Tahirim-pitaovana
Fizarana 19, Andro 4: Asan’ny Apostoly 18–19


Fizarana 19: Andro 4

Asan’ny Apostoly 18–19

Fampidirana

Nolavin’ny Jiosy maro tao Korinto i Paoly saingy nahita fahombiazana teo anivon’ireo Jentilisa kosa izy tao. Tany Efesosy, i Akoila sy i Prisila, izay mpivady marina, dia nampianatra an’i Apolosy, Jiosy iray avy tany Aleksandria, ary nanampy azy hahatakatra ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra. Nitory ny amin’ny Fanahy Masina sy nanatanteraka fahagagana ary nanao izay tsy hihaonana tamin’ny vahoaka tsy manaiky hofehezina i Paoly tao amin’ny toerana fanaovana fampisehoana tao Efesosy.

Asan’ny Apostoly 18:1–17

Nitory tany Korinto i Paoly

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba efa nandraisanao anjara tamin’ny asan’ny Tompo?

    2. Inona avy ireo fanamby efa niainanao rehefa niezaka hanao ny asan’ny Tompo ianao?

Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 18 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao rehefa miezaka ny hanao ny asan’ny Tompo ianao.

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1–5 isika dia mianatra fa niala avy tao Atena i Paoly ka nandeha tany Korinto, izay toerana nampianarany tao amin’ny synagoga. Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:6 hitadiavana ny fanamby izay niainan’i Paoly raha mbola nampianatra momba an’i Jesoa Kristy tamin’ireo jiosy tao Korinto izy.

Inona ny zavatra nokasain’i Paoly hatao rehefa nolavin’ireo Jiosy tao anatin’ny synagoga ny hafany?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:7–10 hitadiavana ny zava-nitranga izay mety namporisika an’i Paoly. Asio marika ao amin’ny andininy 10 ny zavatra izay nampanantenain’ny Tompo an’i Paoly raha toa ka nanohy nitory ny filazantsara tany Korinto izy.

Afaka mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa raha miaina amim-pahamendrehana isika dia hiaraka amintsika ny Tompo rehefa manao ny asany isika. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 18:9–10 io fitsipika io.

Filoha Thomas S. Monson

Nanome izao fankaherezana manaraka izao ny Filoha Thomas S. Monson: “Izao anefa, mety misy sasany aminareo efa saron-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenany ho tsy sahaza ny antso iray ka tsy afaka manaiky izany. Tsarovy fa ity asa ity dia tsy anao sy ahy irery. Asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa irahin’ny Tompo isika, dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa ny Tompo no hanefy ilay soroka mba hahazakany ny entana apetraka eo aminy” (“Mianara, manaova, meteza,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 62).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa hiaraka aminao ny Tompo rehefa manao ny asany ianao?

    2. Oviana ny Tompo no efa niaraka taminao rehefa nanao ny asany ianao? Ahoana no nahafantaranao fa niaraka taminao Izy?

Ny Asan’ny Apostoly 18;11–17 dia mitantara fa mbola nanohy nitory ny filazantsara tany Korinto i Paoly nandritra ny herintaona sy tapany. Fony izy tao Korinto dia niezaka nitondra azy tany amin’ny fitsarana ny Jiosy noho ny zavatra izay nampianariny, saingy nolavin’ny governora ilay raharaha, izay nahatanteraka ny fampanantenan’ny Tompo tamin’i Paoly.

Asan’ny Apostoly 18:18-28.

Nanampy an’i Apolosy hahatakatra ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra i Akoila sy Prisila

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:18–23 isika dia mianatra fa nisy mpivady nantsoina hoe Akoila sy Prisila nanaraka an’i Paoly tany Efesosy. Rehefa namela ireo mpivady ireo tao Efesosy i Paoly dia nandeha tany amin’ny faritr’i Jerosalema sy tany avaratr’i Antiokia izy, izay namaranany ny dia fitoriana faharoa nataony. Naharitra telo taona io dia fitoriana nataony io. Nandritra io fotona io i Paoly dia efa nanao dia tokony ho 5.000 km.

Rehefa afaka fotoana vitsivitsy dia niala avy tao Antiokia i Paoly ary nanomboka ny dia fitoriana fahatelo nataony (jereo ny sarintany 13 “Ny dia fitoriana nataon’ny Apostoly Paoly,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina,”). Nandritra io dia io izy dia nandeha indray tany amin’ireo faritra izay nananganany sampan’ny Fiangonana teo aloha, mba hankahery ireo mpianatra.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:24–25 hitadiavana ny zavatra nitranga tao Efesosy taorian’ny nandehanan’i Paoly.

Inona ny zavatra efa takatr’i Apolosy momba ny “amin’i [Jesoa]” (andininy 25)?

Koa satria “ny batisan’ i Jaona ihany no fantany” (andininy 25), dia tsy tena ampy tanteraka ny fahatakaran’i Apolosy ny amin’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy. Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:26 hitadiavana ny zavatra nataon’i Akoila sy i Prisila rehefa nahare ny fampianaran’i Apolosy izy ireo.

Ny andian-teny hoe “nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra” (andininy 26) dia midika fa nampianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany an’i Apolosy i Akoila sy i Prisila, ka nampitombo ny fahalalana sy ny fahatakaran’i Apolosy.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:27–28 hitadiavana ny porofo izay maneho fa nanampy an’i Apolosy hahatakatra marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra i Akoila sy i Prisila.

Asan’ny Apostoly 19:1–20

Nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina sy nanatanteraka fahagagana maro i Paoly

Rehefa nanomboka ny dia fitoriana fahatelo nataony i Paoly dia nandeha tamin’ny faritr’i Galatia sy i Frygia izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:23) ary avy eo izy dia niverina tany Efesosy. Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:2–6 hitadiavana ny fomba nanampian’i Paoly ny olona tao Efesosy mba hahatakatra marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra.

Ireo sisa tavela tamin’ny teatra Grika

Ireo sisa tavela tamin’ny teatra Grika tao Efesosy, izay toerana nitorian’i Paoly ny filazantsara

Inona no fotopampianarana nataon’i Paoly takatr’ireo mpianatra tao Efesosy bebe kokoa?

Rehefa mamaky izao fanambarana navoaka teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka izao ianao dia tadiavo ny antony nahatonga ireo vahoaka tao Efesosy ireo ho nila natao batisa indray: “Toa hoe … nisy Jiosy tsy dia nalala-tsaina nanao batisa tahaka ny nataon’i Jaona [Mpanao Batisa], saingy nanadino nampahafantatra azy ireo fa hisy olona hafa iray ho avy taorian’izay, izay fantatra tamin’ny anarana hoe Jesoa Kristy, mba hanao batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina:—izay maneho amin’ireo olona niova fo ireo fa tsy ara-dalàna ny batisa nataony voalohany, ka rehefa naheno izany izy ireo dia natao batisa soa aman-tsara, ary rehefa nametrahan-tanana izy ireo dia nandray ny fanomezana, araka ny fampanantenana” (“Baptism,” Times and Seasons, 1 sept. 1842, 904).

Avy amin’io zavatra nitranga io isika dia mianatra fa raha tiana hanan-kery ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny mpanompon’Andriamanitra nahazo lalana izany, ary mba hahafeno ny batisa dia tsy maintsy arahan’ny fandraisana ny Fanahy Masina izany.

Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra ny mpaminany Joseph Smith fa ny batisa dia tsy maintsy arahin’ny “fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana”: “Azonao atao ihany koa ny manao batisa kitapom-pasika ho toy ny olona raha tsy natao ho amin’ny famelana ny fahotana sy handraisana ny Fanahy Masina izany. Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95).

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:7–10 isika dia mianatra fa mbola nanohy nitory ny filazantsara tany Efesosy i Paoly nandritra ny roa taona mahery. Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:11–12 hitadiavana ireo fahagagana izay notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Paoly.

Fotopampianarana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: amin’ny alalan’ny mpanompony nahazo lalana no fomba iray anehoan’Andriamanitra ny heriny.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:13–16 hitadiavana ny zava-nitranga rehefa niezaka nandroaka fanahy ratsy ny lehilahy sasany, tahaka ny nataon’i Paoly.

Satria tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana ahafahana manompo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ny zakalahin’i Skeva dia tsy nahalala sy tsy niaiky ny fahefan’izy ireo ilay fanahy ratsy, na dia nitonona ho mpisolo tena ny Mpamonjy aza izy ireo.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:17–20, hitadiavana ny zavatra nataon’ny olona maro rehefa nahafantatra momba an’io trangan-javatra io izy ireo.

Ahoana no nanehoan’ireo olona ireo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?

Afaka mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Rehefa mibaboka sy mahafoy ny fomba fanao ratsy isika dia maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fahafoizan-tena sasany mety ho ilaina ataon’ny olona iray mba hamoizana ny fahotana iray izay efa nibabohany?

Saintsaino raha toa ka misy fahotana izay tian’ny Tompo hibabohanao sy hafoinao. Misafidiana hanao zavatra araka ny bitsika izay mety tsapanao rehefa nandalina ity lesona ity ianao.

Asan’ny Apostoly 19:24–41

Nanohitra an’i Paoly ireo mpivavaka tamin’ny andriamani-bavy diso atao hoe Diana ka niteraka tabataba tao amin’ilay tanàna

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:21–41 isika dia mianatra fa ny ampahany tamin’ny fihariankarena tao Efesosy dia notohanan’ny fivavahana tamin’ilay andriamani-bavy diso atao hoe Diana. Koa satria nitory nanohitra ny fivavahana tamin’ny andriamanitra diso i Paoly dia nandrisika ny olona hanohitra an’i Paoly ireo mpanefy. Naka ny roa tamin’ireo mpiara-mitory tamin’i Paoly ny vahoaka ka nivory teo amin’ny toerana fanaovana fampisehoana teo amin’ilay tanàna, izay nahazaka olona hatramin’ny 24.000. Naniry ny hiteny tamin’ireo vahoaka i Paoly saingy noresen’ireo mpianatra sasany sy ny mpitarika tao amin’ny governemanta lahatra izy mba tsy hiditra ilay trano fanaovana fampisehoana. Nampangina sy nanaparitaka ny olona ny mpitahiry didin’ilay tanàna tamin’ny farany. Ny fiarovana an’i Paoly sy ny mpiara-mitory taminy dia ohatra iray amin’ny fomba hitohizan’ny asan’Andriamanitra na dia eo aza ny fanoherana sy ny fanenjehan’ny ratsy fanahy.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 18–19 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: