Fampahafantarana ny Romana
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny Epistily ho an’ny Romana no lava indrindra amin’ireo epistilin’i Paoly ary raha ny fahitan’ny maro azy dia izy no epistily tsara indrindra. Ity epistily ity dia ahitana ny fanazavana sarotra indrindra nomeny momba ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy fa tsy amin’ny fanatanterahana ny lalàn’i Mosesy. Hita ao ny fampianarana maro momba ny fotopampianaran’ny famonjena sy ny fampiharana ireo fotopampianarana ireo amin’ny fiainana andavanandro. Mandritra ny fandalinanao ity epistily ity, dia afaka ny hanana fankasitrahana bebe kokoa ianao noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy noho ny fanantenana sy fiadanana izay afaka ho hitan’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly Apôstôly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Romana (jereo ny Romana 1:1). Tamin’izy nanoratra ity epistily ity, i Paoly dia nampian’ny mpitan-tsoratra iray, i Tertio, izay nanoratra ny fiarahabany manokana ho an’ireo Olomasina Romana taloha kelin’ny famaranana ilay epistily (jereo Romana 16:22).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Tany Korinto, taloha kelin’ny faran’ny dia fitoriana ny filazantsara fahatelo nataony no nanoratan’i Paoly ny Epistily ho an’ny Romana. Misy zavatra maromaro manondro fa nandritra ny telo volana nijanonany tany Korinto no nanoratany ity epistily ity (jereo ny Asan’ny Apôstôly 20:2–3; ny teny hoe Grisia ao amin’ireo andininy ireo dia milaza an’i Korinto), mety teo anelanelan’ny 55 sy 56 taorian’ny nahaterahan’i J.K . (Jereo ny Bible Dictionary, “Epistilin’i Paoly.”)
Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?
Ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Romana dia natao ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma (jereo ny Romana 1:7). Ny niandohan’ny Fiangonana tany Roma dia tsy fantatra kanefa mety tamin’ny fotoana kely taorian’ny andron’ny Pentekôsta izany, rehefa nahare an’i Petera nitory ireo Jiosy nivahiny avy tany Roma (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:10). Na dia tsy mbola tany Roma aza i Paoly, dia nanoratra fiarahabana manokana izy ho an’ireo Olomasina izay efa fantany taloha na fantany tamin’ny alalan’ny olona hafa izay nipetraka tany Roma, toa an’i Prisila sy Akoila (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–2, 18; Romana 16:1–16, 21).
Toa misy antony telo lehibe farafahakeliny nandefasan’i Paoly ity epistily ity ho an’ny Romana:
(1) Hanomanana ny fahatongavany any Roma izay ho avy. Naniry ny hitory ny filazantsara tany Roma nandritra ny taona maro i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:21; Romana 1:15; 15:23). Nanantena ihany koa izy fa ny Fiangonana tao Roma dia ho lasa fototra izay ahafahany mitory ny filazantsara any Spania (jereo ny Romana 15:22–24, 28).
(2) Hanazavana sy hiarovana ny fampianarany. Niatrika fanoherana niverimberina i Paoly avy amin’ny olona izay tsy nahazo na nanova ny fampianarany momba ny lalàn’i Mosesy sy ny finoana an’i Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:45; 15:1–2; 21:27–28; Romana 3:8; 2 Petera 3:15–16). Toa nisy antony nieritreretany fa ny tsy fahatakarana tahaka izany dia tonga hatrany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Roma, noho izany dia nanoratra izy mba hampihena ny ahiahy rehetra alohan’ny hahatongavany.
(3) Hampisy firaisankina eo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy sy jentilisa. Fotoana fohy talohan’ny nanoratan’i Paoly ny epistiliny, ireo Kristiana Jiosy izay noroahin’ny emperôra Klaodio hiala tao Roma (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:2) dia nanomboka niverina tany Roma ho ao amin’ny mpiara-mivavaka Kristiana izay jentilisa ny ankamaroany. Izany toe-javatra izany dia mety niteraka fifanjihirana sy olana teo amin’ireo Kristiana Jiosy sy jentilisa. Amin’ny maha-“apôstôlin’ny Jentilisa” an’i Paoly (Romana 11:13), dia nitady izay hampidirana ireo jentilisa niova fo ho ao amin’ny Fiangonana izy; ary amin’ny maha-Jiosy azy (jereo ny Romana 11:1), dia nanana faniriana lehibe ihany koa izy ny haneken’ny vahoakany ny filazantsara. Namporisika ny firaisankina ao amin’ny Fiangonana izy tamin’ny fampianarany fa mihatra amin’ny Olomasina rehetra ireo fotopampianaran’ny filazantsara (jereo ny Romana 3:21–4:25; 11:13–36; 14:1–15:13).
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Rehefa avy nanao fiarahabana ho fampidirana, dia ny filazana ny lohahevitra lazainy no manomboka ilay epistily: “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy … [no] herin’ Andriamanitra ho famonjena” ho an’ireo rehetra izay “miaina amin’ny finoana” an’i Jesoa Kristy (Romana 1:16–17).
Na dia manana anjara asa lehibe ao amin’ny tantaran’ny Kristiana aza ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Romana, dia indrisy fa izy io ihany koa no “loharanon’ny tsy fahatakarana ny fotopampianarana sy ny fandikana diso ary ny adihevitra mihoatra noho ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly,” araka an’i Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 2:211). Na dia teo anivon’ireo Kristiana taloha aza, ny zavatra nosoratan’i Paoly dia noraisina ho “sarotra takarina,” ary indraindray ny fampianarany dia novaina sy nadika vilana (2 Petera 3:15–16).
Topimaso ankapobeny
Romana 1–3. Nanazava ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy i Paoly. Namaritra ny olana ateraky ny fahotana izay misy amin’ny olona rehetra izy ary nampianatra fa ny vahaolan’ Andriamanitra amin’izany olana izany ho an’ny olony rehetra dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy, ny olombelona rehetra dia azo hamarinina (avela heloka) sy afaka handray ny famonjena.
Romana 4–8. Naka an’i Abrahama ho ohatra i Paoly mba hanehoana ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny finoana. Nanazava ireo fotopampianaran’ny famonjena izy ary nampianatra fiantraikan’ireo fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainan’ireo rehetra izay manana finoana an’i Kristy.
Romana 9–16. Nanoratra momba ny maha-voafidy an’i Isiraely i Paoly, sy ny fandavana ny filazantsara ankehitriny ary ny famonjena amin’ny farany. Nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy sy jentilisa izy mba hiaina ny filazantsara mba hisian’ny fiadanana sy firaisankina ao amin’ny Fiangonana. Niangavy ireo Olomasina tao Roma izy mba hanohy hitandrina ny didin’ Andriamanitra.