Lesona 97
Asan’ny Apostoly 23–26
Fampidirana
Nanadihady an’i Paoly ireo mpitarika Jiosy ary niray tsikombakomba ny hamono azy ny andiana Jiosy iray. Nentina tany amin’i Kaisaria i Paoly ka niaro tena tamin’ireo fiampangana diso teo anatrehan’ny mpitarika Romana maro izy tany. Nitantara indray ny fiovam-pony izy ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Asan’ny Apostoly 23–25
Nenjehina sy notsaraina ary nogadraina i Paoly
Soraty amin’ny taratasy iray mialoha ny fotoam-pianarana izao manaraka izao: Ireo didy sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mampiasà scotch na tady hanasiana marika ny faritra iray ao amin’ny efitrano fianarana, dia apetraho eo amin’ny tany ao anatin’io faritra voatondro io ilay taratasy. Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia manasà mpianatra iray hijoro ao anatin’ilay faritra izay maneho ireo didy sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra.
-
Rehefa manatona an’ Andriamanitra isika amin’ny fanarahana ny didiny sy ny fampianarany dia inona avy ireo fitahiana sasany afaka ny ho azontsika?
Asao ilay mpianatra hivoaka ilay faritra izay maneho ireo didy sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra.
-
Inona avy ireo fitaomana eto amin’izao tontolo izao izay mety hitarika ny olona iray hiala ka hijanona tsy hiaina mifanaraka amin’ny didy sy ny fampianaran’ Andriamanitra?
-
Inona no mety hitranga rehefa manalavitra ny tenany an’ Andriamanitra ny olona?
Isaory ilay mpianatra dia asao izy hipetraka. Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe mankaiza ny lalana itodihan’izy ireo amin’izao fotoana izao ary manao ahoana ny fahatsapan’izy ireo ny elanelana misy azy amin’ny Ray any An-danitra. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 23–26 mba hitady ireo fahamarinana izay hanampy azy ireo rehefa mahatsapa izy ireo fa nanalavitra ny tenany tamin’ Andriamanitra sy ireo fitahiany.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nosamborina teo ivelan’ny tempoly tao Jerosalema i Paoly ary nentina teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 21:30–33; 22:23–30). Fintino ny Asan’ny Apostoly 23:1–10 amin’ny fanazavana fa nohadihadian’ireo mpitarika Jiosy ireo i Paoly dia nogadraina.
Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 23:11 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga raha mbola tao am-ponja i Paoly. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.
-
Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Paoly tany am-ponja?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:9–10 izay milaza fa hiaraka amin’i Paoly ny Tompo ary hiaro azy teo am-panaovany ny asan’ny Tompo. Asao ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “ny Tompo nitsangana teo anilany” ka hanoratra ny Asan’ny Apostoly 18:9–10 ho soratra masina mifandray amin’izany eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny andininy 11.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana manaraka ity:
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:12–25:27 isika dia mianatra fa ilay kapiteny Romana izay nisambotra an’i Paoly dia nandefa azy tany Kaisaria mba hanakanana ireo andiana Jiosy tsy hamono azy. Nanambara ny maha-tsy manan-tsiny azy teo anatrehan’i Feliksa, ilay mpanapaka Romana i Paoly. Na dia resy lahatra ny amin’ny maha-tsy manan-tsiny an’i Paoly aza i Feliksa dia mbola nitazona an’i Paoly tao an-tranomaizina nandritra ny roa taona ihany izy. I Festosy no nandimby an’i Feliksa teo amin’ny toeran’ny mpanapaka Romana tao Jodia. Namangy an’i Festosy ny Mpanjaka Heroda Agripa, izay nanapaka tamin’ny faritra avaratra atsinanan’ny ranomasin’i Galilia ka naniry ny hahafantatra ny momba an’i Paoly. Nentina teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa i Paoly.
Asan’ny Apostoly 26
Nitantara ny fiovam-pony sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa i Paoly.
Asao hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 26:4–11 ny mpianatra vitsivitsy. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny lasany tamin’ny Mpanjaka Agripa.
-
Ahoana no nanoritsoritan’i Paoly ny lasany tamin’ny Mpanjaka Agripa?
Hazavao fa taorian’izay i Paoly dia nitantara ny fahitany ny Mpamonjy. Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 26:16–18 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny iraka nampanaovin’ny Tompo an’i Paoly teny amin’ny lalana nankany Damaskosy.
-
Inona no iraka nampanaovin’ny Tompo an’i Paoly? (Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay mamaritra ny iraka nampanaovin’ny Tompo an’i Paoly.)
Hazavao fa ato amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe lova (andininy 18) dia entina ilazana ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.
-
Inona no afaka manampy ny olona iray hiala amin’ny haizina sy ny fitaoman’i Satana ka hitodika any amin’ny fahazavana sy ireo didy ary fitahian’ Andriamanitra?
Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 26:19–23 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Paoly fa nampianariny ny Jiosy sy ny Jentilisa fa tsy maintsy ataon’izy ireo mba hahazoana ireo fitahiana voalaza ao amin’ny andininy 18. Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “hanao asa miendrika ny fibebahana” ao amin’ny andininy 20 dia mety midika hoe miaina amim-pahamarinana mba hanehoana fa tena nibebaka marina ny olona iray.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 20 dia inona no nampianarin’i Paoly ny Jiosy sy ny Jentilisa mba ho ataony?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Raha mibebaka isika ka mitodika amin’ Andriamanitra …
-
Raha miainga amin’ny zavatra ianarantsika ao amin’ny andininy 18 dia ahoana no hamenoanareo ny banga ao amin’io fehezanteny eny amin’ny solaitrabe io? (Fintino ny valintenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny famenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe ka hivaky toy izao: Raha mibebaka isika ka mitodika amin’ Andriamanitra dia afaka handresy ny herin’i Satana eo amin’ny fiainantsika sy hahazo ny famelana ny fahotantsika ary ho mendrika ny fanjakana selestialy.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity (omeo tahadikan’ilay teny nambara ny mpianatra):
“Rehefa manota isika dia miala amin’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia miverina amin’ Andriamanitra.
“Ilay fanasana hibebaka dia mahalana no hoe feo famaizana fa antso feno fitiavana mihitsy aza izany mba hihodina sy ‘hiverina hitodika’ any amin’A’ndriamanitra [jereo ny Helamàna 7:17]. Izany dia antson’ilay Ray be fitiavana sy ilay Zanany Lahitokana ho antsika mba hivoatra lavitra kokoa, hanakatra fomba fiainana ambony kokoa sy hiova ary hahatsapa fifaliana avy amin’ny fitandremana ny didy ” (“Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 40).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Andersen, inona no afaka ho tratrantsika rehefa mibebaka sy miverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika?
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 26 mba hitady ny zavatra nanakana an’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa tsy hibebaka sy hitodika tamin’Andiamanitra ary hiova fo ho an’i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Mba ho lasa miova fo ho an’i Jesoa Kristy …
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra hamaky miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy ny Asan’ny Apostoly 26:24–28. Asao izy ireo hitady sy hampitaha ny fihetsika nasehon’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa tamin’ny fampianaran’i Paoly sy ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba ny Mpamonjy. Rehefa mamaky izany sy mifanakalo hevitra amin’ireo mpiara-miasa aminy ny mpianatra dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity (aza ampidirina ao ireo fehezanteny eo ambanin’ny lohateny tsirairay):
|
Fihetsika manoloana ny fampianaran’i Paoly | |
|---|---|
|
Festosy |
Mpanjaka Agripa |
|
Niteny tamin’ny feo mahery Nilaza fa very saina i Paoly Niampanga an’i Paoly ho very saina |
Efa saika resy lahatra ny ho tonga Kristianina |
Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe mba hanoratra ny zavatra hitany (tokony hitovitovy amin’ireo andian-teny ao amin’ilay tabilao eo ambony ireo valinteny).
-
Manambara inona mikasika ny heviny momba ny fampianaran’i Paoly ny fihetsika nasehon’i Festosy? (Ampidiro eo amin’ny valintenin’ny mpianatra eo ambanin’ilay lohateny hoe “Festosy” ny teny hoe tsy finoana.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 27, inona no nolazain’i Paoly fa fantany mikasika ny Mpanjaka Agripa? (Ampio hoe Nino ireo mpaminany eo ambanin’ilay lohateny hoe “Mpanjaka Agripa.”)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanamarihana nataon’i Agripa tamin’i Paoly mikasika ny fanolorantenan’i Agripa mba ho lasa Kristianina (jereo ny andininy 28)? (Ampio hoe Tsy vonona ny hanolo-tena tanteraka eo ambanin’ilay lohateny hoe “mpanjaka Agripa.”)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 26:29. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny navalin’i Paoly ny fanamarihana nataon’ny mpanjaka Agripa hoe efa saika resy lahatra ny ho lasa Kristianina izy.
-
Inona no zavatra nirian’i Paoly ho an’ilay mpanjaka sy ireo rehetra izay nandre ny fampianarany?
-
Inona araka ny eritreritrareo no nanakana an’i Festosy tsy hiova fo ho an’i Jesoa Kristy?
-
Inona araka ny eritreritrareo no nanakana ny mpanjaka Agripa tsy hiova fo?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiova fo ho an’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Mba ho lasa miova fo ho an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy misafidy ny hino sy hanolo-tena tanteraka ny hiaina ny filazantsara isika.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Nisy mpirahalahy roa mbola kely nitsangana teo amin’ny tampon’ny hantsana kely iray izay eo ambonin’ny rano manjelanjelatry ny farihy miloko manga iray. Toerana fanta-daza amin’ny fitsorahana anaty rano izany ary matetika ireo mpirahalahy ireo no miresaka hoe hitsoraka eo—zavatra izay efa hitan’izy ireo nataon’ny hafa.
“Na dia samy te-hitsoraka aza izy ireo, dia samy tsy nisy te handeha voalohany. Tsy dia avo manao ahoana ilay hantsana kanefa dia toa nitombo ny halalin’izany ho an’ireto zatovolahikely roa ireto arakaraka ny niondrehan’izy ireo teo mba hitsoraka—ary dia nihena faingana ny risi-pon’izy ireo.
“Nony farany dia nametraka ny tongony iray teo amoron’ilay hantsana ny iray tamin’ireo mpirahalahy ka nomboka nandroso namindra tsimoramora. Tamin’izay fotoana izay dia nibitsibitsika ilay rahalahiny hoe: ‘Tokony hiandry amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka angamba isika.’
Kanefa ny risim-pon’ilay rahalahy voalohany, dia efa nanosika azy handroso. “O ry rahalahiko a!” hoy izy namaly, “Efa nanolo-tena aho!”
Nitsoraka tany anaty rano izy ary nipoitra haingana niaraka tamin’ny hiakam-pandresena. Nanaraka avy hatrany ilay rahalahy faharoa. Taorian’izay izy ireo dia samy nihomehy ny zavatra farany nolazain’ilay zazalahy voalohany talohan’ny nitsorahany tao anaty rano manao hoe: ‘O ry rahalahiko a!, Efa Nanolo-tena Aho.’
“Ny fanoloran-tena dia somary mitovy amin’ny fitsorahana anaty rano. Na ianao manolo-tena na tsia. Na ianao mandroso na ianao tsy mihetsika eo amin’ny toerana misy anao. Tsy misy ny an-tenantenany. …
“Ireo izay manolo-tena amin’ny ampahany fotsiny dia mety tsy afaka ny hanantena afa-tsy ny handray amin’ny ampahany fotsiny ireo fitahiana avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny hafaliana, ary ny fiadanana. Ny varavaran’ny lanitra dia hisokatra amin’ny ampahany fotsiny ho azy ireo. …
Amin’ny lafiny iray isika tsirairay dia mijoro eo amin’ny toerana iray handraisana fanapahan-kevitra eo anoloan’ny rano. Mivavaka aho mba hanana finoana isika, handroso hatrany, sy hiatrika amim-paharisihana ny tahotra sy ny fanahiantsika, ary hilaza amin’ny tenantsika hoe: “Efa nanolo-tena aho!” (“Brother, I’m Committed,” Ensign, jolay 2011, 4, 5).
-
Inona no mampitovy ny fanolorantena hiaina ny filazantsara amin’ny fitsorahana anaty rano?
-
Araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf dia nahoana no manan-danja ny manolo-tena tanteraka fa tsy “manolo-tena amin’ny ampahany” mba hiaina ny filazantsara?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fanolorantenanareo hiaina didy na fitsipiky ny filazantsara iray nanampy tamin’ny fanamafisana orina ny fiovam-ponareo ho an’i Jesoa Kristy? (Mizarà zavatra niainanao manokana.)
Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny lisitr’ireo didy na fitsipiky ny filazantsara izay tsapan’izy ireo fa tsy tena mbola hanolorany tena tanteraka mba hiainana. Asao izy ireo hieritreritra izay mety ho fitsipiky ny filazantsara tsapan’izy ireo fa toa hanolorany tena “ihany” mba hiainana fa tsy hanolorany ny tenany “rehetra” (Asan’ny Apostoly 26:29). Asao ny mpianatra hanoratra tanjona iray momba ny zavatra azony atao mba hampitomboana ny fahatakarany sy ny fanolorantenany ho amin’ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Amporisiho ny mpianatra hangataka fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka rehefa miezaka ny hiova fo ho an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiainana tanteraka ny filazantsarany.
Fintino ny Asan’ny Apostoly 26:30–32 amin’ny fanazavana fa hitan’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa fa tsy meloka i Paoly ka te hanafaka azy izy ireo, saingy noho i Paoly nangataka ny handraisan’i Kaisara ny raharaha momba azy dia voatery nandefa azy tany Roma izy ireo.
Farano amin’ny alalan’ny famerenana ireo fitsipika izay nampianarina tao amin’ny Asan’Apostoly 23-26 sy ny fijoroana ho vavolombelona mikasika izany.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Asan’ny Apostoly 25:13. Iza moa i Heroda Agripa?
Mba hahitana tabilao tena manampy izay maneho ny rohim-pihavanana teo amin’ireo olona samihafa tao amin’ny fianakavian’i Heroda izay voatonona ao amin’ny Testamenta Vaovao dia jereo ilay teny iditra hoe “Heroda” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
“I Heroda Agrippa II (izay nantsoina ihany koa hoe Marcus Julius Agrippa) no mpanjaka fahafito sady farany tao anatin’ny fiankohonan’i Heroda teo amin’ny fanjakana Jiosy. Nanapaka tao amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia izy nanomboka teo ho eo amin’ny 55 ka hatramin’ny 93 taorian’i JK. Izy dia zanakalahin’i Heroda Agripa I, izay nanome baiko ny hamonoana an’i Jakoba sy nanagadra an’i Petera (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:1–4); zafikelilahin’i Heroda Antipasy, izay nanome baiko ny hanapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Matio 14:1–12); ary zafiafin’i Heroda Lehibe, izay nanome baiko ny hamonoana ho faty ireo zaza tao Betlehema (jereo ny Matio 2:16).
“Ny fanjakan’i Agripa dia tao avaratry ny faritr’i Festosy. I Agripa sy i Bernice anabaviny … dia nitsidika an’i Festosy tany Kaisaria raha mbola voafonja tany i Paoly. Noho ny naha-Jiosy an’i Agripa ka nahafantatra bebe kokoa ny raharaha Jiosy raha noharina tamin’i Festosy, izay Romana, dia fanirian’i Festosy ny mba hanampian’i Agripa azy hahatakatra ireo fiampangana natao tamin’i Paoly sy ny hanampiany azy koa hanoratra ny taratasy halefany tany amin’i Kaisara (jereo ny Asan’ny Apostoly 25:24–27; 26:3)” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 326).
Asan’ny Apostoly 26:24. “Ry Paoly ô, very saina hianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao”
Nampitahain’ny mpaminany Joseph Smith tamin’ny zavatra niainan’ny Apôstôly Paoly ny fanenjehana nihatra taminy taorian’ny nahitany ny Fahitana Voalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25). Samy nahita ny Mpamonjy sy nandre ny feony i Paoly sy i Joseph Smith. Samy nijoro ho vavolombelona izy ireo fa nahita fahitana. Vokatr’izany dia samy voahenjika sy nitenenana ratsy izy ireo, kanefa samy nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy. Ankoatra izay dia maro ireo tantara momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, ary maro tahaka izany koa ireo tantara mikasika ny fahitan’i Paoly ny Mpamonjy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–9; Asan’ny Apostoly 22:6–11; Asan’ny Apostoly 26:13–18). Na dia eo aza ireo fahasamihafana eo amin’ireo zavatra madinidinika, ireo tantara marobe momba azy ireo dia samy miombon-kevitra amin’ilay fahamarinana fototra hoe nahita an’i Jesoa Kristy sy niresaka taminy izy ireo.
Asan’ny Apostoly 26:28 (ao amin’ny Baiboly King James.) [Efa saika nandresy lahatra ahy ho Kristianina ianao]
Fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny Loholona Bruce C. Hafen hoe:
“Raha tsy maintsy manome izay rehetra ananantsika isika dia tsy ampy raha efa saika ho izy rehetra fotsiny no omentsika. Raha efa saika nitandrina ny didy isika dia efa saika nahazo ireo fitahiana” (“The Atonement: (All for All,” Ensign na Liahona, mey 2004, 98).
Ny Filoha Harold B. Lee dia nampihatra ireo tenin’ny Mpanjaka Agripa tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay niezaka ny hitady fialantsiny amin’ny tsy fitandremana ny didy:
“Nisy eveka tsara iray nanao fanamarihana mahaliana mikasika ny antsoiny hoe ireo teny mampalahelo indrindra izay fantany avy amin’ny vavan’ny olona iray izay nanana toerana tsara teo amin’ny fiarahamonina. Namaky ireo teny tamin’ny andron’ny Apôstôly Paoly izy, tamin’ny fotoana izay nizaran’i Paoly ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny fiovam-pony teo anatrehan’ny mpanjaka Agripa. Ny valinteny nomen’ny mpanjaka Agripa dia hoe ‘[Efa saika nandresy lahatra ahy ho Kristianina ianao.]’ Asan’ny Apostoly 26:28 ao amin’ny Baiboly King James.) Dia hoy ilay eveka hoe: ‘Fantatr’ilay mpanjaka ny marina saingy tsy nanana ilay herim-po hanao izay notakina taminy izy. …’
“Ary avy eo [ilay eveka] dia nanoritsoritra zavatra sasantsasany izay hitany tao amin’ny paroasy nosahaniny tao anatin’ny lahateny iray fohy kanefa nahery vaika. ‘Mba hamaliana ilay fanasan’ny Mpampianatra hoe: “Avia hanaraka Ahy” (Marka 10:21), ny mpikambana sasany,’ hoy izy dia, ‘saika milaza fa tsy tena milaza hoe, “efa saika nandresy lahatra ahy ny ho marin-toetra ianao saingy mbola mangalatra kely aho mba hahafahako fanadinana iray.”’ …
“[Notohizan’ilay eveka hoe,] ‘Efa saika nandresy lahatra ahy hitandrina ny Sabata ho masina ianao, saingy mahafinaritra ny milalao baolina rehefa alahady.
“‘Efa saika naharesy lahatra ahy hitia ny mpiray vodirindrina amiko ianao, saingy olona tsy marin-toetra izy; mba hahay handefitra amin’ny fomba fijerin’ny hafa, saingy diso tanteraka izany; … mba handeha hanao fampianarana isan-tokantrano, saingy tena mangatsiaka sy mando loatra any ivelany any izao hariva izao; ny handoa fahafolonkarena sy fanatitra, saingy mila fahitalavitra miloko vaovao izahay. … Efa saika! Efa saika! Efa saika!’” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1964, 23–24).