Tahirim-pitaovana
Fizarana 26, Andro 2: 1 Tesaloniana


Fizarana 26: Andro 2

1 Tesaloniana

Fampidirana

Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tany Tesalonika i Paoly Apôstôly taorian’ny nahenoany fa izy ireo dia nahatoky tao amin’ny filazantsara na dia tao anatin’ny fanenjehana aza. Nidera azy ireo izy noho ny fahatokian’izy ireo sy ny fahavononan’izy ireo hampianatra ny filazantsara. Nampianatra azy ireo mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ihany koa i Paoly, ary nampianatra azy ireo ny amin’ny fomba tokony hiomanana amin’ny Fiaviana fanindroany izy.

1Tesaloniana 1–2

Midera ireo Olomasina Tesaloniana noho ny fahatokiana asehon’izy ireo manoloana ny fijaliana i Paoly

Tadiavo ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly lah. 13 ao amin’ “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina i Tesalonika. Ireo Olomasina Tesaloniana dia anisan’ireo Eoropeana niova fo tamin’ny Fiangonana tany amin’ny voalohandohany tany. I Paoly sy i Silasy dia nitory voalohany tany amin’io toerana io nandritra ny dia fitoriana nataon’i Paoly faharoa fa noroahin’ireo mpitarika Jiosy sasany hiala ny tanàna izy ireo tamin’izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:5–15). Mbola nenjehina hatrany ireo Olomasina Tesaloniana na dia efa lasa aza i Paoly sy ny namany. Taty aoriana dia nanoratra ity epistily ity ho an’ireo Olomasina mba hamporisihana azy ireo manoloana ny fanenjehana azy ireo i Paoly.

  1. journal iconEfa nanandrana nizara ny filazantsara tamin’ny olona iray ve ianao? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainanao. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no nandraisana ny hafatra nomenao? Amin’ny fomba ahoana no notahiana anao noho ny ezaka nataonao hitory ny filazantsara? Inona avy ireo olana sasantsasany mety hitranga rehefa miezaka mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika?

Eo am-pandalinanao ny 1 Tesaloniana 1–2 dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa ianao.

Vakio ny 1 Tesaloniana 1:5–6, dia jereo fa ny Apôstôly Paoly dia nizara ny filazantsara tamin’ireo Tesaloniana rehefa niaraka tamin’izy ireo izy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny hoe teny sy hery ao amin’ny andininy 5.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fahasamihafana eo amin’ny “teny” sy ny “herin’”ny filazantsara.

Loholona Bruce R. McConkie

“Ny filazantsara marina dia ahitana zavatra anankiroa: Ny Teny ary ny Hery. N’iza n’iza dia afaka mandray ny teny; ireo boky izay ahitana azy dia azon’ny rehetra vakiana. Fa tsy maintsy avy amin’ Andriamanitra kosa ny hery; izany dia omena, tsy maintsy omena, araka ny fiheviny sy ny sitrapony ho an’ireo izay miaina araka ny lalàna hahafahana mandray izany.

“Ny tenin’ny filazantsara dia izay voalaza na izay voasoratra momba ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona mba ho voavonjy. …

“Fa ny famonjena kosa dia tsy mitranga raha tsy rehefa raisina sy ampiasaina ny herin’Andriamanitra; ary io hery io dia ny herin’ny fisoronana ary ny herin’ny Fanahy Masina” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 3:42–43).

Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny 1 Tesaloniana 1:6 ny zavatra nataon’ireo Tesaloniana taorian’ny nianaran’izy ireo ny filazantsara tamin’ny alalan’ny teny sy herin’ Andriamanitra.

Afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ny 1 Tesaloniana 1:5–6 : Rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny sy herin’ Andriamanitra isika dia afaka manampy ny hafa ho lasa mpanara-dia ny Tompo sy ny mpanompony.

Vakio ny 1 Tesaloniana 1:7–9 ary jereo hoe tamin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ireo mpino hafa nanodidina azy ireo ny ohatra nasehon’ireo Olomasina Tesaloniana.

Afaka mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny ohatra nasehon’ireo Olomasina Tesaloniana: Afaka mizara ny filazantsara isika amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ato anatin’ity teny nambara manaraka ity dia tsipiho izay nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa fomba mahomby indrindra amin’ny fizarana ny filazantsara : “Ny fomba tena tsara indrindra hitoriana ny filazantsara dia amin’ny alalan’ny ohatra. Raha miaina araka ny finoantsika isika dia hahatsikaritra izany ny olona. Raha misoritra eo amin’ny fiainantsika ny endrik’i Jesoa Kristy [jereo ny Almà 5:14], ary raha falifaly sy manam-piadanana isika dia haniry ny hahafantatra ny anton’izany ny olona. Ny iray amin’ireo toriteny tena lehibe indrindra natao hatramin’izay momba ny asa fitoriana dia ity torohevitra tsotra avy amin’i Masindahy François d’Assise ity: ‘Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara ary raha ilaina dia mampiasà teny [ao amin’ny William Fay and Linda Evans Shepherd, Share Jesus without Fear (1999), 22]” (“Miandry eny amin’ny lalana mankany Damaskosy,” Ensign na Liahona, mey 2011, 77).

Diniho ny fotoana iray izay nanampian’ny ohatra nasehon’ny olona hafa anao mba hanaiky ny filazantsara na hiaina izany misimisy kokoa.

Ao amin’ny 1 Tesaloniana 2:1–13, dia nanoratra mikasika ny asa fanompoana voalohany nataony tany Tesalonika i Paoly. Niresaka momba ireo mpanakiana sasany tany Tesalonika izay nisalasala ny amin’ny fahatsorany sy ireo zavatra nanosika azy nandritra ny asa fanompoany izy. Niaro tena i Paoly tamin’ny alalan’ny fanoritsoritana ny fomba nampianarany sy ireo namany ary ny nanompoan’izy ireo ny Olomasina tamim-pahamarinana sy tamim-kitsim-po. Ny teny nolazainy dia mampahatsiahy ireo izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:8: “Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana.”

Tsy niverina tany Tesalonika i Paoly taorian’ny nandroahana azy nandritra ny dia fitoriana ny filazantsara faharoa nataony (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:10). Nilaza izy fa tsy afaka niverina satria “nosakanan’” i Satana hanao izany (1 Tesaloniana 2:18). Tsy nilazalaza antsipiriany momba ny fomba nanakanan’i Satana azy hiverina tany Tesalonika i Paoly, fa mazava kosa anefa fa ny fanenjehan’ireo Jiosy dia efa nanery an’i Paoly hiova lalana im-betsaka nandritra ny diany (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:14–15).

1 Tesaloniana 3–5

Nampianatra ireo Olomasina Tesaloniana momba ny Fiaviana Fanindroany i Paoly

Mariho ireto fehezan-teny momba ny Fiaviana Fanindroany ireto raha toa marina (M) na diso (D):

  • ____ 1. Tsy hitsangana amin’ny maty raha tsy amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ireo Olomasina mahatoky izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany.

  • ____ 2. Ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hampakarina hitsena an’i Kristy rehefa tonga Izy.

  • ____ 3. Hahagaga ny olona rehetra tahaka ny mpangalatra ny Fiaviana Fanindroany.

Eo am-pandalinanao ny 1 Tesaloniana 3–5 dia karohy ireo fahamarinana momba ny Fiaviana Fanindroany izay hanampy anao hahafantatra ireo valinteny marina amin’ilay andiam-panontaniana amin’ny endrika marina–diso (ireo valinteny dia hita ihany koa any amin’ny faran’ny lesona).

Mianatra isika ao amin’ny 1 Tesaloniana 3:1–7 fa nanao tatitra tamin’i Paoly i Timoty hoe nijanona ho mahatoky ireo Olomasina na dia niaina fanenjehana aza.

Vakio ny 1 Tesaloniana 3:11–13 dia tadiavo ny zavatra nantenain’i Paoly fa ho ataon’ny Tompo ho amin’ireo Olomasina mba hanomanana azy ireo amin’ny Fiaviany Fanindroany. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao ao anatin’ny soratra masinao.

Mianatra isika ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:1–12 fa nanentana mafy ireo Olomasina mba hanamasina ny tenan’izy ireo, na mba ho lasa madio sy tsisy pentina amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra i Paoly, izay zavatra nampianarin’i Paoly sy ny namany azy ireo.

Ny Fiaviana fanindroany

Ireo Olomasina Tesaloniana dia tsy nahatakatra ireo lafin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sasany. Nanahy izy ireo fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Tesalonika izay efa maty dia tsy afaka hahazo ireo fitahian’ny Fiaviana Fanindroany.

Vakio ny 1 Tesaloniana 4:13–14, 16 ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ireo Olomasina mahatoky izay maty talohan’ny Fiaviana fanindroany. Nampiasa ireo teny hoe modi-mandry sy nodimandry izy mba hilazana ireo izay efa maty.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Ireo Olomasina mahatoky izay maty alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany dia hitsangana amin’ny maty rehefa hiverina indray Izy.

Ilay andian-teny hoe “hitondran’Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy” ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:14 dia midika fa ireo Olomasina mahatoky izay hitsangana amin’ny maty amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hampakarina hitsena ny Mpamonjy ary hidina amim-boninahitra miaraka Aminy (jereo ny F&F 88:97–98).

Vakio ny 1 Tesaloniana 4:15, 17 dia tadiavo izay nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina mahatoky izay velona rehefa hiverina indray i Kristy. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Tesaloniana 4:15, 17 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hakarina mba hihaona Aminy rehefa hiverina Izy.

Vakio ny 1 Tesaloniana 4:18 dia tadiavo ny zavatra nantenain’i Paoly fa hataon’ireo Olomasina rehefa nianatra ireo fahamarinana momba ny Fiaviana Fanindroany ireo izy ireo.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no fampiononana hitanao ao amin’ireo fotopampianarana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ireo?

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:1–3 dia tadiavo ireo fifanahafana anankiroa nampiasain’i Paoly mba hamariparitana ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany.

Araka ny hevitrao, mampianatra inona amintsika mikasika ny Fiaviana Fanindroany ilay fanahafana nataon’i Paoly momba ny mpangalatra amin’ny alina?

Loholona Bruce R. McConkie

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “[Ny Tompo] dia ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina, tampoka sy tsy misy fampitandremana, eo amin’izao tontolo izao, eo amin’ireo izay ao anatin’ny haizina ara-panahy, eo amin’ireo izay tsy nohazavain’ny herin’ny Fanahy” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:54; jereo ihany koa ny Matio 24:42–43).

Nampianatra izao zavatra manaraka izao mikasika ilay fifanahafana momba ny vehivavy miteraka ny Loholona McConkie: “Tsy fantany ny ora na ny minitra hahatongavan’ilay zaza, saingy fantany hoe tokotokony ho rahoviana izany” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:54).

Raha avy amin’io fanahafana io dia mety handinika ihany koa isika fa ireo fitsapana mialoha ny Fiaviana Fanindroany dia mitovy amin’ny fanaintainan’ny vehivavy mihetsi-jaza. Kanefa tahaka ny maha-mahafinaritra ny fahatongavan’ilay zaza dia ho toy izany koa ny Fiaviana Fanindroany ho an’ireo olo-marina.

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:4–6 dia tadiavo hoe nahoana ireo Olomasina mahatoky no tsy ho taitra amin’ny Fiaviana Fanindroany. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

Ilay andian-teny hoe “zanaky ny mazava” ao amin’ny andininy 5 dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonana izay “[manary] ny asan’ny maizina” (Romana 13:12) sy manana ny Fanahy Masina miaraka amin’izy ireo ary, noho izany, ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny F&F 106:4–5).

Mianatra izao fitsipika izao isika avy amin’ny 1 Tesaloniana 5:4–6: Raha toa isika ka mahatoky sy mitily ireo famantarana mitranga mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, dia ho vonona isika rehefa hiverina indray Izy.

Filoha Joseph Fielding Smith

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa fomba hahafahantsika miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany ny “mihaino ireo tenin’i Kristy sy ny tenin’ireo apôstôliny ary miambina” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 3:53).

Avereno jerena ireo valinteny nomenao tamin’ilay andiam-panontaniana miendrika marina–diso tany am-piandohan’ity lesona ity. Araka ireo fahamarinana vao nianaranao dia mety hanova ny valiny nomenao ve ianao?

Nanoro hevitra ireo Olomasina i Paoly Apôstôly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:7–22 ny amin’ny fomba hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:12–22dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo ho hiomanan’izy ireo sy ireo hafa hitsena ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no torohevitra anankiray ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14–22 izay manaitra anao?

    2. Afaka manampy anao sy ny hafa mba ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany amin’ny fomba ahoana ny fampiharana io torohevitra io?

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:23–24 ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Paoly fa hataon’Andriamanitra ho an’ireo Olomasiny mahatoky eo am-piomanan’izy ireo amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Araka ireo zavatra nianaranao androany dia manapaha hevitra ny amin’ny zavatra hataonao mba hiomana tsaratsara kokoa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Soraty amin’ny taratasy iray manokana ny tanjonao sy ny drafitrao, dia apetraho amin’ny toerana izay hahafahanao mahatsiaro izany tanjona sy drafitra izany ilay taratasy.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Tesaloniana ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: