Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny fandaharam-pianaran’ny seminera ho an’ny mpianatra any an-trano


Fampahafantarana ny fandaharam-pianaran’ny seminera ho an’ny mpianatra any an-trano

Ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ho an’ny mpianatra any an-trano dia novolavolaina mba hanampiana anao hanamafy orina ny fahatakaranao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hampihatra ny fampianarana ao anatin’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Mandritra ny fandalinana ataonao amin’ity taom-pianarana ity dia ho vitainao aloha ireo vakiteny asaina atao avy ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina ho an’ity fandaharam-pianarana ity— dia ny Testamenta Vaovao—ary avy eo dia hamita ireo lesona tsirairay ianao. Hihaona amin’ny mpampianatra seminera iray ianao indray mandeha isan-kerinandro mba hanatitra ny asanao sy hanatrika ny kilasy fanao isan-kerinandro.

zatovovavy mamaky

Ny seminera dia fandaharam-pampianarana ara-pivavahana atao isan’andro. Ny fandalinanao soratra masina ombam-bavaka dia tokony ho zavatra atao isan’andro. Tokony hanao ny asa nampanaovina anao ao amin’ny seminera ianao isaky ny andro fianarana na dia tsy manatrika kilasin’ny seminera isan’andro aza. Misy fizarana 32 natao ho vitainao mandritra ny fianarana ity taranja ity. Ny rindran-damina famakiana ao amin’ny pejy 000 no mampiseho izay tokony ho halalininao ao amin’ny fizarana tsirairay. Ny mpampianatra anao no hanampy anao hahafantatra ny fe-potoana hamitana ny fizarana tsirairay. Ireo lesona tsirairay ato amin’ity boky fandalinana ity dia tokony ho vita ao anatin’ny 30 minitra, ankoatra ny fandalinanao soratra masina isan’andro.

Tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa ianao (na kahie fandraisana naoty roa), izay hafa noho ny diarinao manokana, ary ao anatin’izany no hanoratanao ireo asa nampanaovina avy amin’ireo asa atao ao amin’ny boky fandalinana. Isaky ny herinandro izay hihaonanao amin’ny mpampianatra anao dia tokony homenao azy ilay diary fandalinanao soratra masina izay misy ireo asa nampanaovina vita avy tamin’ireo asa atao ao amin’ny boky fandalinana notanterahinao tamin’io herinandro io. Hamaky izany ny mpampianatra anao sy hitsara ireo asa nampanaovina ary hamerina izany diary fandalinana soratra masina izany aminao ny herinandro manaraka. Azonao soratana amin’ny taratasy mitokana nosintonina avy ao amin’ny fampirimana taratasy ny valinteninao ary alefanao ireo pejy vitanao tamin’izany herinandro izany. Avy eo rehefa averin’ny mpampianatra anao ireo pejy ireo dia azonao averina ao amin’ilay kahie indray izany.

Fampiasana ity boky torolalana ity ho an’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro

Ity boky ity dia azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra ampiasaina amin’ny fandaharam-pianarana seminera isan’andro mba hanatsarana ny lesona na rehefa manenjika lesona tsy natao. Na izany aza anefa dia tsy natao homena ny mpianatra seminera mianatra isan’andro izy ity. Raha mila manenjika lesona iray ny mpianatra iray mba hahafahany mahazo mari-pankasitrahana, dia azon’ny mpampianatra asaina ataony ny lesona amin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra any an-trano izay mifanandrify amin’ilay lesona izay tsy naha-teo azy.

Fampiasana ny boky fandalinana ho an’ny mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano

Fampahafantarana ny lahatsoratry ny soratra masina

Ny fampahafantarana dia manome fampahalalana ny zava-miseho sy ny famintininana ny lahatsoratry ny soratra masina ho an’ny lesona tsirairay.

Andinin-tsoratra masina natambatra sy famintinana ny zava-miseho na ny fampianarana

Ny andinin-tsoratra masina natambatra dia ahitana taratra ilay fizarana miseho ho azy izay ahitana fiovan-javatra atao na lohahevitra. Ny tsirairay amin’izany dia arahin’ny famintinana fohy ny zava-mitranga na fampianarana ao amin’ireo andininy.

Fotopampianarana sy fitsipika

Rehefa misy fotopampianarana sy fitsipika mivoaka ho azy avy amin’ny lahatsoratry ny soratra masina dia voasoratra amin’ny tarehintsoratra matevina izy ireny ao amin’ny lesona mba hanampiana anao hamantatra izany.

Fanampiana amin’ny fandalinana

Ny fanampiana amin’ny fandalinana dia manome hevi-baovao ary manazava ireo fampiharana izay afaka manatsara ny fandalinana ataonao sy ny fahatakaranao ny soratra masina.

Soratra masina fehezina

Ny andalan-tsoratra masina fehezina tsirairay amin’ireo 25 hita ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nohazavaina miavaka tsara ao amin’ny lesona izay tokony hisy azy mba hanampiana anao hanamafy ny fifehezana azy.

Firaketana ny valiny ao amin’ny boky fandalinana

Indraindray ianao dia hangatahina hanoratra ny valinteny eo amin’izay faritra banga ao amin’ny boky na ao anaty tabilao iray.

Asa ampanaovina ao amin’ny diary fandalinana soratra masina

Ireo asa ampanaovina ao amin’ny diary fandalinana soratra masina dia natao hosoratana ary homena ny mpampianatra anao isan-kerinandro mba hanaovany tatitra aminao. Ny fandinihanao am-pitandremana ireo valinteninao dia hanampy anao hanana traikefa manan-danja rehefa mianatra sy mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ianao.