Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Jaona 11–15 (Fizarana 15)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Jaona 11–15 (fizarana 15). Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Jaona 11)
Rehefa namaky mikasika ny nananganan’i Jesoa an’i Lazarosy tamin’ny maty ny mpianatra dia nianatra ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: Afaka misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fitsapana lalovantsika. I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana. Raha mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fiainana mandrakizay. Raha misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fitsapana lalovantsika dia hohamafisina sy hohalalinina ny finoantsika Azy.
Andro 2 (Jaona 12)
Tato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia nandalina momba an’i Maria rahavavin’i Marta sy anabavin’i Lazarosy, izay nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa sy ny fiakaran’ny Mpamonjy tamim-boninahitra tao Jerosalema. Nandalina mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy tao Jerosalema ihany koa izy ireo. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy: Tsy mahatonga antsika hino an’i Jesoa Kristy ny fahagagana fotsiny ihany. Ny firaharahiana bebe kokoa ny hanao izay mahafinaritra ny hafa noho izay mahafinaritra an’ Andriamanitra dia afaka manakana antsika tsy hiaiky ampahibemaso ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Raha mino an’i Jesoa Kristy isika dia tsy ho voatery hiaina ao anatin’ny haizina ara-panahy.
Andro 3 (Jaona 13)
Rehefa namaky mikasika ilay tantara mikasika ny nanasan’ny Mpamonjy ny tongotr’ireo Apôstôly ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa dia ho faly kokoa. Rehefa mifankatia tahaka ny itiavan’i Jesoa Kristy antsika isika dia ho fantatry ny hafa fa mpianany.
Andro 4 (Jaona 14–15)
Tato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia nandalina ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny talohan’ny nanombohany ny sorompanavotany. Nianatra izy ireo fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny lalany ihany no ahafahantsika miditra ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra. Nianatra ihany koa izy ireo fa maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny ary ny Fanahy Masina dia afaka mampahery antsika, mampianatra antsika ny zavatra rehetra ary mitondra ny zava-drehetra ho amin’ny fahatsiarovantsika. Rehefa nandalina mikasika ny voaloboka sy ireo sampany ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa raha mitandrina ny didy isika dia hitoetra ao amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy handray ny fahafenoan’ny fifaliana.
Fampidirana
Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra. Ankoatra izay dia rehefa mamerina mijery ny torohevitry ny Tompo araka izay voarakitra ao amin’ny Jaona 14 ny mpianatra, dia afaka mieritreritra ny fomba ahafahan’izy manaraka bebe kokoa ny lalan’ny Mpamonjy izy ireo.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Jaona 14:1–14
Nampianatra ireo Apôstôliny ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy
Raha misy izany dia manehoa sarintany maneho ny tanànanareo ary asao ny mpianatra hanondro ny toerana misy azy ireo amin’izao fotoana izao. Manondroa toerana iray hafa fantatry ny mpianatra tsara eo amin’ilay sarintany. Angataho izy ireo hanoratra amin’ny taratasy iray ny fomba handehanana mankany amin’io toerana io avy eo amin’ny toerana hipetrahany. Manasà mpianatra iray na roa hilaza ny zavatra nosoratany.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe fanjakana selestialy. Asaivo eritreretin’ireo mpianatra ireo torolalana homen’izy ireo ny olona iray izay te hahafantatra ny fomba hahatongavana any amin’ny fanjakana selestialy.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nandalina ny Jaona 14 izy ireo tao anatin’ny leson’izy ireo isan’andro dia nianatra fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra sy hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Hazavao fa hianatra bebe kokoa mikasika izany fahamarinana izany izy ireo ato amin’ity lesona ity.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Jaona 14, dia ampahatsiahivo azy ireo fa nankalaza ny Paska niaraka tamin’ireo Apôstôliny tao amin’i rihana iray tao Jerosalema ny Mpamonjy. Taorian’ilay sakafon’ny Paska dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa fa tsy ho ela Izy dia handao azy ireo (jereo ny Jaona 13:33).
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jaona 14:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Jesoa ireo Apôstôliny mba hampaherezana azy ireo.
Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 14:3 dia milaza hoe, “Ary rehefa handeha Aho dia hamboatra fitoerana ho anareo, ary ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.”
-
Inona no nampianarin’i Jesoa ny Apôstôliny mba hampaherezana azy ireo?
-
Inona araka ny eritreritrareo no hevitr’ilay andian-teny hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” (Jaona 14:2)?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity. Asao ny mpianatra hihaino izay lazainy fa dikan’ilay andian-teny.
“[Ilay fehezanteny hoe] ‘Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro’ … dia tokony ho hoe—‘Ao amin’ny fanjakan’ny Raiko misy fanjakana maro,’ mba hahafahanareo ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amiko. … Misy fitoerana ho an’ireo izay mankatò lalàna selestialy iray, ary misy toerana maro hafa ho an’ireo izay tsy manaja ilay lalàna, ny olona tsirairay samy ao amin’izay tokony hisy azy avy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 219).
Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ny teny hoe fanjakana sy fanjakana maro ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo ambonin’ireo teny hoe trano sy fitoerana maro ao amin’ny Jaona 14:2.
-
Inona no fampianarana ao amin’ny Jaona 14:1–4 izay mety nampahery ireo Apôstôly?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 5, inona no navalin’i Tomasy ny fampianaran’i Jesoa hoe fantatr’ireo Apôstôliny ny lalana mankany amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 14:6. Asaivo manaraka ireo mpianatra mba hitady izay navalin’i Jesoa ny fanontanian’i Tomasy. Ampahatsiahivo azy ireo fa andinin-tsoratra masina fehezina ity.
