Lesona 151
Apokalypsy 1
Fampidirana
Raha mbola tao amin’ny nosy Patmo i Jaona dia nanoratra taratasy fampaherezana ho an’ny vondron’ny mpiangona miisa fito an’ny Fiangonana izy izay mamariparitra ny fanambarana izay azony. Nirakitra an-tsoratra ny zavatra nambaran’ny anjely iray sy i Jesoa Kristy taminy izy. Nanoratra ihany koa ireo antsipiriany mikasika ny fahitany an’i Jesoa Kristy Tompo i Jaona.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 1:1–11
Nirakitra an-tsoratra ny fahitana hitany i Jaona
Mametraha zavatra iray eo ambony latabatra na seza iray eny aloha mialoha ny fotoam-pianarana. Sarony ilay zavatra mba tsy hahafantaran’ny mpianatra hoe inona ilay izy. Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra hamantatra hoe inona ilay zavatra. Rehefa betsaka ny mpianatra niezaka namantatra dia manasà iray amin’izy ireo ho eny aloha ka angataho izy hanainga ny ampahany amin’ny saron’ilay zavatra mba ho izy irery ihany no afaka mahita ilay zavatra. Angataho io mpianatra io hanoritsoritra ilay zavatra amin’ny iray kilasy.
-
Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ilay mpianatra nanoritsoritra ilay zavatra ny anjara asa iray sahanin’ireo mpaminany sy apôstôly?
Asaivo mipetraka ilay mpianatra. Asao ny mpianatra hanokatra ny bokiny ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Hazavao fa io boky io dia fantatra ihany koa amin’ny hoe ny Apokalypsy izay midika amin’ny teny Grika hoe fampahafantarana, famborahana, na fanehoana izay miafina. Ato amin’ity boky ity ny Apôstôly Jaona dia mirakitra ireo fahamarinana izay nampahafantarina na naseho taminy mikasika an’i Jesoa Kristy Tompo, ny anjara asany ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, ireo zavatra hitranga izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany, ary ny fanjakany mandritra ny Arivotaona.
Asao ny mpianatra hitady ireo fahamarinana nampahafantarina an’i Jaona rehefa mandalina ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 1:1–3, izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Jaona mikasika ny fanambarana voarainy.
-
Nahoana no nomena an’i Jaona io fanambarana io?
-
Inona no tian’i Jaona hataon’ny Olomasina amin’io fanambarana io?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony nanononan’i Jaona ireo izay hihaino ny teniny sy ireo izay hamaky ny teniny dia hazavao fa maro ny Olomasina tsy afaka namaky teny tamin’ny andron’i Jaona, ka noho izany izy ireo dia lasa nahafantatra ny bokin’ny Apokalypsy tamin’ny alalan’ny fihainoana ny hafa namaky izany mafy.
-
Inona no nolazain’i Jaona momba ireo olona izay hamaky sy hikatsaka ny hahazo ary hitandrina (na hankatò) ireo fampianarana voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
-
Ahoana no hamintinanareo ny fampianaran’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 1:3 amin’ny endrika fitsipika iray? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mamaky sy mikatsaka ny hahazo ary hankatò ny tenin’ny Tompo isika dia hotahiana.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 1:4. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny olona niresahan’i Jaona ao amin’ny taratasiny.
-
Iza no niresahan’i Jaona ao amin’ny taratasiny? (Hazavao fa “ny fiangonana fito any Asia” dia entina ilazana ireo vondron’ny mpiangona miisa fito tao amin’ny Fiangonana, tahaka ireo paroasy sy sampana amin’izao fotoana izao, izay hita tany amin’ny toerana fantatra ankehitriny amin’ny hoe faritra andrefan’i Torkia amin’izao fotoana izao. “Ny Fanahy fito” dia entina ilazana ireo mpitarika ireo vondron’ny mpivavaka ireo.)
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 1:5–8. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra tian’i Jaona ho fantatr’ireo vondron’ny mpivavaka miisa fito mikasika an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.
-
Inona no tian’i Jaona ho fantatr’ireo vondron’ny mpivavaka miisa fito mikasika an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no andian-teny mikasika ny Mpamonjy izay manan-danja indrindra aminao ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana? (Azonao atao ny manazava fa ny Alfa sy Omega dia tarehin-tsoratra voalohany sy farany ao amin’ny abidia Grika. Io anarana fiantsoana io dia milaza fa ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia mahafaoka ny zavatra rehetra hatrany amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. [Jereo koa ny Apokalypsy 22:13.])
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 1:9–11. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny toerana nisy an’i Jaona rehefa nandray io fanambarana io izy ary taiza no nisy ireo fiangonana fito.
-
Taiza no nisy an’i Jaona tamin’ny fotoana nandraisany io fanambarana io? Taiza no nisy ireo fiangonana fito?
Asao ny mpianatra hanokatra ny bokiny ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” mba hikarohana ny misy an’i Patmo sy ny sasany amin’ireo tanàna fito voatanisa ao amin’ny Apokalypsy 1:11.
Mba hanampiana ny mpianatra hahazo an-tsaina ny endrik’i Patmo dia asao izy ireo hitady ny sary mikasika ny Baiboly lah. 32 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina), “Nosy Patmo.”
-
Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 1:9, nahoana i Jaona no tao amin’ny nosy Patmo?
Hazavao fa i Jaona dia naharay ity fanambarana ity nandritra ny fotoan-tsarotra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nandritra io fotoana io dia nisy fanenjehana mafy natao tamin’ireo Olomasina ary nisy fihemorana sy fizarazarana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ankoatra izay dia novonoina ireo Apôstôly rehetra afa-tsy i Jaona. Ny bokin’ny Apokalypsy dia mety nosoratana nandritra ny andron’ny Amperora Romana Domitien, izay namerina indray ny fankalazana ny amperora nandritra ny Fanjakana Romana ary nanao sesitany na namono ho faty ireo izay tsy nitsaoka ireo andriamanitra nankatoavin’ny governemanta Romana. Maro ny olona nino fa natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo noho io antony io i Jaona.
-
Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 1:10, dia tamin’ny fomba ahoana no namariparitan’i Jaona ireo toe-javatra niainany rehefa nandray io fanambarana io izy?
-
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “Voatsindrin’ny Fanahy … aho” ?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 11, inona no nasain’i Jesoa Kristy nataon’i Jaona?
Hazavao fa mianatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna isika fa nahita fahitana mitovy amin’ny fahitana hitan’i Jaona i Nefia. Nahita ireo trangan-javatra amin’ny andro farany i Nefia (tafiditra ao anatin’izany ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ny Arivotaona, ary ny fahatontosan’ny asan’ Andriamanitra eto an-tany), saingy nodidiana izy ny tsy hanoratra momba ireo zavatra ireo satria i Jaona no efa voatendry mialoha hanao izany (jereo ny 1 Nefia 14:24–29).
-
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mandalina ny tenin’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy?
Asao ny mpianatra rehefa manohy mandalina ny bokin’ny Apokalypsy mba hitady ireo fahamarinana mikasika ny andro farany, ny Fiaviana Fanindroany, ny Arivotaona, ary ny fahatontosan’ny asan’ Andriamanitra eto an-tany.
Apokalypsy 1:12–20
Nahita an’i Jesoa Kristy Tompo tao anaty fahitana i Jaona
Mba hampidirana ny resaka sary an’ohatra dia manehoa (na ataovy sary eo amin’ny solaitrabe) sarina mari-pamantarana mahazatra vitsivitsy ao anatin’ny kolontsainareo izay afaka ny ho takatra mora foana na dia tsy asiana teny aza. Ohatra, azonao atao ny maneho mari-pamantarana amin’ny fifamoivoizana na mari-pamantarana fampitandremana. Angataho ny mpianatra hanazava ny tanjona nanaovana ireo mari-pamantarana ireo.
Hazavao fa ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy i Jaona dia mampiasa tandindona sy sary mba hampianarana ireo hafatra manan-danja mikasika ny filazantsara. Ny tandindona dia afaka ny ho fitaovana hoenti-mampianatra mahery tokoa satria afaka mampita hafatra amin’ny olona ao anatin’ny taranaka samy hafa sy ny kolontsaina samy hafa izy ireo. Afaka mampita hafatra maro samy hafa ihany koa izy ireo.
Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hiara-hamaky mafy ny Apokalypsy 1:12–18 mba hitady ireo tandindona nampiasain’i Jaona mba hamaritana ny fanambarana azony. Tolory hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo tandindona izay vakiny.
-
Inona ireo tandindona nampiasain’i Jaona mba hamaritana ny fanambarana azony?
Omeo taratasy zaraina misy ity tabilao manaraka ity ny mpianatra (na avereno atao eny amin’ny solaitrabe ilay tabilao). Asao ny vondrona tsirairay hamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana havanana ao amin’ilay tabilao ka hanoratra ao amin’io tsanganana io izay azo heverina fa hevitra fonosin’ny tandindona tsirairay nampiasain’i Jaona.
Sary an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy 1
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 151
|
Tandindona |
Mety ho heviny |
|---|---|
|
Apokalypsy 1:12—Fanaovan-jiro volamena fito |
Apokalypsy 1:20; 3 Nefia 18:24— |
|
Apokalypsy 1:16–17—Ilay tanana ankavanana |
Marka 16:19— |
|
Apokalypsy 1:16—Kintana fito |
Ireo kintana fito dia ireo mpanompo ao amin’ireo fiangonana fito (Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 1:20)Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 1:20) — |
|
Apokalypsy 1:16—Sabatra maranitra roa lela |
Hebreo 4:12— |
|
Apokalypsy 1:18—Ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita |
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra maromaro hilaza ny mety ho dikan’ny tandindona tsirairay izay nampiasain’i Jaona. Ampio araka izay ilaina izy ireo mba hahita fa ireo fanaovan-jiro fito dia maneho fiangonana fito izay tokony hanandratra ny fahazavan’ny filazantsara. Ilay tanana havanana dia maneho ny herin’ Andriamanitra sy ny fankatoavany. Ireo kintana fito dia tandindon’ireo mpanompo na mpitarika ao amin’ireo fiangonana fito izay tohanan’ny Tompo. Ilay sabatra dia maneho ny tenin’ Andriamanitra, izay manambara ny fitsarana amin’ireo ratsy fanahy ary manafaka ny tsy manan-tsiny. Ary ny fanalahidin’ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana dia maneho ny herin’ny Tompo mba handresena ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana.
-
Raha miainga avy amin’ny hafatra nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasiny tamin’ny alalan’i Jaona dia inona no fahamarinana azontsika ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fifandraisany amin’ireo mpanaradia Azy mahatoky? (Mety ho amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity: Mijery akaiky sy mikarakara ireo mpanaradia Azy mahatoky i Jesoa Kristy.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo olana natrehin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jaona.
-
Nahoana no mety ho nanan-danja tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jaona ny nahafantatra fa nanohy nijery akaiky sy nikarakara azy ireo i Jesoa Kristy?
-
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatsiaro io fahamarinana io?
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo fa nijery akaiky sy nikarakara azy ireo i Jesoa Kristy. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra niainany amin’ny kilasy manontolo. Mizarà ihany koa iray amin’ireo zavatra niainanao.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 1:17–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’i Jaona.
-
Inona no fotopampianarana azontsika ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy raha miainga avy amin’ny zavatra nolazainy an’i Jaona? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: I Jesoa Kristy dia olona be voninahitra nitsangana tamin’ny maty izay manana hery handresena ny fahafatesana sy ny helo.)
-
Inona no mety ho fanantenana nentin’io fotopampianarana io teo amin’ireo Olomasina tamin’ny andron’i Jaona?
-
Inona no fanantenana azon’io fotopampianarana io omena antsika?
-
Inona no zavatra ampianarin’io fotopampianarana io antsika mikasika ny vokatra farany amin’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy izay misy manerana ny tany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazaina manaraka mikasika ny bokin’ny Apokalypsy ity:
“Mitovy amin’ny hafatry ny soratra masina rehetra ihany ny hafatry ny Apokalypsy: amin’ny farany dia hisy ny fandresen’ Andriamanitra ny devoly eto an-tany; fandresena maharitra izay ho azon’ny tsara amin’ny ratsy, izay ho azon’ny Olomasina amin’ny mpanenjika azy ireo, izay ho azon’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fanjakan’olombelona sy ny fanjakan’i Satana” (Bible Dictionary ao amin’ny Baibolin’ny OAF amin’ny teny anglisy, “Revelation of John”).
Hazavao fa satria fantatsika fa handresy ny ratsy ny tsara amin’ny farany, ny zavatra izay tsy mbola fantatra dia ny hoe hisafidy ny hiaraka amin’iza isika, Satana sa Andriamanitra. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana sy ny helo sy ny amin’ny hoe noho i Jesoa Kristy dia afaka misafidy ny hiaraka amin’ Andriamanitra isika amin’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy.
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azony atao mba hisafidianany bebe kokoa ny hiaraka amin’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hanao ireo zavatra avy amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 1:19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay nasain’ny Tompo nosoratan’i Jaona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hazavao fa ny Apokalypsy 1 dia mirakitra ny zavatra nosoratan’i Jaona mikasika ny fahitany ny Mpamonjy. Araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 2–3, dia nanoratra mikasika “izay zavatra ankehitriny” (Apokalypsy 1:19), na ny toe-javatra nisy ny Fiangonana tamin’ny androny. Ny Apokalypsy 4–22 dia mirakitra ny zavatra nosoratan’i Jaona mikasika “izay zavatra mbola ho avy rahatrizay” (Apokalypsy 1:19), na ny hoavy.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Apokalypsy 1:12. Fanaovan-jiro volamena fito
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ireo fanaovan-jiro volamena fito izay hitan’i Jaona:
“Ny fanaovan-jiro dia mitondra fahazavana fa tsy mamorona izany. Ny asan’izy ireny dia ny manao izay ahafahana mampiasa izany fa tsy manao izay hisian’izany. Ka amin’ny alalan’ny fampiasana fanaovan-jiro fito mba hanehoana ireo fiangonana fito izay nomen’i Jaona torohevitra tamin’izany fotoana izany dia asehon’ny Tompo fa ireo fiangonany eto an-tany dia tokony hitondra ny fahazavany eo amin’izao tontolo izao. I Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao. (Jaona 8:12.) ‘Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony— izay efa hitanareo fa nataoko’ (3 Ne. 18:24; Mat. 5:14–16.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:442).