Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Matio 18:1–22:26 (Fizarana 5)


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano

Matio 18:1-22:26 (Fizarana 5)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Matio 18:1–22:26 (fizarana 5) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Matio 18-20)

Avy tamin’ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra dia nianatra ireo mpianatra fa raha toa ka tiantsika hamela heloka antsika Andriamanitra dia tsy maintsy vonona ny hamela ny heloky ny hafa koa isika. Nianatra mikasika ny fahamasinan’ny fanambadiana ihany koa izy ireo.

Andro 2 (Matio 21:1-16)

Rehefa nandalina ny fiakaran’ny Mpamonjy tamim-pihobiana tao Jerosalema ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso isika dia afaka manampy ny hafa hikolokolo faniriana mba hahafantatra bebe kokoa momba Azy. Avy tamin’ny nanadiovan’ny Mpamonjy ny tempoly dia nianatra ireo mpianatra fa toerana masina ny tranon’ny Tompo, ary maniry Izy mba hanajantsika izany. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia afaka manasitrana antsika ny Tompo.

Andro 3 (Matio 21:17–22:14)

Ireo mpianatra dia nandalina momba ny nanozonan’ny Mpamonjy ny aviavy iray ary avy eo dia nampiasa fanoharana maromaro Izy raha nampianatra tao amin’ny tempoly. Nianatra izy ireo hoe mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy maintsy mankatò ny Raintsika any An-danitra isika ka mibebaka amin’ireo fahotantsika fa tsy milaza na maneho fotsiny fa mankatò Azy. Ny fahamarinana iray hafa nianaran’ny mpianatra dia ny hoe tompon’andraikitra amin’ny famokarana ny voan’ny fahamarinana isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Andro 4 (Matio 22:15–46)

Ireo mpianatra dia nianatra fa nanohy ny fanomezany torolalana tao amin’ny tempoly i Jesoa ary nampianatra ny olona Izy fa manantena antsika ho olom-pirenena vanona sy mpankatò ny lalàn’ny tany ny Tompo. Ny Mpamonjy dia nampianatra fa ireo izay tsy nofehezina tamin’ny vadiny tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana na tamin’ny alalan’ny ôrdônansy isoloan-tena any amin’ny tempoly dia tsy hanambady any amin’ny tontolo ho avy. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha tena tia an’ Andriamanitra sy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika dia hiezaka ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra rehetra.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana sy ny fanajana ireo fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Izy ireo ihany koa dia afaka mianatra ny maha-zava-dehibe ny fifaliana rehefa tahian’ Andriamanitra ny hafa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 19:28–20:16

Nampianatra momba ny fiainana mandrakizay i Jesoa ary nanome ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka Izy

Miangavia mpianatra iray mba handroso eny aloha. Lazao ilay mpianatra fa raha mahavita paompy miisa 10 izy dia homena valisoa kely (tahaka ny vatomamy kely 10 ohatra). Aorian’ny fanaovan’ilay mpianatra ny paompy 10 dia omeo azy ilay valisoa, ary mangataha mpianatra manolo tena hafa mba handroso eny aloha. Asao ilay mpianatra faharoa mba hanao paompy iray ary anontanio ny rehetra avy eo hoe inona no eritreretin’izy fa valisoa tokony ho raisan’io mpianatra io ary nahoana izany. Asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra roa. Ampahafantaro ireo mpianatra fa afaka kelikely mandritra ity lesona ity dia handray valisoa mifandraika amin’ny zavatra hianaran’ny mpianatra ao amin’ny soratra masina ilay mpianatra faharoa.

Hazavao fa rehefa nampianatra tany amin’ny faritanin’i Jodia i Jesoa dia nanontany i Petera hoe inona no ho azon’izy ireo satria nahafoy ny fananany eto amin’izao tontolo izao izy ireo mba hanarahana ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 19:28–30 . Asaivo manaraka ny iray kilasy, sady hitady ny valinteny nomen’ny Mpamonjy an’i Petera.

  • Araka ny andininy 29dia inona no ho lovain’ireo izay mahafoy ny zava-drehetra mba hanarahana ny Mpamonjy?

Hazavao fa nampianatra fanoharana iray tamin’ny mpianany ny Mpamonjy tamin’io fotoana io mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fanirian’ny Ray any An-danitra hanome ny fahafahana handray ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanany rehetra. Ato anatin’ity fanoharana ity dia nampiditra mpiasa tamin’ny fotoana samy hafa nandritra ny andro mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ny lehilahy iray. Azonao atao ny manazava fa ny andro fiasana mahazatra nandritra ny vaninandron’ny Testamenta Vaovao dia tokony nanomboka tamin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva, ka ny halavan’izany dia tsy dia niova firy mandritra ny fizaran-taona samihafa ao anatin’ny taona.

Adikao eo amin’ny solaitrabe na omeo ny mpianatra amina taratasy zaraina izao tabilao manaraka izao:

Mpiasa (Fotoana hanombohana)

Karama nifanarahana

Ora niasana

Vola nomena

Vao maraina (amin’ny 6 ora maraina)

Ora faha-3 (amin’ny 9 ora maraina)

Ora faha-6 (amin’ny 12 ora antoandro)

Ora faha-9 (amin’ny 3 ora tolakandro)

Ora faha-11 (amin’ny 5 ora tolakandro)

Tendreo hiasa amina vondrona kelikely ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky ny Matio 20:1–7 rehefa tafavondrona ao anatin’ny vondrona, ka hitady hoe hafiriana ny andiana mpiasa tsirairay no niasa ary ohatrinona no karama nifanarahany. (Hazavao fa “ny denaria iray” dia ilay vola Romana izay mifandraika amin’ny karama tokony raisin’ny mpiasa isan’andro.)

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanatona eny amin’ny solaitrabe ka hameno ny tsanganana roa voalohany an’ilay tabilao (na asao izy ireo hameno izany ao amin’ny tahadika mitovy izay nozarainao).

  • Araka ny eritreritrao, mety ho iza no tokony handray karama be indrindra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 20:8–10 . Asaivo manaraka izany ny mpianatra rehetra ka hikaroka ny karama nomena ny andiana mpiasa tsirairay.

  • Ohatrinona no karama nomena ny andiana mpiasa tsirairay? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty hoe denaria 1 ao anatin’ny faritra rehetra izay ahitana ny hoe “Vola nomena.”)

  • Raha toa anisan’ireo mpiasa izay niasa nandritra ny andro manontolo ianao dia inona ireo eritreritra na fahatsapana mety nanananao rehefa nandray ny valisoa mitovy tamin’ny an’ireo izay niasa nandritra ny ora iray fotsiny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 20:11–14 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mikaroka ny zavatra nolazain’ireo izay niasa nandritra ny andro manontolo tamin’ny tompon’ny tanim-boaloboka ary inona no nolazain’ity farany tamin’izy ireo.

  • Inona no fitarainana nataon’ireo izay niasa nandritra ny andro manontolo?

  • Inona no namalian’ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’izy ireo?

  • Ahoana no naha ara-drariny ny zavatra nataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka ho an’ireo izay niasa nandritra ny andro manontolo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fahamarinana iray ao anatin’ity fanoharana ity dia hazavao fa ny karama denaria 1 dia afaka maneho ny fiainana tsy manam-petra na fiainana mandrakizay, araka ny voalaza ao amin’ny Matio 19:29. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Andriamanitra dia manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra izay …

  • Raha maneho ny fiainana mandrakizay ny valisoa ao anatin’ity fanoharana ity dia inona kosa no mety ho dikan’ny hoe mpiasa? (Mety hanolotra fitsipika samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana fa ny asa ao anatin’ity fanoharana ity dia maneho ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Aorian’ny famalian’ireo mpianatra an’izany dia fenoy tahaka izao ilay fahamarinana eo amin’ny solaitrabe: Andriamanitra dia manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra izay manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina Aminy.)

Mariho fa ity fahamarinana ity dia manampy antsika hahatakatra ny famindrampon’ny Ray any An-danitra ho an’ny olona izay tsy nanao na nitandrina fanekempihavanana teo am-piandohan’ny fiainany ary ireo izay tsy manana fahafahana hanao izany raha tsy aorian’ny fahafatesany (jereo ny F&F 137:7–8).

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa Andriamanitra dia manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra izay misafidy ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina Aminy, na amin’ny fotoana oviana no hanaovana izany na amin’ny fotoana oviana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay mpianatra faharoa izay nanao paompy iray fotsiny, dia manontania avy eo hoe:

  • Inona araka ny eritreritrao no valisoa tokony ho raisin’ity mpianatra ity noho ny nanaovany paompy iray? (Omeo an’ity mpianatra ity ny valisoa mitovy amin’ny an’ilay mpianatra nanao paompy 10.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 20:15–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny valinteny nomen’ny tompon’ny tanim-boaloboka ho an’ireo izay nitaraina momba ny hoe nahalala-tanana tamin’ny mpiasa hafa izy.

  • Araka ny hevitrao dia inona no tian’ny tompon’ny tanim-boaloboka nolazaina rehefa nanontany izy hoe , “Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?” (andininy 15).

Hazavao fa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza momba an’io fanontaniana io tamin’ny fomba hafa tahaka izao manaraka izao: “Nahoana ianao no hialona satria nisafidy ny ho tsara fanahy aho ?” (“Ireo Mpiasa ao amin’ny Tanim-boaloboka,” Ensign na Liahona, mey 2012, 31).

  • Inona no dikan’ny andian-teny ao amin’ny andininy 16 manao hoe “maro [no] voantso, fa vitsy no voafidy”? (Ny hoe voantso dia midika fa voasa mba handray anjara amin’ny asan’ny Ray any An-danitra. Ny hoe voafidy kosa dia milaza ny fandraisana ireo fitahiany—anisan’izany ny fitahian’ny fiainana mandrakizay. Jereo koa ny F&F 121:34–40.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy tamin’ny andininy 16? (Mety hahita fitsipika maromaro ireo mpianatra, ka anisan’izany izao manaraka izao: Raha misafidy ny hialona ny fitahian’ny Ray any An-danitra ho an’ny hafa isika, dia mety ho very ireo fitahiana izay tiany omena antsika avy eo.)

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asao ny mpianatra hisaintsaina ny hoe ahoana no mety hakana fanahy azy ireo ho be fialonana amin’ny fitahiana izay omen’ny Ray any An-danitra ho an’ny hafa:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Hisy ny fotoana eo amin’ny fiainantsika izay hahazoan’ny olona hafa fitahiana tsy nampoizina na mari-pankasitrahana manokana. Miangavy anareo aho mba tsy ho tafintohina—ary indrindra mba tsy hialona mihitsy—rehefa mahazo fitahiana ny olona hafa iray? Tsy hoe lasa maivan-danja izany isika rehefa mahazo zavatra bebe kokoa ny hafa. Tsy mifaninana izany isika samy isika mba hahitana izay manan-karena indrindra na tsara tarehy indrindra na koa aza hoe izay voatahy be indrindra. Ny fifaninanana tena ataontsika dia ny fifaninanana hanohitra ny fahotana. …

“… Ny fitsiriritana na ny fiavonavonana, na ny famingampinganana ny hafa dia tsy manatsara ny momba anao, ary ny fanambanimbanianao ny hafa koa dia tsy manatsara endrika anao. Noho izany dia aoka ianao ho tsara fanahy sy ho feno fankasitrahana fa tsara fanahy Andriamanitra. Fomba fiainana mitondra hafaliana izany” (“Ireo Mpiasa ao amin’ny Tanim-boaloboka,” 31, 32).

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra rehefa nandalina ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity. Omeo fotoana ny mpianatra mba hahafahany mameno an’ilay fehezan-teny ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina: Raha miainga avy amin’ny zavatra nianarako tamin’io fanoharana io dia …

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy, raha tsy manahirana azy ireo izany, mba hizara ny zavatra nosoratany ho an’ny rehetra.

Fizarana manaraka (Matio 23:1–26:30)

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fizarana manaraka dia asao izy ireo handinika ny fomba tsara indrindra hanomanany ny tenany amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Inona ireo fahamarinana nampianarina rehefa nanome ny fanoharana momba ireo virijiny folo sy ireo talenta ary ny ondry sy ny osy i Jesoa Kristy? Inona no ôrdônansy naorin’ny Mpamonjy mba hanoloana ny Paska? Asao ireo mpianatra hitady valinteny ao amin’ny fandalinany mandritra ny herinandro ho avy.