-
Inona no navalin’i Jesoa ny fanontanian’i Tomasy?
Manaova sarina lalana eo amin’ny solaitrabe. Manorata hoe Isika any amin’ny sisiny iray amin’ilay lalana ary manorata hoe fanjakan’ny Ray any An-danitra any amin’ny sisiny iray hafa. Manorata hoe Lalana eo ambanin’ilay lalana ary hazavao fa io andian-teny io dia entina ilazana ny lalana avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny iray hafa.
-
Ahoana no maha-ilay Lalana ny Mpamonjy? (Mety hamaly ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia maneho amintsika ny fomba hiainana mba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra sy ny fomba hahatongavana ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.)
Manorata hoe Fahamarinana sy Fiainana eo ambanin’ilay hoe “Lalana” eo amin’ny solaitrabe.
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-Fahamarinana an’i Jesoa Kristy? (Izy no loharanon’ny fahamarinana rehetra sy niaina tanteraka ny fahamarinana.)
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-Fiainana an’i Jesoa Kristy? (Nataony afaka mandresy ny fahafatesana ara-batana isika ka hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana nofo sy taolana tsy mety maty sy handresy ny fahafatesana ara-panahy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Izy no “fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra” [F&F 88:13].)
Manorata hoe I Jesoa Kristy no eo akaikin’ny hoe “Lalana”, eo ambanin’ilay sarina lalana eo amin’ny solaitrabe.
-
Raha miainga avy amin’ny zavatra noresahantsika sy ny zavatra nianaranareo tao amin’ny lesonareo isan’andro dia ahoana no hamintinanareo ny dikan’ilay tenin’ny Mpamonjy hoe “tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”? (Jaona 14:6). (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny lalany ihany no ahafahantsika miditra ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra.)
-
Inona no hitranga raha miezaka manaraka lalana izay tsy an’ny Mpamonjy isika?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra hitranga raha miezaka manaraka lalana izay tsy an’ny Mpamonjy isika.
“Jesoa Kristy no Lalana. Izy no Fahazavana sy Fiainana, mofo sy rano, fiandohana sy fiafarana, fananganana amin’ny maty sy fiainana, Mpamonjy izao tontolo izao, fahamarinana ary lalana.
“Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahatanterahana. Izy no Lalana. Ny lalana hafa rehetra, na izay mety ho lalana hafa, na lalana inona na lalana inona dia hadalana. …
“Ny lalan’ny Tompo dia tsy sarotra. Ny fiainana no sarotra, fa tsy ny filazantsara. ‘Misy fifanoherana amin’ny zavatra rehetra’ [2 Nefia 2:11], n’aiza n’aiza ary ho an’ny rehetra. Mafy ny fiainana ho antsika rehetra, nefa tsotra ihany koa ny fiainana. Roa ihany ny safidintsika. Na isika manaraka ny Tompo ary mitafy ny heriny sy manana fiadanana, fahazavana, tanjaka, fahalalana, fahatokiana, fitiavana ary hafaliana; na isika mandeha amin’ny lalana hafa, rehefa mety ho lalana hafa, na lalana inona izany dia ho irery—tsy manana ny fanohanany, sy ny heriny sy ny fitarihany, ary ho anatin’ny haizina dia hijaly, hiahiahy ary ho ory sy ho kivy. Dia manontany aho hoe: iza amin’ireo no lalana moramora kokoa? …
“Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahatanterahana. Jesoa kristy no lalana” (“Ilay Lalana,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 34, 36).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Corbridge, inona no hitranga raha tsy manaraka ny lalan’ny Mpamonjy isika?
-
Inona no hitranga raha manaraka ny lalan’ny Mpamonjy isika?
-
Inona ilay lalan’ny Mpamonjy? (Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny lalan’ny Mpamonjy dia ahitana ny fampitomboana ny finoana Azy sy ny Ray any An-danitra, ny fibebahana, ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena, toy ny batisa sy ireo ôrdônansin’ny tempoly; ary ny faharetana amim-pinoana sy amim-pankatoavana hatramin’ny farany.)
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainany izay nitahiana azy ireo noho ny fanarahany ny lalan’ny Mpamonjy. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra niainany.
Asao ireo mpianatra hieritreritra hoe hatraiza ny fanarahan’izy ireo ny lalan’ny Mpamonjy. Angataho izy ireo hieritreritra fomba iray izay ahafahan’izy ireo manaraka tsara kokoa ny Mpamonjy sy hametraka tanjona mba hanatanterahana izany asa izany.
Fintino ny Jaona 14:7-14 amin’ny fanazavana fa nampianatra ny Apôstôliny ny Mpamonjy fa iray amin’ireo tanjona nahatongavany teto an-tany ny hampahafantatra amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany ny tena toetran’ Andriamanitra. Nampanantena ireo Apôstôliny ihany koa Izy fa hahazo hery hanaovana asa lehibe izy ireo.
Fizarana Manaraka (Jaona 16–21)
Asao ny mpianatra hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mahavita ny fandalinan’izy ireo ny Filazantsaran’i Jaona: Inona no nolazain’i Jesoa tamin’ny reniny raha mbola nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy? Iza ny olona voalohany nisehoan’i Jesoa Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty? Iza no tsy nanaiky ny hino ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny hafa fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa? Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany izay vavolombelony sy ny Fitsanganany tamin’ny maty kanefa nanapa-kevitra ny hiverina tamin’ny asan’izy ireo teo aloha toy izay handeha hitory ny filazantsara. Asao izy ireo hitady ao amin’ny fizarana manaraka ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianatra ireo.