Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ny Tanjontsika
Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsaradia manambara fa:
“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 1).
Mba hahatrarana ny tanjontsika, dia ampianarintsika ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy fampiorenana. Manampy ireo mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy hanomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.
Mba hahatanteraka ireo tanjona ireo, dia entanina ianao sy ireo mpianatra izay ampianarinao mba hifehy ireto Fototry ny Fampianarana sy ny Fianarana ny Filazantsara manaraka ireto rehefa miara-mandalina ny soratra masina ianareo.
-
Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.
-
Manorina tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ary ny tanjona.
-
Mandalina ny soratra masina isan’andro sy mamaky ny lahatsoratra mifandray amin’ny lesona. [Hita ao amin’ny New Testament Scripture Mastery Cards (Karatra misy ny soratra masina fehezina ao amin’ny Testamenta Vaovao) ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny store.lds.org [entana lah. 10480] ireo rindran-damina hijerena akaiky ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo.]
-
Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany.
-
Mamantatra sy mahatakatra ary mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary mampihatra izany.
-
Manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.
-
Mifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy ireo fotopampianarana fototra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 10).
Ankoatra ny fanatratrarana ireo tanjona ireo, ianao dia natao hanampy ireo mpianatra mba ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hianatra hanavaka ny fahamarinana amin’ny zavatra diso. Mety hanana fanontaniana momba ny fotopampianarana, ny tantara na hevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny olana iray ara-piaraha-monina ny mpianatra. Afaka manomana ny mpianatra hamaly ny fanontaniana toy izany ianao amin’ny fanampiana azy ireo “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118) sy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny Seek Truth fizarana ao amin’ny si.lds.org.
Ity boky torolalana ho an’ny mpampianatra ity dia nomanina mba hanampy anao hahomby amin’ny fanatontosana ireo tanjona ireo.
Fanomanana ny Lesona
Nandidy ireo izay mampianatra ny Filazantsarany ny Tompo mba “hampianatra ny fitsipiky ny Filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny Filazantsara” (F&F 42:12). Nampianatra koa izy fa ireo fahamarinana ireo dia tokony hampianarina araka izay “fitarihan’ny Fanahy,” izay “homena … amin’ny fivavaky ny finoana” (F&F 42:13–14). Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao dia katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampy anao hahatakatra ny soratra masina sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay ao anatiny. Araho tahaka izany koa ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa manao drafitra momba ny fomba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny soratra masina ianao, sy ho ampianarin’ny Fanahy Masina, ary hahatsapa faniriana hampihatra izay zavatra nianarany.
Ny Testamenta Vaovao no lahatsoratra voalohany ho anao rehefa miomana sy mampianatra ianao ao anatin’ity lesona ity. Alalino ombam-bavaka ireo toko na andininy izay ho ampianarinao. Katsaho ny hahatakatra ny zava-miseho sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina izay ho halalinina, anisan’izany ny fizotry ny tantara voarakitra sy ny olona ary ny toerana sy ny zava-mitranga. Rehefa manomboka zatra amin’ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina tsirairay ho halalinina ianao, dia katsaho ny hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ao anatin’izany ary manapaha hevitra hoe iza amin’ireo fahamarinana ireo no manan-danja indrindra ho an’ireo mpianatrao ny mahatakatra sy mampihatra azy. Raha vantany vao voafaritrao ny zavatra hifantohanao, dia farito ireo fomba enti-mampianatra ary ireo asa atao izay hanampy indrindra ireo mpianatrao hianatra sy hampihatra ireo fahamarinana masina izay hita ao amin’ny soratra masina.
Ity boky ity dia novolavolaina mba hanampiana anao amin’izany lamina izany. Avereno jerena tsara ny votoatin’ny lesona mifandray amin’ny soratra masina izay ho ampianarinao. Azonao atao ny misafidy ny sosokevitra rehetra na ny sasany amin’izany ho an’ny andian-tsoratra masina iray, na azonao atao ihany koa ny mampifanaraka ireo hevitra naroso amin’ny toe-javatra sy ny zavatra ilain’ireo mpianatra izay ampianarinao.
