Tahirim-pitaovana
Lesona 76: Jaona 16


Lesona 76

Jaona 16

Fampidirana

Taorian’ny sakafon’ny Paska dia nanohy nampianatra ireo mpianany i Jesoa Kristy. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa ho any amin’ny Rainy afaka fotoana fohy ary ny Fanahy Masina, na ny Mpananatra, dia ho avy hitarika azy ireo ho amin’ny marina rehetra. Naminany momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany i Jesoa ary nanambara fa nandresy izao tontolo izao Izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 16:1–15

Mampianatra mikasika ny anjara asan’ny Fanahy Masina i Jesoa

Manasà mpianatra iray mba handroso eny aloha. Asio lamba mifatotra manodidina ny lohan’ilay mpianatra mba hanampenana ny masony ka tsy hahitany. Rehefa voatampina ny mason’ilay mpianatra dia manasà mpianatra maromaro hafa hametraka ny bokin-tsoratra masin’izy ireo amin’ny toerana iray ao amin’ilay efitrano. Dia anontanio an’ilay mpianatra mitampi-maso hoe mety ho sarotra manao ahoana ny mitady bokin-tsoratra masina voafaritra tsara ao amin’ilay efitrano dia manokatra izany ao amin’ny pejy iray voafaritra tsara. Anontanio ilay mpianatra raha toa ka hanampy tokoa raha misy olona iray vonona ny hitarika azy ho eo amin’ilay boky.

Asao ilay mpianatra mitampi-maso hifidy mpianatra iray hafa mba ho mpitarika azy. Asao ilay mpianatra voafidy mba hitarika ilay mpianatra mitampi-maso ho eny amin’ilay bokin-tsoratra masina efa nofidian’ny mpianatra mialoha ka hanampy azy hitady pejy iray voafaritra tsara. Rehefa vita ireo asa ireo dia hazavao fa fony i Jesoa Kristy teto an-tany dia nanoro sy nampianatra ireo mpianany Izy. Nitarika azy ireo manokana Izy mba hahatakatra ireo fahamarinana izay nampianariny.

Fintino ny Jaona 16:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa dia nilaza tamin’izy ireo Izy fa ho avy ny andro izay hankahalan’ny olona azy ireo ary ireo olona ireo dia hino fa manompo an’ Andriamanitra izy ireo amin’ny alalan’ny famonoany ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany sy ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika izany.

  • Inona no tsapan’ireo mpianatra rehefa nahare ilay vaovao fa handeha i Jesoa ary hohenjehina izy ireo?

Asao ilay mpianatra nitarika ilay mpianatra mitampi-maso mba hiverina eny amin’ny toerany. Anontanio ilay mpianatra mitampi-maso hoe:

  • Mety ho toy ny ahoana izany hoe tavela irery indray ary tsy misy namana manampy anao?

Manomana seza ho an’ilay mpianatra mitampi-maso dia asao izy hipetraka (saingy aza esorina ilay tampi-maso).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady hoe iza no nampanantenain’i Jesoa fa hohirahiny rehefa lasa Izy.

  • Iza no nampanantenain’ i Jesoa fa ho avy aorian’ny handehanany? (Haniraka ny Mpananatra, na ny Fanahy Masina i Jesoa.)

Hazavao fa ny teny hoe mahatsara araka izay ampiasaina ao amin’ny andininy 7 dia midika hoe mahasoa. Hazavao fa “tsy niasa tamin’ny fahafenoany teo anivon’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ireo taona izay niainan’i Jesoa teto an-tany (Jaona 7:39; 16:7)” (Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF “Holy Ghost”). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny antony tsy niasan’ny Fanahy Masina tamin’ny fahafenoany dia vakio mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Bruce R. McConkie

“Raha mbola niaraka mivantana tamin’ny mpianatra i Jesoa dia tsy nilaina feno ny hananan’izy ireo ny Fanahy ho namana mandrakariva tahaka ny hilan’izy ireo izany taorian’ny nandehanan’i Jesoa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 753).

Fintino ny Jaona 16:8-12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa iray amin’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ny mampiaiky izao tontolo izao ny fahotana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:13 ary asao ireo mpianatra hitady ireo anjara asa hafa izay hotanterahin’ny Mpananatra eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra rehefa lasa i Jesoa.

  • Inona avy ireo anjara asa hotanterahin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ireo mpianatry ny Tompo taorian’ny nandehanany? Mety ho amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ireo mpianatra tombontsoa avy amin’ny fanampiana sy ny fitarihana izay ho atolotry ny Fanahy Masina?

  • Raha miainga avy amin’ny andininy 13, inona koa no azon’ny Fanahy Masina atao ho antsika amin’izao androntsika izao? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fanahy Masina dia afaka mitarika antsika ho amin’ ny fahamarinana rehetra sy mampiseho amintsika ireo zavatra ho avy.)

  • Ahoana avy ireo fomba hitarihan’ny Fanahy Masina antsika ho amin’ny marina?

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny Fanahy Masina antsika ireo zavatra ho avy? (Raha ilaina dia hazavao fa Andriamanitra dia afaka manome antoka, fanantenana, fahitana, fampitandremana, ary fitarihana amin’ny hoavintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.)

Mametraha zavatra iray (valisoa) eo ambony talantalana na seza iray na amin’ny toerana hafa ao amin’ilay efitrano. Asao ilay mpianatra mitampi-maso mba hitady ilay zavatra. Manasà mpianatra iray hafa hibitsibitsika hanoro lalana ilay mpianatra mitampi-maso mba hanampy azy handehandeha hitady ilay valisoa. Rehefa hitan’ilay mpianatra ilay zavatra dia asao izy hanala ilay tampi-maso. Samy asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra roa. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Oviana ianareo no nahatsapa ny Fanahy Masina nitarika anareo ho amin’ny marina? Ahoana no nahafantaranareo fa ny Fanahy Masina no nitarika anareo?

Azonao atao ny mizara zavatra niainana iray rehefa notarihin’ny Fanahy Masina ianao teo amin’ny fiainanao. Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ilay fahamarinana nianaran’izy ireo dia amporisiho izy ireo hiaina amin’ny fomba izay manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany.

Hazavao fa ny Jaona 16:13 dia milaza fa ny Fanahy Masina, izay manana anjara asa ny hijoro ho vavolombelon’ny Ray sy ny Zanaka, dia “tsy hiteny ho Azy …, fa izay ho reny dia holazainy avokoa.” Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:14–15 ary angataho ireo mpianatra hitady ireo hafatra izay holazain’ny Fanahy Masina amintsika.

  • Hafatra avy amin’iza no ampitain’ny Fanahy Masina amintsika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fanahy Masina dia mampahafantatra ireo fahamarinana sy fampianarana izay avy any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana no manampy ny mahafantatra fa rehefa miresaka amintsika ny Fanahy Masina dia miteny ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Izy?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny “ fifandraisa[n’ny Fanahy Masina] amin’ny fanahinao dia mitondra zavatra azo antoka bebe kokoa noho izay mety ho fifandraisana hafa voarainao amin’ny alalan’ireo retsipamantaranao ara-boajanahary” (Miorim-paka amin’ny finoana [2004], 82). Izany dia midika fa ny Fanahy Masina no mpitarika manan-danja indrindra ho antsika amin’ny fianarana ny fahamarinana. Manan-danja kokoa noho ny porofo amin’ny fizika, na ny hevitry ny hafa, na ny hevitr’izao tontolo izao ny fitaomany. Tahaka antsika, ireo mpianatry ny Mpamonjy dia nila nianatra niantehitra tamin’ny Fanahy Masina ho mpitarika azy ireo rehefa tsy teo intsony ny Tompo.

Jaona 16:16–33

Miresaka ny fialany eto an-tany ny Mpamonjy ary manambara fa nandresy izao tontolo izao Izy

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay tsy maintsy nanaovan’izy ireo veloma ny olona iray tao amin’ny fianakaviana na ny namana iray tao anatin’ny fe-potoana iray.

  • Inona no nolazainareo mba hifankeherezanareo rehefa nifanao veloma?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:16. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra hafa nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany ka mety nampahery azy ireo rehefa nieritreritra ny fandaozan’i Jesoa azy izy ireo. Asaivo milaza ny zavatra hitany ny mpianatra.

Hazavao fa ao amin’ny Jaona 16:17–19 isika dia mahita fa tsy nahatakatra ny zavatra tian’i Jesoa holazaina ireo mpianatra rehefa nilaza i Jesoa fa handeha kanefa hahita Azy indray izy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa ho tsapan’ireo mpianany rehefa lasa Izy ary ny zavatra ho tsapan’izy ireo rehefa mahita Azy indray. Mety ilainao ny manazava fa ny andian-teny hoe “vehivavy … miteraka” dia entina ilazana vehivavy iray bevohoka izay mihetsi-jaza mialoha ny hahazoany zanaka.

  • Inona no hoe ho tsapan’ireo mpianatra rehefa nandeha i Jesoa? Inona no nampanantenainy fa hitranga taorian’izay?

Hazavao fa ireo mpianatra dia hahita an’i Jesoa indray taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Na dia ho lehibe aza ny alahelon’izy ireo noho ny fahafatesany dia haharitra ny fifaliana tsapan’izy ireo tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Fintino ny Jaona 16:23–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra ireo mpianany hivavaka mivantana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anarany (an’i Kristy) i Jesoa ary nanome antoka azy ireo ny amin’ny fitiavan’ny Ray azy ireo sy Izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 16:33 ary angataho ny mpianatra hitady ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Mpamonjy mba hampaherezana ireo mpianany.

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo mba hampaherezana ireo mpianany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 33, nahoana isika no afaka hanana fifaliana sy fiadanana na dia ao anatin’ny tontolo feno fahoriana sy fahafatesana aza? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Satria nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy dia afaka matoky sy manana fiadanana isika.)

  • Araka ny eritreritrareo, inona no dikan’ny hoe nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Hazavao fa amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray Azy dia niaina fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy ary nandresy ireo fakam-panahy rehetran’izao tontolo izao. Niaritra ireo fanaintainana sy fahoriana rehetra ihany koa Izy ary nanao sorona noho ny fahotantsika rehetra. Tamin’ny alalan’ny fiainany, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty no nandreseny ireo zavatra rehetra nanakana antsika tsy hadio, hahita fiadanana, ary hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika any An-danitra sy ireo olon-tiantsika.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampiana antsika hatoky sy hanana fiadanana amin’ny alalan’ny fahafantarana fa nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Omeo ny tahadikan’ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity ny mpianatra: Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ilay teny nambara ary asao ireo mpianatra hitady fanazavana iray mikasika ny antony ahafahantsika hifaly na dia eo aza ireo fitsapana sy zava-tsarotra eto amin’ity tontolo ity.

Filoha Thomas S. Monson

“Ndeha isika hifaly am-piadanana eo am-panatrehana ny fiainantsika. Tia sy miahy antsika ny Tompo, na dia miaina ao anatin’ny fotoana mahory tsy mitsaha-mitombo aza isika. Miaraka amintsika foana Izy rehefa manao ny tsara isika. Hanampy antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana Izy. … Afaka ho rakotry ny fifaliana koa ny fiainantsika rehefa manaraka ny fampianarana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Nanome toky ny Tompo hoe ‘Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao’ [John 16:33]. Endrey ny fifaliana goavana tokony hoentin’izany fahalalana izany ho antsika. Niaina ho antsika Izy ary maty ho antsika. Nanonitra ny saran’ny otantsika Izy. Ndeha isika haka tahaka ny ohatra nasehony. Ndeha isika haneho fankasitrahana lehibe Aminy amin’ny alalan’ny fanekena ny sorona nataony ary miaina fiainana izay mendrika ny hahatonga antsika hiverina sy hiaina hiaraka Aminy indray andro any” (“Homba anao hatrany anie ny Ray,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 111).

  • Oviana no nanampy anao hatoky sy hanana fiadanana ny fahafantarana fa nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra mba hifaly sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izany izy ireo dia hahatsapa ny fiadanana sy ny fanantenana izay afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Tompo sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 16:33. “Matokia”

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2009 ny Filoha Thomas S. Monson dia nitantara tantara iray notantarain’ny Filoha Ezra Taft Benson sy Frederick W. Babbel, izay nitsidika an’i Eorôpa rehefa tapitra ny Ady Lehibe faha II. Ilay tantara dia mikasika ny reny mananontena iray manan-janaka kely efatra izay tavela tany amin’ny faritry ny fahavalo. Na dia nandeha tamin’ny lalana mirefy 1609,34 kilômetatra aza izy mba ho voaro tamin’ny loza, ary matin’ny hatsiaka sy ny hanohanana daholo ireo zanany, dia nijanona ho mahatoky tamin’ny fanantenany an’i Jesoa Kristy izy fa mbola afaka hiaraka indray ny ny fianakaviany aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Taorian’ilay tantara dia nilaza izao manaraka izao ny Filoha Monson:

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy hay refesina ny fitahiana nampanantenaina antsika. Na dia manangon-drahona toy ny inona aza ny oram-baratra ary na hirotsaka toy ny inona aza ny orana, ny fahalalantsika ny Filazantsara sy ny fitiavantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia hankahery antsika sy hitondra fifaliana ao am-pontsika rehefa mandeha amin’ny fahitsiana sy mitandrina ny didy isika. Tsy hisy zavatra izay afaka handresy antsika eto amin’izao tontolo izao.

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, aza matahotra. Matokia. Mamiratra toy ny finoanareo ny hoavy” (“Matokia,” Ensign na Liahona, mey 2009, 92).