Tahirim-pitaovana
Lesona 52: Lioka 13–14


Lesona 52

Lioka 13–14

Fampidirana

Nampianatra momba ny fibebahana sy ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana tamin’ny andro Sabata. Nampiasa fanoharana ihany koa Izy mba hampianarana momba ny fanetrentena sy ny saran’ny maha-mpianatra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 13:1–14:14

Nanasitrana tamin’ny andro Sabata i Jesoa ary nampianatra momba ny fanetrentena sy ny fikarakarana ireo sahirana

Vakio mafy izao trangan-javatra manaraka izao: Miara-mipetraka amin’ny namanao maromaro ianao mandritra ny fisakafoanana antoandro ary nahatsikaritra mpianatra iray manao akanjo efa ratsiratsy izay mipetra-drery. Nisy olona iray tamin’ireo olona niaraka taminao teo ireo nanao fanamarihana maneho tsy fanajana mikasika ny endrika ivelan’ilay mpianatra, koa dia nihomehy izany ireo namanao.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo manoloana io toe-javatra io.

  • Inona avy ireo fihetsika maro isan-karazany azonao atao manoloana io toe-javatra io?

Asao ireo mpianatra hijery ao amin’ny Lioka 13–14 ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fifandraisana amin’ny olona izay sahirana kokoa noho isika.

Fintino ny Lioka 13:1–14:6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nilaza fanoharana iray momba ny hazo aviavy izay hokapaina raha toa ka tsy mamoa voa, izay mampianatra fa isika dia ho very raha toa ka tsy mibebaka. Nanasitrana vehivavy iray Izy tamin’ny andro Sabata ary nampianatra momba ny fanjakan’ Andriamanitra sy ireo izay afaka hiditra izany. Nitomany ihany koa Izy ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema izay ho avy faingana. Ao amin’ny Lioka 14:1–6 dia mamaky isika fa ny Mpamonjy dia nasaina hisakafo ao an-tranon’ny anankiray amin’ny lehiben’ny Fariseo tamin’ny andro Sabata. Talohan’ny sakafo, ny Mpamonjy dia nanasitrana lehilahy iray nararin’ny manirano, aretina izay nahatonga ny vatan’ilay lehilahy hisy fivontosana mitahiry ranon-javatra.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay avy hamaky am-pahanginana ny Lioka 13:15–16 ary ny mpianatra iray hafa hamaky am-pahanginana ihany koa ny Lioka 14:5–6. Asao ireo mpianatra hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo izay niampanga Azy tamin’ny fandikana ny andro Sabata noho ny fanasitranany ireo olona ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany amin’ny mpiara-miasa aminy.

Rehefa ampy ny fotoana nomena, dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona avy ireo fehezanteny mamaritra ireo zavatra hataon’ny Fariseo amin’ireo biby fiompiny amin’ny andro Sabata? (Mamaha azy ireo amin’ny fatorany sy misintona azy ireo hivoaka ao an-davaky ny fantsakana.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomen’ny Mpamonjy momba ny fanajana ny andro Sabata sy ny fitandremana izany ho masina? (Ny fanompoana ireo olona sahirana dia azo tanterahana tsara amin’ny andro Sabata. Ny ohatra marina nomen’ny Mpamonjy dia mifanohitra amin’ny toe-tsaina nananan’ny Fariseo sasany izay manamarina ny fanampiana ny biby fa tsy ny olona amin’ny andro Sabata.)

Fintino ny Lioka 14:7–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny fanasitranana ilay lehilahy nararin’ny manirano, ny Mpamonjy dia nananatra mafy ireo vahiny hafa izay nasaina hisakafo amin’ny fiezahan’izy ireo hanandran-tena amin’ny fipetrahana eo amin’ireo toerana manan-kaja indrindra akaikin’ny mpampiantrano.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 14:12–14. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ilay Fariseo izay nanasa Azy hisakafo.

  • Inona no fananarana nomen’ny Mpamonjy io Fariseo io?

  • Inona no sasany amin’ireo antony mety mahatonga ny olona manasa ny namany sy ireo mpifanolobodirindrina aminy izay manan-karena mba hiara-hisakafo aminy?

Hazavao fa tamin’ny andron’ny Mpamonjy, ireo izay kilemaina, mandringa na jamba dia nanana fahasarotana matetika teo amin’ny fivelomany ary dia nahantra vokatr’izany. Ny sasany tamin’ireo Fariseo dia nijery fotsiny ireny olona ireny (jereo ny Lioka 16:14–31).

  • Inona no sasany amin’ireo antony mahatonga ny olona amin’izao fotoana izao hijery fotsiny ny hafa?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny Lioka 14:14 momba ny fiezahana hanampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika? (Ity manaraka ity dia fitsipika iray mety ho hitan’ireo mpianatra: Raha toa isika ka miezaka manampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika dia hamaly soa antsika ny Tompo amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Tsindrio manokana fa ho fanampin’ny fanomezana valisoa amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny Tompo dia hitahy antsika ihany koa amin’ity fiainana ity rehefa miezaka manampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika isika.

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika manampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no efa nandray fitahiana avy amin’ny fiezahana nanampy olona izay sahirana kokoa?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fomba izay ahafahan’izy ireo manampy ireo olona izay sahirana kokoa noho izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hanoratra tanjona iray mba hanompo ireo izay sahirana kokoa noho izy ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie fandraisany naoty ao an-dakilasy.

Lioka 14:15–35

Nanao fanoharana momba ilay fanasana lehibe i Jesoa ary nampianatra mikasika ny saran’ny maha-mpianatra

Asao ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasantsasany amin’ireo zavatra takiana mba hanaovan’izy ireo fanoloran-tena na hafoiny amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Inona no sasantsasany amin’ireo fialan-tsiny izay mety haka fanahy ny olona mba ho ampiasaina mba hialàna amin’ny fanaovana ireo fanoloran-tena ireo?

Rehefa manohy mandalina ny Lioka 14 ny iray kilasy dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay mampianatra ny zavatra takian’i Jesoa Kristy amin’ireo mpianany.

Hazavao fa taorian’ny nananaran’i Jesoa ilay Fariseo mba hanasa ireo sahirana kokoa hisakafo, dia nisy olona iray tao amin’ilay efitrano nilaza Taminy nanao hoe: “Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Lioka 14:15). Ho valin’izany teny izany, ny Mpamonjy dia niresaka ny fanoharana momba ilay fanasana lehibe.

Asao ireo mpianatra hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 14:16–24 miaraka amin’ilay mpianatra niara-niasa taminy tetsy aloha iny ihany. Asao ny iray amin’ireo mpianatra isaky ny vondron’ olon-droa hikaroka ny fanasana izay noraisin’ireo olona tao amin’ilay fanoharana. Asao ny mpianatra iray hafa isaky ny vondron’ olon-droa tsirairay hikaroka ireo fialan-tsiny nataon’ireo olona izay nandà ilay fanomezana. Rehefa ampy ny fotoana nomena, dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Ahoana no itovian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fanasana lehibe iray? (Ireo valim-panontaniana dia mety ahitana izao manaraka izao: ny filazantsara dia fanomezana iray izay efa nomanina ho antsika; izany dia afaka mameno antsika sy manome fahafaham-po ny filantsika. Isika dia efa nasaina handray amin’izany; ary afaka manaiky na mandà ilay fanasana mba handray amin’izany isika.)

  • Inona avy ireo fialan-tsiny nataon’ireo olona izay tsy nanaiky ilay fanasana mba ho tonga amin’ilay fanasana lehibe?

  • Inona no asehon’ireo fialan-tsiny ireo mikasika ny zavatra ataon’izy ireo laharam-pahamehana?

Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 24, inona no vokatry ny fametrahana laharam-pahamehana hafa alohan’ny Tompo sy ny filazantsarany? (Tokony hahita fitsipika iray toy izao manaraka izao ireo mpianatra: Raha toa isika ka mametraka laharam-pahamehana hafa alohan’ny Tompo sy ny filazantsarany dia hamery ireo fitahiana izay tokony horaisintsika.)

Asao ireo mpianatra hijery ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe mikasika ireo fanoloran-tena izay mety angatahana mba hataon’izy ireo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy ireo fitahiana mety ho very raha toa isika ka tsy vonona ny hanao ireo fanoloran-tena ireo?

Hazavao fa taorian’ny fampianarana io fanoharana io, ny Mpamonjy dia niresaka tamin’ny vahoaka momba ny zavatra takiany amin’ireo mpianany. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 14:25–27. Omeo toromarika izy hamaky ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 26 (ao amin’ny Lioka 14:26, fanovozan-kevitra b eny ambanin’ny pejy) sy ho an’ny andininy 27 (ao amin’ny Lioka 14:27, fanovozan-kevitra b eny ambanin’ny pejy). Asao ireo mpianatra hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy ny amin’ny zavatra tsy maintsy hananan’ireo mpianany fahavononana mba hatao.

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy ny amin’ny zavatra tsy maintsy hananan’ireo mpianany fahavononana mba hatao?

Hazavao fa ny iray amin’ireo famaritana ny teny Grika izay nadika hoe fankahalana dia ny hoe “manena ny fitiavana” (James Strong, The Exhaustive Concordance of the Bible [1890], “misĕō,” 48). Ny Mpamonjy dia nanazava fa ho an’ireo mpianany, ny fanolorantenan’izy ireo ho an’ny fianakaviany eny fa na dia ho an’ny tenany manokana aza dia tsy maintsy apetraka aorian’ny fanoloran-tena ho Azy (jereo ihany koa ny Matio 10:37). Ny hoe mitondra ny hazo fijaliana dia miresaka momba ny fanomboana amin’ny hazo fijaliana sy maneho ny fahavononana takiana mba hahafoy ny aina ho an’i Kristy izay nanome ny fiainany ho antsika (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26 [ao amin’ny Matio 16:24, fanovozan-kevitra e eny ambanin’ny pejy]).

  • Inona avy ireo fahamarinana mikasika ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Mety hahita fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo ny fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao: Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy manam-pahavononana ny hahafoy ny zava-drehetra ka hanaraka azy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra io fahamarinana io eo amin’ny sisin’ny pejy eo anilan’ny Lioka 14:25–27.)

  • Araka ny hevitrao, nahoana ireo mpianatr’i Jesoa Kristy no tokony hanam-pahavononana ny hametraka Azy alohan’ny zava-drehetra, koa tafiditra ao anatin’izany ireo mpikambana ao amin’ny fianakavian’izy ireo sy ny fiainany manokana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay fehezanteny hoe Ampitoero ao am-ponareo izany (andininy 27, fanovozan-kevitra b eny ambanin’ny pejy).

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ilay fehezan-teny hoe “Ampitoero ao am-ponareo izany”? (Hazavao fa ao amin’ny sahan-kevitra ny hoe mampitoetra dia midika hoe tapa-kevitra na manapa-kevitra hentitra.)

  • Inona no tian’ny Mpamonjy hampitoerintsika ao am-pontsika?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Lioka 14:27? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mampitoetra ao am-pontsika ny fanaovana ireo zavatra ampianarin’ny Mpamonjy sy andidiana antsika isika dia ho lasa mpianany.)

Zarao amin’ny mpianatra ny tahadikan’izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Larry W. Gibbons avy ao amin’ny Fitopololahy. Manasà mpianatra iray hamaky izany amin’ny feo avo. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra azontsika atao mba hiaina io fitsipika io.

Loholona Larry W. Gibbons

“Rehefa manomboka mametraka ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana ianao dia tsarovy fa ny hany tena fiarovana eo amin’ny fiainana dia ny fiainana ireo didy. …

“… Akory ny halehiben’ny fandraisana fanapahan-kevitra mialoha atao indray mandeha ho an’ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana ny amin’ny zavatra hataonao sy ny zavatra tsy ho ataonao manoloana ny fahamarinan-toetra, fahamaontinana, fahadiovam-pitondrantena, ny tenin’ny fahendrena sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

Ry rahalahy sy anabavy, mijanòna eo amin’ny lalana ety sy tery. Tsia, mijanòna eo afovoan’ilay lalana ety sy tery. Aza mihataka ny lalana; aza mirenireny; aza varindriana; ary aoka hitandrina.

“… Ny fiainana ireo didy dia hitondra ho anao ilay fahasambarana izay tadiavin’ny maro any an-toeran-kafa any” (“Wherefore, Settle This in Your Hearts,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 103, 104).

  • Inona no didy izay nandraisanao fanapahan-kevitra hentitra mba hankatoavina? Ahoana no nitahiana anao tamin’ny nandraisanao fanapahan-kevitra ny hankatò izany didy izany?

Ankaherezo ireo mpianatra hampitoetra ao am-pony “ny zavatra hatao … na tsy ho [ataon’izy ireo] manoloana ny fahamarinan-toetra, fahamaontinana, fahadiovam-pitondrantena, ny tenin’ny fahendrena sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly.” Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ireo fanapaha-keviny ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Hazavao fa taorian’ny fampianarana ireo fitsipika ireo mikasika ny maha-mpianatra, dia nanao fanoharana roa ny Mpamonjy. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 14:28–30 ary mpianatra iray hafa hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 14:31–33. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hisaintsaina ny zavatra asehon’ireo fanoharana roa ireo.

  • Araka ny hevitrao, inona no asehon’ireo fanoharana roa ireo?

Hazavao fa ireo fanoharana ireo dia samy maneho ny maha-zava-dehibe ny maminavina na ny famantarana ny zavatra ilaina manoloana ny atrikasa iray alohan’ny hanombohana izany mba hamantarana raha toa ianao ka afaka hahavita izany. Ny Mpamonjy dia naniry ireo mpanara-dia azy mba handinika tsara raha toa izy ireo ka nanam-pahavononana hanao fanoloran-tena tamin’ny zava-drehetra mety nilaina izay ahafahan’izy ireo hanohy hatramin’ny farany ny maha-mpianatra azy ireo. (Jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 14:31 [ao amin’ny Lioka 14:30, fanovozan-kevitra a eny ambanin’ny pejy].)

Asao ireo mpianatra hamerina handinika ny lisitr’ireo fanoloran-tena eny amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra vitsivitsy hanazava ny antony mahatonga azy ireo ho vonona hanao ireo fanoloran-tena ireo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

Diniho ny hanasana ireo mpianatra hanisy marika ny andininy 33, izay ahitana famintinana tsotra ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ity toko ity. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Lioka 14:12–14. Raha toa isika ka miezaka manampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika, dia hitahy antsika ny Tompo.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny sasany amin’ireo fitahiana izay afaka ho raisintsika noho ny fanampiantsika ny hafa:

“Rehefa manolotra ny tanantsika sy ny fontsika amin’ny hafa isika ao anatin’ny fitiavana araka ny an’i Kristy, dia mitranga eo amintsika ireo zavatra mahafinaritra. Ny fanahintsika tsirairay dia ho sitrana, hihatsara bebe kokoa ary ho lasa matanjaka kokoa. Isika dia ho lasa faly kokoa, hanam-piadanana kokoa, ary ho mora mandray bebe kokoa ireo bitsiky ny Fanahy Masina” (“You Are My Hands,” Ensign na Liahona, mey 2010, 75).

Lioka 14:15–24. Fanoharana momba ilay fanasana lehibe

Mba hianarana bebe kokoa mikasika ny fanoharana momba ilay fanasana lehibe, dia jereo ny fanazavana ao amin’ny Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra (Church Educational System manual, 2014), 164).