Zava-dehibe ny hanampianao ny mpianatra handalina ny andian-tsoratra masina manontolo mandritra ny lesona tsirairay. Ny fanaovana izany dia hanampy ny mpianatra handray ny hafatra feno nokasain’ny mpanoratra ny soratra masina hampitaina. Rehefa mandrafitra ny lesona anefa ianao dia mety hahita fa tsy hanana fotoana ampy hampiasana ny sosokevitra enti-mampianatra rehetra ao amin’ity boky torolalana ity ao an-dakilasy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary diniho ombam-bavaka ny filàn’ny mpianatrao rehefa mamaritra ny ampahan’ny andian-tsoratra masina tokony hamafisina ianao mba hahafahana manampy ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan’ny filazantsara ka hampihatra izany amin’ny fiainan’izy ireo. Raha fohy ny fotoana dia azonao atao ny mampifanaraka ireo ampahan’ny lesona hafa amin’ny alalan’ny famintinana ny andininy vitsivitsy mitambatra na amin’ny fitarihana ny mpianatra mba hamantatra haingana ny fitsipika na fotopampianarana iray alohan’ny hidirana any amin’ny andininy vitsivitsy mitambatra manaraka.
Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka . Raha toa isika ka mifototra tsara ao amin’ilay lesona izay voatondro hozaraintsika, dia afaka manaraka ny Fanahy avy eo mba hampifanaraka izany amin’izay ilaina” (“4.3.4 Decide through Inspiration,” avy ao amin’ny “A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 7 aog. 2012]; LDS.org).
Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo asa atao sy ny zavatra andrasana amin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahomby. Ny fifandraisanao amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika dia hanampy anao hahazo an-tsaina ny zavatra ilain’ireo mpianatra ary hanampy anao hahomby amin’ny fampiainana zavatra manan-danja sy mampivoatra ny mpianatra.
Mandritra ny fanomananao lesona, dia mety hisafidy hampiasa ny fitaovana ahafahana manao fanamarihana sy diary ao amin’ny LDS.org na ao amin’ny Gospel Library ho an’ny fitaovana elekitirônika hoentina mandehandeha ianao. Azonao ampiasaina ireo fitaovana ireo mba hanisiana marika soratra masina, na lahatenin’ny fihaonambe, na lahatsoratry ny gazetibokin’ny Fiangonana na lesona. Afaka manampy sy mitahiry fanamarihana koa ianao mba hampiasaina mandritra ny lesona. Raha te hianatra misimisy kokoa momba ireo fitaovana ireo ianao, dia jereo ny pejin’ny Fanampiana mikasika ny fanaovana fanamarihana sy diary ao amin’ny LDS.org.
Ny lesona sasany ato anatin’ity boky torolalana ity dia nampifanarahana tamin’ny Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014).
Fampiasana ny boky torolalana isan’andro ho an’ny mpampianatra
Fampahafantarana ny boky
Ireo fampahafantarana ny boky dia manolotra topimaso mikasika ny boky tsirairay. Ankoatra ireo zavatra hafa dia hazavainy ao hoe iza no nanoratra ny boky tsirairay, hazavainy ireo lafiny mampiavaka ny boky tsirairay, ary homeny ny famintinana ny votoatin’ny boky tsirairay.
Fampahafantarana ny andian-tsoratra masina ho halalinina
Ny fampahafantarana ny andian-tsoratra masina ho halalinina dia manome famintinana fohy ny zava-miseho ao anatin’ny andian-tsoratra masina sy ny votoatiny ho an’ny lesona tsirairay.
Fampitambarana ireo andinin-tsoratra masina sy famintinana araka ny sahan-kevitra
Ny andian-tsoratra masina matetika dia voazara ho ampahan-javatra kelikely na vondrona andininy izay mifantoka amin’ny lohahevitra na zava-mitranga iray. Ny toko sy andininy ho an’ny andininy navondrona tsirairay dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-nitranga na ireo fampianarana ao anatin’io vondron-tsoratra masina io.
Fanampiana amin’ny Fampianarana
Ny fanampiana amin’ny fampianarana dia manazava ireo fitsipika sy fomba fampianarana ny filazantsara. Afaka manampy anao izy ireo eo amin’ny ezaka ataonao mba hampivoatra anao amin’ny maha-mpampianatra anao.
Ny vataben’ny lesona
Ny vataben’ny lesona dia ahitana torolalana ho anao rehefa mianatra sy mampianatra ianao. Mandroso hevitra enti-mampianatra izany izay ahitana fanontaniana, asa atao, teny nindramina, kisary ary tabilao maro.
Fotopampianarana sy fitsipika
Koa satria ny fitsipika sy ny fotopampianarana dia mipoitra ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina dia natao soratra miavaka matevina izany mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny ao anatin’ny fifampiresahanao miaraka amin’ireo mpianatra.
Sary
Ny sarin’ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana sy ireo zava-mitranga ao amin’ny soratra masina dia zavatra jeren’ny maso azonao ampiasaina ho fanampiana rehefa mampianatra ianao raha toa ka misy izany.
Soratra masina fehezina
Ireo andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nolokoina miavaka ao amin’ny votoatin’ny lesona izay ahitana azy ireo. Ny tsirairay amin’ireo lesona ireo ihany koa dia ahitana hevitra enti-mampianatra ho an’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mba ho fanampiana anao tsy hiovaova eo amin’ny fampianarana ny soratra masina fehezina, dia misy asa atao miparitaka ao anatin’ity boky ity ho famerenana ny soratra masina fehezina . Raha mila hevitra fanampiny amin’ny fampianarana soratra masina fehezina, dia jereo ny tovana ho an’ity boky torolalana ity na ny Seminary Student Resources ao amin’ny LDS.org.
Faritra Malalaka
Ny faritra malalaka ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia azonao ampiasaina amin’ny fanomanana ny lesona, anisan’izany ny fanoratana fanamarihana, fitsipika, zavatra niainana na hevitra hafa, araka izay hibitsihan’ny Fanahy Masina anao.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Omena any amin’ny faran’ny lesona sasantsasany ny teny nindramina sy fanazavana fanampiny mba hanampiana ny fahatakaranao ny sahan-kevitra ara-tantara na hevitra manokana na andinin-tsoratra masina. Ampiasao ny fampahalalana ato amin’ity fizarana ity mba hiomanana amin’ny famaliana fanontaniana na amin’ny fanomezana hevi-baovao fanampiny rehefa mampianatra ianao. Ny fitaovana fanaovana resadresaka fanampiny dia hita amin’ny endrika elekitirônikan’ity boky torolalana ity ao amin’ny LDS.org.
Hevitra fanampiny enti-mampianatra
Misy hevitra fanampiny enti-mampianatra any amin’ny fiafaran’ny lesona sasantsasany. Izany dia hanome sosokevitra entina mampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay mety tsy voalaza na tsy nifantohana tao amin’ny vataben’ny lesona. Izany dia afaka manome sosokevitra amin’ny fampiasana zavatra jeren’ny maso ihany koa, tahaka ny famelabelarana amin’ny alalan’ny DVD sy ny horonantsary ao amin’ny LDS.org. Ny sosokevitra fanampiny hoenti-mampianatra dia hita amin’ny endrika elekitirônikan’ity boky torolalana ity ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny application Bibiliothèque de l’Evangile.
Fandaharam-pampianaran’ny seminera mianatra isan’andro (izay fotoana ahafahana sy vao maraina)
Ity boky torolalana ity dia ahitana ireto singa manaraka ireto ho an’ny mpampianatra seminera isan’andro: lesona miisa 160 ho an’ny mpampianatra isan’andro, fanampiana amin’ny fampianarana, fampahafantarana ireo boky ary loharano ho fampianarana ny soratra masina fehezina sy ny Fotopampianarana Fototra.
Fampahafantarana ny boky
Ny fampahafantarana ny boky dia napetraka alohan’ny lesona voalohany ho an’ny boky tsirairay ao amin’ny soratra masina. Ny fampahafantarana ny boky dia manome famintinana ny boky tsirairay amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireo: Nahoana no mandalina ity boky ity? Iza no nanoratra ity boky ity? Oviana ary taiza no nanoratana azy? Ho an’iza no nanoratana izany ary inona no antony? ary inona ny zavatra sasany izay mampiavaka ity boky ity? Ilay fampahafantarana ihany koa dia mamintina fohy ny votoatin’ny boky tsirairay ao amin’ny soratra masina. Tokony hampidirin’ny mpampianatra araka izay ilaina ao amin’ny lesona ny sahan-kevitra sy ny fampahalalana momba ny zava-niseho avy ao amin’ireo fampahafantarana ny boky.
Lesona ho an’ny mpampianatra isan’andro
Endriky ny lesona
Ny lesona tsirairay ato amin’ity boky ity dia mifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina ho halalinina fa tsy amin’ny hevitra na fotopampianarana na fitsipika iray manokana. Io endriky ny lesona io dia hanampy anao sy ireo mpianatrao handalina ny soratra masina araka ny filaharany sy hiresaka mikasika ny fotopampianarana sy ny fitsipika rehefa miseho ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina izany. Rehefa mianatra mikasika ny sahan-kevitra nahitana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ireo mpianatra, dia afaka mihalalina ny fahatakaran’izy ireo an’io fahamarinana io. Ankoatra izany dia afaka mahita sy mahatakatra bebe kokoa ny hafatra amin’ny endriny manontolo izay tian’ireo mpanoratra soratra masina nentanim-panahy ho ampitaina ireo mpianatra. Ny fampianarana ny soratra masina amin’io fomba io dia hanampy ihany koa ireo mpianatra hianatra ny fomba hahitana sy hampiharana ireo fahamarinana mandrakizay eo amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.
Tsy ny fizarana rehetra ao ao anatin’ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny lesona tsirairay akory dia ifantohana avokoa. Ny fizarana sasantsasany dia tsy nomena lanja firy noho izy ireo tsy tena ivon’ny hafatr’ilay mpanoratra nentanim-panahy na noho izy ireo tsy dia azo ampiharina loatra amin’ireo tanora. Andraikitrao no mampifanaraka ireo fitaovana ireo arakaraky ny zavatra ilain’ireo mpianatra na ny mahaliana azy ireo. Azonao atao ny manamboatra ireo hevitra omena ao anatin’ny lesona ato amin’ity boky torolalana ity amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hifantoka bebe kokoa amin’ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana noho izay omena ao amin’ilay lesona, na koa amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsy dia hanomezana lanja loatra ny ampahany iray ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay novelabelarina amin’ny antsipiriany ao amin’ny boky torolalana. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hanao ireo fanamboarana ireo rehefa manomana sy mampianatra ianao.
Fotopampianarana sy fitsipika
Ao anatin’ny lahatsoratry ny lesona tsirairay, dia ho hitanao fa nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina miavaka tsara ny fotopampianarana sy fitsipika tena manan-danja maromaro. Navahana tao anatin’ny fandaharam-pampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo satria (1) maneho hafatra iray lehibe ampitain’ilay ampahan-tsoratra masina ho halalinina, na (2) azo ampiharina manokana amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra sy ny toe-javatra iainany, na (3) ireo no fahamarinana manan-danja izay afaka manampy ireo mpianatra hanatevina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo. Mariho fa ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fahamarinana betsaka ankoatra ireo izay hita ao anatin’ny fandaharam-pampianarana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny soratra masina dia ahitana “fifangaroam-pahamarinana maro tsy mety tapitra izay hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay amin’ny toe-javatra rehetra mety hisy” (“The Great Plan of Happiness” [CES Symposium on the Doctrine and Covenants/Church History, 10 aog. 1993], si.lds.org; jereo ihany koa ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 69, LDS.org).
Rehefa mampianatra ianao dia omeo fahafahana hatrany ireo mpianatra hamantatra ny fotopampianarana sy ny fitsipika ao amin’ny soratra masina. Rehefa manambara ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo ireo mpianatra dia matetika izy ireo no mety hampiasa teny izay tsy mitovy amin’ny fomba nanambarana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ato amin’ity boky torolalana ity. Mety hahita ihany koa izy ireo fahamarinana izay tsy voaresaka ato amin’ny votoatin’ny lesona. Mitandrema mba tsy hilaza fa hoe tsy marina ny valintenin’ireo mpianatra satria tsy mitovy fotsiny amin’ireo teny izay nampiasaina tao amin’ny boky torolalana ny teny izay nampiasain’izy ireo na koa hoe fahamarinana tsy voaresaka tao amin’ny boky no hitan’izy ireo. Na izany aza anefa, raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarana ny zavatra ambaran’ireo mpianatra iray, dia andraikitrao ny manampy ilay mpianatra amim-pitiavana hanitsy ny zavatra voalazany sady manao izay hihazonana tontolo iray feno fitiavana sy fifampitokisana. Ny fanaovana izany dia hanome traikefa manan-danja avy amin’ny fianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao.
Hafainganam-pandeha arahina
Ity boky torolalana ity dia ahitana lesona ho an’ny seminera isan’andro miisa 160. Azonao atao ny manamboatra ny lesona sy ny hafainganam-pandeha araka izay ilaina mba hifanaraka amin’ny halavan’ny fotoana anananao hampianarana ilay lesona. Jereo ny tovana any amin’ny faran’ity boky torolalana ity ho an’ny karazana torolalana handrindrana ny taom-pianarana. Ilay torolalana handrindrana ny taom-pianarana dia miainga amin’ny taom-pianarana ahitana herinandro 36 na 180 andro ary ahitana “andro azo isafidianana izay hatao” miisa 20 izay azonao ampiasaina mba hanamboarana ireo lesona isan’andro, hanampiana ny mpianatra hahatakatra soratra masina manan-danja sy Fotopampianarana Fototra, sy hanao famerenana ny lesona natao teo aloha, sy hanatanteraka na hanao famerenana ireo asa ampanaovina izay takina, ary hanisy fiatoana kely.
Enti-mody hanenjehana ny asa tsy vita
Ny Testamenta Vaovao: Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia azo ampiasaina amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro ho toy ny loharano hanaovana enti-mody hanenjehana ny asa tsy vita. Ny lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia mifanindran-dalana amin’ireo izay atolotra ato amin’ity boky ity. Ireo mpianatra izay imbetsaka loatra no tsy tonga dia azo asaina mamita ireo asa ampanaovina ao amin’ny boky fandalinana izay mifanaraka amin’ny lesona izay tsy natrehan’izy ireo. Ny asa ampanaovina dia azo atao printy avy ao amin’ny LDS.org, noho izany dia tsy voatery hanome ny boky manontolo ho an’ireo mpianatra izay mila manao enti-mody ianao. Misy fanampim-panazavana mikasika ny Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fandaharam-pianaran’ny Seminera ho an’ny Mpianatra manaraka Fandaharam-pianarana any An-trano.”
Fanampiana ho an’ny fampianarana
Ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia hita eny amin’ny sisin’ity boky ity. Ireo fanampiana ho an’ny fampianarana ireo dia manazava sy mamelabelatra amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba hampiharanao sy ireo mpianatrao ny Fototry ny Fianarana sy Fampianarana Filazantsara eo amin’ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. Manolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny amin’ny fomba hampiasana amim-pahombiazana ireo fomba fampianarana sy fahaiza-manao samihafa. Rehefa takatrao tsara ireo fitsipika voalaza ao amin’ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia mitadiava fomba hizarana sy hampiharana azy ireo hatrany rehefa mampianatra ianao.
Soratra masina fehezina sy Fotopampianarana Fototra
Mba hanampiana ireo mpianatra hankamamy ny fahamarinana mandrakizay sy hampitombo ny fahatokian’izy ireo amin’ny fianarana sy fampianarana avy amin’ny soratra masina, dia nifantina andinin-tsoratra masina maromaro ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara mba ho fehezin’ireo mpianatra mandritra ny taranjam-pianarana tsirairay. Ankoatra izany, dia hita ao ihany koa ny lisitry ny Fotopampianarana Fototra mba hampisongadina ireo fotopampianarana manan-danja izay tokony ho takatr’ireo mpianatra, sy inoan’izy ireo ary hiainan’izy ireo mandritra ireo efa-taona lanian’izy ireo amin’ny seminera sy ho an’ny androm-piainany sisa. Ny boky torolalana ho an’ny taranjam-pianarana tsirairay dia nomanina mba hampisongadina ireo Fotopampianarana Fototra rehefa miseho izy ireny mandritra ny fandalinana soratra masina ataon’ireo mpianatra iray ankisesy. Ny ankamaroan’ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia nosafidiana tamin’ny alalan’ny fifotorana tamin’ireo Fotopampianarana Fototra, noho izany rehefa mampianatra andinin-tsoratra masina fehezina amin’ireo mpianatra ianao dia mampianatra ihany koa ny Fotopampianarana Fototra.
Rehefa mirakitra ny fahamarinana mandrakizay ao an-tsainy sy ao am-pony ny mpianatra, dia ny Fanahy Masina no hampahatsiahy azy ireo ireo fahamarinana ireo amin’ny fotoana ilàny azy, ary hanome herimpo azy ireo hiasany amim-pinoana (jereo ny Jaona 14:26). Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe:
“Mamporisika anareo tanteraka aho mba hampiasa ny soratra masina ao anatin’ny fampianaranareo ary hanao izay rehetra vitanareo mba hanampy ireo mpianatra hampiasa azy ireo sy ho zatra azy ireo. Tiako ny hananan’ireo tanorantsika fahatokiana amin’ny soratra masina. …
“… Tiantsika ireo mpianatra mba hanana fitokisana amin’ny hery sy ny fahamarinan’ny soratra masina, fitokisana fa ny Rainy any An-danitra dia tena miteny amin’izy ireo amin’ny alalan’ny soratra masina, ary fitokisana fa izy ireo dia afaka mitodika any amin’ny soratra masina dia mahita ny valin’ny olana mianjady amin’izy ireo sy ny vavaka nataon’izy ireo. …
“Manantena izahay fa tsy hisy amin’ireo mpianatrareo handao ny efitrano fianarana ao anatin’ny tahotra na ny fahafaham-baraka na ny henatra fa tsy afaka nahita ny fanampiana izay nilainy noho ny tsy fahalalan’izy ireo tsara ny soratra masina ka tsy nahafahany nahita ireo andinin-tsoratra masina tokony ho tadiavina” (“Eternal Investments” [lahateny ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 10 feb. 1989], 2, si.lds.org; jereo ihany koa ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 20, LDS.org).
Jereo ny tovana any amin’ny faran’ny boky raha mila fanampim-panazavana mikasika ny soratra masina fehezina sy ny Fotopampianarana Fototra.
Fampiasana ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Famintinana ireo leson’ny mpianatra
Ny famintinana dia hanampy anao hifankazatra amin’ny zava-miseho sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny herinandro tao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra.
Fampidirana ny lesona
Ny fampidirana ny lesona dia hanampy anao hahafantatra hoe ampahany iza ao amin’ilay andian-tsoratra masina ho halalinina no hifantohana ao amin’ny lesona.
Fampivondronana ireo andininy sy famintinana araka ny sahan-kevitra
Ireo andininy dia navondrona arakaraky ny hitrangan’ny fiovana eo amin’ny sahan-kevitra sy ny votoatiny ao amin’ilay andian-tsoratra masina ho halalinina. Ny toko sy andininy ho an’ny andininy navondrona tsirairay dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-nitranga na ireo fampianarana ao anatin’io vondron-tsoratra masina io.
Ny vataben’ny lesona
Ny vataben’ny lesona dia hanome fitarihana ho anao rehefa mandalina sy mampianatra ianao. Mandroso hevitra enti-mampianatra izany izay ahitana fanontaniana, asa atao, teny nindramina, kisary ary tabilao maro.
Fotopampianarana sy fitsipika
Koa satria ny fitsipika sy ny fotopampianarana dia mipoitra ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina dia natao soratra miavaka matevina izany mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny ao anatin’ny fifampiresahanao miaraka amin’ireo mpianatra.
Teny fampidirana ny fizarana manaraka
Ny andinin-tsoratra farany amin’ny lesona tsirairay dia ahitana topimaso kely hahalalana ny fizarana manaraka. Zarao amin’ireo mpianatrao io andinin-tsoratra farany io ho toy ny famaranana ny lesona tsirairay mba hanampiana azy ireo ho tsindrindaona hianatra ny soratra masina mandritra ny herinandro ho avy.
Fandaharam-pianaran’ny seminera ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana sy ny tompon’andraikitry ny S&I, dia azo atsangana ny kilasin’ny seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano amin’ny toerana izay tsy ahafahan’ny mpianatra manatrika isan’andro noho ny fahalaviran’ny toerana na ny antony hafa (toy ny fananana fahasembanana). Ireo kilasin’ny seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano dia matetika tsy hita any amin’ny toerana izay misy kilasy isan’andro (andro fiasana) amin’ny alalan’ny seminera vao maraina na mandritra ny fotoana ahafahana.
Ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any An-trano dia ahafahan’ireo mpianatra mameno ny fepetra takina amin’ny seminera amin’ny alalan’ny famitana ireo lesona tsirairay any an-trano fa tsy amin’ny alalan’ny fanatrehana ny kilasy mandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia hita ao amin’ny boky iray hafa antsoina hoe Testamenta Vaovao: Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano. Mihaona indray mandeha isan-kerinandro amin’ny mpampianatra seminera azy ireo mpianatra mba hanaterany ny asan’izy ireo ary mba handraisany anjara amin’ny lesona any an-dakilasy. Ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra sy ny lesona any an-dakilasy isan-kerinandro dia hazavaina misimisy kokoa etsy ambany.
Boky fandalinana ho an’ny mpianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano
Ny Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia natao mba hanampiana ilay mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano hahazo traikefa amin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao mitovitovy amin’ny an’ireo mpianatra manatrika kilasy andavanandro. Noho izany dia mitovy amin’ny zavatra hita ao amin’ity boky ity ny hafainganam-pandeha arahina ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra sy ireo fotopampianarana sy fitsipika antitranteriny. Ny boky fandalinan’ireo mpianatra dia ahitana ihany koa torolalana mikasika ny soratra masina fehezina. Ireo soratra masina fehezina dia resahina arakaraka ny fisehony ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina ary matetika ireo asa atao an-tsoratra dia omena mandritra ny lesona izay iresahana ireo andinin-tsoratra masina ireo.
Isan-kerinandro ireo mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hamita lesona efatra avy ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra ary mandray anjara amin’ny lesona indray mandeha isan-kerinandro izay omen’ny mpampianatra seminera azy ireo. Vitain’ireo mpianatra ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ireo asa ampanaovina misy laharam-pamantarana ao amin’ny boky fandalinana. Tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa ireo mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mametraka ny iray any amin’ny mpampianatra ary manohy miasa ao anatin’ilay iray hafa. Rehefa mihaona amin’ny mpampianatra isan-kerinandro ireo mpianatra, dia omena ny mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ny diary iray ary ny iray hafa averina any amin’ireo mpianatra mba ho ampiasaina amin’ny lesona mandritra ny herinandro manaraka. (Ohatra, mandritra ny herinandro iray dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 1 ny asa ampanaovina azy. Avy eo dia entin’ilay mpianatra any amin’ny kilasy io diary io ary omeny ny mpampianatra. Mandritra ny herinandro manaraka dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 2 ny asany. Rehefa mitondra ny diary 2 ilay mpianatra dia haverin’ny mpampianatra ny diary 1. Avy eo ilay mpianatra dia mampiasa ny diary 1 mba hamitana ny asa ampanaovina ho an’ny herinandro manaraka.)
Ireo mpianatra seminera rehetra dia amporisihina mba handalina ny soratra masina isan’andro ary hamaky ny lahatsoratra ho an’ilay lesona, kanefa ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hahatakatra fa izy ireo dia antenaina mba handany 30 ka hatramin’ny 40 minitra fanampiny amin’ny tsirairay amin’ireo lesona efatra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano isaky ny fizarana ary hanatrika ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano isan-kerinandro.
Lesona isan-kerinandro ho an’ny mpampianatra seminera ny mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano
Ny fizarana tsirairay ao amin’ny Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia mifanaraka amin’ireo lesona dimy ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra isan’andro. Aorian’ny lesona fahadimy tsirairay ato anatin’ity boky torolalana ity, dia hahita lesona iray isan-kerinandro ho an’ny mpampianatra any an-trano ianao. Ireo lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano dia hanampy ireo mpianatra hanao famerenana sy hanatevina ny fahatakaran’izy ireo ary hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’izy ireo rehefa nahavita ireo lesona ao amin’ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra izy ireo nandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia mety hamakafaka ihany koa fahamarinana fanampiny izay tsy resahina ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra. (Mba hanampiana anao hanomana ny drafitry ny lesonao dia jereo ny torolalana handrindrana ny taom-pianarana ho an’ireo mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ao amin’ny tovana ho an’ity boky ity.
Amin’ny maha-mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano anao, dia tokony hanana fahatakarana lalina ianao mikasika ny zavatra izay halalinin’ireo mpianatrao any an-trano isan-kerinandro mba hahafahanao mamaly ny fanontaniany sy mamorona fifanakalozan-kevitra manan-danja rehefa mihaona amin’izy ireo. Angataho ireo mpianatra mba hitondra ny soratra masin’izy ireo sy ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ary ny boky fandalinan’ireo mpianatra rehefa manatrika ny fotoam-pianarana isan-kerinandro izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mijery azy ireny mandritra ny lesona. Ampifanaraho amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra ampianarinao ny lesona ary araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Azonao atao ihany koa ny mijery ny lesona ho an’ny mpampianatra isan’andro ao amin’ity boky ity rehefa manomana sy mampianatra ianao. Ny fandalinana ny fanampiana ho an’ny fampianarana sy ireo fomba ampiasaina ao anatin’ny lesona isan’andro dia afaka manatsara ny fampianarana ataonao isan-kerinandro. Omano izay mety ho zavatra manokana ilain’ireo mpianatra ampianarinao. Ohatra, raha toa ny mpianatra iray manana olana amin’ny fanoratana, dia avelao izy hampiasa fitaovana fandraisam-peo na hanonona izay ao an-tsainy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray izay afaka mirakitra an-tsoratra ny valinteniny.
Rehefa mifarana ny lesona isan-kerinandro dia angony ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ary amporisiho hatrany izy ireo handalina tsy tapaka. Omeo azy ireo ny diary fandalinana soratra masina ho an’ny asa atao amin’ny herinandro ambony, araka ny fanazavana tany ambony tao amin’ny fizarana natao hoe “Boky fandalinana Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano.” (Eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny ray aman-dreny ireo mpampianatra semineran’ny tsatòka voantso dia afaka mifanerasera amin’ny fomba elekitirônika amin’ny mpianatra seminera nisoratra anarana tamin’ny seminera manaraka fandaharam-pianarana any an-trano).
Rehefa mamaky ny asa nampanaovina ao anatin’ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ianao, dia valio matetitetika ny asa ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana fanamarihana kely na amin’ny alalan’ny fanaovana fanamarihana amin’ny fotoana manaraka hihaonanao amin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mikaroka fomba hafa hanomezana fanohanana sy torohevitra manan-danja manoloana ny zavatra vita. Izany dia hanampy ireo mpianatra hahafantatra fa miraharaha ny asan’izy ireo ianao ary hanampy azy ireo hanana faharisihana hanome valinteny mafonja rehefa mamaly.
Ny ankabeazan’ny ezaka ataon’ny mpianatra mba hahaizana andinin-tsoratra masina manan-danja dia ho ataon’izy ireo rehefa manatanteraka ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano. Ireo mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano dia afaka manara-maso ny ezaka ataon’ny mpianatra mandritra ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra mba hanonona na hanao famerenana ny soratra masina fehezina izay mipoitra ao amin’ny lahatsoratra hita ao anatin’ny fizarana halalilina amin’io herinandro io .
Ireo loharano hafa
LDS.org
Ny Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (nttm.lds.org) sy ny Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia hita ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny Gospel Library ho an’ny fitaovana elekitirônika entina mandehandeha. Ny endrika elektrônikan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia ahitana fanazavana sy fampahalalana momba ny zava-niseho fanampiny, hevitra fanampiny enti-mampianatra, ary fitaovana henoina sy jerena izay tsy tafiditra ato amin’ity boky torolalana natonta ity noho ny tsy fahampian’ny toerana.
si.lds.org
Afaka mitsidika ny tranonkalan’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara ireo mpampianatra (si.lds.org) raha mila fanampiana amin’ny fanomanana lesona ary mba handraisana hevitra fanampiny enti-mampianatra.
Fitaovana fanaovana fanamarihana sy diary
Ny mpampianatra sy ny mpianatra dia afaka mampiasa ny fitaovana fanaovana fanamarihana sy diary amin’ny alalan’ny internet mba hanisiana marika sy hanoratana fanamarihana ao amin’ny endrika elekitirônikan’ireo boky torolalana ireo rehefa manomana sy mandalina soratra masina izy ireo. Ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra sy ireo boky fandalinana ho an’ny mpianatra dia azo alaina amin’ny endrika hafa (toy ny PDFsy ny ePub ary ny endrika azo vakina amin’ny mobi [Kindle]) ao amin’ny LDS.org.
Fitaovana fanampiny
Azo jerena amin’ny Internet ireto loharano manaraka ireto, amin’ny alalan’ny mpiandraikitra anao sy ny foibe mpaninjara an’ny Fiangonana eo an-toerana, ary ny fivarotan’ny Fiangonana ao amin’ny Internet (store.lds.org):
-
Media Library ao amin’ny LDS.org
-
Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara (entana lah. 06048)
-
Diary fandalinana soratra masina (entana lah. 13256)
-
True to the Faith: A Gospel Reference (entana lah. 36863)
-
Gospel Topics (Ireo Lohahevitry ny Filazantsara) ao amin’ny LDS.org
-
For the Strength of Youth bokikely (entana lah. 09403)
-
Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2014) (entana lah. 10734)