Tahirim-pitaovana
Fizarana 5, Andro 2: Matio 21:1–16


Fizarana 5: Andro 2

Matio 21:1–16

Fampidirana

Niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa tamin’ny fiandohan’ny herinandro farany teo amin’ny fiainany. Raha tao Izy dia nanadio fanindroany ny tempoly ary nanasitrana ilay jamba sy ilay malemy izay nanatona Azy.

Matio 21:1-11

Niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa

  1. journal iconMieritrereta hetsika iray izay ho tena mahafinaritra tokoa ny manao izany miaraka amin’ireo namanao na ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Manorata andiam-pehezanteny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba izay mety holazainao na hataonao mba handresena lahatra ireo namanao na ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba handray anjara amin’ilay hetsika.

Olona maro no tsy mahafantatra firy momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ary manana andraikitra ny hanampy ny hafa hianatra momba Azy isika. Rehefa mandalina ny Matio 21:1-11 ianao dia saintsaino izay azonao atao mba hanampiana ny hafa haniry hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Jereo ny pejy ato amin’ity lesona ity izay mitondra ny lohateny hoe: “Ny herinandro farany niainan’i Jesoa Kristy teto an-tany sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.” Ity topimaso fohy momba ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany ity dia mamintina ireo zava-nitranga izay nitarika tamin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Afaka manazava sy mahatonga ny fahatakaranao momba ireo tantara sy ireo fotopampianarana ary ireo fitsipika mifandraika amin’ny herinandro farany nanaovan’i Jesoa Kristy asa fanompoana teto an-tany ho lalim-paka kokoa izany.

Ny Matio 21 dia mirakitra ireo zava-nitranga izay niseho dimy andro mialoha ny Fanomboana ny Mpamonjy, manomboka tamin’ny fiakarana tamim-pihobiana tao Jerosalema. Tadidio fa olona marobe no nanaraka an’i Jesoa sy ireo Apôstôliny rehefa nandeha tany Jerosalema avy any Jeriko izy ireo (jereo ny Matio 20:17–18, 29).

Vakio ny Matio 21:1-5, ka tadiavo izay nasain’i Jesoa mba hataon’ireo mpianany.

Ilay faminaniana izay voalaza ao amin’ny Matio 21:4–5 dia hita ao amin’ny Zakaria 9:9–10. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 21:4–5 ity soratra masina mifandray ity. Ity faminaniana ity dia momba ilay Mesia nampanantenaina, na “ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra izay nandrasan’ny Jiosy fatratra ny fiaviany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.lds.org.) Mety hanampy anao ny mahafantatra fa tamin’ny andron’ny baiboly, ny boriky dia “tandindon’ny maha-mpanjaka Jiosy. … Ny fitaingenana boriky … dia nampiseho fa tonga tamin’ny naha-Mpamonjy nitondra fiadanana sy ‘malemy fanahy’ i Jesoa fa tsy toy ny mpandresy nitaingin-tsoavaly” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 64).

Vakio ny Matio 21:6–8 dia tadiavo izay nataon’ny “ankabeazan’ny vahoaka” (andininy 8) mba hanekena amim-panajana an’i Jesoa ho ilay Mesia rehefa nitaingina boriky nankao Jerosalema Izy.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia manamafy fa nampiasa “sampan-drofia” ny vahoaka (Jaona 12:13). Ny sampan-drofia dia tandindon’ny fandriampahalemana sy fandresena ny fahavalo teo amin’ny Jiosy. Fihetsika nampiasaina mba hanajana ny mpanjaka na ireo mpandresy ny famelarana fandambanana tamin’ny lalana, tahaka ilay namboarin’ny vahoaka tamin’ny fampiasana sampan-drofia sy lamba. Rehefa nanao izany ny vahoaka dia nanaiky sy nandray an’i Jesoa ho Mpanafaka sy Mpanjakan’izy ireo.

Jereo ilay sary hoe: Ny fiakaran’i Kristy tao Jerosalema tamim-pihobiana (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 50; jereo ihany koa ny LDS.org). Alaivo sary an-tsaina hoe anisan’ireo olona teo anivon’ilay vahoaka ianao. Vakio ny Matio 21:9, ary alaivo sary an-tsaina hoe mihiaka izany miaraka amin’izy ireo ianao.

Ilay Fiakarana ny tanàna tamim-pihobiana

Diniho fa naverimberin’ny olona ny teny hoe hosana, izay midika hoe “vonjeo izao” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Hosana”). Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 21:9 io famaritana io.

Nanatanteraka ilay faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Salamo 118:25–26 ny ampahany tamin’ny hiakan’ny vahoaka. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 21:9 izany soratra masina mifandray izany. Natokana ho an’ny mpandova ny fiandrianan’i Davida ny anaran’ny mpanjaka sy ny an’ny Mesia hoe “Zanak’i Davida” (Matio 21:9). Rehefa niteny izany ny vahoaka dia nanambara fa i Jesoa no ilay Mesia nofinidy sy nirahin’ Andriamanitra mba hanafaka sy hitarika ny vahoakany.

Alaivo sary an-tsaina hoe nipetraka tany Jerosalema ianao tamin’io fotoana io. Inona no eritreritra na fahatsapana mety ho nanananao raha nanatri-maso ny fiakaran’i Jesoa ny tanàna tamim-pihobiana ianao?

Olona an’arivony fanampiny no tao Jerosalema tamin’io fotoana io mba hankalaza ny Paska. Vakio ny Matio 21:10–11, ka tadiavo ny fiantraikan’ny fitondrantenan’ny vahoaka teo amin’ireo olona hafa tao Jerosalema.

