Tahirim-pitaovana
Fizarana 25, Andro 3: Filipiana 1–3


Fizarana 25: Andro 3

Filipiana 1–3

Fampidirana

Namporisika ireo Olomasina tany Filipy mba hiara-hiasa amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Paoly Apôstôly. Nanoro hevitra azy ireo izy mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanetrentena sy ny tsy fanambonian-tena, ary nampianatra izy fa Andriamanitra dia miasa ao anatin’izy ireo mba hanatanterahana ny famonjena azy ireo. Nanoritsoritra ireo fahafoizan-tena nataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy i Paoly.

Filipiana 1

Nanoritsoritra ireo fitahiana izay tonga noho ny fanoherana i Paoly

Inona no teny azonao ampiasaina mba hamenoana izao teny manaraka nambaran’ny Filoha Brigham Young izao?

Filoha Brigham Young

“Isaky ny mandaka ny ‘fivavahana Môrmôna’ ianao dia mandaka izany ____________________; tsy mandaka izany … na oviana na oviana ianao ____________________. Ilay Tompo Tsitoha no nandidy izany” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 264).

(Hahita ireo valiny any aoriana any amin’ity lesona ity ianao.)

Inona avy ireo ohatra sasantsasany, na tamin’ny tantara na amin’izao androntsika izao, mikasika olona izay mandaka na manohitra ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ireo mpanara-dia Azy?

Eo am-pandalinanao ny Filipiana 1, dia karohy ny fahamarinana iray izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hiantefan’ny fifanoherana eo amin’ny asan’ny Tompo.

Tadiavo ato amin’ity sarintany nampiarahana eto ity izay maneho ireo dia fitoriana ny filazantsara nataon’ny Apôstôly Paoly i Filipy.

sarintany, Mediterane atsinanana

Nanangana sampan’ny Fiangonana iray tao Filipy nandritra ny dia fitoriana ny filazantsara faharoa nataony i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 16). Taty aoriana izy dia nanoratra ny epistiliny ho an’ireo Filipiana raha mbola voafonja, izay inoana fa tany Roma. Ao amin’ny Filipiana 1:1–11 dia mamaky isika fa naneho fankasitrahana sy fitiavana ho an’ireo Olomasina Filipiana i Paoly.

Vakio ny Filipiana 1:12–14, dia fantaro izay vokatry ny fanoherana niainan’i Paoly nandritra ireo ezaka nataony amin’ny fitoriana ny filazantsara.

Araka ny voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo dia nitondra “fampandrosoana ny filazantsara” ny fanoherana niainan’i Paoly (Filipiana 1:12). Ireo “mpiambina andriana rehetra,” na ireo mpiambina tao amin’ny tobin’ny miaramila dia nahafantatra fa voafonja noho ny fitoriana momba an’i Jesoa Kristy i Paoly. Ny naha-voafonja an’i Paoly dia nitaona ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa mba hitombo fahasahiana amin’ny fitoriana ny filazantsara.

Mianatra isika avy amin’ny Filipiana 1:12–14 fa ny fanoherana iainantsika amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia afaka mampandroso ny asany.

Fenoy ilay teny nambaran’ny Filoha Young amin’ny alalan’ireo teny hoe miakatra (izay midika hoe mandroso eto amin’ity sahan-kevitra ity) sy midina.

  1. journal iconAlaivo sary an-tsaina hoe mpanoratra blaogy na lahatsoratra an-gazety ianao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny matoan-dahatsoratry ny toe-javatra tena nitranga miisa roa na telo ka nanampy tamin’ny fampandrosoana bebe kokoa ny asan’ny Mpamonjy ny fanoherana. Ireo tantara ireo dia mety ho avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainan’ny olona fantatrao. (Izao manaraka izao dia ohatra matoan-dahatsoratra anankiray: “Ireo mpanohatra ny asa fitoriana dia nahatonga ny fitomboan’ireo olona liana amin’ny fianarana momba ny hafatry ny filazantsara amin’ireo misiônera ao an-toerana.”)

Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 1:15–26, dia nampianatra i Paoly fa izay rehetra mety hitranga aminy dia hampitombo laza ny Mpamonjy avokoa.

Vakio ny Filipiana 1:27–30, ary tadiavo ny zavatra namporisihan’i Paoly mba hataon’ireo Olomasina tao Filipy ho an’ny filazantsara. 

Ny dikantenin’i Joseph Smith an’ny Filipiana 1:28 dia mivaky toy izao, “Ary tsy azon’ny fahavalo mpandà ny filazantsara izay mitondra fandringanana ho azy ireo ampitahorina hianareo na amin’inona na amin’inona; nefa ho anareo izay mandray ny filazantsara, dia famonjena kosa, sady avy amin’ Andriamanitra” ( ).

Mariho ao amin’ny Filipiana 1:27–30 ny zavatra hitranga amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana noho ny Mpamonjy. Diniho hoe ahoana no naha-voatahy ireo Olomasina Filipiana noho ny fahatsiarovany fa ny fanoherana niainan’izy ireo teo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia afaka nanampy tamin’ny fampandrosoana ny asany.

Filipiana 2

Mampianatra momba ny fiambanian’ny Mpamonjy i Paoly ary manome torolalana ho an’ireo Olomasina mikasika ny famonjena azy ireo izy

Vakio ny Filipiana 2:2–4, ary tadiavo ilay torohevitra nomen’i Paoly Apôstôly an’ireo Olomasina Filipiana. Ao amin’ny andininy 3, ilay andian-teny hoe mandrani-tena foana dia midika hoe manambony tena.

Vakio ny Filipiana 2:5–9, ary azonao atao ny manisy marika na manoratra teny na andian-teny maneho ny fanetrentena sy ny tsy fanambonian’i Jesoa Kristy ny Tenany.

Afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo: Raha manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fanetrentena sy ny firaharahiana ny hafa tsy misy tambiny isika dia afaka ny ho lasa miray hina kokoa isika avy eo.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba sasantsasany hahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanetrentena sy ny tsy fanambonian-tena ao amin’ny fianakaviantsika, ny fianarantsika, sy ny paroasy na sampana misy antsika?

    2. Oviana ianao no nahita olona nieritreritra ny zavatra ilain’ny hafa alohan’ny nieritreretany ny tenany? Tamin’ny fomba ahoana izany ezaka izany no nampitombo ny firaisan-kina?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 2:9–11, dia nampianatra i Paoly fa amin’ny farany dia “[handohalika] ny lohalika rehetra” ary “[hanaiky] ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo.” Makà fotoana kely mba hakàna sary an-tsaina izany fotoana izany, ary eritrereto hoe antenainao ho toy ny ahoana izany fotoana izany ho anao.

Vakio ny Filipiana 2:12–13, dia karohy ny torohevitra nasain’i Paoly nataon’ireo Filipiana izay afaka hahatonga ny fandohalihana eo anoloan’ny Tompo ho fotoana feno fifaliana ho azy ireo. Ilay andian-teny hoe “tahotra sy hovitra” ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe fiderana sy fihobiana amim-panajana (jereo ny Salamo 2:11; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tahotra,” scriptures.lds.org).

Ny olona sasany dia nandika diso ny toromarik’i Paoly ny amin’ny tokony “[hiasana mba] hahatanteraka ny famonjena anareo” (Filipiana 2:12) ka nihevitra fa voavonjy noho ny asa ataontsika manokana isika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany isika no afaka ny ho voavonjy. Tsy maintsy manatanteraka ireo zavatra takina amin’ny famonjena anefa isika, izay efa nomen’ Andriamanitra (jereo ny Fanekem-pinoana 1:3–4). Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 2:13, dia nampianatra i Paoly fa Andriamanitra dia manampy ireo izay miezaka manatanteraka ireo zavatra takina amin’ny famonjena amin’ny fanampiana azy ireo “[hikasa],” na haniry, ary hankatò “ny sitrapony,” na ny didiny.

Mianatra isika avy amin’ny Filipiana 2:12–13 fa Andriamanitra dia manampy antsika mba haniry sy hanatanteraka izay takina amintsika ho an’ny famonjena antsika, izay azo atao noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra na manamarika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masinao.

Amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hiova sy hanadio ireo zavatra iriantsika Andriamanitra mba hahafahantsika maniry ny hankatò Azy (jereo ny Môsià 5:2). Oviana ianao no nahatsapa fa novain’ Andriamanitra ny fonao ka naniry ny hankatò Azy ianao? Ahoana no nanampiany anao ho lasa mahatoky kokoa amin’ny fitandremana ireo didiny?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 2:14–30, dia nampahatsiahy ireo Olomasina ny amin’ny “isehoan’[izy ireo] tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” (Filipiana 2:15) i Paoly ary nilaza tamin’izy ireo izy fa handefa iraka mba hahafantarany ny amin’ny fiadanan’izy ireo.

Filipiana 3

Nanoritsoritra ireo fahafoizan-tena nataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy i Paoly

Inona ny zavatra azo tsapain-tanana iray izay maneho zavatra heverinao sy heverin’izao tontolo izao ihany koa ho manan-danja (toy ny zavatra iray maneho ny fianakaviana, ny namana, ny fianarana, ny sakafo, ny tekinôlôjia na ny harena)?

Inona no antony hahatonga anao hahafoy an-tsitrapo io zavatra sarobidy io?

Rehefa mandalina ny Filipiana 3 ianao dia jereo ny zavatra nafoin’i Paoly mba hahazoany valisoa iray izay azontsika hananana ihany koa.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 3:1–2, dia nampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Filipy i Paoly ny amin’ireo mpampianatra sandoka (“amboa”) izay nitompo teny fa ny mpikamban’ny Fiangonana vaovao dia tokony hanaraka fomba fanao Jiosy sasantsasany, anisan’izany ny famorana. Nampianatra izy ao amin’ny Filipiana 3:3 fa ireo izay “manompo amin’ny fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesosy ho reharehantsika” dia “[ireo izay] voafora,” na ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

Vakio ny Filipiana 3:4–6, dia jereo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ny naha-Jiosy azy.

Mariho ireo tombotsoa ara-tsôsialy sy ara-pivavahana tao amin’ny fiarahamonina Jiosy izay nananan’i Paoly taloha. Nanana firazanana Isiraelita izy, Fariseo izy, nazoto izaitsizy tao amin’ny Jodaisma izy, ary hentitra ny nanarahany ireo lalàna ara-pivavahana Jiosy.

Vakio ny Filipiana 3:7–11, ary diniho ny hanisianao marika na fanamarihana ireo teny na andian-teny izay manambara ny fomba fijerin’i Paoly ireo tombotsoa nananany taloha tao amin’ny fiarahamonina Jiosy.

“[Niaritra] ny fatiantoka ny zavatra rehetra” an-tsitrapo i Paoly (Filipiana 3:8) mba hahafahany mahafantatra an’i Jesoa Kristy; “mba ho hita ao aminy” (Filipiana 3:9), na ho mpanao fanekempihavanana Aminy; ho voamarina amin’ny alalan’ny finoana Aminy; hijaly noho ny Aminy; ary handray anjara amin’ny “fitsanganan’ny marina,” na ny fitsanganan’ireo olo-marina amin’ny maty .

Vakio ny Filipiana 3:12–14, ary tadiavo hoe inona no neken’i Paoly momba ny fivoarany ara-panahy. Mariho fa ao amin’io sahan-kevitra io ny teny hoe hihazona dia midika hoe handray.

Tsy nifantoka tamin’izay nilaozany tany aoriana i Paoly fa nandroso hatrany kosa mba handraisany “ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony” (Filipiana 3:14), izany hoe ny fiainana mandrakizay. Fenoy amin’ny alalan’ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Paoly izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika , dia afaka ny ho tonga amin’ny fahafantarana Azy sy amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay isika.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niresaka momba ny fihaonany tamina mpiandraikitra tantsambo iray izay avy tamina firenen-kafa nankao Etazonia mba hanaraka fampiofanana ambony ary lasa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fivahinianany. Diniho hoe vonona handao inona an-tsitrapo io tovolahy io mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

Filoha Gordon B. Hinckley

“Nihaona taminy aho fotoana kely talohan’ny hiverenany any amin’ny tanindrazany. … Hoy aho taminy: ‘Ny mpiray tanindrazana aminao dia tsy Kristianina. Inona no hitranga rehefa ianao lasa Kristianina no tafaverina any an-tanindrazana, indrindra indrindra hoe lasa Kristianina Môrmôna?’

“Nihamaloka ny tarehiny, dia namaly izy hoe, ‘Ho kivy ny fianakaviako. Mety hanary ahy izy ireo ary hanao ahy ho toy ny hoe efa maty. Raha ny momba ny hoaviko sy ny asako dia mety hakatona amiko avokoa ireo varavarana rehetra.’

“Nanontany aho hoe, ‘Vonona hanao izany fahafoizan-tena tena goavana izany ve ianao noho ny filazantsara?’

“Ny masony izay maizina sy nahitana ranomaso dia nanjelatra teo amin’ny tarehiny mavo antitra izay kanto erỳ, dia namaly izy hoe, ‘Marina ilay izy, tsy izany ve?’

“Menatra aho satria napetraka tamiko izany fanontaniana izany, dia namaly aho hoe, ‘Eny, marina ilay izy.’

“Izany dia novaliany tamin’ny hoe, ‘Raha izany dia hisy zavatra hanan-danja kokoa ve?’” (“It’s True, Isn’t It?” Ensign, jolay 1993, 2).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nafoinao (na nafoin’ny olona fantatrao) mba hanarahana ny Mpamonjy?

    2. Nahoana no mendrika nanaovana ireo fahafoizan-tena nataonao ireo lokan’ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy sy ny fandrosoana mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

  1. journal iconSaintsaino raha toa misy zavatra mila hafoinao mba hanarahana tanteraka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Soraty amin’ny taratasy iray mitokana ny tanjona anankiray mba hahafahanao mahafoy izany zavatra izany. Apetraho amin’ny toerana izay ahafahanao mahita azy matetika mandritra ireo herinandro vitsivitsy ho avy ilay taratasy. Dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny hoe Nahavita ny asa nampanaovina 4 .

Mamaky ny fampitandreman’i Paoly ny amin’ny fandringanana miandry ireo izay mifantoka fotsiny amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao isika ao amin’ny Filipiana 3:15–21. Nampianatra ihany koa izy fa i Jesoa Kristy dia hanova ny vatantsika ara-nofo tsy lavorary mba ho lasa vatana tsy mety maty toy ny Azy.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Filipiana 1–3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: