Tahirim-pitaovana
Fizarana 32, Andro 3: Apokalypsy 17–19


Fizarana 32: Andro 3

Apokalypsy 17–19

Fampidirana

Hitan’i Jaona fa i Babylona ara-panahy, na izao tontolo izao feno faharatsiana, dia hiady amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra ary ny Zanakondry dia handresy ny ratsy. Ireo Olomasina dia antsoina mba hiala avy ao amin’i Babylona ara-panahy, ary ny madio sy ny marina dia ho antsoina ho amin’ilay fampakaram-badin’ny Zanakondry. Hitan’i Jaona ny fiavian’i Jesoa Kristy amin-kery lehibe mba handringana ireo izay niady Aminy.

Apokalypsy 17–18

Nahita mialoha ny faharavan’i Babylona ara-panahy i Jaona

Ny Loholona Lynn G.Robbins avy ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa, “Mora kokoa ny misoroka ny fakam-panahy noho ny manohitra fakam-panahy” (“Avoid It” [Brigham Young University devotional, 17 sept 2013], 1, speeches/byu.edu).

Araka ny eritreritrao nahoana no mora kokoa ny misoroka ny fakam-panahy noho ny manohitra izany?

Saintsaino hoe inona no zavatra hitranga raha mametraka ny tenantsika ao amin’ny toe-javatra mitranga iray izay tsy maintsy hanoherantsika tsy tapaka ny fakam-panahy isika.

Eo am-pandalinanao ny Apokalypsy 17–18, dia mitadiava fahamarinana iray izay hanampy anao hahafantatra ny fomba hisorohana ireo fakam-panahy sy ireo fahotana eto amin’izao tontolo izao.

Mianatra isika ao amin’ny Apokalypsy 16 fa nahita anjely fito izay hitondra loza ho an’ny ratsy fanahy amin’ny andro farany tao anatin’ny fahitana i Jaona. Vakio ny Apokalypsy 17:1 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny iray tamin’ireo anjely fito fa hasehony an’i Jaona.

Araka ny Apokalypsy 17:15, ny “rano maro” izay ipetrahan’ilay vehivavy janga (jereo andininy 1) dia maneho ny vahoaka sy ny firenena rehetra izay ananany hery sy fanapahana (jereo koa ny 1 Nefia 14:11).

Vakio ny Apokalypsy 17:2–6 dia tadiavo ny teny na andian-teny izay mamariparitra ilay vehivavy sy ny fanapahany eo amin’izao tontolo izao. Ny teny hoe fijangajangana ao amin’ny andininy 2 dia maneho ny fahalotoam-pitondrantena sy ny asa ratsy.

Ao amin’ny andininy 2, ahoana no namaritana ny fanapahan’ilay vehivavy eo amin’ireo mpanapaka sy mponina eto an-tany?

Araka ny hevitrao, inona no asehon’ilay vehivavy leon’ny ran’ny Olomasina sy ny martiora ao amin’ny Apokalypsy 17:6 ? Mariho fa ny teny hoe gaga ao amin’ity andininy ity dia midika hoe talanjona na manontany tena.

Ilay biby voafariparitra ao amin’ny Apokalypsy 17:3 dia mety ho maneho an’i Roma tamin’ny andron’i Jaona ary ihany koa ireo fanjakana sy firenena maro izay feno faharatsiana amin’ny andro farany (jereo ny Apokalyspy 17:8–13).

Vakio ny Apokalypsy 17:18 dia tadiavo hoe maneho inona ilay vehivavy.

Ny “tanàna lehibe” ao amin’ny andininy 18 dia manondro an’i Babylona ara-panahy (jereo ny Apokalypsy 14:8; F&F 133:14). Noho ny fomban’izao tontolo izao sy ny fahalotoan’i Babylona fahiny, ary noho izany toerana naha-babo ny zanak’ Isiraely, dia matetika i Babylona no natao fanoharana maneho ny fahotana, ny fomban’izao tontolo izao, ny fitaoman’ny ratsy eto an-tany, ary ny fahababoana ara-panahy (jereo ihany koa ny 1 Nefia 13:1–9; 14:9–10).

Vakio ny Apokalypsy 17:14 dia tadiavo hoe hiady amin’iza ireo mpanara-dia an’i Babylona.

Inona no mety ho vokatr’ity ady ity?

Mianatra isika avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity fa i Jesoa Kristy dia handresy ny faharatsian’izao tontolo izao amin’ny andro farany. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ireo teny ao amin’ny Apokalypsy17:14 izay mampianatra io fahamarinana io.

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahafahan’ny fahalalana io fahamarinana io hanampy anao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao.

Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 18:1–3 fa nisy anjely iray hafa izay nanambara ny fahalavoan’i Babylona ilay ratsy fanahy. Vakio ny Apokalypsy 18:4 dia tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ny vahoakany.

Inona ireo antony nomen’ny Tompo ireo vahoakany mba hialan’izy ireo avy ao Babylona?

Fitsipika iray izay azontsika ianarana avy ao amin’ny Apokalypsy 18:4 ny hoe ny fampisarahantsika ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao dia afaka manampy antsika hisoroka ny fahotana sy ireo fitsarana izay hiatra amin’ny ratsy fanahy amin’ny andro farany. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Apokalypsy 18:4.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hanampian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laonina antsika mba hampisaraka ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao?

    2. Inona ireo olana sasantsasany izay mety atrehan’ny tanora rehefa miezaka ny mampisaraka ny tenan’izy ireo amin’ny faharatsian’izao tontolo izao izy ireo kanefa mbola miara-miaina eo anivon’izy ireo, sy mitia ary mifanerasera amin’ireo izay tsy mitovy fitsipika aminy izy ireo?

    3. Amin’ny fomba ahoana ny fisarahana tamin’ireo fitaomana sy ireo fombafomba ratsy no nanampy anao sy ny olona fantatrao hisoroka ny sasantsasany amin’ireo fakam-panahy sy fahotana ao amin’izao tontolo izao?

Eritrereto ireo fitaomana na fombafomba ratsy izay mila hanalanao ny tenanao manokana sy ny fomba hanaovanao izany? Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hahafahany manampy anao amin’ireo ezaka ataonao mba hampisaraka ny tenanao amin’ireo fitaomana sy fombafomba ratsy ireo.

Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 18:5–24 fa i Jaona dia nahita ny fahalavoan’i Babylona ratsy fanahy ary ny fahorian’ireo izay manohana azy.

Apokalypsy 19

Nahita ny fiavian’i Jesoa Kristy amin-kery lehibe mba handringana ireo izay niady Taminy i Jaona

mpivady vao

Eritrereto ny fanomezana tsara indrindra azonao omena izay ho vadinao amin’ny andron’ny mariazinareo.

Loholona Jeffrey R. Holland

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ilay vadinao mandrakizay amin’ny mariazinareo dia ny tsara indrindra avy aminao—madio sy tsy misy pentina ary mendrika ny hahazo ny fahadiovana tahaka izany koa” (“Personal Purity,” Ensign, Nôv. 1998, 7677).

Nahoana araka ny hevitrao no fanomezana tsara indrindra afaka omenao ny vadinao amin’ny andron’ny mariazinareo ny hoe madio sy tsy misy pentina?

Ny Apokalypsy 19 dia mirakitra ilay fanoharana momba ny fampakaram-bady izay nampiasaina mba hampisehoana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Araka ny Apokalypsy 19:1–6 , i Jaona dia nahita fa ireo olo-marina dia hidera an’ Andriamanitra noho ny fitsarana nataony nanoherany ireo ratsy fanahy.

Vakio ny Apokalypsy 19:7 dia tadiavo hoe fanambadian’iza no nambaran’ilay anjely tamin’i Jaona.

Inona no zavatra izay nianaran’i Jaona momba ny vadin’ny Zanakondry?

Ilay “mariazin’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 19:7) dia milaza ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Loholona Bruce R. McConkie

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia tadiavo hoe iza ilay ampakarin’ny Zanak’ondry: “Amin’izao fotoampitantanana izao, ny mpampakatra, izay tsy iza fa ny Zanakondrin’ Andriamanitra, dia ho avy haka ilay ampakariny, dia ny Fiangonana izay ahitana ireo olomasina mahatoky izay niandry ny fiverenany” (Mormon Doctrine, ed. 2 [1966], 469).

Saintsaino ireo fomba sasany hilazana fa ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana no tandindona tena mifanentana amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy araka ny fanekempihavanana. Eo am-pisaintsainanao, dia eritrereto hoe ahoana no fifandraisana mitaky fahatokiana, fahafoizan-tena, fitiavana, fanoloran-tena, ary fahatokisana ny fanambadiana.

Vakio ny Apokalypsy 19:8–9 dia tadiavo ny zavatra izay azon’ireo Olomasina atao mba hahatonga azy ireo ho vonona amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Ilay akanjo rongony fotsy voalaza ao amin’ny andininy 8 dia afaka maneho fahamasinana, fahadiovana, ary fahamarinana. Araka ny naseho tamin’ny alalan’ny akanjon’ny vadin’ny Zanakondry, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahantsika ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Ny fahamarinana iray izay hianarantsika avy amin’ireo andininy ireo dia hoe raha madio sy marina isika, dia ho vonona amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompo. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ireo teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Apokalypsy19:8.

Ny teny hoe nasaina ao amin’ny Apokalypsy 19:8 dia midika hoe nomena na nanome. Ny hoe voadio amin’ny fahotana sy natao marina dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no zavatra nataon’ Andriamanitra mba hanolorana fomba hahafahantsika ho voadio amin’ny fahotana sy atao marina? Araka ny hevitrao, nahoana ny hoe madio sy marina no fanomezana tsara indrindra azonao omena ny Mpamonjy rehefa ho avy indray Izy?

Manapaha hevitra ny amin’ny zavatra izay tokony hataonao mba ho madio sy marina ka ho vonona amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompo. Mandraisa andraikitra amin’izay fahatsapana voarainao.

Vakio ny Apokalypsy 19:10 dia tadiavo ny fihetsika nasehon’i Jaona rehefa nahare ny zavatra nambaran’ilay anjely taminy izy. Ity anjely ity dia efa nomena ny fahefana avy amin’ Andriamanitra mba hiteny sy hisolo tena an’i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra nambaran’ilay anjely tamin’i Jaona fa ananany (ilay anjely) sy ireo mpanompon’ Andriamanitra hafa?

Ny “fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10) dia manondro ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana sy fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra, izay mamela ny olona iray handray sy hanambara ny teniny (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Faminaniana,” scriptures.lds.org).

Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mampitovy ny faminaniana sy ny fijoroana ho vavolombelona?

Ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa manova ny fiomananao amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Vakio ny Apokalypsy 19:11–16 dia tadiavo ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 19:15 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina; scriptures.lds.org).

Ilay soavaly fotsy voalaza ao amin’ny Apokalypsy 19:11 dia maneho fandresena. Ho avy handresy ny ota sy ny faharatsiana ny Mpamonjy.

Mariho ny fomba namariparitana ny akanjon’ny Mpamonjy ao amin’ny Apokalypsy 19:13. Ny andian-teny hoe “akanjo voafafy rà” dia midika fa ny lokon’ny akanjony dia ho toy ny lokon’ny rà. Io loko io dia maneho ny fandravana ny ratsy fanahy amin’ny fiaviany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–51), ary afaka mampahatsiahy antsika ihany koa ny fijaliana izay niainany nandritra ny Sorompanavotana nataony.

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Loholona Neal A. Maxwell

“Rehefa nivoa-dra tamin’ny mason-kodiny rehetra, dia mena tokoa ny fitafiny tao Getsemane, mena toy ny jaky izany lambany izany!

“Tsy mahagaga, rehefa ho avy amim-boninahitra sy amin-kery i Kristy, dia ho avy amin’ny akanjo mena ho fampahatsiahivana Izy (jereo ny F&F 133:48), izay midika tsy ny famiazana ny fahatezerana fotsiny ihany fa hampahatsiahy antsika koa ny fijaliana izay niaretany ho antsika tsirairay tao Getsemane sy tao Kalvary!” (“Overcome … Even as I Also Overcame,” Ensign, mey 1987, 72).

Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 19:15 dia nahita i Jaona fa rehefa tonga amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo ny Mpamonjy (jereo ny Apokalypsy 19:16), dia hanjaka eo amin’ny firenen-drehetra miaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra Izy. Ao amin’ny Apokalypsy 19:17–21, i Jaona dia nahita ny fandravana ireo izay niady tamin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra. Jereo fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Apokalypsy 19:18 dia manazava fa “ny olona rehetra, na olon’afaka na andevo, na kely na lehibe” dia maneho ireo “rehetra izay niady tamin’ny Zanak’ondry”

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 17–19 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: