Lesona 108
1 Korintiana 11
Fampidirana
Niresaka momba ny fifandirana nisy teo anivon’ireo Olomasina Korintiana mikasika ny fombafomba ara-pivavahana i Paoly. Noantitranteriny fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia manana anjara asa mandrakizay sy masina ary tena mifameno ao anatin’ny drafitry ny Tompo. Nampianatra ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny fiomanana tena tokony hatao amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ihany koa izy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
1 Korintiana 11:1–16
Niresaka momba ny fifandirana mikasika ny fombafomba tamin’ny androny i Paoly
Manehoa sarina mpivady (toy ny Mpivady tanora mandeha mankany amin’ny tempoly, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 120; jereo koa ny LDS.org). Vakio mafy ity teny nambara manaraka ity izay ahitana taratra izay mety ho tsapan’ny olona sasany momba ny fanambadiana:
-
“Ny fahitana fahombiazana amin’ny asako no tena manan-danja indrindra amiko. Tsy tiako hizarazara amin’ireo tanjoko amin’ny asako sy ny fanambadiako ny fifantohako.”
-
“Tsy te hiditra ao anatin’ny fiarahana maharitra aho. Manahy ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izay hanenenako any aoriana aho.”
-
“Hametra ny fahalalahako ny fanambadiana. Tsy afaka hanao izay tiako hatao aho.”
-
“Fantatro fa ny fanambadiana no fanapahan-kevitra manan-danja indrindra horaisiko, ary tsy andriko izany.”
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fanambadiana. Asao izy ireo rehefa mandalina ny 1 Korintiana 11:1–16 mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo sy ny hafa hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 11:3. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra dia hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny andraikitry ny lehilahy .
-
Inona no anjara asan’ny lehilahy? (Mety ilainao ny manazava fa ny andian-teny hoe “ny lehilahy … no lohan’ny vehivavy” dia midika fa ny lehilahy dia manana ny anjara asa masina hiahy ny tokantrano. Ny hoe miahy dia midika hoe mitarika amim-pahamarinana sy mitarika ny hafa amin’ireo raharaha ara-panahy sy ara-nofo.)
-
Iza no tokony hiahy sy hitarika ny lehilahy eo am-piahiany ny fianakaviany?
Fintino ny 1 Korintiana 11:4–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia namaly ireo fanontaniana mikasika ireo fombafomba ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mivavaka sy maminany izy ireo mandritra ireo fivoriana fitsaohana.
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ireo mpamaky ny Testamenta Vaovao indraindray dia tsy mahatakatra ny fampianaran’i Paoly ka milaza fa izany dia midika fa manan-danja kokoa noho ny anjara asan’ny vehivavy ny anjara asan’ny lehilahy na ambony kokoa na manan-danja kokoa noho ny vehivavy ny lehilahy. Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Mira lenta ny lehilahy sy ny vehivavy eo imason’ Andriamanitra sy eo imason’ny Fiangonana, saingy ny hoe mira lenta dia tsy midika hoe mitovy. Ny andraikitra sy ny fanomezam-pahasoavana masin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy hafa eo amin’ny toetrany fa tsy amin’ny lanjany na ny fiantraikany. Ny fotopampianaran’ny Fiangonantsika dia mametraka ny vehivavy hitovy lenta amin’ny lehilahy kanefa samy hafa amin’ny lehilahy. Andriamanitra dia tsy mijery hoe ny lahy na ny vavy no tsara kokoa na manan-danja kokoa noho ny iray” (“Men and Women in the Work of the Lord,” New Era, apr. 2014, 4).
Asao hamaky mafy ny 1 Korintiana 11:11 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fifandraisan’ny mpivady.
-
Inona no nampianarin’i Paoly momba ny fifandraisan’ny mpivady?
Resaho ilay andian-teny hoe “ao amin’ny Tompo.” Hazavao fa io andian-teny io dia entina ilazana ny drafitry ny Tompo mba hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy ka hahazo ny fiainana mandrakizay.
-
Inona ny fotopampianarana ampianarin’io andininy io momba ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny drafitry ny Tompo? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Ao anatin’ny drafitry ny Tompo, ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy afaka mahazo ny fiainana mandrakizay raha toa ka tsy eo ny iray amin’izy ireo. [Jereo ny F&F 131:1–4.])
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay fahamarinana hita etsy ambony dia mitazòna hety iray dia manomboha manapaka taratasy iray. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa nosarahana roa ilay hety.
-
Mety ho toy ny ahoana ny fahombiazan’ny olona iray raha manandrana manety taratasy iray amin’ny antsasak’ilay hety fotsiny izy? Inona no mampitovy an’ilay hety amin’ny mpivady miara-miasa?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Araka ny tendrin’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mandray anjara amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatratrarana ny firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy mandavorary ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy mandavorary ny lehilahy rehefa mianatra avy amin’ny tsirairay sy mifankahery ary mifampitahy izy ireo” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 83–84).
-
Mifameno amin’ny fomba ahoana ireo toetoetra samihafa sy ireo andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fianakaviana iray?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fomba fisainana samy hafa momba ny fanambadiana izay naseho tao anatin’ireo teny nambara novakinao tany am-piandohan’ny lesona. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny lanjan’ny fanambadiana ao anatin’ny drafitry ny Tompo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao.
1 Korintiana 11:17–34
Nampianatra ny Olomasina Korintiana i Paoly mba tsy hanamaivana ny fanasan’ny Tompo
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto: traikefa ara-panahy tena izy, fanavaozana ny fanahy, ny fotoan-dehibe indrindra amin’ny andro Sabatako.
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo farany indrindra rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo sy hieritreritra raha toa izy ireo ka hampiasa ny iray amin’ireo andian-teny eny amin’ny solaitrabe mba hamariparitana ny zavatra niainan’izy ireo. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 11:17–34 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo hanao izay hahatonga ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho zavatra iainana ara-panahy sy manan-danja kokoa.
Hazavao fa tamin’ny andron’i Paoly, ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nanohy nanaraka fombafomba ho fahatsiarovana ny Fanasana farany. Niara-nisakafo izy ireo ary avy eo dia nandray ny fanasan’ny Tompo. Fintino ny 1 Korintiana 11:17–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia niresaka ny tatitra voarainy fa rehefa niangona ireo Olomasina Korintiana mba handray ny fanasan’ny Tompo dia nisy fisarahana na fifandirana teo anivon’izy ireo. Nanameloka ny Olomasina i Paoly noho izy ireo namadika ireo fiaraha-mivory ireo ho fiaraha-misakafo fa tsy nitazona ny fahamasinan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 11:23–26. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasain’i Paoly notsaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny fanasan’ny Tompo .
Asehoy ilay sary hoe Ilay Fanasana Farany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 54; jereo ihany koa ny LDS.org).
-
Inona no nolazain’i Paoly fa nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo mpianany mba hotsaroan’izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?
-
Mety nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana sahirana tamin’ny fisaratsarahana tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny vatana sy ny ran’ny Mpamonjy nandritra ny fanasan’ny Tompo?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 11:27–30. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fampitandremana nomen’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana momba ny fanasan’ny Tompo.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 27 sy 29 dia inona no nampitandreman’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana?
-
Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny zavatra mitranga rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mitondra fanamelohana sy ozona ho an’ny tenany ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana.)
Hazavao fa “tsy voatery ho tonga lafatra [isika] vao afaka mandray ny fanasan’ny Tompo, saingy tokony hanana toetra manetry tena sy vonona hibebaka ao am-po[ntsika isika]” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 148). Raha mandray ny fanasan’ny Tompo isika kanefa miaina ao anatin’ny fahotana lehibe na manana fo tsy mibebaka, sady tsy manana faniriana ny hahatsiaro sy hanaraka ny Mpamonjy dia mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana isika. Amporisiho ny mpianatra hivavaka amin’ny Rainy any An-danitra sy hiresaka amin’ny evekany (jereo ny 3 Nefia 18:26–29) raha manana fanontaniana mikasika ny fahamendrehan’izy ireo mba handray ny fanasan’ny Tompo.
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no hitondra fanamelohana ho an’ny fanahintsika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana?
-
Araka ny voalazan’ny 1 Korintiana 11:28, dia inona ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo mpikamban’ny Fiangonana? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Tokony hanao tombantombana momba ny fiainantsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.)
Hazavao fa ny tanjona hanaovana tombantombana momba ny fiainana dia tsy hoe hieritreretana fotsiny ihany raha toa isika ka mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo na tsia fa mba hieritreretana ihany koa ny hatsaran’ny ezaka ataontsika mba hitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo sy ny fomba mety hikatsahantsika ny hibebaka sy hivoatra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter ity:
“Nametraka ity fanontaniana ity tamin’ny tenako aho: ‘Mametraka an’ Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra ve aho ary mitandrina ny didiny rehetra?’ Aorian’izay dia mandinika ilay fanontaniana aho ary manapa-kevitra ny amin’izay fanatsarana tokony hoentiko. Adidy tena manan-danja ny manao fanekempihavanana amin’ny Tompo mba hitandrina mandrakariva ny didiny ary tena manan-danja toy izany ihany koa ny fanavaozana izany fanekempihavanana izany amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Tena zava-dehibe ireo fotoam-pisainana masina eo am-pandrosoana ny fanasan’ny Tompo. Fotoana hanaovana tombantombana momba ny tena manokana sy fandinihan-tena izy ireo—fotoana handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra” (“Thoughts on the Sacrament,” Ensign, mey 1977, 25).
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra izay mety ho fomba hampiharan’izy ireo ilay fahamarinana hitany tao amin’ny 1 Korintiana 11:28 dia asao izy ireo hieritreritra ireo fanontaniana izay azon’izy ireo dinihina eo am-piomanany handray ny fanasan’ny Tompo. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manontany hoe “Amin’ny fomba ahoana no hahafahako ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa?” Asao ny mpianatra hizara ireo fanontaniana hafa azon’izy ireo apetraka amin’ny tenany. Azonao atao ihany koa ny mandroso fanontaniana vitsivitsy avy aminao manokana. Asao ny mpianatra hitanisa ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo fanontaniana azon’izy ireo apetraka amin’ny tenany mandritra ny fanasan’ny Tompo eo am-pandrefesan’izy ireo ny fahamendrehany.
Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mandrefy ny fahamendrehany mialoha sy mandritra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny mpianatra dia afaka manampy azy ireo ny Tompo mba hahafantaran’izy ireo ny fomba azony hanatanterahana amin’ny fomba tsara kokoa ny fanekempihavanana nataony ka ho mendrika ny handray ireo fitahiana iriany homena azy ireo. Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana ireo ny fanadiovana azy ireo amin’ny fahotany sy ny fahazoana bebe kokoa ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra hametraka tanjona mikasika ny fomba hiomanan’izy ireo tsara kokoa amin’ny fahafahana manaraka ananan’izy ireo mba handraisana ny fanasan’ny Tompo.
Fintino ny 1 Korintiana 11:33–34 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana fanampiny ho an’ireo Olomasina Korintiana mikasika ny sakafo nohanin’izy ireo tao anatin’ny fikarakarana ny fanasan’ny Tompo i Paoly.
Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana hita tao amin’ny 1 Korintiana 11.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
1 Korintiana 11:11. “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy”
Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa manana anjara asa mira lenta kanefa miavaka tsara ny lehilahy sy ny vehivavy:
“Ao amin’ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra hanomezany ny fisoronana ho an’ny olona, dia manana andraikitra tokana ireo lehilahy mba hampiasana ny fisoronana, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. … Amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana” (“Izao no asako sy ny voninahitro,” Ensign na Liahona, mey 2013, 19).
“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mamintina ireo andraikitra nomen’ Andriamanitra ny mpivady:
“Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Ensign, nôv. 2010, 129).
Ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra lesona manan-danja mikasika ny andraikitra ifampizaran’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fitondrana ny fianakaviana:
“Ny lehilahy iray mihazona ny fisoronana dia manaiky ny vadiny ho mpiara-miasa aminy amin’ny fitarihana ny tokantrano sy ny fianakaviana ka samy mahalala feno ireo fanapahan-kevitra mifandray amin’izany sy mandray anjara feno amin’ireo fanapahan-kevitra rehetra ireo. Tsy maintsy misy ny mpitarika mpiahy ao amin’ny Fiangonana sy ao an-tokantrano (jereo ny F&F 107:21). Apetraka eo amin’ny mpihazona ny fisoronana avy amin’ny fanendren’ Andriamanitra ny andraikitra hitarika ny tokantrano (jereo ny Mosesy 4:22). Ny vehivavy dia nataon’ny Tompo ho mpanampy sahaza ny lehilahy (ny hoe sahaza dia midika hoe mitovy)—izany hoe namana mitovy sy ilaina ao anatin’ny fifandraisana feno. Ny fitarihana amim-pahamarinana dia ilàna andraikitra ifampizaran’ny mpivady; miara-miasa ombam-pahalalana sy fandraisana anjara amin’ny zavatra rehetra mahakasika ny fianakaviana ianareo. Ho an’ny lehilahy iray, ny manao zavatra tsy miankina amin’izay mety hoe fahatsapana sy torohevitra ananan’ny vadiny na tsy mandraharaha izany eo amin’ny fitarihana ny fianakaviana dia fampiasana fanapahana tsy rariny” (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, nôv. 1994, 50–51).
1 Korintiana 11:27–29. Inona no dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo tsy am-pahamendrehana?
Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra fa “rehefa tsy manaraka ireo didy isika, rehefa mandika lalàna isika, rehefa tezitra sy mankahala ary manana alahelo dia tokony hieritreritra tsara mihitsy isika raha toa ka tokony handray ny fanasan’ny Tompo” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 225).
Ny Loholona John H. Groberg tao amin’ny Fitopololahy dia nanazava fa ny fomba fisainantsika dia ampahany fototra mandrafitra ny fahamendrehantsika handray ny fanasan’ny Tompo:
“Raha toa isika maniry ny hivoatra (izany hoe hibebaka) ka tsy iharan’ny famerana avy amin’ny fisoronana, dia mendrika isika, araka ny hevitro. Kanefa, raha tsy maniry ny hivoatra isika, raha tsy manana faniriana ny hanaraka ny torolalan’ny Fanahy, dia mila manontany tena hoe: Mendrika ny handray ve isika, sa manaraby fotsiny ny tena tanjon’ny fanasan’ny Tompo, izay fomba fanatanterahana ny fibebahan’ny tena manokana sy fomba enti-mivoatra?” Raha mahatsiaro ny Mpamonjy sy izay rehetra efa nataony sy mbola hataony ho antsika isika dia hanatsara ny zavatra ataontsika, ka noho izany dia hanatona Azy bebe kokoa, ary izany dia manampy antsika mandrakariva hanao ireo zavatra hahazoana ny fiainana mandrakizay.
“Raha mandà ny hibebaka sy hivoatra anefa isika, raha tsy mahatsiaro Azy sy mitandrina ny didiny, dia efa nampitsahatra ny fivoarantsika, ary izany dia fanamelohana ny fanahintsika” (“The Beauty and Importance of the Sacrament,” Ensign, mey 1989, 38).
1 Korintiana 11:27–32 Tsy tokony hohamaivanina mihitsy ny fanasan’ny Tompo
Tsy tokony hohamaivanina na oviana na oviana ny fanasan’ny Tompo satria ôrdônansy masina izany. Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa “ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo no maha-masina sy maha-zava-dehibe indrindra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana” (“Ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fanasan’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 17).
Ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa ny fanasan’ny Tompo “no fotoana manan-danja indrindra ao anatin’ny fanajantsika ny andro Sabata ”(“Worshiping at Sacrament Meeting,” Ensign, Aug. 2004, 26).
Ny Loholona Melvin J. Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tsy tapaka dia afaka mitondra fiarovana ara-panahy ho antsika:
“Tianay ny Olomasin’ny Andro farany tsirairay hanatona ny latabatry ny fanasan’ny Tompo satria izany no toerana fanadihadiana ny tena sy fanaraha-maso ny tena, izay mety ianarantsika hanitsy ny diantsika sy hanova ho marina ny fiainantsika manokana, ary hitondra ny tenantsika mba hirindra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana sy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. izany no toerana izay hahatongavantsika ho mpitsara ny tenantsika manokana. …
“… Ny hany zavatra mety hahomby mba ho fiarovana ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia ny mandray ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata. Tsy ho lasa lavitra dia lavitra ny Tompo isika amin’izay ao anatin’ny herinandro—tsy ho lasa lavitra loatra ka hoe tsy ho afaka ny hanitsy izay zavatra ratsy mety ho nataontsika isika amin’ny alalan’ny dingan’ny fandinihan-tena manokana. … Ny lalana mankeo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo no lalan’ny fiarovana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Bryant S. Hinckley, Sermons and Missionary Services of Melvin Joseph Ballard [1949], 150–51).