Tahirim-pitaovana
Fizarana 8, Andro 4: Marka 9:30–50


Fizarana 8: Andro 4

Marka 9:30-50

Fampidirana

Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany ny fahafatesany izay efa antomotra sy ny Fitsanganany amin’ny maty ary nampianariny azy ireo ny hoe iza no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampitandrina mikasika ny fiatraikan’ny fitarihana ny hafa ho amin’ny fahotana Izy ary nampianatra ireo mpianany mba hanala ny tenany amin’ireo fitaomana izay mety hitarika azy ireo any amin’ny ota.

Marka 9:30–37

Nilaza mialoha mikasika ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty i Jesoa ary nampianatra mikasika ny hoe iza no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Rehefa avy nandroaka ny fanahy ratsy hiala tao amin’ilay zazalahy (jereo ny Marka 9:17-29) ny Mpamonjy dia nandeha namakivaky an’i Galilia niaraka tamin’ny mpianany. Vakio ny Marka 9:31–32 mba hikarohana ireo zava-nitranga izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’ny faminaniana.

Jereo ao amin’ireo andininy ireo fa rehefa avy niteny tamin’ny mpianany i Jesoa fa hovonoina Izy ka hitsangana indray afaka hateloana, dia mbola tsy nahatakatra indray izay tiany holazaina izy ireo sady natahotra ny hanontany Azy.

I Jesoa miaraka amin’ ny ankizy

Mianatra isika ao amin’ny Marka 9:33-37 fa rehefa tonga tao Kapernaomy i Jesoa, dia nampianatra ireo mpianany Izy fa ireo izay manompo ny hafa amim-panetrentena dia horaisina holehibe indrindra, na hanana ny toerana mendrika indrindra, ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampianatra azy ireo koa Izy mba handray ao am-piangonana ireo olona izay manetry ny tenany toy ny zaza ary mandray azy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:34-35 .

Marka 9:38-50

Mampitandrina mba tsy hitaomana ny hafa hanota sy hanasaraka ny tena amin’ny fitaoman-dratsy i Jesoa

Raha mifanena amin’ny vondron’olona izay niandrandra nijery sy nanondro zavatra iray ianao dia inona no mety ho fihetsikao? Mety hiandrandra hijery koa ve ianao mba hahita izay zavatra jeren’ny olona?

Ny fitondrantenan’ny olona matetika dia afaka mitaona ny hafa, ka mitarika azy ireo hanomboka hampiasa teny, na asa, na fihetsika mitovy amin’izany. Oviana ianareo no nahita olona iray nanova ny fiteniny, na ny asany, na ny fihetsiny noho ny fitaoman’ny hafa?

Eo am-pandalinanao ny Marka 9:38-50, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handinika ny fitaomana anananao amin’ny ezaka ataon’ny hafa mba hanaraka ny Mpamonjy ary koa ny fitaomana ananan’ny hafa eo aminao.

Vakio ny Marka 9:38 mba hikarohana ny toe-javatra nolazain’ny Apôstôly Jaona tamin’ny Mpamonjy.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ireo Apôstôly dia nandrara ilay lehilahy tamin’ny fandroahana devoly satria izy dia tsy namana mpiara-dia tamin’ireo Apôstôly roambinifolo: “ Tsy anisan’ireo tao anatin’ny vondrona kelin’ireo mpianatra nandehandeha sy nihinana sy natory ary niresaka tsy tapaka tamin’ny Mpampianatra izy. … Kanefa ny valintenin’ny Tompo dia maneho hoe hita mazava fa mpikambana iray tao amin’ny fanjakana izy, ary mpitantana ara-dalàna izay niasa tamin’ny fahefan’ny fisoronana sy ny herin’ny finoana” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:417).

Nilaza tamin’ny Apôstôly ny Mpamonjy mba tsy handraràn’izy ireo ilay lehilahy ary nampianatra fa ny olona izay manampy ireo solontenany dia homena valisoa (jereo ny Marka 9:39-41).

Vakio ny Marka 9:42 mba hikarohana ny fampitandremana nataon’ny Mpamonjy. Ato amin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe manafintohina dia midika hoe mitarika any amin’ny lalan-diso na mitaona olona iray hanota.

Ireo “madinika izay mino an’i [Jesoa]” dia ahitana ireo mpianatry ny Mpamonjy manetry tena sy azo itokisana amin’ny sokajin-taona rehetra. Anisan’izany koa ireo vaovao ao amin’ny Fiangonana, toy ny tanora sy ny mpikambana vaovao.

Nanazava ny Loholona McConkie fa “tsara kokoa ny maty tsy mahazo ireo fitahiana mba hanohy hiaina eto an-tany toy izay hiaina ka hitarika fanahy hiala amin’ny fahamarinana” dia tsy maintsy hiaritra ireo fijaliana mafy sy ny fisarahana amin’ Andriamanitra izay aterak’izany asa ataontsika izany (Doctrinal New Testament Commentary, 1:420).

Ny fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny fampitandreman’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 9:42 dia ny hoe raha mitaona olona izay mino an’i Kristy mba hanota isika, dia hotanana ho tompon’andrainkitra eo anoloan’ Andriamanitra.

Saintsaino ireo fomba izay mety hitaoman’ny olona iray ny olona hafa izay mino an’i jesoa Kristy mba hanota.

Diniho ny fitaomana anananao eo amin’ny olona izay mino an’i Jesoa Kristy. Mitaona azy ireo hitondra ny fiainany mankany Aminy ve ianao sa hiala Aminy?

  1. sary famantarana ny diaryTanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba ahafahanao mitaona ny hafa mba hino an’i Jesoa Kristy ka hiala amin’ny fahotana. Ataovy anaty faribolana ny iray amin’ireo hevitrao, ary mametraha tanjona mba hanatanterahana izany.

Andramo vahana sy hafatotra amin’ny tanana iray ihany ny tadin-kiraronao iray, ny karavato, na ny vona iray.

Inona ireo fanamby mety hiainanao raha toa ka nesorina hiala ny tananao iray? Rahoviana no tsaratsara kokoa ny manana tanana iray ihany toy izay manana azy roa?

Ny fanapahana dia fanalana niniana natao ny ampahany amin’ny vatana, toy ny tanana na ny tongotra, izay tena simba tokoa, na narary,na nisy otrik’aretina. Na dia mety ho marary sy mampihotakotam-panahy aza ny fanapahana sy ny fahasitranana aty aoriana dia manakana ilay aretina na ilay otrik’aretina tsy hihanaka izany ka hiteraka fahavoazana hafa na fahafatesana.

Vakio ny Marka 9:43 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fotoana izaymahatsara kokoa izany hoe tapaka tanana iray noho ny manana azy roa.

Nampianatra tamin’ny fampiasana sarin-teny ny Mpamonjy fa tsara kokoa ny very tanana iray apa- noho ny manana azy roa raha toa ka ny iray amin’ny tanantsika no hitaona antsika hanota ary mbola hitaona antsika hanota. Tsy nilaza Izy fa tokony ho tapahantsika ara-bakiteny ny iray amin’ireo tanantsika. Nampiasa sarin-teny Izy mba hanamafisana ny maha-manan-danja ny zavatra nampianariny. Nampiasa ny sary ohatra momba ny fanapahana ny tanana iray i Jesoa mba hanehoana ny maha-manandanja sy maha-sarotra ny manasaraka ny tenantsika amin’ny fitaomana tsy marina.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mampitombo ny fahatakarantsika ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 9:43–48. Ao amin’ireo andininy ireo isika dia mianatra fa ny Mpamonjy dia nampiasa ny tanana, ny tongotra ary ny maso mba ho famantarana ireo fitaomana mety hitarika antsika hanota eo amin’ny fiainantsika.

sary vita amin’ny tsipika
  1. sary famantarana ny diaryManaova sarin’olona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ataovy anaty faribolana eo amin’ilay sary nataonao ny tanana iray, ny tongotra iray, ary ny maso iray. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:40-48 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), mba hitadiavana ny zavatra nampitovian’ny Mpamonjy tamin’ny tanana iray, ny tongotra iray, ary ny maso iray izay “nanafintohina” olona iray na ny nitaona ny olona iray hanota. Ampitondrao ny anaran’ny zavatra asehony tsirairay avy ilay tanana sy tongotra ary maso izay nasianao faribolana teo amin’ny sarinao. Ny teny hoe fiainana ao anatin’ireo andininy ireo dia mitovy amin’ny hoe fianana mandrakizay.

Araka izay nampianarin’ny Mpamonjy, ny tanana dia maneho ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ireo namantsika, ny tongotra dia maneho ireo olona izay raisintsika ho toy ny ohatra amin’ny fomba fisainana sy ny fomba fihetsika, ary ny maso dia maneho ireo mpitarika antsika. Saintsaino ireo fomba izay mety hampitovy ny fanasarahatsika ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy, na ireo fitaomana izay mitarika antsika hanota na tsy hanam-pinoana, amin’ny fanapahana tanana na tongotra iray. Aaraka ireo andininy avy novakianao ireo, dia inona ny zavatra mety hitranga raha tsy manasaraka ny tenantsika amin’ireo fitaoman-dratsy isika?

Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Marka 9:43-48 ity fahamarinana manaraka ity. Tsaratsara kokoa ny manasaraka ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy noho ny fisarahana amin’ Andriamanitra amin’ny farany.

Loholona Walter F. González

Ny Loholo Walter F. Gonzàlez ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra mikasika ireo fitaomana hafa izay tokony hanasarahantsika ny tenantsika: “Vokatr’izany, ny fanapahana toy izany dia tsy entina ilazana fotsiny ihany ireo namana fa izay mety ho fitaoman-dratsy rehetra koa, toy ny fandaharana tsy mendrika amin’ny fahitalavitra, na ireo tranonkala amin’ny internet, na ireo horonan-tsary, na ireo boky literatiora, na ireo kilalao, na ny mozika. Ny fampiorenana mafy io fitsipika io ao amin’ny fanahintsika dia hanampy antsika hanohitra ny fakam-panahy hanaraka izay mety ho fitaoman-dratsy” (“Today Is the Time,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 55).

Ny fanasarahantsika ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy dia tsy midika hoe fanaovana tsinontsinona ny hafa, fanamelohana ny hafa, na fandavana ny fifampikasohana amin’ny olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Mila misaraka kosa amin’ny olona izay mety hitondra antsika any amin’ny fahotana isika, na miala lavitra amin’ny fifaneraserana akaiky aminy. Na dia mety tsy afaka manala na miala lavitra ny fitaomana rehetra izay afaka mitondra antsika any amin’ny fahotana aza isika dia hitahy antsika ny Tompo rehefa miezaka manasaraka ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy araka izay vitantsika isika ary koa rehefa miezaka ny mampitombo ny fifehezan-tena manokana mba hiala amin’ireo fitaoman-dratsy izay tsy azontsika esorina tanteraka.

Eritrereto ireo fanamby izay mety hiainantsika amin’ny fanasarahantsika ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy. Ahoana no ahafahantsika mahalala ny fomba tena mety mba hampisarahantsika ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy?

  1. sary famantarana ny diaryVakio ireto toe-javatra manaraka ireto. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka miaraka amin’ny lesona ireto:

    1. Manana namana aho izay mamporisika ahy matetika ny handray anjara amin’ny fiaraha-mientana izay mandika ny didin’ Andriamanitra. Na izany aza dia mieritreritra aho fa afaka ny ho fitaoman-tsara ho azy ireo aho raha manohy miaraka amin’izy ireo. Karazam-pifandraisana toy ny ahoana no tokony ananako miaraka amin’ izy ireo? Inona no tokony holazaiko sy ataoko mba hampisarahako ny tenako amin’ireo namana ireo araka ny tokony ho izy?

    2. Nandritra ny taona maro dia mpankafy tarika iray tena malaza ny tenako. Tao hira sy ny fakana am-bavany nataon’izy ireo vao haingana namporisika ny hananana fitondrantena sy fomba fisainana izay mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Tompo sy ny fampianarany izy ireo. Mozika sy tonon-kira fotsiny anie izany e! Sa ahoana? Ka inona no mampidi-doza amin’ny fanohizana mihaino ny hiran’izy ireo sy ny fanarahana azy ireo ao amin’ny tambazotra ifaneraserana?

    3. Mbola maheno foana mikasika ny fampisehoana malaza iray aho, ary tena liana ny hijery izany. Efa nolazaina tamiko fa mampiasa fomba fiteny ratsy sy tsy mendrika ary ahitana zavatra feno herisetra izany, fa izaho anefa tsy hoe handeha any ka haka tahaka ireo zavatra ratsy henoko sy hitako. Ka inona ary ny olana raha mijery izany aho?

Na dia sarotra aza indraindray ny manasaraka ny tenantsika amin’ireo fitaomana izay mitarika antsika hanota, dia nahoana no mendrika izany fahafoizan-tena izany ireo valisoa izay ahitana ny fiainana mandrakizay?

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nisafidy ny hiala amin’ny fitaoman-dratsy? (Aza manoratra zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana na tsy tokony hozaraina.)

    2. Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fanaovana izany?

Saintsaino raha mety hitarika anao any amin’ny fahotana ireo fitaomana eo amin’ny fiainanao. Soraty amin’ny taratasy iray mitokana hoe ahoana ny hampisarahanao ny tenanao amin’ireo fitaomana ireo. Ampirimo amin’ny toerana izay ahafahanao mahita azy matetika ilay taratasy.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Marka 9:30-50 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: