Lesona 101
Romana 8–11
Fampidirana
Nampianatra momba ireo fitahiana noho ny fahaterahana indray ara-panahy sy ny fanoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Paoly. Nampianatra mikasika ny fandavan’i Isiraely ny fanekempihavanan’ Andriamanitra sy ny fampielezana ny filazantsara eo anivon’ny Jentilisa ihany koa izy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Romana 8
Namariparitra ireo fitahiana noho ny fahaterahana indray ara-panahy i Paoly
Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto ny lesona:
-
Inona no atao hoe lova?
-
Raha afaka mandova fananan’olona iray ianareo dia ny fananan’iza no hofidianareo ary nahoana?
-
Iza raha ny mahazatra no mandova ny fananan’ny olona iray?
Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitahiana afaka ho azon’ny olona iray amin’ny maha-mpandova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra azy. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Romana 8:1–18 mba hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Romana 8:1, 5–7, 13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fandehanana “araka ny nofo” na ny fanarahana ny fironana hanota, sy ny fandehanana “araka ny Fanahy” (andininy 5).
-
Inona no dikan’ny hoe mandeha araka ny “fihevitry ny nofo”? (andininy 6). (Mifantoka amin’ny fanomezana fahafaham-po ny firehetam-po sy ny fitsiriritan’ny vatana ara-nofo.)
-
Inona no dikan’ny hoe mandeha araka ny “fihevitry ny Fanahy”? (andininy 6).
Hazavao fa ny hoe “[mamono] ny asan’ny tena” (andininy 13) dia midika hoe mamono na mandresy ny fahalemena, ny fakam-panahy ary ny fahotana mifandray amin’ny vatantsika mety maty (jereo ny Môsià 3:19).
-
Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 13 mikasika ny zavatra afaka manampy antsika handresy ny fironan’ny olona araka ny nofo hanota? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Raha manaraka ny fitaoman’ny Fanahy isika dia afaka mandresy ny fironan’ny olona araka ny nofo hanota. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Romana 8:14–16. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba niantsoan’i Paoly ireo izay manaraka ny Fanahy.
-
Iza no niantsoan’i Paoly ireo izay manaraka ny Fanahy? (Hazavao fa ny teny hoe zanaka ato anatin’ity sahan-kevitra ity dia midika hoe zanakalahy sy zanakavavy [jereo ny F&F 25:1].)
Hazavao ilay andian-teny hoe “fanahin’ny zanaka natsangana” (andininy 15). Hazavao fa ny hoe “fanahintsika” (andininy 16), izay midika hoe ny vatana fanahintsika, dia noharian’ny Ray any An-danitra, ka mahatonga ny olona rehetra ho fanahy zanaky ny Ray any An-danitra ara-bakiteny. Kanefa amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy ary avy eo amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo no hahaterahan’ny olona indray ara-panahy, na hatsangana ho zanakalahiny sy zanakavaviny ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia maneho fa ny olona toy izany dia tsy fanahy zanak’ Andriamanitra fotsiny avy amin’ny fahariana, fa zanany ao amin’ny fanekempihavanana ihany koa izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Romana 8:17–18. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny dia hitady ny hoe afaka ny ho tonga inona ireo zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana.
-
Afaka ny ho tonga inona ireo zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity dia ataovy banga ny toeran’ny teny hoe mahatoky: Raha toa isika ka zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana izay mahatoky dia afaka ny ho mpiara-mandova amin’i Jesoa Kristy sy mandray izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra)
-
Inona no atao hoe mpiara-mandova? (Olona mahazo lova mitovy amin’izay azon’ireo mpandova hafa.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 17 dia inona no tsy maintsy ataon’ireo zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana mba ho lasa mpiara-mandova amin’i Kristy?
Hazavao fa ny hoe “miara-miaritra [amin’i Jesoa Kristy]” (andininy 17) dia tsy midika hoe miaritra ny zavatra nataon’i Kristy tao anatin’ny sorompanavotany isika. Izany kosa dia midika hoe, tahaka ny Mpamonjy, isika dia tokony handà amin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra, hitandrina ny didy, ary hiaritra ny fanoherana amim-pahatokiana jereo ny Matio 16:24; Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Soraty ny teny hoe mahatoky mba hamenoana ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Manorita tabilao misy tsanganana telo eo amin’ny solaitrabe. Asio anarana ilay tsanganana voalohany hoe Ireo zavatra takina, ilay tsanganana eo afovoany hoe Fanoherana, ary ilay tsanganana fahatelo hoe Lova. Ataovy lisitra ao amin’ny tsanganana sahaza izany ny valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona avy ireo zavatra takina hataontsika mba hiheverana antsika ho zanak’ Andriamanitra mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana?
-
Inona avy ireo ohatra amin’ny fanoherana izay mety hihatra amintsika rehefa miezaka miaina ho zanak’ Andriamanitra mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana isika?
-
Inona avy ireo fitahiana azontsika lovàna avy amin’ny Ray any An-danitra raha miezaka ny hiaina ho zanany mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana isika? (Valiny iray azo omena ny hoe afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra isika.
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.
-
Rehefa avy namaky ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 18 ianareo dia toy ny ahoana ny fijerinareo ireo zavatra takina mba ho mpiara-mandova amin’i Kristy raha ampitahaina amin’ireo fitahiana? Nahoana?
Hazavao fa isika dia mamaky ao amin’ny Romana 8:19–30 fa i Paoly dia nampianatra fa manampy antsika ao anatin’ny fahalementsika ny Fanahy ary manampy antsika hahafantatra izay zavatra tokony hangatahintsika amin’ny alalan’ny vavaka. Vakintsika ihany koa fa nantsoina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy ireo zanak’ Andriamanitra.
Fanamarihana: Ao amin’ny Romana 8:29–30, ny teny hoe notendrena dia midika hoe manendry mialoha na miantso. Hianatra ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly momba ny fanendrena mialoha ny mpianatra ao amin’ilay lesona mikasika ny Efesiana 1.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Romana 8:28, 31–39. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fitiavan’ Andriamanitra raha ampifandraisina amin’ny fanoherana, ireo olana, ary ireo fahoriana eto amin’ny fiainana an-tany. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 8:31 dia manova ny “hahatohitra” ho “haharesy”.
-
Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hahita fahamarinana isan-karazany ny mpianatra, ka anisan’izany izao manaraka izao: Raha tia an’ Andriamanitra isika dia hiara-hiasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika. Afaka ny handresy ireo olana sy fahoriana rehetra eto amin’ny fiainana an-tany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika. Tsy misy na inona na inona afaka manasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra, izay miseho ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany manampy antsika handresy ireo olana sy fahoriana eto amin’ny fiainana an-tany?
-
Raha eritreretina ireo olana sy fahoriana eto amin’ny fiainana an-tany izay nianjady taminao dia iza amin’ireo teny nolazaina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manaitra anao indrindra? Nahoana?
-
Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra teo anivon’ireo olana sy fahorianao?
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra tsapan’izy ireo fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hataony mba hahafahany mandresy ireo olana sy fahoriana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny zavatra nosoratany.
Romana 9–11
Nampianatra mikasika ny fandavan’i Isiraely ny fanekempihavanan’ Andriamanitra sy ny fampielezana ny filazantsara teo anivon’ny Jentilisa i Paoly
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety ho ataon’izy ireo ao anatin’ireto toe-javatra ireto:
-
Niaraka tamin’ny evekanao ianao mba hitsidika zatovolahy iray manana fianakaviana mazoto ao am-piangonana, fa izy kosa dia malaindaina. Rehefa niezaka nanampy tamin-katsaram-panahy ilay zatovolahy hahatakatra ny vokatry ny tsy fiainana ny filazantsara ny evekanao dia hoy ilay zatovolahy hoe “Aza manahy. Vita batisa aho ary mazoto ireo ray aman-dreniko. Tsy hisy fitahiana hotazonin’ Andriamanitra ka tsy homeny ahy.”
-
Ninamana vao haingana tamin’ny tovovavy iray avy amin’ny antokom-pivavahana hafa ianao. Nanontany mikasika ireo fenitra iainanao izy. Rehefa avy nanazava ny sasany amin’ireo fenitry ny Tompo ianao dia hoy izy: “Tsy azoko ny antony hanaovanao izany rehetra izany. Ny hany tokony ataonao mba ho voavonjy dia ny mino an’i Jesoa Kristy.”
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Romana 9–11 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra takina mba handray ireo fitahian’ny filazantsara.
Asao ny mpianatra iray hamaky izao fanazavana manaraka izao mikasika ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana 9–11:
Araka izay voarakitra ao amin’ny Romana 9–11, dia nampiasa ny teny hoe Isiraely sy Zanak’Isiraely i Paoly fa tsy hoe Jiosy rehefa niresaka ireo safidy nataon’ny Jiosy maro. Ireo zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana dia matetika no antsoina hoe mpianakavin’i Isiraely. Tamin’ny andron’ny testamenta Taloha dia nifidy ny taranak’i Jakôba, na Isiraely, Andriamanitra mba hanao ilay fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama (jereo ny Romana 9:4–5), izay ahitana ireo fitahiana lehibe toy ny filazantsara, ny fahefan’ny fisoronana, ny fiainana mandrakizay, ny fananana taranaka mandrakizay, tany nampanantenaina, ary ny andraikitra hizara ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara manerana izao tontolo izao.
Asao hamaky mafy ny Romana 9:6, 8 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo olona ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.
-
Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely”? (andininy 6). (Jiosy maro no nahatoky fa ny fitohizan-taranak’izy ireo avy amin’i Abrahama dia nanome antoka ny hahazoan’izy ireo ireo fitahiana avy amin’ilay fanekempihavanana.
Hazavao fa isika dia mamaky ao amin’ny Romana 9:25–30 fa i Paoly dia nampianatra fa ireo Jentilisa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mandray ny fitahiana rehetra avy amin’ilay fanekempihavanana ka ho tonga olo-marina amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Romana 9:31–33; 10:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nikatsahan’ny zanak’Isiraely sasany tamin’ny andron’i Paoly ny ho lasa olo-marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Hazavao fa ny hoe “lalàn’ny fahamarinana” (Romana 9:31) dia entina ilazana ny lalàn’i Mosesy; ny “vato mahatafintohina” (Romana 9:32, 33) dia i Jesoa Kristy; ary “ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra” (Romana 10:3) dia entina ilazana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
-
Araka ny voalazan’ny Romana 9:31–33, dia tamin’ny fomba ahoana no nikatsahan’ny zanak’Isiraely sasany ny ho lasa olo-marina eo anatrehan’ Andriamanitra? (Tamin’ny alalan’ny fanatanterahana tamin’ny fomba hentitra ireo asa tao amin’ny lalàn’i Mosesy.)
-
Araka ny voalazan’ny Romana 10:3–4 dia inona no nolavin’ireo zanak’Isiraely ireo? (I Jesoa Kristy sy ny fahamarinana izay azo tanterahina amin’ny alalany.)
Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 10:8–13, dia namelabelatra momba ny fomba ahafahana mahazo ny “fahamarinana izay avy amin’ny finoana” (Romana 9:30) i Paoly. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Romana 10:8–13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ny fomba hahazoana io toetra dia ny fahamarinana io.
-
Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana ilay fahamarinana izay azo avy amin’ny finoana?
Hazavao fa ny teny Grika izay nadika hoe manaiky amin’ny vava ao amin’ny andininy 9 dia milaza fanekena amin’ny vava ampahibemaso na fanekempihavanana ary ilay teny grika nadika hoe mino dia milaza fanolorantena feno fitokiana. Io fitokiana lalina amin’ny Mpamonjy io dia mitarika ny olona hiaiky ampahibemaso ny fanekeny Azy amin’ny fomba izay notendreny. Ireo fomba voatendry ireo dia ahitana ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, ny fibebahana, ary ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.
-
Araka ny fampianaran’i Paoly dia inona no tsy maintsy ataontsika raha maniry ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra isika, anisan’izany ny famonjena? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Raha manaiky sy mankatò an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika dia afaka mandray ny fitahiana avy amin’ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra ka ho voavonjy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Hazavao fa ny olona sasany dia nampiasa ny Romana 10:9, 13 mba hilazana fa ny hany tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy dia ny manaiky am-bava ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo toe-javatra nampahafantarina tany am-piandohan’ny lesona.
-
Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ireo fahamarinana ato anatin’ity lesona ity manampy anareo hanome valinteny ao anatin’ireo toe-javatra ireo?
Fintino ny sisa tavela amin’ny Romana 10–11 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra dia ilaina amin’ny fampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nampiasa fifanahafana momba ny fanaovana grefy sampana iray avy amin’ny hazo oliva dia iray amin’ny hazo oliva voakolokolo Izy mba hanehoana ny fananganana ny Jentilisa ho isan’ny mpianakavin’i isiraely (jereo koa ny Jakôba 5:3–14). Nampianatra ihany koa Izy fa hatolotra ny Jiosy indray ny filazantsara.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Romana 8:14–17. “Zanak’ Andriamanitra isika”
Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny lova masina omena antsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Fantatry ny Rainareo any An-danitra ny anaranareo ary fantany izay mahazo anareo. Maheno ny vavaka ataonareo Izy. Fantany ny fanantenanareo sy ny nofinofinareo ary ao anatin’izany koa ny tahotrareo sy ny fahadisoam-panantenanareo. Ary fantany izay azonareo hahatongavana amin’ny alalan’ny finoana Azy. Noho io lova masina io dia mitovy tanteraka ianareo sy ireo anabavy sy anadahinareo ara-panahy rehetra eo imasony ary nomena hery tamin’ny alalan’ny fankatoavana mba ho lasa mpandova manan-jo feno ao amin’ny fanjakany mandrakizay, “[mpandova] an’ Andriamanitra no [mpiray lova] amin’i Kristy koa” [Romana 8:17]. Katsaho ny hahatakatra ny dikan’ireo fotopampianarana ireo (“To Young Women,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 28).
“Ny soratra masina dia miresaka antsika ho ‘zanak’ Andriamanitra’ amin’ny heviny mihoatra ny iray (Romana 8:16). Voalohany, ny olona rehetra dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy ara-bakitenin’ny Ray any An-danitra (jereo Malakia 2:10; Asan’ny Apostoly 17:29; Hebreo 12:9; ‘Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Faharoa, isika dia ‘ateraka indray’ ho zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifandraisana avy amin’ny fanaovana fanekempihavanana rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka, atao batisa, ary mandray ny Fanahy Masina [sy ireo ôrdônansy hafa] (jereo ny Jaona 1:12; Galatiana 3:26–29; Môsià 5:7; F&F 11:30; [F&F 84:33–38;] Mosesy 6:65–68)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 348).
Ny Fanahy Masina dia tsy hoe manamafy fotsiny ihany fa zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana isika, fa afaka manamafy amin’ny fanahintsika koa Izy fa zanaka malalan’ Andriamanitra ara-bakiteny isika ary niara-nitoetra taminy talohan’ny nahaterahantsika.
Romana 8:15. “Ny Fanahin’ny zanaka natsangana”
“Ny fananganana dia zavatra fanaon’ny olona tao amin’ny tontolo Romana ary tokony ho fomba fihevitra nahazatra ireo mpamaky ny asa soratr’i Paoly. Ny olona izay manangana olona iray araka ny lalàna dia mampita amin’izany olona izany ny zo sy ny tombontsoa rehetra izay tokona hananan’ny olona iray nateraky ny ray aman-dreniny. Noho izany, rehefa mandray ny ‘fanahin’ny zanaka natsangana’ (Romana 8:15) amin’ny alalan’ny fanaovana ny fanekempihavanan’ny filazantsara isika dia lasa zanak’ Andriamanitra sy ‘mpiray lova amin’i Kristy’ (Romana 8:17)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 348).
Ny Mpanjaka Benjamina dia mampianatra ihany koa ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna ny fomba ahafahantsika ho tonga “zanak’i Kristy” (jereo ny Môsià 5:5–10). Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa i Jesoa Kristy koa dia “lasa Raintsika” satria Izy no “nanome antsika fiainana, fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny sorompanavotana izay nataony ho antsika.” Nanazava ny Filoha Smith hoe: “Lasa zanaka, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hankatò Azy” [Doctrines du Salut, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 (1954–56), 1:29].)
Romana 8:31–32. “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”
“Nampianatra i Paoly fa ny Sorompanavotan’i Kristy dia maneho fa ‘momba antsika [Andriamanitra]’, ary manolotena hanampy antsika sy hanome izay mahasoa antsika Izy. Koa satria Andriamanitra nanome ny Zanany Lahitokana ho antsika dia afaka ny hanana antoka isika fa hanohy hiasa ho an’ny famonjena antsika Andriamanitra ary hanomana antsika mba ho mpandova izay rehetra tiany omena antsika. Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana tahaka izany koa:
“‘Raha eritreretina ny sarany tsy takatry ny saina an’ny Fanomboana sy ny Sorompanavotana dia mampanantena anareo aho fa tsy handà antsika Izy amin’izao fotoana izao. … Ry rahalahy sy rahavavy, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fahorianareo dia miangavy aho hoe aza milavo lefona’ (‘Broken Things to Mend,’ Ensign na Liahona, mey 2006, 71)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 350).
Romana 8:29–30; 9:11; 11:2, 5, 7, 28. Fandaharana mialoha, fanokanana mialoha, ary fifidianana
“Ao amin’ny Romana 8:29–30, ny teny Grika nadika hoe manendry dia midika hoe ‘manendry na manapaka mialoha’ ary izany dia entina ilazana ny fanokanana mialoha izay raisin’ny olona sasany, izay mifototra amin’ny fahalalan’ Andriamanitra zavatra mialoha, mba hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy (jereo koa ny Efesiana 1:3–4; 1 Petera 1:2). ‘Ny fanokanana mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Ny tombontsoa toy izany dia tonga eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny fanendrena mialoha izay miseho vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana’ (‘Foreordination,’ True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 69; jereo koa ny Almà 13:3–4)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 350).
Ny Bible Dictionary dia manazava fa ny fifidianana dia “teny fampiasa amin’ny fianarana momba ny fivavahana izay milaza voalohany indrindra ny fifidianan’ Andriamanitra ny mpianakavin’i Isiraely ho vahoakan’ny fanekempihavanana izay nomeny tombontsoa manokana sy andraikitra, mba hahatongavan’izy ireo ho fitaovana hoentina mitahy izao tontolo izao. …
“Ireo olom-boafidy dia voafidy eny fa na dia ‘fony tsy mbola ary [aza] ny fanorenan’izao tontolo izao’, kanefa tsy misy olona voafidy tsy misy fepetra hahazo ny fiainana mandrakizay. Ny tsirairay dia tsy maintsy mankatò ny filazantsara dia mandray ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana ao anatin’izany avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo mba hahazoana famonjena. Raha voafidy ny olona iray kanefa tsy manompo dia azo lazaina ho zava-poana ny fifidianana azy, araka izay nolazain’i Paoly ao amin’ny 2 Kor. 6:1.
“… Ny ‘fifidianana amin’ny fahasoavana’ resahina ao amin’ny … Rom. 11:1–5 dia miresaka ny toe-javatra ianan’ny olona iray eto amin’ny fiainana an-tany; dia ny fahaterahana amin’ny fotoana iray, sy toerana iray, ary toe-javatra iray izay hahafahan’ny olona iray manana fahafahana tena tsara hahalala ny filazantsara. Io fifidianana io dia mitranga any amin’ny fiainana alohan’ny hahaterahana. Ireo izay mahatoky sy mazoto ao amin’ny filazantsara eto an-tany dia mahazo fifidianana mbola fy kokoa eto amin’ity fiainana ity ary lasa olom-boafidin’ Andriamanitra. Ireo olona ireo dia mahazo ny fampanantenana ny fahafenoan’ny voninahitr’ Andriamanitra any amin’ny mandrakizay (F&F 84:33–41)” (Bible Dictionary, “Election”; jereo koa ny Almà 13:3–4).
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa “tsy nampianarin’ireo Apôstôly ny fifidianana tsy misy fepetra ny olona tsirairay hahazo ny fiainana mandrakizay [fandaharana mialoha]. Andriamanitra dia mifidy na mandahatra mialoha fa ireo rehetra izay ho voavonjy dia ho voavonjy ao amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Filazantsara” (ao amin’ny History of the Church, 4:360). Izany hoe, ny olona rehetra izay ho voavonjy dia handray famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa tsy amin’ny fomba hafa na inona izany na inona.
Romana 11:25. “Ny hafenoan’ny Jentilisa”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe “ny hafenoan’ny Jentilisa”:
“Nisy fotoana natokana ho an’ny Jiosy mba hihainoana ny filazantsara, ary avy eo dia ny Jentilisa indray no lohalaharana nanana izany fotoana izany. Ny fotoan’ny Jentilisa dia ilay fotoana handehanan’ny filazantsara any amin’izy ireo satria izy ireo no voafidy handray izany, ary izany dia hitohy mandra-pahazoan’izy ireo fahafahana feno hanaiky ny fahamarinana, na raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny hafenoan’ny Jentilisa. Dia ho any amin’ny Jiosy indray avy eo ilay hafatra, izany hoe any amin’ny firenena sy ny vahoaka Jiosy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:290).
Taonjato maro mialoha ny nanoratan’i Paoly ireo epistiliny dia nampianatra ireo rahalahiny i Nefia fa amin’ny alalan’ny fahafenoan’ny Jentilisa amin’ny andro farany no hitondrana ny filazantsara any amin’ny taranany sy ny taranak’ireo rahalahiny. Izany dia hanome fahafahana azy ireo “ho tonga amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy … sy amin’ny fahalalana ny antsipiriany marina amin’ny fotopampianarany ka hahafantarany ny fomba hanatonana Azy mba ho voavonjy” (1 Nefia 15:14). Ity fanangonana ny taranak’i Lehia ity dia ampahany amin’ny fanaovana grefy ireo sampana voajanahary hiverina eo amin’ilay hazo oliva araka izay naminanian’i Paoly sy i Zenôsa (jereo ny Romana 11:23–25; Jakôba 5:52, 60, 63, 67–68).
Raha niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Anjely Môrônia tamin’ny taona 1823 dia nilaza i Môrônia fa “ho avy tsy ho ela ny fahafenoan’ny Jentilisa” (Joseph Smith—Tantara 1:41).