Tahirim-pitaovana
Fizarana 26, Andro 1: Kolosiana


Fizarana 26: Andro1

Kolosiana

Fampidirana

Nampianatra ny maha-lehibe (ny maha-ambony, ny maha-tsara na ny maha-tanteraka) an’i Jesoa Kristy i Paoly Apôstôly ary nampitandrina ny amin’ny fotopampianarana diso. Namporisika ireo Olomasina Kolosiana izy mba hampitoetra ny fitiavan’izy ireo amin’ny zavatry ny lanitra ary mba hikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Nampianatra azy ireo koa i Paoly mba ho malemy fanahy sy hendry amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa.

Kolosiana 1–2

Mampianatra ny maha-lehibe an’i Jesoa Kristy sy mampitandrina ny amin’ny fotopampianarana diso i Paoly.

sary, hazo ary fakany

Alaivo sary an-tsaina ny hazo mitovy halehibe anankiroa—ny iray marivo fakany fa ny iray hafa kosa miorim-paka lalina. Raha tonga ny tafio-drivotra mahery vaika dia iza amin’ireo hazo ireo no mety hianjera? Nahoana?

Loholona Neil L. Andersen

Vakio ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary tadiavo ny karazana tadio izay mila hitandremantsika: “Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady [amin’ny andro farany] izay naminaniana ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola neritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, indraindray zara raha tsikaritrao akory hoe nafindra ianao” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 18).

Inona avy ireo ohatra sasany amin’ireo tadio ara-panahy izay afaka manaisotra antsika na mampisaraka antsika amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Nahoana ireo tadio ara-panahy ireo no mety hampidi-doza kokoa noho ny olana ara-batana toy ny horohoron-tany na ny ady?

Saintsaino vetivety ny karazana tadio ara-panahy izay mety hiantraika aminao.

I Paoly Apôstôly dia nanoratra epistily iray ho an’ireo Mpikamban’ny Fiangonana tany Kolosia taorian’ny nahenoany momba ny fitaoman-dratsy sy ny fampianaran-diso nisy tany izay natahorana fa hanaisotra azy ireo amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny Kolosiana ianao dia jereo fa i Paoly dia nankahery ny finoana an’i Jesoa Kristy nananan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ary jereo koa ny fitahiana amin’ny fananana finoana an’i Kristy miorim-paka lalina.

I Kolosia dia toerana hita any Turquie amin’izao fotoana. Jereo ny Sarintany lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” dia tadiavo eo amin’ny sarintany ny tanànan’i Laodikia. I Kolosia dia tokony teo amin’ny 17.7 kilaometatra tany atsimo atsinanan’i Laodikioa.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Kolosiana 1:1–11, dia niarahaba ireo Olomasina tany Kolosia i Paoly ary niaiky ny fahatokian’izy ireo izy. Nanazava izy fa ny filazantsara dia mitondra voa, na fitahiana eo amin’ny fiainan’ireo izay manaiky sy miaina izany. Dia nampianatra ireo Olomasina momba an’i Jesoa Kristy i Paoly avy eo.

Vakio ny Kolosiana 1:12–19, dia jereo ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy nampianarin’i Paoly. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao ao anatin’ny soratra masinao. Ilay andian-teny hoe “namindra antsika” ao amin’ny andininy 13 dia midika hoe “nanova antsika”; ilay andian-teny hoe tsy hita ao amin’ny andininy 15 dia midika hoe “tsy hita maso.”

Ny Kolosiana 1:12–19 dia mampianatra izao fahamarinana manaraka momba an’i Jesoa Kristy izao: I Jesoa Kristy no Mpanavotra, ilay nateraky ny Raintsika any An-danitra voalohany indrindra tamin’ireo fanahy zanany, ilay Mpahary ny zava-drehetra, ilay lohan’ny Fiangonana ary ilay voalohany nitsangana tamin’ny maty.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra sy mino ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo?

    2. Afaka manamafy ny finoantsika Azy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana sy finoana ireo fahamarinana ireo?

Nampianatra i Paoly fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika (jereo ny Kolosiana 1:14). Vakio ny Kolosiana 1:20–22, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Kolosiana momba ny hoe mila Mpanavotra iray izy ireo.

Araka ny andininy 21, dia amin’ny fomba ahoana ny olona iray no lasa manalavitra na misaraka amin’ Andriamanitra?

Ilay teny hoe mampihavana (jereo ny Kolosiana 1:20–21) dia midika hoe mampifanaiky na mampilamina. Araka ny Kolosiana 1:20–22, dia ahoana no hampihavanan’i Jesoa Kristy antsika amin’ Andriamanitra? (Ilay andian-teny hoe “ka dia ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana” [andininy 20] dia milaza ny Sorompanavotan’i Jesoa kristy.)

Ny hoe mihavana amin’ Andriamanitra dia fitahiana mitaky fepetra. Vakio ny Kolosiana 1:23, ary fantaro hoe inona no fepetra takina mba hihavanana amin’ Andriamanitra.

Ny “maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra” (Kolosiana 1:23) dia midika hoe mijanona ho miorina amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didiny sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika. Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny Kolosiana 1:20–23 : Afaka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavonan’i Jesoa Kristy isika raha maharitra amin’ny finoana mafy orina sy tafatoetra hatrany.

  1. journal iconAmpahatsiahivo ny mombamomba ireo hazo anankiroa noresahina tany am-piandohan’ity lesona ity. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza no olona fantatrao fa mitovy amin’ilay hazo miorim-paka lalina—izany hoe manana finoana an’i Kristy mafy orina sy tafatoetra tsara?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ho anao ny ohatra nasehony?

Ampahatsiahivo ny momba ilay tafio-drivotra nandronjina ireo hazo anankiroa ireo. Vakio ny Kolosiana 2:4, 8, dia tadiavo ireo karazana tadio ara-panahy nanambana ireo Olomasina Kolosiana mba tsy hiorim-paka intsony.

Tamin’izany fotoana izany dia nisy filôzôfia sy fombafomba maromaro nampianarin’ny olona sasany izay niezaka nampihen-danja an’i Jesoa Kristy. Ny filôzôfia ara-pivavahana hafa izay nitombo laza dia ny hoe ireo anjely dia mpanelanelana amin’ Andriamanitra ka tokony ho tompoina ary ny vatana dia ratsy (jereo ny Kolosiana 2:16–23).

Nahoana ny finoana fampianarana diso, anisan’izany ireo fampianarana mampihena ny lanjan’i Jesoa Kristy, no manamora ny fahatongavan’ny olona iray tsy hiorim-paka ara-panahy intsony?

Vakio ny Kolosiana 2:6–7, ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina mba hialana amin’ny famitahan’ireo filôzôfia sy fombafomba an’izao tontolo izao.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Afaka tsy hiharan’ny famitahana avy amin’ny filôzôfia sy ny fombafomba an’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fiorenam-paka sy ny fitoerana ao amin’i Jesoa Kristy.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo zavatra inoanao fa manan-danja indrindra azontsika atao mba hiorim-paka sy hitoetra ao amin’i Jesoa Kristy?

    2. Nahoana no inoanao fa io zavatra manokana io dia tena manan-danja tokoa?

Diniho ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity raha nanohy ny lahateniny momba ny tadio ara-panahy izy:

Loholona Neil L. Andersen

“Ireo fakam-panahin’ny fahavalo no loharanon’ny fahasimbana ara-panahy ratsy indrindra. Efa nisy teto amin’izao tontolo izao foana ny fahotana, saingy tsy mbola mora nidirana sy tsy mety afa-po ary neken’ny maro toy ny amin’izao mihitsy izany. Mazava ho azy fa misy hery mahery vaika izay handresy ny fahasimbana ateraky ny fahotana. Antsoina hoe fibebahana izany.

“Tsy ireo zava-tsarotra rehetra eo amin’ny fiainana akory dia ho vokatry ny asanao manokana avokoa. Ny sasany dia tonga noho ireo safidy ratsy ataon’ny hafa, ary ny sasany dia tonga izao noho isika hoe miaina eto an-tany fotsiny. …

“Ahoana no fiomananareo amin’ireo tadionareo? ‘Tsarovy … fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, … ny zana-tsipikany ao amin’ny tadio, … rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina … noho ilay vatolampy izay iorenanareo’ [Helamàna 5:12]. Izany no fiarovana anareo ao anatin’ilay tadio” (“Tadio ara-panahy,” 18–19).

  1. journal iconAvereno jerena ireo tadio ara-panahy izay neritreretinao tany am-piandohan’ity lesona ity. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hataonao mba hahafahanao ho miorim-paka sy mitoetra ao amin’i Jesoa Kristy hatrany ary mba tsy hanaisoran’ireo tadio ara-panahy anao Aminy.

Kolosiana 3–4

Mamporisika ireo Kolosiana mba hampitoetra ny fitiavan’izy ireo amin’ny zavatry ny lanitra sy mba ho hendry i Paoly

Araka ny voarakitra ao amin’ny Kolosiana 3–4 dia nanentana mafy ireo Olomasina Kolosiana mba hanatsahatra ny tsy fahamarinan’izy ireo sy mba hikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy i Paoly Apôstôly. Namporisika azy ireo mba hivavaka hatrany sy mba ho hendry izy, indrindra indrindra rehefa mifandray amin’ireo izay tsy Kristiana. Avy eo izy dia nampita ny fiarahabana avy amin’ireo mpiara-manompo aminy, anisan’izany i Lioka.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Kolosiana aho ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: