Tahirim-pitaovana
Lesona 99: Romana 1–3


Lesona 99

Romana 1–3

Fampidirana

Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tao Roma i Paoly izay nanambara fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho famonjena. Nanazava izy fa tsy misy afaka ny ho voavonjy amin’ny asany manokana. Tsy maintsy vonjena amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy izay azo avy amin’ny Sorompanavotany izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Romana 1:1–17

Nanambara i Paoly fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho famonjena

Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Larry Echo Hawk ao amin’ny Fitopololahy ity. Hazavao fa fony izy tovolahy dia nisoratra anarana hiditra tao amin’ny vondron-tafika an-dranomasin’i Etazonia ny Loholona Echo Hawk.

Loholona Larry Echo Hawk

“Ny fotoana voalohany nihaonako tamin’ilay mpanofana ahy, izay miaramila menavazana zatra ady, dia tamin’izy nandaka ny varavaran’ilay lakazerina mba hanokafana izany, ary niditra izy sady nivazavaza nampiasa teny ratsy vary raraka.

“Taorian’izany fampahafantarana nampitahotra izany, dia natombony avy tany amin’ny faritra ilany amin’ilay lakazerina ny fifanatrehana tamin’ireo miaramila izay voaray, niaraka tamin’ny fametrahana fanontaniana maromaro. Tsy nisy an-kanavaka fa dia nahitan’ilay mpanofana soa aman-tsara zavatra hanalana baraka ny tsirairay tamin’ireo miaramila voaray niaraka tamin’ny vazavaza sy fiteny mirefarefa amin’ny tany. Nasainy namaly mafy tao anatin’ilay filaharana tao araka ny nandidiany azy ny miaramila tantsambo tsirairay hoe: ‘Eny’ na ‘Tsia ry Sergent Mpampianatra.’ … Rehefa tonga ny anjarako dia azoko lazaina fa naka ny kitapoko izy ary navoakany tao aoriako teo ambonin’ny kidoroko ny zavatra rehetra tao anatiny. Nosavainy ny entako ary dia niverina nanatrika ahy izy. Niomana tamin’ny vava izay ho ataony aho. Teny an-tanany ny Bokin’i Môrmônako” (“Tongava aty Amiko ianareo ry mpianakavin’i Isiraely,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 32).

  • Inona no ho tsapanareo raha ianareo no teo amin’ny toeran’ny Loholona Echo Hawk?

  • Inona araka ny eritretreritrareo no handeha hataon’ilay miaramila mpanofana?

  • Efa tao anatin’ny toe-javatra izay natahoranareo fa hanaovana tsinontsinona ny zavatra inoanareo ve ianareo? (Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra niainany.)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Romana 1 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo rehefa misy manala baraka izy ireo na miatrika fanenjehana noho ny zavatra inoany sy ny fenitra arahany.

Ampahafantaro fohifohy ny bokin’i Romana amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ity andiam-pehezanteny manaraka ity:

Ny bokin’ny Romana dia epistily nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina tao Roma rehefa madiva hifarana ny dia fitoriana nataony. Nanoratra ho an’ireo Olomasina Romana izy mba hanomanana azy ireo amin’ny fahatongavany, mba hanazava sy hiaro ny fampianarany, sy handrisika ny firaisankina teo amin’ireo mpikambana Jiosy sy Jentilisa tao amin’ny Fiangonana. I Roma—ny renivohitry ny Fanjakana Romana—dia feno haifotokevitra araka izao tontolo izao ka mety ho toerana sarotra hitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fintino ny Romana 1:1–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanomboka ny epistiliny i Paoly tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazana ny faniriany hitsidika ireo Olomasina tao Roma.

Asao hamaky mafy ny Romana 1:15–17 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Romana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Inona hoy i Paoly ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ireo mpianatra: Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masiny ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io.)

  • Mamela antsika ho avotra amin’ny inona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.)

  • Nahoana isika no tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hahazoana ny famonjena amin’ny alalan’ny filazantsara? (Nanatanteraka ny Sorompanavotana izay mahatonga ny famonjena antsika ho azo tanterahina i Jesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanazavana manaraka momba ny dikan’ny hoe mino an’i Jesoa Kristy sy mampihatra finoana Aminy ity:

Araka izay nampiasain’i Paoly, ny teny hoe finoana dia tsy midika fotsiny hoe ny fanekena ao an-tsaina fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra, fa fanekena Azy amin’ny fo manontolo sy fahatokisana Azy ho ilay Olona tokana nanolotra ny tenany hanao Sorompanavotana noho ny fahotantsika. Io fahatokisana lalina io dia mitarika any amin’ny fiainana feno fahatokiana izay miseho amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotana, ny fanaovana batisa, ary ny fiezahana hiaina araka izay nampianarin’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:30–33; Romana 6:1–11; 1 Korintiana 6:9–11). “Ny finoana an’i Jesoa Kristy … [dia a]seho amin’ny alalan’ny fiainana feno fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara ary ny fanompoana an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “famonjena,” scriptures.lds.org).

  • Noho ny fahafantaran’i Paoly fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino dia inona no tsapany momba ny fitoriana izany? (Tsy menatra izy [jereo ny Romana 1:16].)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny filazantsara manana fiantraikany eo amin’ny fanirianao hizara ny filazantsara amin’ny hafa? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa manana hery hanavotana antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy ho menatra ny hizara izany amin’ny hafa isika.)

  • Ahoana no ahafahan’io fitsipika io manampy anareo rehefa miatrika fanenjehana na fanaovana tsinontsinona ny finoanareo ianareo?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity ampahany manaraka amin’ny tantaran’ny Loholona Echo Hawk ity, dia asao ny mpianatra rehetra hihaino ny valinteny nomeny an’ilay “sergent” mpanofana:

Loholona Larry Echo Hawk

“Efa niandry aho hoe hivazavaza amiko izy, saingy nanatona ahy akaiky izy ary nibitsibitsika hoe “Môrmôna angaha ianao?”

“Nihiakiaka araka ny baiko aho hoe: ‘Eny ry Sergent Mpampianatra!’

“Dia efa niandry zava-doza indray aho. Saingy nijanona kely izy ary nampiakatra ilay tanany nitazona ilay Bokin’i Môrmônako, dia nilaza tamin’ny feo tena tony hoe: ‘Moa ve ianao mino ity “boky ity?’

“Nihiaka mafy indray aho hoe: ‘Eny ry Sergent Mpampianatra!’” (“Tongava aty Amiko ianareo ry mpianakavin’i Isiraely,” 32).

  • Inona no maha-ohatra tsara maneho ilay fitsipika ampianarina ao amin’ny Romana 1:16 ny valinteny nomen’ny Loholona Echo Hawk?

Hazavao fa naleon’ilay miaramila mpanofana nametraka ilay Bokin’i Môrmôna dia nanohy niresaka tamin’ireo miaramila voaray izay nitandrahatra toy izay hanala baraka ny Loholona Echo Hawk. Vakio mafy ny sisa tavela tamin’ny zavatra nolazain’ny Loholona Echo Hawk hoe:

Loholona Larry Echo Hawk

“Matetika aho no nanontany tena hoe nahoana no notsimbinin’io sergent tao amin’ny Tafika An-dranomasina io aho tamin’io andro io. Saingy feno fankasitrahana aho fa afaka niteny tsy am-pihambahambana hoe ‘Eny, mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary ‘Eny, fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.’ Fanomezana sarobidy nomena ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina io fijoroana ho vavolombelona io” (“Tongava aty Amiko ianareo ry mpianakavin’i Isiraely,” 32).

  • Oviana ianareo (na ny olona iray fantatrareo) no naneho fa tsy menatra ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra azony atao mba hanamafisana orina ireo fijoroana ho vavolombelona ireo. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona hanao izany.

Romana 1:18–3:23

Mampianatra i Paoly fa manota daholo ny olombelona ka tsy afaka mahazo ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra

Hazavao fa tamin’ny andron’i Paoly dia nikatsaka ny hitady fialan-tsiny tamin’ny fitondrantena maloto sy feno fahotana ny Kristianina Jentilisa sasany tamin’ny alalan’ny fanantitranterana ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny tsy firaharahiana ny fahamarinany tonga lafatra. Ny Kristianina Jiosy sasany ihany koa dia nino fa ny fanajana ny lalàn’i Mosesy dia nilaina ho famonjena azy ireo. Nikatsaka ny hanitsy an’ireo tsy fahatakarana roa ireo i Paoly.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Romana 1:18–32. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fahotana nolazain’i Paoly fa fanaon’ny olona tamin’ny androny. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hamaritra ireo teny sy andian-teny ao amin’ny andininy 18–32 mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo fampitandremana nomen’i Paoly an’ireo Olomasina Romana. Ohatra, apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ao amin’ny andininy 25, inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “nanaja sy nanompo ny zavatra natao … fa tsy ny Mpanao”?

Hazavao fa isika dia mianatra avy amin’ny Romana 1:18–32 fa mampianatra antsika ireo fitondrantena sy toe-tsaina manafintohina an’ Andriamanitra ireo mpaminany sy apôstôly.

Hazavao fa ireo andian-teny hoe “nanova ny fanaony ho amin’ny tsy fanaony” ao amin’ny andininy 26 sy ny hoe “namela ny fanao amin’ny vehivavy” ao amin’ny andininy 27 dia entina ilazana ny fitondrantena maneho ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy. Azonao atao ny manazava fa hatrany am-piandohana, ary hita hatrany hatrany manerana ny soratra masina, fa ny Tompo dia nanameloka ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ka anisan’izany ny fitondrantena maneho ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy.

Fanamarihana: Ny lohahevitra momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy sy ny samy vavy dia mitaky fitandremana lehibe. Rehefa miresaka io lohahevitra io ny mpianatrao dia makà antoka fa atao amin-katsaram-panahy sy fangorahana ary amim-pahalalam-pomba izany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny Fiangonana momba ny fitondrantena maneho ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy dia vakio mafy ireto fanambarana manaraka ireto:

“Ny fitondrantena maneho fiarahan’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy dia fahotana lehibe. Mikatsaha torohevitra avy amin’ny ray aman-dreninao na ny eveka raha toa ka hitanao fa manana olana amin’ny fifanintonan’ny samy lahy na ny samy vavy ianao na resy lahatra ny handray anjara amin’ny fitondrantena tsy mendrika. Hanampy anao izy ireo” (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 36.)

“Ny hevitra ijoroan’ny Fiangonana eo amin’ny lafin’ny fotopampianarana dia mazava: Ny firaisana ara-nofo dia tsy tokony hisy afa-tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany. Kanefa izany dia tsy tokony ho ampiasaina velively hanamarinana ny fanehoana haratsiam-panahy. I Jesoa Kristy izay arahintsika dia nazava tsara tamin’ny nanamelohany ny tsy fahadiovam-pitondrantena, kanefa tsy nasiaka velively Izy. Ny faniriany dia ny hanarina hatrany ny tsirairay, fa tsy ny handavo azy ireo velively. …

“Ny Fiangonana dia manavaka tsara ny fitondrantena sy ny fifanintonana eo amin’ny olona mitovy fananahana. Raha toa ka tsy azo lazaina ho fahotana goavana ny fananana fahatsapana sy fironana mankany amin’ny olona mitovy fananahana amin’ny tena, ny firotsahana amin’ny fitondrantena maneho fiarahan’ny samy lahy sy ny samy vavy kosa dia mifanohitra amin’ny ‘fitsipika ara-potopampianarana izay mifototra amin’ny soratra masina … fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia … fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany’ [“First Presidency Statement on Same-Gender Marriage,” mormonnewsroom.org]” (“Same-Sex Attraction,” Gospel Topics, lds.org/topics).

  • Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahatakatra ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo mikasika ny fitondrantena maneho fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho hatsaram-panahy sy fangorahana amin’ireo izay mahatsapa ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy sy ny samy vavy sady manohana ihany ny fotokevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny fitondrantena maneho fiarahana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy?

Fintino ny Romana 2:1–3:8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa hotsaraina araka ny asany avokoa ny olona rehetra ary nasehony fa ny tsy fahamarinan’ny Jiosy dia tonga avy amin’ny fiainan’izy ireo ny lalàn’i Mosesy amin’ny fisehosehoana ivelany fotsiny fa tsy ao am-pony.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Romana 3:9–12, 23 ary asao ny iray kilasy hitady hoe iza no nolazain’ny Paoly fa mpanota?

  • Iza no nolazain’i Paoly fa mpanota? Inona no fiantraikan’ny fahotantsika eo amintsika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manota ka mila ny famelan’ Andriamanitra ny olona rehetra tompon’andraikitra.)

  • Ahoana no hanampian’io fahamarinana io antsika hahatakatra bebe kokoa ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy?

Romana 3:24–31

Afaka ny hohamarinina amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’i Kristy ny olombelona rehetra

Hazavao fa i Paoly dia nampianatra ao amin’ireo andininy sisa ao amin’ny Romana 3 ny fomba nandresen’i Jesoa Kristy ny olana hatrehantsika—indrindra fa ny hoe tsy afaka manaiky ny fahotana Andriamanitra ary manota avokoa ny olona tompon’andraikitra rehetra. Mba hahatakarana ireo andininy ireo dia mila mahatakatra ny dikan’ireto teny manaraka ireto ny mpianatra: fanamarinana (“afahana amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny” [Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanamarinana, Manamarina” scriptures.lds.org]), fanavotana (sorompanavotana sy loharanon’ny famindram-po), ary fahasoavana (“fanampiana na tanjaka avy amin’ Andriamanitra izay omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy” [Bible Dictionary, “Grace”]). Adikao eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ny famaritana ireo teny ireo na manomeza taratasy zaraina ahitana ireo teny ireo ho an’ny mpianatra tsirairay:

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Romana 3:24–26. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba ahafahantsika ho tonga mendrika ny ho eo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Araka ny voalazan’ny Romana 3:24 dia amin’ny fomba ahoana no hanamarinana antsika, na hanambarana antsika hoe mendrika ny ho eo anatrehan’ Andriamanitra?

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 3:24 dia manova ny teny hoe maimaimpoana ho irery ihany. Hazavao fa na betsaka toy ny ahoana aza ny zavatra tsara ataontsika eto amin’ity fiainana ity dia tsy afaka ny hahazo na ho mendrika ny famonjena amin’ny alalan’ny herin’ny tenantsika isika satria, araka izay nampianarin’i Paoly, dia efa nanota avokoa isika rehetra ka tsy afaka ny hahazo ny famonjena (jereo ny Romana 3:23). Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany—ny tanjany masina sy ny heriny—no hamonjena antsika (jereo koa ny Môrônia 10:32–33).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 26 dia iza no hamarinin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana? (Ireo izay mino an’i Jesoa.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fomba nampiasan’i Paoly ny teny hoe finoana araka izay noresahina teo aloha nandritra ny fotoam-pianarana.

  • Inona no fitsipika ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny vokatry ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Mety hahita fitsipika iray toy izao manaraka izao ireo mpianatra: Amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny olombelona rehetra dia afaka ny ho hamarinina sy handray ny famonjena.)

  • Ahoana no fomba ahafahantsika maneho ny fanekentsika amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny filan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanekena amim-pahatokiana bebe kokoa ny Sorompanavotany. Asao izy ireo hanoratra ny zavatra tsapany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fahatsapany momba ny Mpamonjy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba Azy.

Fintino ny Romana 3:27–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nanantitrantitra indray fa ny olona iray dia hamarinina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy fa tsy amin’ny alalan’ny fanajany ny lalàn’i Mosesy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Romana 1:1. “Ny filazantsaran’ Andriamanitra”

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy raha ny marina dia ny filazantsaran’ Andriamanitra, izany hoe ny filazantsaran’ny Ray any An-danitra. Nanjary fantatra tamin’ny hoe “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” izany rehefa lasa mpisolovava lehibe sy mpandray anjara tamin’ny drafitr’ Andriamanitra i Kristy.

Romana 1:16. “Fa tsy menatra ny filazantsara aho”

Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa fomba iray azontsika hanehoana fa tsy menatra ny filazantsara isika ny fizarana izany amin’ny hafa:

“Manana fahafahana maro hitory ny finoantsika amin’ireo namana sy mpiara-belona, mpiara-miasa, ary ireo olona mifanena amintsika ny tsirairay amintsika. Manantena aho fa hanararaotra ireo fahafahana ireo isika mba hanehoana ny fitiavantsika ny Mpamonjy, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny iraka masina nataony, ary ny fahavononantsika hanompo Azy.

“Raha manao ireo rehetra ireo isika dia afaka ny hilaza, tahaka ny Apôstôly Paoly hoe: ‘Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.’ (Rom. 1:16.)” (“Witnesses of Christ,” Ensign, nôv. 1990, 32).

Mba hahitana ohatra amin’ny olona izay tsy menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia jereo ilay tantara momba ny Loholona Richard G. Scott izay nalain’ny Kapiteny Hyman G. Rickover am-bavany (ao amin’ny Marvin K. Gardner, “Elder Richard G. Scott: ‘The Real Power Comes from the Lord,’” Ensign, jan. 1989, 8–9).

Romana 1:26–32. Ny fitondrantena maneho fiarahan’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy dia fahotana lehibe

Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny fotokevitra hijoroan’ny Fiangonana momba ny fitondrantena maneho fiarahan’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy sy ny fifanintonan’ny samy lahy sy ny samy vavy dia jereo ny “Same-Sex Attraction” ao amin’ny lds.org/topics.

Romana 3:24. “Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany”

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny teny hoe fanamarinana:

“Noho ‘ilay toetra tsisy fiafarana ananan’ny Sorompanavotany lehibe,’ dia afaka manatanteraka na ‘manefa ny fitakian’ny lalàna’ ho antsika i Jesoa Kristy. Tonga amin’ny alalan’ny famindram-pon’Ilay nanefa ny fitakian’ny lalàna tamin’ny alalan’ny fijalian’ny tenany ny famelan-keloka. … Nanaisotra ny fanamelohana antsika Izy kanefa tsy nanaisotra ny lalàna. Voavela heloka isika ary apetraka ao amin’ny toetry ny fahamarinana miaraka Aminy. Lasa toa Azy isika, tsy manam-pahotana. Tohanan’ny lalàna sy ny fahamarinana isika ary arovany. Raha lazaina amin’ny teny iray dia nohamarinina isika.

“Toy izany ny olona izay azontsika lazaina fa nohamarinina satria navela heloka, tsy manam-pahotana na tsisy tsiny” (“Justification and Sanctification,” Ensign, jona 2001, 20)