Lesona°109
1°Korintiana°12
Fampidirana
Nanoratra mikasika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy marobe i Paoly. Nampitaha ny Fiangonana tamin’ny vatan’olombelona izy dia nanazava fa tahaka ny ilàn’ny vatana ny ampahany rehetra amin’ny vatana mba hiasa araka ny tokony ho izy no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba handray anjara sy hampahatanjaka ny Fiangonana.
Sosokevitra Enti-mampianatra
1 Korintiana 12:1–11
Nampianatra momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy i Paoly
Asehoy ity sarina vato manaraka ity:
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay soratra eo amin’ny tampon’ilay vato. Hazavao fa raha mbola nanao asa fitoriana tany Ecosse ny Filoha David O. McKay dia nahita io vato io teo ambonin’ny varavaran’ny trano iray teo akaikin’ny Lapaben’i Stirling ka nanazava ny saina ama-panahiny ny hafatra teo amin’izany (jereo ny Francis M. Gibbons, David O. McKay: Apostle to the World, Prophet of God [1986], 45).
Hazavao fa ny tandindona tsirairay ao anatin’ireo efamira sivy eo amin’ilay vato dia maneho tarehimarika. Angataho ny mpianatra hamantatra ny tarehimarika asehon’ny endrika tsirairay. (Avy any amin’ny ankavia mankany ankavanana, ireo tandindona dia maneho ny tarehimarika 5, 10, ary 3 eo amin’ny laharan-tsary farany ambony. 4, 6, ary 8 eo amin’ny laharan-tsary afovoany. Ary 9, 2, ary 7 eo amin’ny laharan-tsary farany ambany.)
-
Firy ny fitambaran’ireo isa telo haseho eo amin’ny laharan-tsary farany ambony? Eo afovoany? Eo amin’ny farany ambany?
Hazavao fa ireo isa haseho eo amin’ny laharan-tsary tsirairay, na tsanganana, na tsipika mitsivalana eo amin’io vato io dia manome ny isa 18. Mety ho antony iray nampidirana ireo endri-javatra ireo niaraka tamin’ilay fehezanteny hoe “Na iza na iza ianao dia ataovy tsara ny anjara andraikitrao” ny hoe raha naverina nalamina ny toerana misy ny tsirairay tamin’ireo endri-javatra ireo, na novaina ny tarehimarika teo amin’izy ireo dia tsy hahazoana ny isa 18 intsony ireo laharana sy tsanganana teo amin’ilay vato na miainga avy aiza na avy aiza.
Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 12 mba hisaintsaina ny mampitovy antsika amin’ireo endri-javatra eo amin’ilay vato amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika.
Fintino ny 1 Korintiana 12:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa naniry ny hampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy i Paoly, ka Olomasina maro no tsy nahatakatra izany. Nampahatsiahy azy ireo i Paoly fa talohan’ny fiovam-pon’izy ireo dia nania noho ny fanompoan-tsampy izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny1 Korintiana 12:3, ary asao ny iray kilasy hitady ny fomba hahafahantsika mahalala ho an’ny tenantsika manokana fa i Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy .
-
Araka ny voalazan’ny 1 Korintiana 12:3 dia amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba an’i Jesoa Kristy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Azonao atao ny manazava fa io fitsipika io dia azo ampiharina amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba an’i Joseph Smith na ny Bokin’i Môrmôna).
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Ny fijoroana ho vavolombelona dia fananana tena sarobidy satria tsy azo avy amin’ny rafi-kevitra na ny saina fotsiny ihany, tsy azo vidina amin’ny fananana eto an-tany izany ary tsy azo omena toy ny fanomezana na lovaina avy amin’ireo razambentsika. Tsy afaka miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona hafa isika. Mila mahafantatra ho an’ny tenantsika manokana isika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley: ‘Ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay dia manana andraikitra hahafantatra ho an’ny tenany manokana amin’ny fomba azo antoka tsy amin’ahiahy fa i Jesoa no ilay Zanakalahin’ Andriamanitra velona sy nitsangana tamin’ny maty’ (“Fear Not to Do Good,” Ensign, mey 1983, 80). …
“Mandray izany fijoroana ho vavolombelona izany isika rehefa miresaka amin’ny fanahy ao anatintsika ny Fanahy Masina. Hahazo antoka tony sy tsy voahozongozona isika fa isika no ho loharano nahazoana ny fijoroana ho vavolombelona sy ny faharesen-dahatra ananantsika” (“The Power of a Personal Testimony,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 38).
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
-
Inona no azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika?
Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 12:4–6 dia nampianatra i Paoly fa misy karazana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay miasa amin’ny fomba samihafa, kanefa avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina avokoa izy rehetra ireo. Azonao atao ny manazava fa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia ireo fitahiana na fahafahana izay omena amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary Andriamanitra dia manome fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray farafahakeliny ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra (jereo ny F&F 46:11).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 17:7. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hikaroka ny antony hanomezana antsika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. (Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe “hahasoa” dia midika hoe mba hitondra soa iraisana ho an’ny Olomasina rehetra.)
-
Inona ny fahamarinana azontsika hianarana avy amin’i Apôstôly Paoly mikasika ny antony hanomezana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra? (Tokony hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ireo mpianatra: Omena mba ho tombontsoan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, ary asaivo mandika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra.
|
Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy |
Ny fomba hanasoavan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo ny zanak’ Andriamanitra |
|---|---|
Zarao ho vondrona ahitana mpianatra roa na telo ny kilasy. Asao ny vondrona tsirairay handalina ny 1 Korintiana 12:8–11 sy hanaraka ireo toromarika miaraka amin’izany. Azonao atao ny manoratra ireo toromarika ireo eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ho zaraina.
-
Ataovy lisitra ao amin’ny tsanganana voalohany ao amin’ny tabilaonao ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy tsirairay voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 12:8–11.
-
Resaho ny dikan’izany na manomeza ohatra ho an’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsirairay avy.
Asao ny vondrona tsirairay hilaza ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hitan’izy ireo sy ny dikan’ny fanomezam-pahasoavana tsirairay. Raha ilaina dia hazavao fa “ny teny fahendrena” (andininy 8) dia entina ilazana ny fahaizana mitsara sy ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny fahalalana. Ny “teny fahalalana” (andininy 8) dia entina ilazana ny fahalalana an’ Andriamanitra sy ny lalàny. Ny “mahafantatra fanahy samy hafa” (andininy 10) dia entina ilazana ny fahafantarana ny marina sy ny diso sy ny fahitana ny tsara sy ny ratsy ao amin’ny hafa. Ary ny “fiteny samy hafa” (andininy 10) dia entina ilazana ny fahafahana miteny amin’ny fiteny vahiny na fiteny tsy fantatra.
Angataho ny vondrona tsirairay hisafidy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy miisa roa voalaza ao amin’ny andininy 8–10 dia hanoratra ao amin’ny tsanganana faharoa ao amin’ilay tabilao ny fomba ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo mitondra tombontsoa ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny iray amin’ireo valinteny hitany tao amin’ilay tsanganana faharoa amin’ny iray kilasy.
Hazavao fa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy voalaza manokana ao amin’ny soratra masina dia ohatra vitsivitsy ihany amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro izay afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy.
-
Inona ny fanomezam-pahasoavana hafa mety ho tonga eo amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
-
Inona ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsikaritrao teo anivon’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo namanao ary ireo mpiara-mianatra aminao?
-
Inona no azontsika atao mba hamantarana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananantsika? (Manontany ny Ray any An-danitra momba izany sy mandray sy mandalina ny tsodranontsika avy amin’ny patriarika.)
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy efa nomena azy ireo sy ny fomba ahafahany mahazo tombontsoa avy amin’izany ary ny fomba hampiasany izany mba ho tombontsoa ho an’ny hafa.
1 Korintiana 12:12–31
Omena mba hitahy ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy
Manasà mpianatra efatra ho eny amin’ny solaitrabe. Omeo ny tsirairay amin’ireo mpianatra ny iray amin’ireto teny manaraka ireto ary aza atao ren’ny mpianatra sisa ao an-dakilasy: tongotra, tanana, sofina, ary maso. Omeo torolalana ny mpianatra tsirairay hanao sary eny amin’ny solaitrabe ny teny nomena azy ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny zavatra ataon’ny mpianatra tsirairay sary. Rehefa avy mamantatra ny sary tsirairay ny iray kilasy dia asao ireo mpianatra hiverina eny amin’ny toerany avy. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra ny fomba handraisan’ny tongotra sy ny tanana sy ny sofina ary ny maso anjara amin’ny asa ataon’ny vatana.
-
Efa nandratra ampahany kely tamin’ny vatana, toy ny rantsan-tanana, na nify, na rantsan-tongotra ve ianao? Inona no fiantraikan’io fahavoazana kely io na dia teo amin’ireo asa tsotra fanao andavan’andro aza?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 12:12–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nampitahan’i Paoly ny vatana sy ireo ampahany amin’ny vatana.
-
Nampitahain’i Paoly tamin’ny inona ny vatana sy ireo ampahany amin’ny vatana? (Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ireo mpikambana ao aminy.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto:
1 Korintiana 12:15–22, 25–30
Ahoana no fomba nampitahan’i Paoly ny vatana tamin’ny Fiangonana?
Zarao ho ao anatin’ireo vondrona teo aloha ihany ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hiara-hamaky ny 1 Korintiana 12:15–22, 25–30 dia hitady ireo fomba nampitahan’i Paoly ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ireo ampahany amin’ny vatana. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny vatana sy ireo ampahany amin’ny vatana mialoha ny hamantarana ny fomba nampitahany ireo ampahany amin’ny vatana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany.
-
Araka ny eritreritrareo dia nahoana i Paoly no niresaka momba ny anjara asan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay raha vantany vao avy nanoratra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?
-
Inona ireo olana mety hananan’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ka mety ho voavahan’ny fampianaran’i Paoly momba ny fitovian’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo ampahany amin’ny vatana?
-
Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampitahan’i Paoly ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo ampahany amin’ny vatana? (Alaivo antoka ny hahitan’ireo mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mampiasa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy miavaka ananantsika isika mba hanompoana ny hafa dia afaka mampahatanjaka ny Fiangonana. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Omeo ny tahadikan’ilay teny nambara ny mpianatra tsirairay:
“Samy mandray anjara ao anatin’ity asa mankadiry ity isika tsirairay avy. Hanampy ny Ray any An-danitra amin’ny Asany sy ny Voninahiny no nahatongavantsika eto, ‘mba hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona’ (Mosesy 1:39). Ny andraikitrao dia tena zava-dehibe ao amin’ny tontolo misy anao tahaka ny maha-zava-dehibe ny andraikitro ao amin’ny tontolo misy ahy. Tsy misy antso kely na manana vokany kely ato amin’ity fiangonana ity. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa isika rehetra izay miezaka mafy hanatanteraka ny adidintsika” (“This Is the Work of the Master,” Ensign, mey 1995, 71).
-
Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ny Fiangonana noho ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy samihafa sy ny antson’ireo mpikambana tsirairay?
-
Hitanareo nampatanjahina tamin’ny fomba ahoana ny fianakavianareo, na ny kilasin’ny seminera, na ny paroasy na ny sampana noho ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny olona ao anatin’ireo vondrona ireo?
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba azon’izy ireo hampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananany mba hampahatanjahana ny Fiangonana sy hitahiana ny fiainan’ny hafa.
Asao hamaky amim-pahanginana ny 1 Korintiana 12:31 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina Korintiana.
-
Inona no nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina ?
-
Inona no azontsika atao mba hikatsaka mafy ny “fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra” an’ny Fanahy (jereo koa ny F&F 46:8–9)?
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fankasitrahana anananao noho ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, dia amporisiho ny mpianatra hikatsaka mafy sy hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananany hanompoana ny hafa sy hampahatanjahana ny Fiangonana.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
1 Korintiana 12:3. “Tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo raha tsy amin’ny Fanahy Masina”
Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny zavatra azontsika atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina:
“Ny tena fijoroana ho vavolombelona momba … ireo fahamarinana sarobidy dia tonga toy ny tenivavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aorian’ny ezaka amin-kitsim-po sy amim-pandavantena, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana ao an-tokantrano, ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ny fanompoana ny hafa, ary ny fankatoavana amim-pahazotoana ireo didin’ny Ray any An-danitra. Ny fahazoana sy ny fihazonana mandrakizay ny fijoroana ho vavolombelona iray momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia mendrika ny sarany rehetra takina mba haloantsika amin’ny fiomanana ara-panahy” (“Pure Testimony,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 40).
1 Korintiana 12:4–10. Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy
Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia tena manan-danja amin’ny Tompo ka dia nampianarina ao amin’ny telo amin’ireo bokin-tsoratra masina efatra nankatoavin’ny Fiangonantsika (jereo ny 1 Korintiana 12, Môrônia 10, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46).
Nampianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsy voatanisa manokana ao amin’ny soratra masina ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Raha raisina an-kisendrasendra fotsiny dia mamela ahy hilaza fanomezam-pahasoavana vitsy izay tsy voatery mibaribary sy hita miavaka foana kanefa tena manan-danja tokoa. …
“Andeha isika hijery indray ireo fanomezam-pahasoavana tsy dia miavaka be loatra ireo: ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahenoana sy fampiasana ilay feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina” (“There Are Many Gifts,” Ensign, nôv. 1987, 20).
1 Korintiana 12:7. Ahoana no ahafantarako ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananako?
Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba hahafantarantsika izay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nomena antsika:
“Mba hahafantarana ny fanomezam-pahasoavana nomena antsika dia tsy maintsy mivavaka sy mifady hanina isika. Matetika ireo tsodranon’ny patriarika no milaza amintsika ireo fanomezam-pahasoavana voaraintsika sy manambara ny fanomezam-pahasoavana nampanantenaina izay afaka ho azontsika raha mikatsaka izany isika. Manentana anareo tsirairay aho ny hamantatra ny fanomezam-pahasoavana anananareo sy hikatsaka ireo izay hitondra fitarihana eo amin’ny asa ataonareo eo amin’ny fiainana sy ireo izay hanampy hampandroso ny asan’ny lanitra” (“Gifts of the Spirit,” Ensign, feb. 2002, 16).
1 Korintiana 12:22. “Ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany”
Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
“Mety mieritreritra ianao hoe misy hafa izay afaka ny hanao izany sy manana traikefa bebe kokoa hanaovana izany antso sy andraikitra izany, kanefa ny Tompo dia nanolotra anao izany andraikitrao izany noho ny antony manokana. Mety misy olona sy fo izay ianao ihany no afaka ny hanampy sy hahakasika azy ireo. Angamba mety tsy hisy olona hahavita izany toy ny mety hanaovanao azy” (“Ampiakaro avo izay eo amin’ny tandrify anao,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 56).