Lesona 43
Lioka 1
Fampidirana
Niseho tamin’i Zakaria ny anjely Gabriela ary nilaza fa i Zakaria sy ny vadiny, Elizabeta, dia hanan-janaka lahy, izay tokony homen’izy ireo anarana hoe Jaona. Enim-bolana taty aoriana dia niseho tamin’i Maria ihany koa io anjely io ary nilaza fa i Maria no ho renin’ilay Zanak’ Andriamanitra. Namangy an’i Elizabeta i Maria, ary izy ireo dia nifaly ny amin’ny hahatongavan’ny Mpamonjy. Telo volana taty aoriana dia teraka an’i Jaona i Elizabeta.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 1:1–4
Manazava ireo antony nanoratany ny Filazantsarany i Lioka
Asahoy ireto sary manaraka ireto, ary asao ireo mpianatra hanazava ny zava-mitranga asehon’ny sary tsirairay avy: Ny Dian’i Josefa sy i Maria ho any Betlehema (Boky Mirakitra ireo Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 29; jereo ihany koa ao amin’ny LDS.org), Ilay Anjely Miseho amin’ny Mpiandry Ondry (lah. 31), Simeona Nahita ilay Kristy Zazakely (lah. 32), I Jesoa Zazalahy kely teo amin’ny Kianjan’ny Tempoly (lah. 34), Ilay Samaritana tsara fanahy (lah. 44), Maria sy Marta (lah. 45), ary Ireo Boka Folo (lah. 46). Tsindrio manokana fa ireo trangan-javatra ireo sy ny maro hafa ihany koa ary ireo fampianarana avy amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nosoratan’i Lioka avokoa, izay tsy hita na ao amin’ny filazantsaran’i Matio na ny an’i Marka na ny an’i Jaona izany.
I Kristy teo amin’ny Kianjan’ny Tempoly, nataon’i Heinrich Hofmann; courtesy of C. Harrison Conroy Co., Inc.
© Providence Collection/Licensed avy amin’ny GoodSalt.com
Ampahafantaro fohifohy ny Filazantsaran’i Lioka amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanomboka ny Filazantsarany i Lioka rehefa nanoratra tamin’ny olona iray izay nantsoina hoe “Teofilo” (andininy 3) ary hazavao ireo antony nahatonga azy nanoratra izany. Ny hoe Teofilo dia midika hoe “sakaizan’ Andriamanitra” (Bible Dictionary, “Theophilus”). Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:1–4. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo antony nanoratan’i Lioka ny filazantsarany.
-
Inona no sasantsasany amin’ireo antony nahatonga an’i Lioka nanoratra io tantara io?
-
Araka ny ao amin’ny Lioka 1:4, inona no azon’ny fandalinana ny Filazantsaran’i Lioka homena antsika?
Omeo antoka ireo mpianatra fa rehefa mandalina ny Filazantsaran’i Lioka izy ireo dia afaka “hahafantatra ny maha-mafy orina” (andininy 4) ireo fahamarinana izay nampianarina azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.
Lioka 1:5–25
Ny anjely Gabriela dia nilaza tamin’i Zakaria ny hahaterahan’i Jaona afaka fotoana fohy, sy ny amin’ny Elizabeta izay hitoe-jaza.
Asao ireo mpianatra hisaintsaina fitahiana na valim-bavaka iray izay andrasan’izy ireo na antenainy avy amin’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Lioka 1 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo mandritra ny fotoana hiandrasany fitahiana na valim-bavaka iray avy amin’ Andriamanitra.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:5–7, ary asao ny iray kilasy hikaroka ireo olona izay niandry fitahiana manokana nandritra ny fotoana lava teo amin’ny fiainany.
-
Inona avy ireo antsipirihany mombamomba an’i Zakaria sy i Elizabeta izay ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo?
Fintino ny Lioka 1:8–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Zakaria dia voatendry handoro ny ditin-kazo manitra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, izay haja lehibe ho an’ny mpisorona iray ary angamba mety tsy hiverina fanindroany eo amin’ny fiainany.
Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Lioka 1:11–13 sy hikaroka ny zava-nitranga rehefa tao amin’ny tempoly i Zakaria.
-
Araka ny andininy 13, inona no vavaka izay ho valiana amin’i Zakaria sy i Elizabeta? (Tsindrio manokana fa i Zakaria sy i Elizabeta dia mety efa nivavaka nandritra ny taona maro ny mba hanan-janaka. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “efa nohenoina ny fangatahanao” ao amin’io andininy io.)
-
Ahoana no fahatsapana mety nananan’i Zakaria rehefa naheno fa izy sy i Elizabeta dia hanan-janaka lahy na dia “somary efa nandroso taona” aza izy ireo? (andininy 7).
Fintino ny Lioka 1:14–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny anjely Gabriela dia nilaza tamin’i Zakaria fa izy sy i Elizabeta dia “ho faly sy ho ravoravo” (andininy 14) ary ny zanakalahin’izy ireo dia hanomana olona maro ho an’ny Tompo.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:18–20 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny teny navalin’i Zakaria tamin’ilay anjely. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
-
Inona no nitranga tamin’ny Zakaria noho ny fisalasalana nananany tamin’ny zavatra izay nolazain’ilay anjely?
-
Araka ny ao amin’ny andininy 20, Inona no zavatra nolazain’ilay anjely fa hitranga tamin’ireo teny izay nolazainy tamin’i Zakaria? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Ireo tenin’ny Tompo izay nambarany tamin’ny alalan’ireo mpanompony dia ho tanteraka avokoa amin’ny fotoany avy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Inona no dikan’ilay fehezan-teny hoe “amin’ny fotoany avy”? (Araka ny fotoana fantatry ny Tompo fa maha-mety izany.)
Miverena amin’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:
-
Ahoana no ahafahan’ny fahalalana io fahamarinana io hanova ny fomba fijery ananantsika manoloana ireo fampanantenan’ny Tompo? (Rehefa avy mamaly izany ireo mpianatra dia hatsarao ilay fahamarinana misoratra eny amin’ny solaitrabe mba hanome izao fanambarana manaraka izao: Isika dia afaka mitoky amin’ireo fampanantenana avy amin’ny Tompo satria ny teniny dia ho tanteraka avokoa amin’ny fotoany avy.)
-
Ahoana no hanampian’ity fahamarinana ity ny olona iray izay efa niandry hatry ny ela ny fampanantenana masina iray mba ho tanteraka?
Fintino ny Lioka 1:21–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nandao ny tempoly i Zakaria dia tsy afaka niteny intsony izy. Taty aoriana kely dia nitoe-jaza i Elizabeta, araka ny nampanantenain’ilay anjely.
Manasà mpianatra iray (tsara kokoa raha vehivavy) hamaky amin’ny feo avo ireo teny izay nolazain’i Elizabeta ao amin’ny Lioka 1:25. Asao ny iray kilasy hieritreritra ny fahatsapana mety nananan’i Elizabeta rehefa niomana ny hahazo zanaka izy. Mety ilainao ny manazava fa ny teny izay nolazain’i Elizabeta hoe “[efa] nitsinjo ny hahafa-tondromaso [azy] amin’ny olona” ny Tompo dia mety maneho ny henatra izay niainany noho ny fomba fijery tsy marina izay nananan’ny fiaraha-monina avy amin’ireo kolontsaina fahiny izay ahitana fa ny tsy fananan-janaka dia sazy avy amin’ Andriamanitra.
Lioka 1:26–38
Ny anjely Gabriela dia nilaza tamin’i Maria ny hahatongavan’ny fahaterahan’i Jesoa afaka fotoana fohy
Ny anjely Gabriela dia niseho tamin’i Maria
Asehoy ny sary Ny Fiarahabana: Niseho tamin’i Maria ny Anjely Gabriela (Boky Mirakitra ireo Sary momba ny Filazantsara, laharana 28; jereo ihany koa ao amin’ny LDS.org), ary asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny fahatsapana izany hoe nisy anjely iray niseho tampoka tamin’izy ireo izany. Fintino ny Lioka 1:26–27 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nitoe-jaza nandritra ny enim-bolana i Elizabeta, ny anjely Gabriela dia nirahina hankany amin’i Maria, vehivavy tanora iray tao Nazareta.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:28–33. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo fehezan-teny izay mety nanampy an’i Maria hahatakatra ny lanjan’ny andraikitra izay nomen’ Andriamanitra azy.
-
Inona ireo fehezan-teny mety nanampy an’i Maria hahatakatra ny lanjan’ny andraikitra izay nomen’ Andriamanitra azy?
-
Inona no hevitr’ilay anarana hoe “Zanaky ny Avo Indrindra” (andininy 32)? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao: I Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra Ray.)
Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Lioka 1:34 ary hikaroka ny fanontaniana napetrak’i Maria. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Hazavao fa ny teny izay nolazain’i Maria manao hoe “tsy mahalala lahy aho” dia maneho ny mbola naha-virijiny azy.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:35–37, ary asao ireo mpianatra hikaroka ny valintenin’ilay anjely tamin’ny i Maria.
Hazavao fa isika dia tsy mahafantatra, mihoatra ny tantara izay hita ao amin’ny soratra masina ny fomba nitrangan’ilay fahagagana tamin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tao an-kibon’i Maria; Nambara tamintsika tsotra fotsiny ihany fa izany dia tamin’ny fomba mahagaga ary ny zaza izay ho teraka dia ilay Zanak’ Andriamanitra.
-
Araka ny voasoratra ao amin’ny Lioka 1:37, inona no fahamarinana nolazain’ilay anjely izay manampy amin’ny fanazavana ity trangan-javatra mahagaga ity? (Ireo mpianatra dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao: Amin’ Andriamanitra dia tsy misy zavatra tsy ho azo tanterahina. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)
-
Araka ny hevitrao, inona no mety holazain’i Maria sy i Elizabeta mba hankaherezana antsika raha toa ka mahatsapa isika fa tsy ho tanteraka na oviana na oviana ny zavatra izay antenaintsika?
-
Inona no zavatra iray niainanao izay nanatanjaka ny finoanao fa azo tanterahana avokoa ny zava-rehetra rehefa miaraka amin’ Andriamanitra?
Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Lioka 1:38 sy hikaroka ny fomba namalian’i Maria ilay anjely.
-
Inona no porofo hitanao ao amin’io andininy io fa i Maria dia nino ny tenin’ilay anjely?
-
Ahoana no mampiavaka ny faneken’i Maria ny tenin’ilay anjely raha mitaha amin’ny valintenin’i Zakaria tamin’ny teny izay nambaran’ilay anjely tao amin’ny tempoly?
Ankaherezo ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Maria sy i Elizabeta amin’ny finoana fa eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana dia tsy misy zavatra izay angatahin’ny Tompo aminy ka tsy ho azony tanterahina raha toa ka mbola misy ny fanampian’ny Tompo.
Lioka 1:39–56
Namangy an’i Elizabeta i Maria, ary izy ireo dia samy nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy
Namangy an’i Elizabeta i Maria
Raha azo atao dia manehoa sary iray izay maneho ny famangian’i Maria an’i Elizabeta nandritra ny fotoana izay nampitoe-jaza an’i Elizabeta. Anontanio ireo mpianatra raha toa izy ireo ka afaka mamantatra ireo olona sy ny zava-mitranga asehon’ilay sary.
-
Mety hitovy amin’ny vehivavy rehetra ihany i Maria sy i Elizabeta, kanefa ahoana no fomba nitondran’izy ireo anjara asa lehibe izay hanova izao tontolo izao?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:41–45. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fijoroana ho vavolombelon’i Elizabeta tamin’i Maria.
-
Inona no fahatakarana nananan’i Elizabeta sahady momba an’i Maria?
Manasà mpianatra iray (tsara kokoa raha vehivavy) hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 1:46–49. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fomba nideran’i Maria ny Tompo.
-
Inona no fehezan-teny voasoratra ao amin’ny andininy 49 izay nentin’i Maria namaritra ny zavatra izay nataon’ny Tompo taminy? (“Zavatra lehibe.”)
Asao ireo mpianatra hamerina hamaky amim-pahanginana ny Lioka 1:38, 45–46, sy hikaroka ny zavatra nataon’i Maria izay nahafahany namela ny Tompo hanatanteraka “zavatra lehibe” taminy.
-
Inona no zavatra nataon’i Maria izay nahafahany namela ny Tompo hanatanteraka “Zavatra lehibe” taminy.
Tsindrio manokana fa tahaka an’i Zakaria sy i Elizabeta ary i Maria izay samy nanana anjara asa manokana ho tontosaina ao amin’ilay drafitra masina, isika ihany koa dia manana anjara asa manan-danja izay nanendren’ny Tompo antsika.
-
Raha miainga avy amin’ny ohatra nasehon’i Maria, Inona no zavatra hitranga eo amin’ny fiainantsika raha toa ka miezaka amim-pahatokiana isika manatanteraka ireo anjara asa izay nomen’ny Tompo antsika? (Ampio ireo mpianatra hitady izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka miezaka amim-pahatokiana isika ny manatanteraka ireo andraikitra izay nomen’ny Tompo antsika, dia afaka ny hanatanteraka zavatra goavana eo amin’ny fiainantsika Izy.)
-
Inona no sasantsasany amin’ireo anjara asa izay tian’ny Tompo ho tanterahintsika ao amin’ny drafiny?
-
Inona no zavatra mety hitranga eo amin’ny fiainanao raha toa ianao ka mamaly ny Tompo tahaka ny nataon’i Maria?
Lioka 1:57–80
Teraka i Jaona Mpanao Batisa
Fintino ny Lioka 1:57–80 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa teraka i Elizabeta, dia nilaza i Zakaria fa ny anaran’ilay zaza dia tokony hatao hoe Jaona. Rehefa nanao izany izy dia niverina taminy avy hatrany ny fahafahany miteny ary izy dia naminany momba ny antson’i Jesoa sy i Jaona.
Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ny anjara asa masina izay nomena antsika isika tahaka an’i Zakaria sy i Elizabeta ary i Maria, dia afaka ny hanantenteraka zavatra lehibe ho antsika sy amin’ny alalantsika ny Tompo. Ankaherezo ireo mpianatra hanatanteraka ireo anjara asany manokana ao amin’ny drafitry ny Tompo.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Lioka 1:34–35. Ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tao an-kibon’i Maria
Rehefa mampianatra ny Lioka 1:34–35ianao, dia mety hisy fanontaniana hipetraka mikasika ny fomba nahatongavan’i Jesoa Kristy tao an-kibon’i Maria. Raha toa ka misy fanontaniana mipetraka, dia ataovy ao an-tsaina hatrany ity fampitandremana nataon’i Filoha Lee ity:
Raha toa ka hendry ireo mpampianatra amin’ny firesahana [ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tao an-kibon’i Maria] izay efa nolazain’ny Tompo kanefa tamin’ny teny vitsy monja, dia hametra ny adihevitra mikasika ity lohahevitra ity tsy hihoatra ireo teny izay voarakitra momba izany ao amin’ny Lioka 1:34–35 izy ireo. …
“Aoka ny Tompo hitàna izany hijanona amin’ity fanambarana ity ary hiandry ny fotoana ahitany fa maha-mety ny hilazany amintsika bebe kokoa ny momba izany” (The Teachings of Harold B. Lee, ed. Clyde J. Williams [1996], 14).
Lioka 1:38. “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”
Ny dikanteny Grika ny Lioka momba ireo teny nolazain’i Maria ireo dia maneho ny herin’ny fanapaha-keviny. Tsy nanaiky fotsiny tamim-pihatsarambelatsihy izy fa nanaiky tamim-pahavononana tanteraka ny anjara andraikiny ao amin’ny drafitry ny famonjena, toy ny hilaza hoe: “eny tsy am-pisalasalana. Ho mpanompon’ny Tompo aho araka ny voalazanao.” (Ho fanampim-panazavana mahakasika ny valintenin’i Maria, dia jereo ny fizarana ho an’ny Lioka 1:38 ao amin’ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 142.)
Lioka 1:76. “Ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra”
Samy avy amin’ny taranak’i Aarôna avokoa na i Zakaria na i Elizabeta, izay taranaka niavian’ireo mpisorona sy mpisorona avo rehetra an’ny Israely. Ary noho izany i Jaona dia mpandova voajanahary ny Fisoronana Aharôna sy ny fitantanana sahanin’izany. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “i Jaona dia mpisorona taorian’ny rainy, sy nihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna” (ao amin’ny History of the Church, 5:257).