Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily Lehibe nosoratan’i Jakoba


Fampahafantarana ny Epistily Lehibe nosoratan’i Jakoba

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Epistily Lehibe nosoratan’i Jakoba dia fantatr’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsara noho ilay andinin-tsoratra manan-danja ao amin’ny Jakoba 1:5 izay nitarika an’ilay zazalahy Joseph Smith hikatsaka ny fahamarinana tamin’ Andriamanitra. Tao anatin’ny epistiliny i Jakoba dia nanantitrantitra fa isika dia tokony “ho mpankatò ny teny, fa [tsy] mpihaino fotsiny” (Jakoba 1:22). Ny fandalinana ity boky ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampisehoana ny finoany amin’ny alalan’ny asany (jereo ny Jakoba 2:14–26) sy manentana ny fanahiny mba hikatsaka “ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1:12).

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ilay epistily dia milaza fa i “Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy [Jesoa] Kristy Tompo” no nanoratra izany (Jakoba 1:1).

Nilaza ny finoana Kristianina nentim-paharazana fa io Jakoba io, tahaka an’i Joda dia iray amin’ireo zanak’i Josefa sy i Maria ka noho izany dia rahalahin’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 13:55; Marka 6:3; Galatiana 1:19). Ny filazana an’i Jakoba voalohany ao amin’ny fitanisana an’ireo rahalahin’i Jesoa ao amin’ny Matio 13:55 dia mety midika fa izy no zokiny indrindra amin’ireo rahalahiny ireo. Tahaka an’ireo rahalahin’ny Tompo dia tsy tonga dia lasa mpianatr’i Jesoa Kristy voalohany i Jakoba (jereo ny Jaona 7:3–5). Na izany aza, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia iray tamin’ireo olona nisehoan’i Kristy nitsanga-ko velona i Jakoba (jereo ny 1 Korintiana 15:7)

Taty aoriana i Jakoba dia lasa Apôstôly ary araka ny voalazan’ireo mpanoratra Kristianina tany am-boalohany dia lasa eveka voalohan’ny Fiangonana tao Jerosalema (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:17; 21:18; Galatiana 1:18–19; 2:9). Tamin’ny naha-mpitarika tao amin’ny Fiangonana azy dia nanana andraikitra lehibe tamin’ilay filankevitra natao tao Jerosalema izy (Asan’ny Apostoly 15:13). Azo antoka fa ny lazany tao amin’ny Fiangonana dia nohamafisin’ny maha-havan’i Jesoa azy, saingy naneho fanentren-tena i Jakoba tamin’ny filazana ny tenany tsy ho rahalahin’i Jesoa fa mpanompon’ny Tompo (jereo ny Jakoba 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Tsy fantatra ny fotoana nanoratan’i Jakoba ity taratasy ity. Koa satria nipetraka tao Jerosalema i Jakoba ary nikarakara ny raharahan’ny Fiangonana tao dia mety tao amin’io faritra io no nanoratany ny epistiliny.

Ny tsy filazan’i Jakoba ilay fivoriambe tao Jerosalema natao tokony ho tamin’ny 50 taorian’i J.K(jereo ny Asan’ny Apostoly 15) dia afaka manambara fa talohan’ny nisehoan’izany no nanoratana ity taratasy ity. Raha talohan’ilay fivoriambe tao Jerosalema tokoa no nanoratana ity taratasy ity dia izy no iray amin’ireo epistily voalohany izay nosoratana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nosoratan’i Jakoba ho an’ireo “firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana” ny taratasiny (Jakoba 1:1), izany hoe ny mpianakavin’i Isiraely rehetra. Nanasa azy ireo izy mba “handray ny filazantsara … [sy] hiditra ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:243). Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana i Jakoba mba hiaina ny fiainana izay maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Inona avy ireo zava-dehibe miavaka ao amin’ity boky ity?

Ny Epistily Lehibe nosoratan’i Jakoba indraindray dia nosokajiana ho literatioram-pahendrena tahaka ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Testamenta Taloha Ny lahatsoratr’ilay taratasy dia ahitana fanazavana fohy mikasika ireo fitsipiky ny fiainana Kristianina. Ankoatra izany dia misy fitoviana akaiky ny Toritenin’ny Mpamonjy teo An-tendrombohitra izay voarakitra ao amin’ny Matio 5–7 sy ireo tenin’i Jakoba. Ireo foto-kevitra sasantsasany mitovy amin’izany dia ahitana ny fizakana ny fanenjehana (jereo ny Jakoba 1:2–3, 12; Matio 5:10–12); ny fahatongavana ho “tanteraka,” matotra ara-panahy (jereo ny Jakoba 1:4; 2:22; Matio 5:48); ny fangatahana amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:5; Matio 7:7–8); ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:22; Matio 7:21–25); ny fitiavana ny hafa (jereo Jakoba 2:8; Matio 5:43–44; 7:12); ny fahafantarana ny tsara sy ny ratsy amin’ny alalan’ny voany (jereo ny Jakoba 3:11–12; Matio 7:15–20); ny fampandrosoana fihavanana (jereo ny Jakoba 3:18; Matio 5:9); ary ny tsy fianianana (jereo ny Jakoba 5:12; Matio 5:34–37).

Votoatiny

Jakoba 1–2 Miarahaba ireo mpamaky ny epistiliny i Jakoba ary mampahafantatra ireo foto-kevitra lehibe ao anatiny, tafiditra ao anatin’izany ny fizakana fitsapana sy ny fikatsahana fahendrena ary ny fiainana mifanaraka amin’ny finoana arahina. Ny mpihaino ny tenin’ Andriamanitra dia tokony ho mpankatò ny teny ihany koa. Ny “fivavahana madio” dia faritan’i Jakoba amin’ny hoe mikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena ary mikatsaka ny hiaina tsy misy ota (jereo ny Jakoba 1:27). Ny Olomasina dia tokony ho tia ny mpiara-belona aminy sy haneho ny finoany amin’ny alalan’ny asany.

Jakoba 3–4 Maneho ny toetra manimban’ny teny tsy voafehy i Jakoba ary mampifanohitra izany amin’ny vokatry ny fahamarinan’ireo izay mampandroso ny fihavanana. Mampitandrina ireo mpamaky ny asasorany izy mba tsy ho lasa naman’izao tontolo izao fa hanohitra ny devoly ka hanatona an’ Andriamanitra.

Jakoba 5 Mampitandrina ny mpanan-karena izay ratsy fanahy i Jakoba. Mamintina ny epistiliny amin’ny torohevitra momba ny andraikitry ny Olomasina manoloana ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa izy. Manoro hevitra ireo Olomasina izy mba hizaka amim-paharetana mandra-piavin’ny Tompo sy ho marina amin’ny resaka rehetra izay ataony. Mamporisika ireo marary i Jakoba mba hiantso ny loholona mba hanosotra menaka azy ireo.