Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera


Fampahafantarana ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Foto-kevitra iray hita manerana ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mizaka sy miatrika fahoriana sy fanenjehana ny mpianatry ny Mpamonjy. Ny toko tsirairay ao amin’ny 1 Petera dia miresaka momba ny fitsapana na ny fahoriana, ary i Petera dia nampianatra fa ny fizakana ireo fitsapana amim-paharetana dia “tsara lavitra noho ny volamena” ary hanampy ireo mpino hahazo “famonjena ny fanahi[ny]” (1 Petera 1:7, 9). Nampahatsiahivin’i Petera koa ireo Olomasina fa izy ireo dia “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany” (1 Petera 2:9). Rehefa mandalina ny torohevitra nomen’i Petera ato amin’ity epistily ity ireo mpianatra dia afaka mahazo fanantenana sy fankaherezana ary hery izay afaka manampy azy ireo amin’ireo fanamby atrehin’izy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I “Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy” no nanoratra ity epistily ity (1 Petera 1:1). “I Petera dia fantatra tamin’ ny anarana hoe Simeona na Simona tamin’ ny voalohany (2 Pet. 1:1), ary mpanarato avy any Betsaida izay nonina tao Kapernaomy niaraka tamin’ ny vadiny. … Nantsoina niaraka tamin’ i Andrea rahalahiny i Petera mba ho mpianatr’ i Jesoa Kristy (Mat. 4:18–22; Marka 1:16–18; Lioka 5:1–11). …

“… Nifidy [an’i Petera] hihazona ny fanalahidin’ ny fanjakany eto an-tany ny Tompo (Mat. 16:13–18). …

“I Petera no lohan’ ny Apostoly tamin’ny androny” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Petera,” scriptures.lds.org).

Ny asa soratr’i Petera dia maneho ny fivoarany avy tamin’ny naha-mpanarato tsotra azy ka tonga Apôstôly lehibe.

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Teo anelanelan’ny 62 sy 63 taorian’i J.K teo no mety nanoratan’i Petera ny Epistiliny voalohany. Tao “Babylona” izy no nanoratra (1 Petera 5:13), angamba ohatra maneho an’i Roma.

Ekena fa i Petera dia maty nandritra ny fanjakan’i Néron, mpanjaka Romana—mety taorian’ny 64 taorian’i J.K, tamin’ny fotoana nanombohan’i Néron nanenjika ireo Kristianina (jereo ny Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao amin’ireo faritany dimy tao Asie Mineure, izay ao Turquie ankehitriny no nanoratan’i Petera ity epistily ity (jereo ny 1 Petera 1:1). Noraisin’i Petera ho “olom-boafidin’[Andriamanitra]” ireo mpamaky ny epistiliny (1 Petera 1:1). Nanoratra izy mba hanamafisana orina sy hankaherezana ireo Olomasina ao amin’ny “fizahan-toetra ny finoa[ny]” (1 Petera 1:7) sy mba hanomanana azy ireo amin’ny “fizahan-toetra mahamay” izay ho avy (1 Petera 4:12). Ny hafatr’i Petera dia nampianatra azy ireo ihany koa ny amin’ny zavatra atao manoloana ny fanenjehana (jereo ny 1 Petera 2:19–23; 3:14–15; 4:13).

Tena tonga tamin’ny fotoana tokony hahatongavany ny hafatr’i Petera satria efa teo am-pidirana tao anatin’ny fotoana nisian’ny fanenjehana mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana. Hatramin’ny 64 taorian’i J.K.teo ho eo, tokony ho tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ity epistily ity, dia nandefitra tamin’ny finoana Kristianina ny fanjakana Romana tamin’ny ankapobeny. Ny volana jolay tamin’io taona io dia noravaravain’ny afo ny ampahany lehibe tamin’i Roma, ary araka ny tsaho dia ny Amperora Néron izy tenany mihitsy no nandidy ny hampirehetana ny afo. Tao anatin’ny ezaka hamiliana ny tsiny noho ilay loza no niampangan’ireo Romana sasantsasany manana toerana ambony ny Kristianina ho nampirehitra ilay afo. Izany dia nitarika fanenjehana mafy ireo Kristianina nandritra ny Fanjakana Romana. Nilaza i Petera fa raha “mijaly satria [Kristianina]” (1 Petera 4:16) ireo Olomasina dia afaka mahatsapa fifaliana izy ireo rehefa mahafantatra fa manaraka ny dian’i Jesoa Kristy izy ireo (jereo ny 1 Petera 2:19–23; 3:15–18; 4:12–19).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Nandritra ny fijaliana sy ny fanenjehana natrehan’ireo Olomasina tamin’ny fotoan’androny i Petera dia namporisika azy ireo mba hifampiankina amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy (jereo ny 1 Petera 1:22; 3:8–9) Ankoatra izany dia mamaky isika ao amin’ny 1 Petera 5 fa i Petera dia nanazava ny fomba tokony hanamafisan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana orina ireo mpikambana.

Ity epistily ity angamba no ahitana ireo andinin-tsoratra masina mazava indrindra mikasika ny tontolon’ny fanahy sy ny asa famonjena izay atao any. Nilaza fohifohy i Petera fa nitsidika ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy mba hitory amin’ireo fanahy tsy mpankatò izay niaina tamin’ny andron’i Noa (jereo ny 1 Petera 3:18–20). Nanampy izy fa ny filazantsara dia notoriana tamin’ireo maty mba hanomezana ny olona tsirairay izay efa maty ny fahafahana ho tsaraina mitovy amin’ireo velona (jereo ny 1 Petera 4:5–6). Tamin’izao fotoampitantanana misy antsika izao ny Filoha Joseph F. Smith dia nisaintsaina ny dikan’ny 1 Petera 3:18–20 sy ny 1 Petera 4:6 raha nahazo fanambarana izay nanazava ireo fotopampianarana momba ny tontolon’ny fanahy izy (jereo ny F&F 138).

Topimaso

1 Petera 1:1–2:10 Nanoratra mikasika ny ilàn’ireo Olomasina mitombo ara-panahy mba hahazoana valisoa mandrakizay i Petera. Ny fampanantenana famonjena dia tanteraka amin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy. Ny Olomasina dia “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany” (1 Petera 2:9) izay manana ny famindram-pon’ Andriamanitra.

1 Petera 2:11–3:12 Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hanaja ny olona rehetra sy hanaiky ireo manampahefana ara-panjakana sy ny lalàna. Miresaka amina vondron’Olomasina manokana i Petera, dia: ireo olom-pirenena afaka, mpanompo, vehivavy manambady ary lehilahy manambady.

1 Petera 3:13–5:14 Rehefa mampijaly ireo Olomasina ny fanenjehana dia tokony hahatsiaro ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy izy ireo, izay nijaly ka nahazo ny fisandratana avy eo. Nitory ny filazantsara tamin’ireo maty i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo mahazo fitsarana ara-drariny. Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fikarakarana ny ondrin’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tokony hanetry tena ny Olomasina sy hanankina ny fanahiany amin’ Andriamanitra.