Lesona 68
Jaona 8:31–59
Fampidirana
Nanohy nampianatra tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy taorian’ireo Andro Firavoravoana Tabernakely. Nampianatra momba ny fahafahana amin’ny fahotana Izy. Rehefa nanambara i Jesoa Kristy fa Izy no ilay Jehovah lehibe dia niezaka nitora-bato Azy ny Jiosy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Jaona 8:31-36
Mampianatra momba ny fahafahana amin’ny fahotana i Jesoa
Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny zavatra nianarany tao amin’ny lesona teo aloha dia tazony amin’ny tanana ny vatokely iray. Asao ny mpianatra hamintina fohy ny zavatra navalin’ny Mpamonjy rehefa nitondra teo Aminy vehivavy iray tratra nijangajanga ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, sy ny zavatra nampianariny taorian’izay (jereo ny Jaona 8:1–30). (Tsy nanameloka ilay vehivavy ny Mpamonjy ary nilaza taminy hoe “aza manota intsony” [andininy 11]. Taorian’izay i Jesoa dia nampianatra fa Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” [andininy 12] ka rehefa mino Azy sy mankatò ireo zavatra ampianariny isika dia afaka mahafantatra ny Ray.)
-
Araka ny voalazan’ny Jaona 8:30, inona no fiantraikan’ny fihetsika sy ny tenin’i Jesoa teo amin’ny maro tamin’ireo Jiosy?
Hazavao fa na dia maro tamin’ny Jiosy aza no nino an’i Jesoa dia nanohy nanohitra Azy ny Jiosy sasany rehefa nampianatra ny olona mikasika ny maha-mpianatra sy ny fahamarinana ary ny fahafahana sy ny fanandevozana Izy.
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:31–32. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa fa ilaintsika hatao mba hahazo fahafahana.
Asao ny mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe ka hameno ny banga avy amin’ny zavatra nolazain’i Jesoa fa ilaintsika hatao mba hahazo fahafahana. Tokony hitovy amin’izao manaraka izao ilay kisary:
-
Inona no dikan’ny hoe “maharitra amin’ny teni[n’i Kristy]”? (andininy 31).
-
Ahoana no hamintinanao amin’ny endrika fehezanteny milaza fitsipika ireo fampianaran’i Jesoa Kristy voarakitra ao amin’ny andininy 31–32? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy makà antoka fa mazava tsara ny hoe raha maharitra amin’ny tenin’i Jesoa Kristy isika dia ho lasa mpianany ka hahafantatra ny fahamarinana, izay hanafaka antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io . Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny Jaona 8:36 dia manantitrantitra fa noho i Jesoa Kristy no ahafahana manafaka antsika.)
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mihaino ireo zavatra azo hanafahana antsika ny mpianatra raha toa isika ka miaina mifanaraka amin’ny tenin’ny Mpamonjy:
“Afaka amin’ny hery mahaverin’ny fotopampianarana diso; afaka amin’ny fanandevozan’ny fanirian’ny nofo sy ny fitsiriritana; afaka amin’ny rojo vy mangejan’ny fahotana; afaka amin’ny faharatsiana rehetra sy ny fitaoman-dratsy ary ny hery manakana sy mametra; afaka mizotra mankany amin’ny fahafahana tsy misy fetra izay ny olona nasandratra ihany no migoka azy feno” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965–73], 1:456–57).
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:33. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra ninoan’ny Jiosy fa hanafaka azy ireo.
-
Inona no ninoan’ny Jiosy fa hanafaka azy ireo? (Nanana fiheverana diso izy ireo fa ny maha-taranak’i Abrahama azy ireo fotsiny sy ny maha-mpandova azy ireo ao anatin’ny fanekempihavanana nataon’i Abrahama dia manome azy ireo fahafahana ara-panahy.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:34–36. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa fa tokony hanafahana ireo vahoaka.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 34, inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hanafahana ireo vahoaka?
Hazavao fa ny matoanteny Grika izay nadika hoe “manota” ao amin’ny andininy 34 dia entina ilazana hevitra hoe manohy miaina ao anatin’ny fahotana fa tsy mibebaka.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 34? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manota isika ka tsy mibebaka, dia lasa andevon’ny ota.)
-
Inona no dikan’ ny hoe “andevon’ny ota”?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fifandraisana misy eo amin’ireo fitsipika roa hitan’izy ireo dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:
-
Nahoana ny olona sasany amin’izao fotoana izao no mety hampifangaro ireo fahamarinana ireo amin’ny alalan’ny finoana fa ny fanarahana ny Mpamonjy dia mahatonga antsika ho tafiditra ao anatin’ny fanandevozana, raha toa kosa ka miteraka fahafahana ny fanaovana ota?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo fitsipika roa hitan’izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny fanarahana ny fakam-panahi[n’i Satana] dia mahatonga ny safidy azontsika atao hihavitsy hatrany hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana izay tsy hisian’ny safidy azo atao intsony ka mitarika antsika ho amin’ny fiankinan-doha izay mamela antsika tsy hanana hery hanoherana intsony. …
“… Izao tontolo izao dia mijery ny zavatra rehetra araka ny fomba fijerin’i Kôrihôra, ka mihevitra fa ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ Andriamanitra dia ‘fanandevozana’ (Almà 30:24, 27). …
“… Moa ve misy olona misalasala fa, noho Izy manana ny fahazavana sy ny fahamarinana rehetra, dia manana ny fahafahana faratampony mba hijanona ho Andriamanitra sy hanao zavatra Andriamanitra?
“Mitovy amin’izany ihany, rehefa mitombo ny fahatakarantsika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia mihamivelatra ny fahafahantsika misafidy. Voalohany, dia manana safidy bebe kokoa isika ka afaka manantanteraka zavatra bebe kokoa sy mahazo fitahiana lehibe kokoa satria manana lalàna betsaka kokoa azontsika ankatoavina isika. … Faharoa, dia afaka manao safidy am-pisainana kokoa isika rehefa mitombo ny fahatakarantsika satria tsy ireo safidy azo atao fotsiny ihany no hitantsika mazava kokoa, fa ireo mety ho vokatr’izany ihany koa ” (“Moral Agency,” Ensign, jona 2009, 49, 50–51).
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba handalina ny fizarana iray nomena azy ao amin’ny Ry tanora, mahereza (kiboky, 2011). Asao ny mpianatra hanoritra ity tabilao manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina (azonao soritana eny amin’ny solaitrabe izany). Asao ny vondrona tsirairay hiara-hamaky ny fizarana nomena azy ao amin’ny Ry tanora, mahereza ka hameno ilay tabilao.
|
Fenitra resahina ao amin’ny Ry tanora, mahereza: |
Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fiainana io fenitra io fahafahana? |
Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny tsy fiainana io fenitra io fanandevozana? |
|---|---|---|
Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia asao ny vondrona tsirairay mba hifanakalo namana miaraka amin’ny vondrona iray hafa ka hampianatra ny zavatra nianarany mikasika ny fenitra izay nohalalinin’izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ireo mpianatra.
-
Inona avy ireo fahafahana nampanantenaina ao amin’ny Ry tanora, mahereza izay niainanao manokana?
Asao ny mpianatra hanoratra fomba iray miavaka izay hikatsahan’izy ireo ny fomba hahazoana fahafahana amin’ny alalan’ny fiainana mifanaraka amin’ny tenin’ny Mpamonjy.
Jaona 8:37–59
Mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa
Asao ny mpianatra hamaly fohifohy ity fanontaniana manaraka ity:
-
Iza no olona fantatrao fa mitovy be amin’ny rainy?
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 8:37–40, 44–45. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny tsy hitovian’ireo mpitarika Jiosy nanohitra ny Tompo amin’i Abrahama ilay mpaminany lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha, izay lazain’izy ireo fa rainy.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 39, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa ho nataon’izy ireo raha toa izy ireo ka zanak’i Abrahama?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 40, inona no nokatsahin’izy ireo hatao kanefa tsy ho nataon’i Abrahama mihitsy?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 44-45, iza no nolazain’i Jesoa fa rain’izy ireo? (Ny devoly.) Tamin’ny fomba ahoana no nanarahan’izy ireo ny devoly?
Fintino ny Jaona 8:46–50 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa ireo izay avy amin’ Andriamanitra dia mandray ny teniny. Niezaka naniratsira an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy tamin’ny alalan’ny fiantsoana Azy hoe Samaritana (satria nankahalain’ny Jiosy ny Samaritana tamin’ny ankapobeny) ary nilaza izy ireo fa nitoeran’ny devoly Izy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:51–53. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fanontaniana napetrak’ireo mpitarika Jiosy tamin’i Jesoa.
-
Inona no fanontaniana napetrak’ izy ireo tamin’i Jesoa? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ilay fanontaniana hoe “Hianao va lehibe noho Abrahama rainay?” ao amin’ny andininy 53.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:56–58. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady izay navalin’i Jesoa ny fanontanian’ireo Jiosy.
-
Inona no navalin’i Jesoa ilay fanontaniana hoe “Hianao va lehibe noho Abrahama rainay?” (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” ao amin’ny andininy 58.)
Hazavao fa ilay andian-teny hoe “Izy Aho” ao amin’ny andininy 58 dia entina ilazana an’i Jehovah. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Inona no dikan’ny teny hoe “Izy Aho”? (Io teny io dia manondro an’i Jehovah, ny Andriamanitr’i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Mety ilainao ihany koa ny manazava fa ny dikanteny Septante no dikanteny Grikan’ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masiny: I Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.)
-
Miainga avy amin’ny fandalinanao ny andininy 58, inona no navalin’i Jesoa ilay fanontaniana hoe lehibe noho i Abrahama ve Izy sa tsia?
Mampisehoa sary maromaro avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara ([2009]; jereo koa ny LDS.org) izay mampiseho ireo fahagagana voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha (toy ny Ireo telo lahy tao anatin’ny afo, lah. 25; na Daniela tao an-davaky ny liona, lah. 26).
-
Raha toa ianao ka nijoro teo anatrehan’i Jesoa ka nahare Azy nanambara fa Izy no ilay nanatanteraka ireo fahagagana voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha dia inona no mety ho navalinao Azy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 8:59. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fihetsika nasetrin’ireo mpitarika Jiosy ny fanambarana nataon’i Jesoa fa Izy no Jehovah. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Nahoana ianareo no mahatsapa fa zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha?
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mamarana izany amin’ny fizarana ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona anananao.
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina
Ny ankamantatra sy ny fitsapam-pahaizana dia manome fahafahana ny mpianatra hitsapa ny fahaizany mitadidy ireo andinin-tsoratra fehezina. Ny famantarana omena dia azo atao teny manan-danja na toko sy andinin-tsoratra masina, na ampahany avy amin’ny teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina, na tantara kely izay maneho ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina. Ireo ankamantatra sy fitsapam-pahaizana dia azo atao am-bava, na eny amin’ny solaitrabe na an-taratasy. Rehefa avy namaly fanontaniana na nanao fitsapam-pahaizana ireo mpianatra dia ampiaraho amin’ireo mpianatra manana naoty ambony ireo izay manana naoty ambany kokoa. Ireo mpianatra manana naoty ambony kokoa dia afaka manao toy ny mpampianatra mba hanampiana ilay mpianatra izay ambany naoty kokoa handalina sy hivoatra. (Raha manao izany ianao dia makà antoka fa ianao dia manao izany amin’ny fomba izay tsy mahamenatra ireo mpianatra manana olana.)
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jaona 8:33. “Taranak’i Abrahama izahay”
Ny fanambarana nataon’ny Jiosy fa taranak’i Abrahama izy ireo dia maneho fahadisoan-kevitra iraisan’ny rehetra mahakasika ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha. Ity fanazavana manaraka avy ao amin’ny Bible Dictionary ity dia manazava ireo fampanantenana natao tamin’ireo taranak’i Abrahama sy ny andraikitr’izy ireo:
“Nandray voalohany ny filazantsara tamin’ny alalan’ny batisa i Abrahama (izay fanekempihavanan’ny famonjena). Dia nomeny azy ny fisoronana ambony kokoa, ary nanao fanambadiana selestialy izy (izay fanekempihavanan’ny fisandratana), ka nahazo toky vokatr’izany fa hanana fitomboana mandrakizay izy. Farany dia nahazo fampanantenana izy fa hatolotra ny taranany rehetra eto an-tany ireo fitahiana rehetra ireo (F&F 132:29–50; Abr. 2:6–11). … Hahazo tany ho lova mandrakizay ny taranak’i Abrahama (Gen. 17; 22:15–18; Gal. 3; Abr. 2). Ireo fampanantenana ireo indray miaraka no antsoina hoe fanekempihavanan’i Abrahama. …
“Ireo ampahany amin’ny fanekempihavanana izay mahakasika ny famonjena ny tena manokana sy ny fitomboana mandrakizay dia havaozina amin’ny alalan’ny isam-batan’olona izay mandray ny ôrdônansin’ny fanambadiana selestialy (jereo ny F&F 132:29–33). Ireo izay tsy ao anatin’ny taranak’i Isiraely, izay fantatry ny besinimaro amin’ny hoe ny Jentilisa, dia atsangana ho ao amin’ny mpianakavin’i isiraely, ka lasa mpandova ny fanekempihavanana sy ny taranak’i Abrahama, amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara (Gal. 3:26–29).
“Ny maha-mpandova ny fanekempihavanan’i Abrahama dia tsy mahatonga ny olona iray ho lasa ‘olona voafidy’ avy hatrany, fa midika hoe ny olona toy izany dia voafidy mba hiandraikitra ny fampielezana ny filazantsara amin’ny olona rehetra eto an-tany. Ny taranak’i Abrahama dia nanatanteraka ny asa fitoriana ny filazantsara manerana ny firenena rehetra hatramin’ny andron’i Abrahama. (Mat. 3:9; Abr. 2:9–11)” (Bible Dictionary, “Abraham, Covenant of”).
Jaona 8:58. Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho”?
Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny teny hoe “Izy Aho”:
“I Jesoa no Jehovah … (jereo ny Eks. 6:3; Sal. 83:18; Isa. 12:2; Isa. 26:4.) Ny fampiasana io anarana masina io dia nohamafisina ihany koa ao amin’ny soratra masina maoderina (jereo ny Môrô. 10:34; F&F 109:68; F&F 110:3; F&F 128:9). Ny hoe Jehovah dia nosintonina avy amin’ny teny Hebreo hoe hayah, izay midika hoe ‘misy’. Ny endrika iray hisehoan’ny teny hoe hayah ao amin’ny lahatsoratra Hebreo ao amin’ny Testamenta Taloha dia nadika hoe IZAHO IZAY IZY (jereo ny Eks. 3:14).
“Tena miavaka fa ny hoe IZY AHO dia nampiasain’i Jehovah ho toy ny anarana hiantsoana ny tenany (jereo ny F&F 29:1; F&F 38:1; F&F 39:1). Vakio ity fifampiresahana mahaliana nalaina tao amin’ny Testamenta Taloha ity. Vao nahazo andraikitra masina tsy notadiaviny i Mosesy tamin’izay, iraka mba hitarika ny zanak’i Isiraely hiala amin’ny fanandevozana. Teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay no nitrangan’izany:
“‘Fa hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao sy hitondra ny Zanak’Isiraely hivoaka avy any Egypta?’
“Tsy isalasalana fa nahatsapa ho tsy nanana ny fahaizana hanao ilay antsony i Mosesy, tahaka ahy sy ianao rehefa omena andraikitra feno fanamby.
“‘Ary hoy [indray i] Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
“‘Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo.
“‘Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho aty aminareo; izany no anarako mandrakizay’ (Eks. 3:11, 13–15).
“Nampahafantarin’i Jehovah an’i Mosesy araka izany io anarana io, izay nofidiany tamim-panetrentena mba hiantsoana sy hahalalana Azy talohan’ny nahaterahany: ‘IZY AHO’” (“Jesus the Christ: Our Master and More,” Ensign, apr. 2000, 6–7).