Tahirim-pitaovana
Fizarana 20, Andro 1: Asan’ny Apostoly 20–22


Fizarana 20: Andro 1

Asan’ny Apostoly 20–22

Fampidirana

Nitory ny filazantsara tao Asie Mineure (izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Turquie) i Paoly ary rehefa tonga tao Mileto izy, tanàna iray akaikin’i Efesosy dia nampitandrina ny amin’ny apostazia izay ho avy sy nandrisika ireo mpitarika tao amin’ny fisoronana mba hankahery ny mpikamban’ny Fiangonana. Avy eo izy dia nandeha nankany Jerosalema izay toerana nanenjehana sy nisamborana azy. Rehefa nijoro teo amin’ny lalana hiditra ny toby Antonia (toerana nitobian’ny miaramila Romana) i Paoly dia nizara ny tantaran’ny fiovam-pony.

Asan’ny Apostoly 20–21

Nanompo tao Asie Mineure i Paoly ary nandeha tany Jerosalema izay toerana nikapohana sy nisamborana azy

Eritrereto ny fotoana iray izay tsy maintsy nandaozanao ny fianakavianao na ny namanao na ny olona hafa izay manan-danja aminao nandritra ny andro na herinandro na volana maromaro.

  • Inona no fahatsapana nanananao na ireo olona niaraka taminao talohan’ny nandehananao?

  • Inona no nifampiresahanareo talohan’ny niangana?

Nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony i Paoly dia nandany fotoana tany Makedonia, Gresy sy tany Asie Mineure (jereo ny sarintany 13 “Ny dia fitoriana nataon’ny Apostoly Paoly,” ao amin’ny Torolalanaho an’ny Soratra Masina,”). Nandritra io dia io izy dia nahatsapa fa tokony hiverina tany Jerosalema. Teny am-pandehanana izy dia nijanona mba hitory sy hanao veloma an’ireo mpikamban’ny Fiangonana teny amin’ny lalana nalehany. Ny alina taloha’ny nialany tao Troasy i Paloly dia niresaka tamin’ireo olo-masina hatramin’ny alina be.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:9–12 hitadiavana ny zava-niseho tamin’ny zatovolahy iray antsoina hoe Eotyka rehefa renoky ny torimaso nandritra ny toritenin’i Paoly izy. Asio marika ao amin’ny soratra masina ny zavatra nataon’i Paoly mba hanehoana fitiavana sy fiahiana an’i Eotyka?

Inona no mampitovy ny zavatra nataon’i Paoly tamin’ny nataon’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany?

Tao anatin’ny asa fitoriana fahatelo nataony i Paoly dia nipetraka teo ho eo amin’ny telo taona tao Efesosy mba hiasa teo anivon’ny mponina tao. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:13–17 isika dia mianatra fa teny amin’ny lalany ho any Jerosalema i Paoly dia nijanona tao Mileto, vao mivoaka an’i Efesosy, ary naniraka olona hampita hafatra tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy mba hihaona aminy.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:18–23, hitadiavana ny zavatra nohazavain’i Paoly momba ny asa fitoriana.

Nilaza i Paoly fa “tsy mba nafeni[ny] izay mahasoa” (Asan’ny Apostoly 20:20) ny olona izay nampianariny. Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:21 ny fomba nampianaran’i Paoly izay tena mahasoa tokoa—nijoro ho vavolombelona izy fa nila nibebaka sy nanana finoana ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo ny olona rehetra.

Araka ny voalazan’ny andininy 22–23 dia vonona ny hiatrika izay fahoriana niandry azy tany Jerosalema i Paoly. Nananontanona azy hatrany ny loza tao Jerosalema, izay toerana niheveran’ireo mpitarika Jiosy azy ho mpamadika noho ny ezaka nataony hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na izany aza, ny antony iray izay nahatonga an’i Paoly ho vonona ny ho any Jerosalema dia satria ny Fanahin’ny Tompo no nitarika azy hanao izany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:24–27 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Paoly fa efa naha-vonona azy mba hataony amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy. Asio marika ny zavatra izay nolazainy ao amin’ny andininy 24.

Avy amin’ny Asan’ny Apostoly 20:24–27 isika dia mianatra fa ny tena mpanompon’ny Tompo dia manatanteraka amim-pahatokiana ny andraikiny, ary rehefa manao izany izy ireo dia mahatsapa fifaliana. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao soratra masina.

Saintsaino hoe midika inona aminao izany hoe manao izay rehetra vitanao amin’ny asan’Andriamanitra izany.

Ahoana no ahafahanao mampihatra io fitsipika io eo amin’ny fiainanao manokana?

  1. sary famantarana ny diaryEritrereto ny fotoana iray teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao izay nisafidiananao na ilay olona fantatrao ny hanompo ny Tompo tamin’ny herinao rehetra sy ny tanjakao rehetra ka nahatsapanao fifaliana lehibe. Fariparito fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io zavatra niainana io sy ny lesona mety nianaranao avy tamin’izany.

Nitsidika farany ireo mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly mialoha ny niaingany ho any Jerosalema. Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Paoly ka fantatrao fa tsy hahita ireo mpitarika ny Fiangonana ireo intsony ianao, dia inona no torohevitra nomenao azy ireo mialoha ny nandehananao?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:28–31 hitadiavana ny fampitandremana nomen’i Paoly ireo mpitarika ny Fiangonana ireo.

Nampiasa ny amboadia i Paoly ho sarin-teny entina ilazana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tsy mahatoky sy ny olona izay hamitaka ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky.

Nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” (Asan’ny Apostoly 20:35), ary rehefa avy nivavaka niaraka tamin’izy ireo izy dia nanao veloma ka nanomboka ny diany nankany Jerosalema (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:36–38).

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:1–10 isika dia mianatra fa nanohy ny diany nankany Jerosalema i Paoly ary nijanona tamin’ny faritra maro samihafa mba hiarahana tamin’ny mpikamban’ny Fiangoanana teny an-dalana. Rehefa nijanona tao an-tanànan’i Tyro izy dia nisy mpianatra sasany—izay azo inoana fa sahiran-tsaina ny amin’ny fiarovana an’i Paoly—nanoro hevitra azy mba tsy handeha tany Jerosalema (jereo ny Asan’ny Apostoly 21:4)

Rehefa tao Kaisaria dia nisy mpaminany anankiray nantsoina hoe Agabo naminany momba izay hanjo an’i Paoly tao Jerosalema.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 21:11 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Agabo tamin’ny alalan’ny faminaniana fa hanjo an’i Paoly tao Jerosalema. 

Vakio ny Asan’ny Apostoly 21:12–14 hitadiavana ny fomba namalian’i Paoly an’ilay faminaniana.

Inona no nanaitra anao tamin’ny valintenin’i Paoly?

Tsy ny mpanompon’ny Tompo rehetra no angatahina hahafoy ny ainy. Na izany aza, ny tena mpanompon’ny Tompo dia vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny ho saran’izany manokana.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Karazana fahafoizana tahaka ny ahoana no mety ho angatahina aminao amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo anao?

    2. Oviana ianao no efa vonona ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra na nanao ahoana na nanao ahoana ny saran’izany? Nahoana ianao no vonana nanao izany?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17–40 isika dia mianatra fa tonga tao Jerosalema i Paoly ka nanao tatitra momba ny asa fitoriana nataony tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao an-toerana. Nandeha tany amin’ny Tempoly izy ary rehefa nahita azy ny andiana Jiosy izay nahafantatra azy tamin’ireo dia fitoriana nataony, dia nanambara izy ireo fa mpampianatra sandoka i Paoly izay nampianatra zavatra nanohitra ny lalàn’i Mosesy sy nitondra tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo Jentilisa ho ao amin’ny tempoly. Noho io fiampangana io dia nanala an’i Paoly avy teo amin’ny tempoly ny andiana mpihetraketraka ka nanomboka nikapoka azy. Niditra an-tsehatra ireo miaramila Romana ka nitondra azy niala teo mba hotsaraina ary nanontany ireo miaramila i Paoly raha toa ka azony natao ny niresaka tamin’ireo vahoaka.

Asan’ny Apostoly 22

Nitantara momba ny fiovam-pony i Paoly ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Ny hoe miova fo dia midika hoe miova. Eritrereto ny fomba azo anovana ny rano mba hahafahana mampiasa izany amin’ny tanjona hafa. (Ohatra, ny rano dia azo ovaina ho ranomandry na etona.) Saintsaino ireo karazana fiovana izay entin’ny fiovam-po ho amin’ny filazantsara.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:1–5 hitadiavana ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny tenany rehefa niresaka tamin’ireo Jiosy izy teo amin’ny tohatry ny lapa be tao Jerosalema.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:6–21 izay itantaran’i Paoly ny tantaran’ny fiovam-pony. Avy eo dia ampifandraiso amin’ny valiny marina ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny fanoratana ny literan’ilay valiny marina eo amin’ny banga akaikin’ilay fanontaniana. (Rahefa vitanao izany dia hamarino amin’ny valiny izay omena any amin’ny faran’ny lesona ireo valinteninao.)

Ny Fiovam-pon’i Paoly

  • ____ 1. Inona no nanjo an’i Paoly teo amin’ny lalana ho any Damaskosy? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 22:6–8, 14.)

  • ____ 2. Inona no nasaina nataon’i Paoly? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 22:10–11.)

  • ____ 3. Iza no nifanena tamin’i Paoly tao Damaskosy, ary inona no azony indray? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 22:12–13.)

  • ____ 4. Inona no nolazain’i Ananiasy tamin’ny alalan’ny faminaniana momba an’i Paoly? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 22:14–15.)

  • ____ 5. Ahoana no nanehoan’i Paoly ny finoany an’i Jesoa Kristy? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 22:16; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 9:18.)

  • a. Tokony handeha any Damaskosy izy.

  • b. Nifanena tamin’i Ananiasy, lehilahy marina iray, izy ary nahiratra indray.

  • d. Natao batisa izy ka niantso ny anaran’ny Tompo.

  • e. Nantsoina ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izy.

  • f. Nahita fahazavana sy nahare ny feon’i Jesoa Kristy izy ary nahita Azy tao amin’ny fahitana.

Nihaino sy nankatò ny tenin’i Jesoa Kristy i Paoly ka nanomboka niova. Ao amin’ny Galatiana 1:17–18 isika dia mianatra fa taorian’ny fahitana mahatalanjona hitany dia nandany telo taona tany Arabia i Paoly, izay mety fotoana tsara niomanana sy nitomboana ara-panahy, talohan’ny niverenany tany Damaskosy ary avy eo tany Jerosalema mba hihaona amin’i Petera.

Eritrereto ny fomba mety niovan’ny fiainan’i Paoly vokatry ny fiovam-pony ho an’ny Mpamonjy. Mampianatra antsika ny fiovam-pon’i Paoly fa rehefa mankatò ny tenin’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hiova fo tanteraka.

Nanazava ny fomba ifandraisan’ny tena fiovam-po amin’ny fankatoavantsika ny tenin’i Kristy ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany nanao hoe:

Bonnie L. Oscarson

“Ny hoe fananana fiovam-po marina dia mihoatra noho ny fananana fahalalana fotsiny ireo fitsipiky ny filazantsara ary mitaky zavatra mihoatra noho ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika ireo aza izany. Azo atao ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara kanefa tsy miaina araka izany. Ny hoe niova fo marina dia midika fa manao asa mifanaraka amin’izay inoantsika isika ary mamela izany hampisy ‘fiovana mahery vaika ao amintsika na ao am-pontsika’ [Môsià 5:2]. …

“… Miseho ny fiovam-po rehefa mazoto mivavaka isika, mamaky ny soratra masintsika, sy miangona, ary mendrika ny handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tonga ny fiovam-po rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fitsipika marina ianarantsika any an-tokantranontsika sy any amin’ny kilasy misy antsika isika. Tonga ny fiovam-po rehefa miaina fiainana madio sy mendrika isika ary manana ny Fanahy Masina ho namana. Tonga ny fiovam-po rehefa mahatakatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, ary mandray Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary mamela ny Sorompanavotana hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika” (“Aoka Ianareo Hiova Fo,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 76–78).

  1. sary famantarana ny diaryManorata taratasy iray ho an’ny tenanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny zavatra azonao atao mba ho lasa tena miova fo ho an’ny Mpamonjy.

I Paoly nofatorana

Nofatoran’ireo Romana i Paoly.

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22:22–30 isika dia mianatra fa rehefa avy nitantara ny tantaran’ny fiovam-pony i Paoly dia nilaza ireo mpihaino azy fa tokony hovonoina ho faty izy. Nentina teo anatrehan’ny kapiteny lehiben’ny tafika Romana tao Jerosalema i Paoly, izay nanapa-kevitra fa tokony hokapohina na karavasiana i Paoly, izay tetika fanao hanalana baraka na hahazoana fampahalalana avy amin’ny mpanao heloka. Kanefa rehefa nahalala ireo miaramila Romana fa olom-pirenena Romana i Paoly, dia nanapa-kevitra izy ireo ny tsy hikapoka an’i Paoly fa nitondra azy kosa teo anatrehan’ny filankevi-pitantanana Jiosy, dia ny Synedriona. Voararan’ny lalàna Romana ny mamatotra na mikapoka olom-pirenena Romana izay “tsy mbola nohelohina” (Asan’ny Apostoly 22:25).

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 20–22 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Valin’ilay asa atao fampifandraisana: (1) f, (2) a, (3) b, (4) e, (5) d.