Fizarana 1 Andro 2
Ny Anjara andraikitry ny mpianatra
Fampidirana
Samy manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fianarana ny filazantsara ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra. Afaka manampy anao hahatakatra ny tsirairay avy amin’ireo anjara andraikitra ireo ity lesona ity mba hampahombyny ezaka ataonao amin’ny fianarana. Mety ilainao ny mamerimberinana ireo fitsipika ampianarina ato anatin’ity lesona ity mba hahafahanao mahatsiahy ny andraikitrao amin’ny fianarana ny filazantsara.
Ireo anjara andraikitry ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra amin’ny fianarana ny filazantsara
Eritrereto ireto tantara manaraka ireto:
Misy zatovovavy iray izay entanim-panahy sy mahazo hery rehefa mandalina ireo lesona seminerany amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano. Mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy. Feno fankasitrahana noho ny amin’ireo zavatra ianarany izy ary misaintsaina ireo fomba hampiharana izany eo amin’ny fiainany. Misy zatovovavy iray hafa izay manaraka lesona mitovy amin’ireo ihany, saingy matetika izy no leo ary mahatsapa fa tsy dia misy zavatra azony firy amin’izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ny antony vitsivitsy azo heverina fa mety hahatonga ireo zatovovavy roa ireo hanana traikefa tsy mitovy tahaka izany nefa samy manaraka lesona seminera mitovy ihany?
Rehefa mandalina ny lesona androany ianao dia tadiavo ireo fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy anao hanatanteraka ny anjara andraikitrao amin’ny maha-mpianatra seminera anao sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Misy olona telo manana anjara andraikitra lehibe amin’ny sehatra fianarana ny filazantsara toy ny seminera: ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra.
Vakio ny Jaona 14:26 sy ny Jaona 16:13, mba hitadiavana ny sasany amin’ireo anjara andraikitry ny Fanahy Masina.
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny anjara andraikitry ny Fanahy Masina ny hoe mampianatra fahamarinana ny Fanahy Masina.
Raha miainga avy amin’ny zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahalala fa mampianatra antsika fahamarinana ny Fanahy Masina? (Mety ho tsikaritrao fa tena manampy tokoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.)
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14 mba hitadiavana ny anjara andraikitr’ireo mpampianatra ny filazantsara. Marihina fa nomena ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana izay natokana mba hampianatra ny filazantsara hafa ireto andininy ireto.
Inona no anjara andraikitry ny mpampianatra ny filazantsara?
Vakio ny 2 Nefia 33:1, mba hitadiavana ny zavatra ataon’ny Fanahy Masina rehefa ampianarina amin’ny alalan’ny heriny ny fahamarinana.
Araka ny voalazan’ny 2 Nefia 33:1, dia inona no ataon’ny Fanahy Masina ho antsika?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, mba hitadiavana ny fomba tokony hikatsahantsika ny fianarana.
Fomba iray ahafahantsika mikatsaka ny fianarana ny finoana. Nanazava ny zavatra mitranga rehefa mikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Hoy ny Loholona Bednar rehefa avy nilaza ny 2 Nefia 33:1: “Mba jereo hoe ahoana no fomba hitondran’ny herin’ny Fanahy ny hafatra hankany amin’ny fo fa tsy voatery hoe ao anatin’ny fo. Ny mpampianatra iray dia afaka manazava, mampiseho, mandresy lahatra ary mijoro ho vavolombelona, ary manao izany amin’ny hery ara-panahy lehibe sy amim-pahombiazana. Kanefa, amin’ny farany, dia tsy tafiditra ao anatin’ny fo ny votoatin’ny hafatra iray sy ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina raha tsy hoe avelan’ilay mpandray hiditra izany. Manokatra ny lalana mankany amin’ny fo ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 61).
Fantatsika avy amin’io teny nambara io fa raha mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana isika dia manasa ny Fanahy Masina hankao am-pontsika mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana.
-
Ny finoana dia lehibe lavitra noho ny finoana tsy arahan’asa. Maneho ny finoantsika amin’ny alalan’ny asa isika. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny eritreritrao no azontsika atao mba hianarana amin’ny alalan’ny finoana?
Alaivo sary an-tsaina hoe tsy mbola nilalao baolina kitra mihitsy ianao, kanefa mampanantena anao ny mpampianatra iray fa afaka mampianatra anao hilalao baolina tsara izy mba hahafahanao hilalao ao anatina ekipa mpanao baolina iray. Mino ny fahaizan’ilay mpampianatra mampianatra ianao ary mino ny fahafahanao mba hianatra. Mitondra anao any amin’ny kianja iray filalaovam-baolina ilay mpampianatra. Manazava sy mampiseho ny fomba hitondrana baolina amin’ny tongotra izy saingy tsy avelany hanandrana hanao izany ianao. Aorian’izay izy dia manazava ny fomba handakana baolina ho eny amin’ny olona iray hafa ary mampiseho izany amin’ny alalan’ny fandakana ilay baolina ho eny aminao. Kanefa, mialoha ny hanananao fahafahana hamerina ilay baolina eny aminy dia mankeny aminao ilay mpampianatra ary maka ilay baolina. Toy izany ihany no ataony rehefa manipy baolina hiditra ny kianja rehefa nivoaka izany. Misaotra anao tamin’ny fahafoizanao fotoana izy dia lasa.
Rehefa avy nahazo karazan-desona toy izany ianao dia mety hanao ahoana ny fahavononao hanandrana hilalao ao anatin’ny ekipa iray mpilalao baolina kitra? Nahoana?
Na dia manampy aza ny mianatra sy mijery ny olona hafa milalao baolina, raha te hampivoatra ireo fahaiza-manao ilaina mba hahombiazana amin’ny baolina kitra ianao, dia inona no tsy maintsy ataonao?
Inona no mety hifandraisan’io ohatra io amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana?
Tsy ampy ny finoana sy ny fahatokiana fotsiny fa afaka mampianatra antsika ny Fanahy. Mba hahazoana fahalalana momba ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy manao ezaka ny hianatra sy hampihatra ny zavatra ianaranatsika ihany koa isika. Nampianatra mikasika ny asa atao avy amin’ny finoana izay tafiditra ao anatin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana ny Loholona Bednar:
“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony manamafy. “… Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. Ao anatin’ny fahamarinana sy ny tsy fahatapahan’ny asa avy amin’ny fitaoman’ny finoana izay ataontsika no hanehoantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina. …
“… Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia mitaky ‘ny fo sy ny saina marisika’ (F&F 64:34). Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia vokatry ny fitondran’ny Fanahy Masina ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ho any amin’ny fo sy miditra ao anatin’ny fo. Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy afaka miampita avy any amin’ny mpampianatra iray mankany amin’ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fampianarana lesona, na fanehoana amin’ny alalan’ny ohatra, na andrana ho fianaran-javatra; raha ny marina dia ny mpianatra no tsy maintsy mampihatra finoana sy manao asa mba hahazoany fahalalana ho an’ny tenany” (“Seek Learning by Faith,” 64).
Tadidio indray ny mikasika ilay zatovovavy noresahina tany am-piandohan’ity lesona ity, izay matetika no leo sy mahatsapa fa tsy dia misy zavatra azony ny ankamaroan’ireo lesona ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano. Alaivo sary an-tsaina hoe manambara ireo fahadisoam-panantenany ireo aminao izy. Hitanao avy amin’ny zavatra nolazainy tany aloha mikasika ny fomba namitany ireo lesona fa matetika izy no nanoratra valinteny tsy dia voasaina tsara tao anatin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ireo asa nampanaovina ary matetika izy no variana amin’ny zavatra mahaliana hafa rehefa nianatra ireo lesony. Tsy mandray anjara amin’ireo asa atao na ireo fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy ihany koa izy mandritra ireo fotoam-pianarana isan-kerinandro.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny ohatra telo na efatra amin’ny fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana izay handrisihanao io zatovovavy io mba hataony mba hahafahany mahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana.
Maro ireo ohatra avy amin’ny fiainan’ny Apôstôly Petera no maneho ny fomba hanasan’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana ny Fanahy Masina hankao am-pontsika mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana. Vakio ny Matio 4:18–20, mba hitadiavana ny fanasana nomen’ny Mpamonjy an’i Petera sy i Andrea rahalahiny.
Inona no nasain’ny Mpamonjy nataon’i Petera sy i Andrea?
Niantso an’i Petera sy i Andrea mba hanaraka Azy i Jesoa.
Nahoana no ohatra iray amin’ny fikatsahana hianatra amin’ny alalan’ny finoana ny fihetsika nasehon’izy ireo?
Ny fanarahan’i Petera an’i Jesoa Kristy dia namela azy hiaraka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany. Nahazo tombontsoa lehibe izy ny handre tsy tapaka ny Mpamonjy nampianatra ary nanatri-maso Azy nanatanteraka fahagagana maro. Nandeha teo ambony rano mihitsy aza i Petera rehefa avy nanasa azy hanao izany ny Mpamonjy (jereo ny Matio 14:28–29).
Indray mandeha dia nametraka fanontaniana roa tamin’ireo mpianany i Jesoa. Vakio ny Matio 16:13–17, mba hitadiavana ny fanontaniana mahakasika ny tena manokana izay napetraky ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany sy ny fomba namalian’i Petera izany.
Jereo ao amin’ny andininy 17 ny zavatra nohazavain’ny Mpamonjy mikasika ny fomba nandraisan’i Petera ny fahalalana nananany. I Petera dia naharay ny fahalalana nananany tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra izay tonga tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Saintsaino ny maha-ohatra maneho ireo fahamarinana ampianarina ato amin’ity lesona ity an’ireo zavatra niainan’i Petera.
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Soritsorito ny fotoana iray izay nikatsahanao hianatra tamin’ny alalan’ny finoana. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Fanahy Masina ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara rehefa nanao izany ianao?
-
Inona no ho ataonao mba hianarana amin’ny alalan’ny finoana sy hanasana ny Fanahy Masina hankao am-ponao mba hampianatra ny fahamarinana sy hijoro ho vavolombelona ny amin’izany? Raha mila hevitra manokana mikasika izay azonao atao ianao dia afaka mifidy ny iray na roa amin’ireto asa atao manaraka ireto mba hifantohana:
-
Mandalina ny soratra masina isan’andro.
-
Mampivelatra ny fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana ny soratra masina, toy ny fanasiana marika, fampifandraisana ny andinin-tsoratra masina ary fampiasana ireo fitaovana fandalinana soratra masina.
-
Mandray anjara amim-panajana fatratra sy amim-pifantohana amin’ireo asa atao hianaran-javatra ary misoroka ireo zavatra mety mahavariana.
-
Mamita tsara amin’ny fomba manan-danja ireo asa atao hianaran-javatra ao amin’ny lesona tsirairay.
-
Manoratra ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ireo fahatsapana sy eritreritra ary zavatra hafa fanampiny tiana horaisina an-tsoratra.
-
Manazava ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny hafa, mandray an-tsoratra sy mizara ireo hevi-baovao sy zavatra niainana mifandray amin’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara, ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.
-
Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fiainanao (jereo ny Jaona 7:17).
-
-
Rehefa mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana ianao mandritra ny fianaranao seminera dia hanaraka ity torohevitra avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson ity: “Ry tanora, miangavy anareo aho handray anjara amin’ny seminera. Halalino isan’andro ny soratra masina. Henoy tsara izay lazain’ny mpampianatra anareo. Ampiharo ombam-bavaka izay zavatra nianaranareo” (“Participate in Seminary,” 12 aog. 2011, seminary.lds.org).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Nandalina ny lesona “Ny Anjara andraikitry ny mpianatra” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: