriamanitra sy hiverenana eo anatrehany dia tsy maintsy manana vatana nofo sy taolana izay tanteraka sy tsy mety maty koa isika. Kanefa, noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia lasa manana vatana tsy tanteraka sy mety maty ny olona tsirairay ary mbola ho faty any aoriana. Raha tsy noho ny Mpamonjy Jesoa Kristy dia ho nampitsahatra ny fanantenana rehetra momba ny fiainana ho avy miaraka amin’ny Ray any An-danitra ny fahafatesana.

“Miaraka amin’ny fahafatesan’ny vatana, dia ny fahotana no sakana lehibe izay misakana antsika tsy hitovy amin’ny Ray any An-danitra sy hiverina eo anatrehany. Eto amin’ity fiainana an-tany mety maty ity dia matetika isika no tratran’ny fakam-panahy, sy mandika ireo didin’ Andriamanitra ary manota. …Ny fahotana dia mitondra fahoriana hatrany, na dia toa tsy miseho ho toy izany aza indraindray. Ny fahotana dia miteraka fahatsapan-tena ho meloka sy henatra. Noho ny fahotantsika dia tsy afaka miverina miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra isika raha tsy voavela heloka sy voadio.

“…Toy ny amin’ny fahafatesan’ny vatana dia tsy afaka mandresy ny vokatry ny fahotana koa isika amin’ny herintsika manokana. Tsy afaka manao na inona na inona isika raha tsy eo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torio ny filazantsarako, 59).

Talohan’ny nahaterahan’i Jesoa teto an-tany, dia nitsidika an’i Josefa tao anatin’ny nofy ny anjely iray taorian’ny nahafantarany fa nitoe-jaza i Maria. Vakio ny Matio 1:21, mba hitadiavana ny zavatra nambaran’ilay anjely tamin’i Josefa.

Ianarantsika avy amin’ny zavatra izay nolazain’ilay anjely fa ho ataon’i Jesoa ny hoe tonga hamonjy antsika amin’ny fahotana i Jesoa Kristy. Soraty ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana an-tany” ao amin’ny tabilaonao io fotopampianarana io.

Afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotantsika isika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotana dia ahitana ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.

I Kristy tao Getsemane, ny Fanomboana, i Kristy nitsangana tamin’ny maty

Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy amin’ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

    2. Araka ny voalazan’nyAsan’ny apostoly 2:32, dia inona koa no tsy maintsy ataontsika?

Ny anjara asan’i Jesoa Kristy any amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana

Efa namoy olona iray tena tiana tao amin’ny fianakaviana na namana noho ny fahafatesana ve ianao?

Noho ny fahalalana ananantsika momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia fantatsika fa miditra any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahin’ny olona rehetra rehefa maty.

Vakio ny 1 Petera 3:18–20 sy ny 1 Petera 4:6, mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy avy hatrany taorian’ny fahafatesany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18-19, 30–32, mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hamelana ny filazantsara ho voatory amin’ny olona rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 dia fanambarana mikasika ny tontolon’ny fanahy izay noraisin’ny Filoha Joseph F. Smith teo am-pisaintsainany mikasika ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny fanahin’ireo olona maty raha mbola tao am-pasana ny vatany.)

Fintino ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hamelana ny filazantsara ho voatory amin’ny olona rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy:

Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany ny Mpamonjy (jereo ny 1 Korintiana 15:4). Rehefa mitsangana amin’ny maty ny olona iray dia hatambatra indray ny fanahiny sy ny vatany ka tsy hosarahina na oviana na oviana intsony (jereo ny F&F 138:17).

Jesoa Kristy miaraka amin’i Maria

Ilay Tompo efa Nitsangana tamin’ny Maty

Vakio ny 1 Korintiana 15:20-22, mba hitadiavana ny fiantraikan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty eo amintsika tsirairay avy.

Soraty eo amin’ny tabilaonao, ao amin’ny tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana aorian’ny fahafatesana” ity fotopampianarana manaraka ity: Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.

Vakio ny Apokalipsy 20:12, mba hitadiavana ny zavatra hitranga amintsika tsirairay avy aorian’ny hitsanganantsika amin’ny maty.

Ny bokin’ny fiainana dia mety maneho ny eritreritra sy ny asan’ny olona iray eto amin’ity fiainana ity, ary koa ny rakitsoratra any an-danitra tanana ho an’ny mahatoky (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Bokin’ny fiainana”). Tsy arakaraka ny asantsika ihany no itsarana antsika fa arakaraka ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny faniriantsika ihany koa (jereo ny Môsià 4:30; Almà 12:14; F&F 137:9).

Vakio ny Jaona 5:22, mba hitadiavana ny olona izay hitsara antsika. (Azonao atao ny manoratra ny Jaona 5:22 eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Apokalipsy 20:12.)

Soraty eo amin’ny tabilaonao, ao amin’ny tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana aorian’ny fahafatesana” ity fotopampianarana manaraka ity: Hitsara ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy.

Ny tanjona farany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ny hanome fahafahana ny zanany rehetra hahazo ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, izay midika hoe tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy hiara-hiaina Aminy mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Eritrereto ny fianakavianao amin’izao fotoana izao sy ny fianakaviana antenainao hananana indray andro any.

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-zava-dehibe aminao ny fahafahana miara-miaina mandrakizay amin’ny Ray any An-danitra sy ireo olona ao amin’ny fianakavianao.

Vakio ny Jaona 3:5, 16–17, mba hitadiavana ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay na tsy manam-piafarana.

Ny hoe mino ny Zanaka Lahitokana dia midika hoe mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina araka ny filazantsarany.

Soraty eo amin’ny tabilaonao, ao amin’ny tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana aorian’ny fahafatesana” ity fitsipika manaraka ity: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina araka ny filazantsarany isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.

  1. journal iconEritrereto indray ilay fanontaniana napetraka tany am-piandohan’ny lesona: “Inona no havalinao raha misy olona manontany anao hoe nahoana no manan-danja aminao i Jesoa Kristy ?” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina miainga avy amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao nandritra ny fandalinana nataonao androany ny valin’io fanontaniana io.

Ampiasao ilay tabilao noforoninao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hampianarana ny fianakavianao na ny olona hafa mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny lesona “Ny Drafitry ny Famonjena” aho ary nahavita izany tamin’ny(daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: