Tahirim-pitaovana
Lesona 8: Matio 4


Lesona 8

Matio 4

Fampidirana

Taorian’ny batisany, dia nifady hanina sy nifandray tamin’ny Ray any An-danitra tany an-efitra nandritra ny 40 andro i Jesoa. Naka fanahy an’i Jesoa ny devoly taorian’izany. Nanohitra ny fakam-panahy tsirairay tamin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina i Jesoa. Nankany Galilia ny Mpamonjy, toerana izay niantsoany an’i Petera sy ireo hafa mba hanaraka Azy sy nandehandehanany nampianatra sy nitory ary nanasitrana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 4:1–11

Nanohitra ireo fakam-panahin’ny devoly i Jesoa

Miangavia mpianatra manolo tena iray mba handroso eny aloha. Omeo fanamby izy mba hifantoka amin’ny zavatra iray ao anatin’ny efitra mandritra ny 30 segonda, kanefa tsy hijery lavitra. Rehefa manomboka ilay mpianatra dia handramo helingelenina amin’ny fifantohana amin’ilay zavatra izy. Ohatra, azonao atao ny mampiseho zavatra miloko mazava be, na mitabataba mafy na manolotra sakafo ho an’ilay mpianatra. Aorian’ny 30 segondra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nanao ahoana ny nataonao? Nahoana ianao no afaka, na tsy afaka nifantoka?

  • Inona no noeritreretinao nandritra ireo 30 segondra?

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana itovian’izany amin’ny ezaka ataontsika mba hifantoka amin’ny fankatoavana ireo didin’ny Ray any An-danitra? Manambara inona ireo fiezahana handrebireby ilay mpianatra? (Ireo ezaka amin’ny fakana fanahy antsika mba hanota.)

  • Nahoana i Satana no maka fanahy antsika mba hanota? (Jereo ny 2 Nefia 2:17–18, 27.)

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba hakan’i Satana fanahy azy ireo mba hanota. Rehefa mandalina ny Matio 4 izy ireo dia asao mba hikaroka fitsipika azony hampiharina mba hanampiana azy ireo hanohitra ny fakam-panahy.

Hazavao fa taorian’ny batisany dia niaina traikefa izay nanampy Azy hiomana amin’ny asa fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 4:1–2 ka mifantoha amin’ireo zavatra tsy mitovy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith sy ny lahatsoratra niandohana. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra niainan’i Jesoa tany an-efitra. (Mety mila manazava ianao fa ato anatin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe mifandray dia midika hoe “miaraka” na manana fifandraisana akaiky.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fifadiankanina sy fiarahana amin’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa hiomana amin’ny asa fanompoana teto ambonin’ny tany?

  • Inona no nokasain’i Satana atao taorian’ny fotoana nifadian’i Jesoa hanina sy nifandraisany tamin’ny Rainy?

handout iconZarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Zarao amin’ny mpinamana tsirairay ny tahadikan’ity tabilao manaraka ity na asaivo adikan’izy ireo ao amin’ny kahie fandraisany naoty na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina izany:

taratasy zaraina, ireo fakam-panahy nahazo an’i Kristy

Matio 4:1–11

Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 8

Ny nakan’i Satana fanahy an’i Jesoa

Ny fomba namalian’i Jesoa ilay fakam-panahy

Matio 4:3-4

Matio 4:5-7

Matio 4:8–11

Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ary hameno ilay tabilao. Alohan’ny fanombohana ity asa ity dia hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia nanitsy andian-teny tao amin’ny Matio 4:5, 8 mba hampisehoana fa ny Fanahy, fa tsy ny devoly akory no nitondra ny Mpamonjy tamin’ireo toerana hafa nofariparitana tao amin’ireo andininy ireo (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Lioka 4:5 ; Lioka 4:9 ).

Rehefa nanana fotoana ampy namenoana ilay tabilao ny mpianatra dia angataho ny mpinamana vitsivitsy mba hanao tatitra ny zavatra nosoratany tao amin’ny faritra tokony hofenoana tsirairay. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no faniriana tian’i Satana haseho rehefa naka fanahy an’i Jesoa, izay nifady hanina, mba hamadika ny vato ho mofo izy? (Tiany ny hanehoana ny faniriana hamoky ny hanoanana ara-batana.)

  • Inona no diso tamin’ny fanaovan’i Satana tolotra ny hanomezana an’i Jesoa ireo fanjakan’izao tontolo izao? (I Satana dia nampanantena valisoa izay tsy afaka atolony sy tsy afaka omeny.)

  • Inona koa no hampisehoan’ity tantara ity antsika momba ny tetiky ny devoly amin’ny fakana fanahy antsika? (I Satana dia mikendry ny fahalementsika indrindra na ny lafiny hahalavo antsika indrindra ary maka fanahy antsika tsy tapaka izy.)

Mariho fa taty aoriana i Jesoa dia nampangina ny hanoanany ary nanova ny zavatry ny tany ho sakafo mihitsy aza (jereo ny Jaona 2:1–11). Handray fanamafisana sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra momba ny asa fanompoany ihany koa Izy (jereo ny Matio 17:1–5; Lioka 22:41–44), ary indray andro any dia hanjaka eto amin’izao tontolo izao (Zakaria 14:9; Apokalypsy 11:15). Ny fandraisan’i Jesoa ny fahatanterahan’ireo faniriana ireo amin’ny fomba nakan’i Satana fanahy Azy—fa tsy amin’ny fiandrasana ny fotoana maha-mety izany sy ny fomba maha-mety izany—anefa dia ho fanararaotana amim-pitiavantena fotsiny ny herin’ny Mpamonjy. I Jesoa dia hametraka ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, fa tsy amin’ny fandidian’i Satana. (Jereo ny Jeffrey R. Holland, “The Inconvenient Messiah,” Ensign, feb. 1984, 68–73.)

  • Inona no hitovian’ny valintenin’ny Mpamonjy isaky ny fakam-panahy tsirairay? (I Jesoa dia namaly ny fakam-panahin’i Satana tsirairay tamin’ny fitanisana ny soratra masina.)

Asao ny mpianatra hiasa tsiroaroa ka hanoratra fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanoherana ny fakam-panahin’ny devoly. Manasà mpianatra maromaro hanoratra ny fitsipika hitany eny amin’ny solaitrabe. Eo am-pizaran’ny mpianatra ireo fitsipika hitan’izy ireo dia antitrantero ity fitsipika manaraka ity: Afaka manohitra ireo fakam-panahin’ny devoly isika rehefa mahatsiaro sy mampihatra ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny soratra masina. Raha tsy hita mazava tsara ho anisan’ny fitsipika hitan’ny mpianatra ity fahamarinana ity dia ampio amin’izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe izany.

Mariho fa ny Mpamonjy dia tsy nahatsiaro fotsiny ireo soratra masina izay nanazava ny lalana tokony hizorana mikasika ny zavatra tokony atao manoloana ny fakam-panahy tsirairay fa nampihatra ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ireo soratra masina ireo koa Izy.

  • Raha eo am-pandinihana ny fitsipika hitantsika momba ny herin’ny fitadidiana sy fampiharana ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny soratra masina, nahoana no manan-danja ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina?

Omeo taratasy iray ny mpinamana tsirairay ary angataho izy ireo mba hanao tsanganana telo ao amin’izany. Omeo toromarika izy ireo mba hanoratra fahotana telo izay mety ho fakam-panahy mahazo ny tanora mitovy taona amin’izy ireo. Angataho izay ireo mba hanoratra ao amin’ny tsanganana faharoa ny fomba hitaoman’i Satana ny olona iray hanao ny fahotana tsirairay izay nosoratan’izy ireo tao amin’ny tsanganana voalohany. Asaivo mifanakalo taratasy amin’ny mpinamana hafa ny mpianatra. Dia omeo toromarika izy ireo avy eo mba hikaroka andinin-tsoratra masina voafaritra mazava tsara izay mampianatra ireo fahamarinana azon’ny olona iray tadidiana sy ampiharina rehefa alaim-panahy hanatanteraka ny fahotana tsirairay izay voatanisa tao amin’ilay taratasy azon’izy ireo. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hitodika amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina toy ny Genesisy 39:9; Jaona 14:15; na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5.) Angataho ny mpianatra mba hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo ao amin’ny tsanganana fahatelo.

Aorian’ny minitra vitsivitsy dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny mpinamana tsirairay mba hizara ny andinin-tsoratra masina hitan’izy ireo ho an’ny fakam-panahy iray ao amin’ny taratasiny. Angataho izy ireo mba hanazava ny fomba ahafahan’ilay soratra masina manampy antsika rehefa miatrika izany fakam-panahy izany.

  • Oviana ianao no nahazo tanjaka sy afaka nanohitra fakam-panahy iray noho ny fitadidianao sy fampiharanao ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny soratra masina? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra niainana izay tena natokana ho an’ny tenany ihany na tsiambaratelo izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny andinin-tsoratra masina iray izay hotadidiany sy hampihariny amin’ny fotoana manaraka hakàna fanahy azy ireo mba hanota. Amporisiho izy ireo hitadidy ny soratra masina nofidiany.

Matio 4:12–17

Nitoetra tao Galilia i Jesoa

Fintino ny Matio 4:12–15 amin’ny fanazavana fa taorian’ny zavatra niainany tany an-efitra dia nankany Galilia sy nitoetra tao amin’ny tanànan’i Kapernaomy ny Mpamonjy. I Matio dia nanamarika fa ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany Galilia dia fahatanterahan’ny faminaniana nataon’i Isaia (jereo ny Isaia 9:1–2). Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Matio 4:16. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra naminanian’i Isaia fa hitranga. Mariho fa mianatra isika avy amin’io faminaniana io fa I Jesoa Kristy dia mitondra fahazavana eo amin’ny fiainan’ireo izay ao anatin’ny haizina. Entano ireo mpianatra mba hikaroka ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany nandritra ny asa fanompoany.

Fintino ny Matio 4:17 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanomboka nitory fibebahana ho fanomanana ny fanorenana ny fanjakan’ny lanitra eo anivon’ny olombelona.

Matio 4:18-22

Niantso amin’i Petera sy ireo hafa mba hanaraka Azy i Jesoa

Ny fiantsoana ireo Mpanarato

Asehoy ilay sary Ny Fiantsoana ireo Mpanarato (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 37; jereo koa ny LDS.org). Hamafiso fa ny lehilahy roa teo anoloan’ny sambokely dia i Petera sy i Andrea rahalahiny.

  • Inona no nataon’izy ireo tamin’ilay harato?

Hazavao fa raha toa ny olona hafa mety nihevitra an’i Petera sy i Andrea ho toy ny mpanarato tsotra ihany dia i Jesoa Kristy kosa nahita ny fahafahan’izy ireo ho lasa lehibe ary nahafantatra hoe ho lasa olona toa ahoana izy ireo.

  • Ahoana no fomba itoviantsika amin’i Petera sy i Andrea?

Rehefa manohy ny fandalinana ny Matio 4 ny mpianatra dia asao izy ireo mba hikaroka ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hampiova antsika tanteraka tahaka ny irian’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Matio 4:18–22. Asaivo manaraka ny mpianatra mba hitady ny zava-niseho tamin’ny Mpamonjy sy ny mpanarato sasantsasany.

  • Nantsoin’ny Mpamonjy mba hanao inona i Petera, Andrea, Jakoba ary i Jaona? Inona no atao hoe “[mpanarato] olona”? (andininy 19).

  • Inona no fahafoizan-tena tokony hataon’ireo lehilahy ireo mba hahafahana manaraka ny Mpamonjy sy manampy amin’ny asany? Nahoana no mety ho sarotra ho azy ireo izany?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny mety ho fihetsik’izy ireo raha toa izy ireo ka anisan’ireo lehilahy ireo.

  • Inona no tsikaritrao mikasika ny fihetsik’ireo lehilahy ireo? Mampiseho inona momba ny toetran’izy ireo ny valinteny tsy misy hatak’andro nataony tamin’ny fanasan’ny Mpamonjy?

  • Mety hahavita zavatra tsaratsara kokoa amin’ny fiainany amin’ny maha-mpanarato ve izy ireo sa amin’ny maha “mpanarato olona” azy ireo? Nahoana?

  • Araka ny hita ao amin’ity tantara ity, inona no mety hitranga raha mamaly avy hatrany ny fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mamaly avy hatrany ireo fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika dia afaka mahatonga ny fiainantsika ho mahomby kokoa mihoatra noho izay mety ho vitantsika amin’ny tenantsika samy irery.)

Asao hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy antsika hahomby kokoa eo amin’ny fiainana raha manaraka Azy.

Filoha Ezra Taft Benson

“Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainan’izy ireo amin’ Andriamanitra dia hahita fa afaka mahatonga ny fiainany ho mahomby kokoa mihoatra noho izay mety ho vitan’izy ireo samy irery. Hahatonga ny fifalian’izy ireo ho lalim-paka Izy, hanitatra ny fahitany, hampavitrika ny sainy, hampatanjaka ny hozany, hampahery ny fanahiny, hampitombo ny fitahiana ho an’izy ireo, hampitombo ireo fahafahana ananan’izy ireo, hampahery ny fanahiny, hitondra namana ary handrotsaka fiadanana. Izay hamery ny fiainany ao amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia hahita ny fiainana mandrakizay” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 4).

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no niaina fitahiana tahaka izany noho ny fandaozana ireo ahiahin’izao tontolo izao mba hanarahana ny Mpamonjy?

  • Rehefa mandinika ireo fitahiana azontsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy ianao dia nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny manaiky avy hatrany ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ny valintenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hahafahanao manaraka amin’ny fomba tsaratsara kokoa ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy?

Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny zavatra nosoratany.

Matio 4:23–25

I Jesoa dia nandehandeha tany Galilia mba hampianatra, hitory ary hanasitrana

Asao hamaky amim-pahanginana ny Matio 4:23–25 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Hazavao fa ireo fotoana voafaritra nampianaran’ny Mpamonjy, nitoriany ary nanasitranany dia hohalalinina mandritra ny bokin’ny Filazantsara rehetra.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra tao am-pianarana androany ny lesona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 4:2–10. Ireo fakam-panahin’ny devoly

Ny olona sasany dia mihevitra fa tamin’io fotoana tany an-efitr’i Jodia io no hany fotoana tokana nakan’i Satana fanahy an’i Jesoa ary ny Mpamonjy dia nandresy izany. Fa ao amin’ny Lioka 4:13 dia mianatra isika fa taorian’ireo fakam-panahy ireo dia nandao an’i Jesoa “aloha” i Satana. I Satana dia nanohy ny fanoherana sy fakana fanahy ny Mpamonjy, ary indraindray aza izy dia nampiasa olon-dratsy tahaka ireo izay nanenjika an’i Jesoa (ohatra, jereo ny Matio 27:41–43).

Nilaza ny Filoha David O. McKay raha niresaka momba ireo fakam-panahy niainan’ny Mpamonjy tany an-efitra hoe:

“Sokajio izy ireo, dia ho hitanao fa raha ao anatin’ny anankiray amin’ireo sokajy telo ireo, saika ny fakam-panahy rehetra izay mahazo ahy sy anao … dia tonga eo amintsika ho toy ny (1) fakam-panahin’ny filan’ny vatana; na (2) fironana amin’ny hambo-po sy fomba fanao ary zava-poanan’ireo izay tsy manana anjara amin’ny zavatr’ Andriamanitra; na (3) fanomezana fahafaham-po ny firehetan’ny fo, na fitsiriritana ireo haren’izao tontolo izao, na fahefana eo amin’ny olona” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1911, 59).

Matio 4:4, 7, 10. Mitadidy soratra masina sy mampihatra ny fahamarinana ampianarin’izany mandritra ny fotoan’ny fakam-panahy

Ny fandalinana soratra masina dia manan-danja amin’ny fahafahana mitadidy soratra masina mandritra ny fotoan’ny fakam-panahy. Mety ho tafiditra ao amin’ny fandalinantsika soratra masina ny ezaka amin’ny fanaovana tsianjery ireo andininy na andalan-tsoratra masina. Nampianatra mikasika ny fahafahan’ny fitadidiana soratra masina manampy antsika ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Misy hery lehibe azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Ny fitadidiana soratra masina iray dia toy ny manorina finamanana vaovao iray. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izany, izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana, sy afaka manome fitaomana ara-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risim-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (“Ny Herin’ny Soratra Masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 6).

Nilaza izao torohevitra manaraka izao ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fanaovana tsianjery ny soratra masina:

“Aoka ianao ho hendry eo amin’ny fampiasanao ny teknôlôjia. Asio marika ireo soratra masina manan-danja ao anatin’ilay fitaovana ampiasainao ary jereo matetika izy ireo. Raha toa ianareo tanora ka mamerina mamaky andinin-tsoratra masina iray matetitetika toy ny handefasan’ny sasany aminareo hafatra an-tsoratra, dia vetivety ianareo dia hahay tsianjery andinin-tsoratra masina an-jatony. Ho tena loharano mahery vaika hahazoana fanentanam-panahy sy fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra” (“Mba Hahazo Fiadanana Ao An-tokantrano,” Ensign na Liahona, mey 2013, 30).

Matio 4:4, 7, 10. Aza milalao amin’ny fakam-panahy

Nanome izao fanambarana manaraka izao ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanoherana ny fakam-panahy:

“Amin’ny alalan’ny fakana tahaka ny Tompo, izay niaritra fakam-panahy nefa ’tsy nilefitra tamin’izany,’ isika koa dia afaka miaina ao amin’ny tontolo izay feno fakam-panahy ‘[izay] zakan’ny olombelona’ (1 Korintiana10:13). Mazava ho azy fa nahatsikaritra ireo fakam-panahy goavana izay tonga taminy ny Mpamonjy, fa tsy nieritreritra sy nandinika izany anefa Izy. Fa nanohitra avy hatrany izany fakam-panahy izany. Raha milalao fakam-panahy isika, dia holalaovin’izany faingana!” (“Overcome … Even As I Also Overcame,” Ensign, mey 1987, 71).