Tahirim-pitaovana
Lesona 62: Jaona 3


Lesona 62

Jaona 3

Fampidirana

Indray alina dia nanatona an’i Jesoa ny Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy ka niresaka taminy. Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa fa tsy maintsy ateraka indray ny olona rehetra mba hahafahany miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Taty aoriana dia nanazava tamin’ireo mpianany i Jaona Mpanao Batisa fa ny andraikiny dia ny hanomana ny lalan’ i Jesoa Kristy?

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 3:1–21

Nampianatra fahamarinana ara-panahy an’i Nikodemosy i Jesoa

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa indray andro, raha niresaka fivavahana tamin’ny namana sasany izy ireo, dia hoy ny iray hoe: “Rehefa mijanona ho olona tsara fotsiny aho dia afaka mankany an-danitra.” Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hamalian’izy ireo io namana io.

Amporisiho ny mpianatra hitady ao amin’ny Jaona 3 ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Hazavao fa trehefa nanakaiky ny fiandohan’ny asa fanompoany dia nandeha tany Jerosalema ny Mpamonjy mba hankalaza ny Paska. Olona maro tao Jerosalema no nino an’i Jesoa taorian’ny nahitan’izy ireo ireo fahagagana notanterahiny (jereo ny Jaona 2:23–25).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 3:1–2. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga raha mbola tao Jerosalema ny Mpamonjy.

  • Iza no nitsidika an’ i Jesoa?

Hazavao fa amin’ny maha-“mpanapaka tamin’ny Jiosy” azy (Jaona 3:1), dia mpikambana tao amin’ny Sinedriona i Nikodemosy. Ny Sinedriona dia filankevitra mpitantana izay nahitana Fariseo sy Sadoseo izay nitantana ny maro tamin’ireo raharaha ara-panjakana sy ara-pivavahan’ny vahoaka Jiosy.

I Nikodemosy sy i Jesoa

Nitsidika an’i Jesoa i Nikodemosy

  • Inona araka ny eritreritrareo no mety ho antony nitsidihan’i Nikodemosy an’i Jesoa tamin’ny alina?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, inona no fantatr’i Nikodemosy momba an’i Jesoa?

Hazavao fa ny fahafantaran’i Nikodemosy fa “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra” i Jesoa (andininy 2) dia milaza fa te hianatra avy amin’i Jesoa i Nikodemosy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 3:3–5. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, inona no nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy?

  • Inona no noheverin’i Nikodemosy fa tian’ny Mpamonjy holazaina tamin’ilay andian-teny hoe “ateraka indray” (andininy 3)?

Hazavao fa ny hoe ateraka indray dia midika hoe “ny fananana ny Fanahin’ny Tompo dia mahatonga fiovana mahery vaika ao am-pon’ny olona, hany ka tsy manam-paniriana intsony ny hanao ratsy izy fa maniry kosa ny hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra,” scriptures.lds.org; jereo koa ny Môsia 5:2; Almà 5:14–15; Mosesy 6:59).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5, inona ireo zavatra roa nampianarin’i Jesoa an’i Nikodemosy fa ilaina mba hahafahana miditra ny fanjakan’ Andriamanitra? Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “ateraky ny rano sy ny Fanahy”?

  • Ahoana no hamintinanareo ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ’ny zavatra ilaina mba ho teraka indray ara-panahy sy hiditra ny fanjakana selestialy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity ka ny tenin’ny mpianatra no ampiasaina: Ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ilaina mba ho teraka indray ara-panahy sy hahazo ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay tantara miaraka amin’ilay namana. Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba haka ny toeran’ilay namana izay mieritreritra fa ny hany ilaina mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny mijanona ho olona tsara. Asao ilay mpianatra iray hafa ao amin’ny vondrona tsirairay mba hanazava ilay fahadisoan-kevitra amin’ny fampiasana ny Jaona 3:5.

Fintino ny Jaona 3:6–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanontany an’i Jesoa ny fomba hahafahan’ny olona iray ho teraka indray i Nikodemosy. Novalian’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanontaniana izany hoe mba mpitarika fivavahana sy mpampianatra ny Isiraely ihany i Nikodemosy ka nahoana izy no tsy mahalala fa ilaina ny fahaterahana indray ara-panahy ary nahoana izy no tsy mahalala ny fomba ahafahana ho teraka indray.

Vakintsika ao amin’ny Jaona 3:13–21 fa nanazava ny fomba ahafahan’ny olona iray hateraka indray tamin’i Nikodemosy ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Jaona 3:13–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba namalian’i Jesoa ny fanontanian’i Nikodemosy:

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy momba ny tenany ao amin’ny Jaona 3:13? (Nijoro ho vavolombelona momba ny tenany manokana Izy fa Izy no Zanak’ Andriamanitra izay nidina avy any an-danitra.)

Mosesy sy ny Menarana Varahina

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mosesy sy ny Menarana Varahina (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 16; jereo koa ny LDS.org). Angataho ny mpianatra hanazava ilay tantara avy amin’ny soratra masina izay asehon’ilay sary. Raha ilaina dia hazavao fa nandefa menarana misy poizina ny Tompo vokatry ny fanotan’ny Zanak’Isiraely tamin’ Andriamanitra. Voapoizina ny Isiraelita rehefa nokakerin’ireo menarana. Nandidy an’i Mosesy ny Tompo mba hanantona bibilava varahina tamin’ny tsatokazo lava iray ary nampanantena Izy fa izay Zanak’Isiraely mijery ilay menarana eo amin’ny tsatokazo dia ho sitrana. (Jereo ny Nomery 21:4–9.)

  • Araka ny voalazan’ny Jaona 3:14, inona no nolazain’i Jesoa fa asehon’ilay menarana afo?

Ny Fanomboana

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny fanomboana (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 57; jereo koa ny LDS.org).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, inona no fitahiana tonga amin’ireo izay mitodika any amin’ny Mpamonjy?

  • Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona rehetra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 3:16–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady fotopampianarana iray izay azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra.

  • Inona no zavatra nanirahan’ny Ray any An-danitra ny Zanany lahy mba hataony?

  • Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Ray any An-danitra? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra mba hilazana ity fotopampianarana manaraka ity: Tena tia ny zanany tokoa ny Ray any An-danitra ka nandefa ny Zananilahitokana mba hijaly noho ny fahotan’izy ireo. Ampidiro ao anatin’ireo efa vita lisitra eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana ity.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika tsirairay avy tamin’ny alalan’ny fandefasany an’i Jesoa Kristy Zanany teto an-tany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo eritreretin’ny mpianatra ny zavatra tsapany avy amin’ny fahafantarany fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra.

Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy misy porofo lehibe mihoatra noho izay voalazan’ny Apôstôly Jaona izay manamarina ny hery tsy manam-petra sy ny mahatonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra [ao amin’ny Jaona 3:16]. … Eritrereto ny fijalijalian’ny Raintsika any An-danitra nandefa ny Zanakalahiny hiaritra fijaliana tsy takatry ny saina noho ny fahotantsika. Izany no porofo lehibe maneho ny fitiavany antsika tsirairay avy!” (“Fitiavana sy lalàna,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 26).

  • Inona no tsapanareo rehefa mahafantatra fa tena tia anareo tokoa ny Ray any An-danitra ka nandefa ny Zananilahitokana mba hijaly sy ho faty ho anareo?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Jaona 3:16–17 dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe koa ity fitsipika manaraka ity: Raha mino an’i Jesoa Kristy isika, ka anisan’izany ny fibebahantsika amin’ny fahotantsika sy ny fankatoavantsika ny teniny, dia afaka hanana fiainana tsy manam-petra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana isika.)

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ireo fahamarinana nampianarin’i Jesoa an’i Nikodemosy izay voatanisa eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no ifandraisan’ireo fahamarinana ireo?

  • Ahoana avy ireo fomba azontsika hanehoana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fanarahana Azy isika dia afaka ny ho voavonjy sy hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Haneho ny finoako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny … Asao ny mpianatra hamita io andian-teny io ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina amin’ny alalan’ny fanoratana ny zavatra ho ataony mba hanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Jaona 3:22–36

Mampianatra i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesoa no Kristy

Mampisehoa fitoeran-javatra mangarahara feno rano. Asio tete iray na roa amin’ny fandokoana sakafo ilay rano.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety azo ampitahana ilay fandokoana sakafo amin’ny fitaomantsika ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha David O. McKay ity. Asao ireo mpianatra hihaino ny zavatra azontsika ianarana mikasika ny hery mitaona ananantsika eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Filoha David O. McKay

“Ny olona rehetra izay miaina eto amin’ity tontolo ity dia samy manana fitaomana, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 227).

“Manana hery mitaona lehibe tokoa ny teny sy ny asantsika eto amin’ity tontolo ity. Manova tsikelikely ny fiainan’ny tontolo iray manontolo ianao amin’ny fotoana rehetra iainanao” (Teachings: David O. McKay, 227).

Angataho ny mpianatra hitady fitsipika iray ao amin’ny Jaona 3:22–36 izay mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mitaona ny hafa hanao ny tsara.

Fintino ny Jaona 3:22–26 amin’ny fanazavana fa nanana olana ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jaona satria nanaraka an’i Jesoa ny olona fa tsy nanaraka an’i Jaona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 3:27–30. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra takatr’i Jaona Mpanao Batisa mikasika ny anjara asany izay mifandray amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tian’i Jaona Mpanao Batisa ho takatr’ireo mpianany mikasika ny anjara asany? (Nirahina hialoha lalana an’i Jesoa Kristy izy mba hanomana ny hafa amin’ny fahatongavan’i Jesoa.)

  • Inona no fifanahafana nampiasain’i Jaona Mpanao Batisa (andininy 29)?

Hazavao fa ny mpampakatra dia maneho an’i Jesoa, ny ampakarina dia afaka maneho ireo izay manatona an’i Kristy, ary ny sakaizan’ny mpampakatra dia maneho an’i Jaona Mpanao Batisa.

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Jaona Mpanao Batisa holazaina rehefa nilaza izy hoe “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (andininy 30)? Inona no asehon’izany mikasika ny toetran’i Jaona Mpanao Batisa?

  • Inona no azon’i Jesoa Kristy natao ho an’ny olona kanefa tsy azon’i Jaona Mpanao Batisa natao?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jaona Mpanao Batisa mikasika ny zavatra azontsika atao mba hitaomana ny hafa hanao ny tsara? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, kanefa makà antoka fa mazava ny hoe afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara isika amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo ho any amin’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hampiasantsika ny hery mitaona ananantsika mba hitarihana ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianareo no nahita olona nitarika ny hafa ho any amin’ny Mpamonjy?

Asao ireo mpianatra hieritreritra fomba ahafahany miezaka mitarika ny hafa hankany amin’ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hanao izany.

Fintino ny Jaona 3:31–36 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jaona Mpanao Batisa dia nanambara fa nirahin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy ary izay rehetra mino Azy dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Jaona 3:5

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny Jaona 3:5, asao izy ireo hanoratra ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay andininy ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Amporisiho ireo mpianatra hamerina hilaza amin’ny feo mafy ilay soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo litera voalohany sy ny fijerena ilay andinin-tsoratra masina araka izay ilaina. Rehefa afaka milaza ilay andinin-tsoratra masina rehetra ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo litera voalohany dia asao izy ireo hamerimberina hanao tsianjery izany. Azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hanao tsianjery io soratra masina io any am-piantombohana na amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana mandritra ny andro maromaro.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 3:3. Hateraka indray

Mety manontany tena tahaka an’i Nikodemosy ny olona sasany hoe amin’ny fomba ahoana no hahaterahana indray. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ankoatra ny ôrdônansin’ny batisa izay atao amin’ny vatan’ny olona sy ny fametrahan-tanana dia tsy maintsy ateraka ara-panahy indray ny olona iray mba hahazoany ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay” (“Born of God,” Ensign, jolay 1989, 2–4). Noho izany, ny fahaterahana indray dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fanaovana batisa sy ny fahatongavana ho mpikambana fotsiny. Mba hateraka indray ny olona iray dia mila miaina amin’ny fomba izay hanovan’ny Fanahy Masina ny fo izy.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Manomboka ny dingan’ny fahaterahana indray isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ary ny fanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana. …

“Dingana ilaina amin’ny dingan’ny fahaterahana indray ny filomana tanteraka ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fiainana feno izany” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, mey 2007, 21).

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fahaterahana indray dia dingana izay mitaky fotoana:

“Mety hanontany ianao hoe, nahoana no tsy mitranga haingana kokoa amiko izany fiovana mahery vaika izany? … Ho an’ny ankamaroantsika, dia mandeha tsikelikely kokoa sy miseho miandalana ny fiovana. Ny fahaterahana indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahana ara-batana, dia tena dingana arahana fa tsy zava-miseho. Ary ny fidirana ao anatin’izany dingana arahana izany no tanjona lehiben’ny fiainana eto an-tany.

“Ankoatra izany koa dia aoka isika tsy hanamarin-tena amin’ny ezaka zara raha vita. Aoka isika tsy hanao izay hitazonana ny faniriana sasany mba hanao ny ratsy. Aoka isika handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isan’Alahady ary hanohy hanakaiky ny Fanahy Masina mba hamongotra ireo fahalotoana sisa tavela ao anatintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manohy ao anatin’ilay lalan’ny fahaterahana indray ara-panahy ianao, dia hanala ny fahotanao sy ny pentimpentin’ireo fahotana ao aminao ny fahasoavan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka tsy afaka ny hisarika intsony ireo fakam-panahy, ary ho tonga masina ianao amin’ny alalan’i Kristy, toy ny maha-masina Azy sy ny Raintsika” (“Ateraka indray,” Ensign na Liahona, mey 2008, 78).

Jaona 3:5. Mila ireo ôrdônansy isika mba hahazoana ny famonjena

Ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 3:5 dia milaza fa ilaina ireo ôrdônansy mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra. Araka ny nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith, ny “Fahaterahana indray dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95).

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Tsy hanavotra na hanandratra ny olona mihitsy ny fitondrantena tsara tsy misy ôrdônansy. Ilaina ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy” (“The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 82).

Jaona 3:7–8. Nahoana i Jesoa no nampitaha ny “fahaterahana indray” tamin’ny rivotra?

Mba hamaliana ny tsy fahatakaran’i Nikodemosy ny fahaterahana indray dia nampitaha ny fahaterahana indray amin’ny Alalan’ny Fanahy tamin’ny rivotra ny Mpamonjy. (Ny teny Grika hilazana ny fanahy dia ny hoe fofon’aina, izay azo adika ihany koa hoe rivotra.) Tahaka ny maha-sarotra ny mijery ny rivotra no maha-sarotra ny mijery ny dingana amin’ny fahaterahana indray. Afaka mahita ny fiantraikan’ny rivotra isika saingy sahirana amin’ny famantarana hoe oviana izany no miantomboka ary oviana no mifarana, ary toy izany koa ny toerana iavian’izany. Misy lesona mitovy amin’izany izay azo tsoahina mikasika ny dingan’ny fahaterahana indray. Sarotra ny mahita marina hoe rahoviana izany no manomboka ary rahoviana no tapitra, saingy tena hita tokoa ny fiantraikan’izany rehefa miova ny asa atao sy ny faniriana.

Jaona 3:16. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao”

Mikasika io andininy io dia nanambara ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa:

“Ity angamba no andinin-tsoratra masina tokana izay malaza sy mahery vaika indrindra izay nolazaina tao amin’ny soratra masina. Mamintina ny drafitry ny famonjena iray manontolo izany, mamatotra miaraka ny Ray, ny Zanaka, ny sorompanavotany, ilay finoana Azy izay milaza mialoha fa manao asa tsara ny olona iray, ary ny fisandratana mandrakizay ho an’ny mahatoky.

“…Mitovy amin’izany ihany, ny Tompontsika dia ‘tia fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny ainy mba ho tonga zanak’ Andriamanitra izay rehetra mino.’ (F&F 34:3.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965-73], 1:144).