Inona no fanontaniana napetraky ny olona hafa noho ny fitondrantenan’ny vahoaka?

Ity tantara ity dia maneho izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso isika dia afaka manampy ny hafa hikolokolo faniriana mba hahafantatra bebe kokoa momba Azy.

  1. journal iconAtaovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra sasany ivelan’ireo fivoriam-piangonana izay hahafahanao manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso. Dia soraty avy eo ireo fomba mety ahafahanao manaiky sy miresaka momba Azy ampahibemaso ka hanampy ny hafa haniry ny hahafantatra bebe kokoa momba Azy.

  2. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Oviana no nitarika anao haniry hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy ny ezaka nataon’ny olona iray mba hanaiky sy hiresaka momba Azy ampahibemaso?

    2. Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nanampy olona iray mba hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy satria nanaiky sy niresaka momba Azy ampahibemaso ianao?

Tadiavo ary raiso ireo fahafahana mba hanaiky sy hiresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso araka ny tokony ho izy.

Matio 21:12–16

Nanadio ny tempoly sy nanasitrana ilay jamba sy ilay malemy i Jesoa

Tempolin’i Orlando Floride

Saintsaino ireo eritreritra sy fahatsapana nanananao tao anatin’ny tempoly. Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ianao dia alaivo sary an-tsaina ireo eritreritra sy fahatsapana mety hanananao rehefa ao anatin’izany tempoly izany ianao.

Inona no mitranga any amin’ny tempoly izay manampy antsika hahatsapa ny maha-toerana masina izany?

Nandeha tany amin’ny tempoly ny Mpamonjy rehefa niditra tao Jerosalema.

Ny tempolin’i Heroda hita avy eo an-Tendrombohitra Oliva

Vakio ny Matio 21:12–13, ka tadiavo izay nataon’ny olona sasany tao amin’ny tempoly ka naha-tezitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Nila nividy biby mba hatao sorona ao amin’ny tempoly ho ampahany amin’ny fitsaohan’izy ireo ny mpitsidika izay tonga nankalaza ny Paska tao Jerosalema. Nanakalo ny vola Romana sy ireo vola hafa tamin’ny vola ampiasaina ao amin’ny tempoly ireo mpanakalo vola mba hahafahana mividy ireo biby, ary nivarotra ireo biby nilaina ireo ny mpivarotra hafa. Na dia nilaina sy natao ho an’ny tanjona tsara aza izany raharaham-barotra izany dia tsy fanajana ny fanaovana izany tao amin’ny tempoly. Ankoatra izany, ny Matio 21:13 dia milaza fa liana kokoa tamin’ny fahazoana tombom-barotra mihoatra ny fitsaohana an’ Andriamanitra sy fanampiana ny hafa hanao toy izany ireo mpanakalo vola sy ireo mpivarotra.

Jereo fa ao amin’ny Jaona 2:16, nandritra ny fanadiovana voalohany ny tempoly, dia nantsoin’i Jesoa hoe: “tranon-dRaiko” ny tempoly. Ao amin’ny Matio 21:13, nandritra ny fanadiovana faharoa, dia nantsoin’i Jesoa hoe: “tranoko” ny tempoly.

Fahamarinana iray momba ny tempoly izay azontsika ianarana avy amin’ireo teny sy fihetsiky ny Tompo ao amin’ny Matio 21:12–13 ny hoe: toerana masina ny tranon’ny Tompo, ary maniry Izy ny mba hanajantsika izany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana lalina ho an’ny tranon’ny Tompo?

    2. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly?

Vakio ny Matio 21:14, ka tadiavo izay nataon’ny Mpamonjy rehefa avy nanadio fanindroany ny tempoly Izy.

Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny malemy” ao amin’ny Matio 21:14 dia milaza ireo olona izay manan-kilema na manana karazana olana amin’ny famindrana.

Afaka mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ilay jamba sy ilay malemy izay nanatona Azy: Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia afaka manasitrana antsika ny Tompo.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Tompo manasitrana antsika rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika, araka ny fahatsapanao?

Filoha James E. Faust

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra iainantsika rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika: “Nanolotra fomba maro izay ahafahantsika mahazo fanasitrana[ny] ny Tompo. Feno fankasitrahana aho fa naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany ny asan’ny tempoly. Ampahany manan-danja ao amin’ny asan’ny famonjena ho an’ny velona sy ny maty izany. Ny tempolintsika dia manolotra toerana azo antoka izay azontsika aleha mba hamelana ireo ahiahy maro ao amin’izao tontolo izao. Toerana feno fiadanana sy filaminana ny tempolintsika. Ao anatin’ireo toerana masina azo antoka ireo no ‘manasitrana ny fo torotoro sy mamehy ny feriny’ Andriamanitra. (Sal. 147:3.)” (“Spiritual Healing,” Ensign, mey 1992, 7).

Mety ho eo no ho eo ny fanasitranana iainantsika rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika, tahaka ny an’ilay jamba sy ilay malemy izay voafariparitra ao amin’ny Matio 21:14, na mety ho elaela kely izany.

Saintsaino ny fotoana iray izay niainanao na ny olona iray fantatrao ny hery manasitrana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 21:15–16 dia tsy faly tamin’ny zavatra nataon’i Jesoa tao amin’ny tempoly sy tamin’ireo vahoaka izay nihoby Azy hoe “Hosana” tao ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Nomarihan’i Jesoa fa ny faneken’ny vahoaka ampahibemaso Azy dia nanatanteraka faminaniana iray (jereo ny Salamo 8:2).

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 21:1–16 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: