Tahirim-pitaovana
Lesona 128: 1 Tesaloniana 3–5


Lesona 128

1 Tesaloniana 3–5

Fampidirana

Naniry ny hampatanjaka ny finoan’ireo Tesaloniana izay mpikamban’ny Fiangonana ny Apôstôly Paoly. Nampianatra azy ireo momba ny Fitsanganan’ny maty amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy ary nampianatra azy ireo momba ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Sosokevitra enti-mampianatra

1 Tesaloniana 3–4:12

Naniry ny hampatanjaka ny finoan’ireo Tesaloniana izay mpikamban’ny Fiangonana i Paoly

handout iconOmeo ny mpianatra ny tahadikan’ ity ankamantatra manaraka ity izay eny na tsia ny valinteny, mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ary asaivo misafidy ny valinteny marina na diso eo akaikin’ny fanontaniana tsirairay izy ireo:

taratasy zaraina

1 Tesaloniana 3–5

Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona 128

  • M / D 1. Tsy hitsangana amin’ny maty raha tsy amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ireo Olomasina nahatoky izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany.

  • M / D 2. Ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hakarina hitsena an’i Kristy rehefa tonga Izy.

  • M / D 3. Hahagaga ny olona rehetra tahaka ny mpangalatra amin’ny alina ny Fiaviana Fanindroany.

Hazavao fa ianao dia tsy mbola hanolotra valinteny ho an’ilay ankamantatra eto saingy afaka mahita ireo valinteny marina ny mpianatra mandritra ny lesona anio. Asao ireo mpianatra mba hitady ireo fahamarinana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany rehefa mandalina ny 1 Tesaloniana 3–5.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa avy nitory ny filazantsara nandritra ny fotoana fohy tany Tesalonika i Paoly sy i Silasy ary i Timoty dia noroahin’ireo mpitarika Jiosy tao amin’ny tanàna izy ireo (jereo ny Asan’ny Apôstôly 17:5–15). Taty aoriana dia nirahin’i Paoly hiverina tany Tesalonika indray i Timoty mba hijery ny fivoaran’ireo mpikambana vaovao sy hampatanjaka ny finoan’izy ireo. Ianarantsika ao amin’ny 1 Tesaloniana 3:1–7fa nanao tatitra tamin’i Paoly i Timoty fa nijanona ho mahatoky ireo Olomasina na dia niaina fanenjehana aza. Nanao tatitra ihany koa i Timoty fa nanana fanontaniana maro momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ireo Olomasina. Nanoratra ny epistiliny ho an’ny Olomasina Tesaloniana i Paoly mba hamaliana ny fanontanian’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 3:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra, ary hitady izay nolazain’i Paoly fa nangatahiny tamim-bavaka nandritra ny fotoana tsy niarahany tamin’ny Olomasina Tesaloniana.

  • Inona no nolazain’i Paoly fa nangatahiny tamim-bavaka nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy?

  • Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo” ao amin’ny andininy 10? (Naniry ny hampatanjaka ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Tesalonika i Paoly.)

Hazavao fa fomba iray nikatsahan’i Paoly hampatanjaka ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Tesalonika ny fanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 3:11–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nantenain’i Paoly fa ho ataon’ny Tompo amin’ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona no nantenain’i Paoly fa ho ataon’ny Tompo mba hanomanana ny Olomasina ho amin’ny Fiaviany Fanindroany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 4:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay namporisihin’i Paoly mba hataon’ireo Olomasina hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

  • Inona no namporisihin’i Paoly ho ataon’ireo Olomasina tao Tesalonika mba hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany?

Omeo iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny mpianatra tsirairay (miankina amin’ny habetsaky ny mpianatrao dia mety hahazo andinin-tsoratra masina mitovy ny mpianatra mihoatra ny iray): 1 Tesaloniana 4:2–5; 4:6–8; 4:9–12. Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ary hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe):

  • Inona no namporisihin’i Paoly mba hataon’ireo Olomasina hampifaliana ny Tompo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampy azy ireo ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fiainana izany fampianarana izany?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro mba hilaza ny valinten’izy ireo amin’ny iray kilasy.

1 Tesaloniana 4:13–18

Nampianatra momba ny Fitsanganan’ny maty amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany i Paoly

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 66; jereo koa ny LDS.org).

Ny Fiaviana Fanindroany

Hazavao fa diso hevitra mikasika ny lafin-javatra sasany amin’ny Fiaviana Fanindroany ny Olomasina Tesaloniana. Natahotra izy ireo fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Tesalonika izay nodimandry dia tsy ho afaka ny hiaina ireo fitahian’ny Fiaviana Fanindroany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 4:1. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina mahatoky izay maty mialoha ny Fiaviana Fanindroany. Hazavao fa i Paoly dia nampiasa ny teny hoe nodimandry sy ny matory mba hilazana ireo izay maty.

  • Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina mahatoky izay maty mialoha ny Fiaviana Fanindroany? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Hitsangana amin’ny maty ireo Olomasina nahatoky izay maty mialoha ny Fiaviana Fanindroany rehefa ho tonga indray i Kristy.)

  • Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy” ao amin’ny andininy 14 ? (Ireo Olomasina mahatoky izay hitsangana amin’ny maty amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hakarina hitsena an’i Jesoa Kristy ary hiara-hidina Aminy amim-boninahitra [jereo ny F&F 88:97–98].)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 4:15, 17. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina mahatoky izay ho velona rehefa tonga indray i Kristy. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 15 dia manova ny fiafaran’izany ho lasa mivaky hoe: “fa ireo izay velona amin’ny fiavian’ny Tompo dia tsy hisakana ireo izay mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia ireo izay nodimandry.” Azonao atao ny manondro fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manova ny isika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny hoe ireo, izay maneho fa tsy hitranga amin’ny andron’i Paoly ny Fiaviana Fanindroany.

  • Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hakarina hitsena an’i Jesoa Kristy rehefa tonga Izy.)

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny 1 Tesaloniana 4:18 ary hitady izay nantenain’i Paoly fa ho ataon’ireo Olomasina rehefa avy nandre ireo fahamarinana momba ny Fiaviana Fanindroany izy ireo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no fampiononana hitanareo ao amin’ireo fotopampianarana momba ny Fiaviana Fanindroany ireo?

1 Tesaloniana 5

Nampianarin’i Paoly an’ireo mpikamban’ny Fiangonana Tesaloniana ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 5:1–3. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hitady ireo fifanahafana roa nampiasain’i Paoly mba hamariparitana ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany.

  • Inona ireo fifanahafana roa nampiasain’i Paoly mba hamariparitana ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany? (“Ny mpangalatra amin’ny alina” [andininy 2] ary “ny vehivavy raha hiteraka” izay mihetsi-jaza [andininy 3].)

Hazavao fa matetika ny mpangalatra amin’ny alina no tonga “tampoka sy tsy misy fampandrenesana” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:54).

  • Mampianatra antsika inona momba ny Fiaviana Fanindroany ny fifanahafana nampiasain’i Paoly momba ny mpangalatra amin’ny alina?

  • Mampianatra antsika inona momba ny Fiaviana Fanindroany ny fifanahafana nampiasain’i Paoly momba ny vehivavy raha hiteraka?

Rehefa avy mamaly ireo fanontaniana eo ambony ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fifanahafana momba ilay vehivavy raha hiteraka: “Tsy fantany ny ora na ny minitra hahatongavan’ilay zaza, saingy fantany hoe tokotokony ho rahoviana izany” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:54). Raha miainga amin’io fifanahafana io dia azontsika eritreretina ihany koa ny fomba itovian’ireo fisedrana mialoha ny Fiaviana Fanindroany amin’ny fanaintainana mialoha ny fiterahana. Koa satria ny fahaterahan’ny zazakely iray dia mahafinaritra dia ho toy izany koa ny Fiaviana Fanindroany ho an’ireo olo-marina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 5:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady hoe nahoana ireo Olomasina mahatoky no tsy ho gaga ny amin’ny Fiaviana Fanindroany.

  • Nahoana ireo Olomasina mahatoky no tsy ho gaga ny amin’ny Fiaviana Fanindroany?

  • Inona no dikan’ny hoe “zanaky ny mazava”? (Ilay andian-teny hoe “zanaky ny mazava” ao amin’ny andininy 5 dia milaza ireo mpikambana mahatoky ato amin’ny Fiangonana izay “[manary] ny asan’ny maizina” [Romana 13:12], sy manana ny Fanahy Masina ho namana, ka ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroana noho izany [jereo ny F&F 106:4–5].)

  • Inona no dikan’ny hoe “hiambina ka hahonon-tena”? (1 Tesaloniana 5:6).

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Tesaloniana momba ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Raha toa ka mahatoky sy mijery ireo famantarana mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika dia ho vonona rehefa tonga indray Izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Joseph Fielding Smith; ary asao ny iray kilasy hihaino ny fomba hahafahantsika miomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Filoha Joseph Fielding Smith

“Feno antambo sy olana ny tany. Mamitaka azy ireo ny fon’ny olona. Mahita ireo famantarana isika tahaka ny ahitantsika ny aviavy manintsana ny raviny; ary ny fahafantarana fa akaiky izany fotoana izany dia mampihovitra ahy ary mampihovitra anareo, sy ny olona rehetra eto ambonin’ny tany, mba hihaino ny tenin’i Kristy, sy ireo apôstôliny ary hiambina, satria tsy fantatsika ny andro sy ny ora” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 3:52–53).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Smith dia ahoana no fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ireo fehezanteny manana valinteny hoe marina na diso sy ny valinteny nosoratan’izy ireo tany am-piandohan’ny fampianarana.

  • Araka ireo fahamarinana izay nianaranao tato anatin’ity lesona ity dia hanova ny valinteninao ve ianao? (Valiny: [1] Diso, [2] Marina, [3] Diso.)

Fintino ny 1 Tesaloniana 5:7–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanoro hevitra bebe kokoa ireo Olomasina ny amin’ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany i Paoly.

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny 1 Tesaloniana 5:12–22 ary hitady izay torohevitra nomen’i Paoly mba ho ataon’ireo Olomasina hiomanan’izy ireo sy ireo hafa hitsena ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Amporisiho ny mpianatra hisafidy torohevitra iray izay manaitra azy ireo. Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina: (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe.)

  • Torohevitra inona avy ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:12–22 no manaitra anao?

  • Manampy anao sy ny hafa ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany amin’ny fomba ahoana ny fiainana izany torohevitra izany?

  • Ahoana no hamporisihanao ny olona iray mba hampiasa izany torohevitra izany eo amin’ny fiainany isan’andro?

Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanao tatitra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Tesaloniana 5:23–24. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny zavatra nolazain’i Paoly fa hataon’ Andriamanitra amin’ireo Olomasiny mahatoky rehefa miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany izy ireo.

  • Inona no hataon’ Andriamanitra amin’ireo Olomasiny mahatoky rehefa miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany izy ireo?

Farano izany amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nampianarina tato amin’ity lesona ity, ary asao ireo mpianatra mba hiomana bebe kokoa amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Tesaloniana 4:17 “Hakarina hiaraka”

“Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Tesaloniana 4:17 dia mivaky hoe: ‘Dia ireo izay velona, dia hakarina hiaraka ho eny amin’ny rahona miaraka amin’ireo izay tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika’ ) .

1 Tesaloniana 5:19 “Aza mamono ny Fanahy”

“Any amin’ny faramparan’ny 1 Tesaloniana, i Paoly dia nanome torohevitra mahasoa ny amin’ny fomba hiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo (jereo ny 1 Tesaloniana 5:6–23). Tao anatin’ny toroheviny dia nangataka ireo Olomasina izy mba ‘tsy hamono ny Fanahy’ (1 Tesaloniana 5:19). Ny mamono ny Fanahy dia midika hoe manatsahatra na manafoana ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany ny olona iray (jereo ihany koa ny Efesiana 4:30–31). Nilaza ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa mba hankamamiana ny fananana ny Fanahy ho namana dia tsy maintsy misintaka amin’ireo fanao izay mampiala ny Fanahy amintsika isika:

“‘Raha misy zavatra eritreretintsika na hitantsika na henontsika izay manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina dia tokony hijanona tsy hieritreritra na hijery na hihaino na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ny zavatra iray natao hampiala voly ohatra no mampihataka antsika amin’ny Fanahy Masina dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany karazana fialam-boly izany. Satria tsy afaka mitoetra miaraka amin’ny zavatra kivalavala na mirefarefa amin’ny tany na tsy maotina ny Fanahy dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany. Satria mampisintaka ny Fanahin’ny Tompo isika rehefa mirotsaka ao anatin’ny fanaovana zavatra izay fantatsika fa tsy tokony hatao, noho izany dia tena tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany.

“‘… Rehefa manjary mirotsaka bebe kokoa ao amin’ny Fanahin’ny Tompo isika dia tokony hiezaka hamantatra ireo fahatsapana rehefa tonga izy ireny ary ireo fitaomana na zava-mitranga izay mahatonga antsika hampiala ny tenantsika amin’ny Fanahy Masina’ (‘That We May Always Have His Spirit to Be with Us,’ Ensign na Liahona, mey 2006, 30)” (Testamenta Vaovao: Boky fandalinan’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianaran’ny Fiangonana], 451).

1 Tesaloniana 5:20–21. “Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara”

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia nanarina isika mba hamakafaka sy hamantatra (na hisedra) ny zavatra rehetra izay vakintsika, na rentsika, na izay nampianarina antsika. Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa afaka misedra ny fahamarinan’izay zavatra vakiantsika, na rentsika, na nampianarina antsika isika amin’ny alalan’ny fampitahana izany amin’ireo fampianarana avy amin’ireo tenin’ Andriamanitra ao amin’ireo boky nankatoavin’ny Fiangonana (jereo ny Doctrines of Salvation, nat. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 3:203). Raha toa ka mamaky na mandre na nampianarina zavatra tsy mifanaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra hita ao amin’ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminaniny sy apôstôliny velona “araka ny hifanarahan’izany amin’ireo … soratra masina nankatoavina” isika dia manana andraikitra ny hitsipaka izany ho tsy marina isika (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, 3:203). Raha toa anefa ka marina izany dia manana andraikitra ny hiaina araka ireny fampianarana ireny isika.

1 Tesaloniana 5:22. “Fadio ny fanao ratsy rehetra”

“Nampianarin’i Paoly ireo Olomasina mba hifady ny ‘fanao’ ratsy rehetra, na raha amin’ny teny hafa, dia ireo ‘karazana’ ratsy rehetra. Ireo manam-pahefana ato amin’ny Fiangonana dia nampiasa ny 1 Tesaloniana 5:22 ihany koa mba hampianarana fa tsy tokony ho hita taratra ho toy ny manao zavatra ratsy isika. Ohatra, nampianatra ny Filoha James E. Faust [tao amin’ny Fiadidiana Voalohany] hoe: ‘Mamporisika mafy anareo aho raha toa ka misy fanontaniana ao an-tsainareo na ao am-ponareo raha toa ka mety na tsy mety ny fitondrantenanareo manokana, aza manao izany. Ny andraikitr’ireo mpaminanin’ Andriamanitra dia ny hampianatra ny tenin’ Andriamanitra fa tsy hanazava ny antsipirian-javatra rehetra. Raha toa isika ka miezaka amin’ny nahim-pontsika miala tsy amin’ny ratsy ihany fa amin’ny endriky ny ratsy mihitsy, dia hihetsika amin’ny tenantsika isika fa tsy hetsehina’ (‘The Devil’s Throat,’ Ensign na Liahona, mey 2003, 51). Nanolotra torohevitra mitovy amin’izany i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 8:9–13” (Testamenta Vaovao: Boky fandalinan’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 451).