Tahirim-pitaovana
Lesona 89: Asan’ny Apostoly 10–11


Lesona 89

Asan’ny Apostoly 10–11

Fampidirana

Nambaran’ Andriamanitra tamin’i Petera tamin’ny alalan’ny fahitana fa hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Nampianatra ny filazantsara tamin’i Kornelio sy ny ankohonany i Petera ka nampisy fifandirana teo anivon’ireo Olomasina Jiosy taty aoriana mikasika ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa. Mitohy mandroso hatrany ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanenjehana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny Apostoly 10

Nambaran’ Andriamanitra tamin’i Petera tamin’ny alalan’ny fahitana fa tokony hotoriana tamin’ny Jentilisa ny filazantsara

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe mametraka ity fanontaniana manaraka ity ny namana iray: “Nahare aho fa tamin’ny taona 1978 ny fiangonanareo dia nanova ny fotokeviny mba hamela ny lehilahy rehetra hahazo ny fisoronana na inona na inona volonkodiny. Raha mino ianareo fa tarihin’ Andriamanitra ny fiangonanareo, ary Andriamanitra dia tsy miova, dia nahoana no manjary azo atao izany fanovana izany?”

Angataho ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hamaliany io namana io. (Fanamarihana: Ataovy izay hamalian’ny mpianatra ilay fiahiahiana mikasika ny fanovana ny fomba amam-panaon’ny Fiangonana fa tsy hieritreritra izay mety ho antony namerana ny fahazoana ny fisoronana. Aza eritreretina ihany koa ny antony nisian’ny famerana ny fahazoana ny fisoronana, satria tsy mbola nampahafantarina ireo antony ireo [jereo ny Filazana Ôfisialy 2].)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 10–11 mba hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy azy ireo hamaly ireo fanontaniana mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo, hanoroany lalana, hanovany ary hitondrany ny Fiangonany.

Hatramin’io fotoana tao anatin’ny andron’ny Testamenta Vaovao io dia tamin’ny Jiosy ihany no nitoriana ny filazantsara, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy manokana, araka izay nandidian’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 10:5–6). Kanefa nilaza tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa aorian’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina eo amin’izy ireo dia hitory ny filazantsara “hatramin’ny faran’ny tany” izy ireo (Asan’ny Apostoly 1:8). Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 isika dia mamaky mikasika ny fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana izay hanamora izany.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:1–2 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny mombamomba ny Jentilisa iray nantsoina hoe Kornelio. (Azonao atao ny manazava fa “natahotra an’ Andriamanitra” i Kornelio (andininy 2). Ireo olona natahotra an’ Andriamanitra dia Jentilisa nitsaoka ny Tompo kanefa tsy niditra ho mpikambana tao anaty antokom-pinoana hafa na niova finoana hanaraka ny fivavahana Jiosy, ka noho izany dia tsy niaina ny lalàn’i Mosesy iray manontolo.)

  • Inona no asan’i Kornelio? (Kapitenin’ny andia-miaramila Romana izy, izay niandraikitra miaramila 100.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa talohan’io fotoana io dia tsy afaka niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny Jentilisa raha tsy efa niova finoana hanaraka ny fivavahana Jiosy aloha, satria ny filazantsara dia tsy nentina afa-tsy teo amin’ny Jiosy.

  • Na dia tsy nahazo niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aza i Kornelio noho ny naha-Jentilisa azy dia, ahoana no nanehoany ny finoany an’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:3–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga tamin’i Kornelio. (Hazavao fa ny “ora fahasivy antoandro” [andininy 3] dia teo amin’ny tamin’ny 3 ora tolakandro teo.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 4, inona no nolazain’ilay anjely tamin’i Kornelio mikasika ny vavaka nataony sy ireo asa fiantrana nataony?

  • Inona no nasain’ ilay anjely nataon’ i Kornelio?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 10:7–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa naniraka lehilahy telo tany Jopa i Kornelio mba hitady an’i Petera. (Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe taiza ho aiza an’i Jopa no nisy an’i Kaisaria dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ny sarintany “Ny tany masina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao” [Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 11].)

Hazavao fa rehefa nandeha tany Jopa ireo lehilahy ireo dia nahita fahitana mahavariana i Petera raha nipetraka tao amin’ny tranon’ny lehilahy iray nantsoina hoe Simona. Omeo taratasy kely ny ankizy tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 10:9–16 ka hanao sary ny fahitana hitan’i Petera araka ny namaritana izany ao amin’ireo andininy ireo. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia angataho ny mpianatra hampiasa ny sary nataon’izy ireo hanazavana amin’ny mpiara-mianatra iray ny zavatra nitranga tao anatin’ny fahitana hitan’i Petera. Rehefa vita io asa atao io dia manontania hoe:

  • Nodidina hihinana inona i Petera tao anatin’ilay fahitana?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 14, inona no fihetsika nasehon’i Petera tamin’ny voalohany rehefa nahazo io didy io? (Hazavao fa ny Jiosy teo ambany lalàn’i Mosesy dia tsy nahazo nihinana biby izay voatondro ho zava-betaveta na tsy madio [jereo ny Levitikosy 11].)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, inona no nolazain’ny Tompo mikasika ireo biby tsy madio izay nodidiany mba hohanin’i Petera?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:17–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zava-nitranga rehefa nisaintsaina ny hevitra nofonosin’ny fahitana hitany izy.

  • Inona no andian-teny ao amin’ny andininy 17 izay milaza fa tamin’ny voalohany i Petera dia tsy nahatakatra ny dikan’ny fahitana hitany?

  • Iza no tonga raha mbola nisaintsaina mikasika ny fahitana hitany i Petera?

  • Inona no nasain’ny Fanahy nataon’i Petera?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 10:-21–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitantara tamin’i Petera ny fahitana hitan’i Kornelio ireo lehilahy telo. Ny ampitson’io dia niaraka tamin’izy ireo i Petera sy ireo mpianatra hafa mba hijery an’i Kornelio.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:25–28. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nataon’i Petera rehefa tonga tao an-tranon’i Kornelio izy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 28, inona no nolazain’i Petera mikasika ny fifaneraseran’ny Jiosy sy ny Jentilisa?

  • Inona no takatr’i Petera tamin’io fotoana io?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 10:29–33 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitantara ny fahitana hitany tamin’i Petera i Kornelio. Namory ny fianakaviany sy ireo namany ihany koa i Kornelio mba hahafahan’i Petera mampianatra azy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:34–35. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nianaran’i Petera.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaran’i Petera?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 10:36–43 amin’ny fanazavana fa i Petera dia nampianatra an’i Kornelio sy ny ankohonany mikasika an’i Jesoa Kristy sy ireo asa soa nataony, ny Fanomboana Azy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa ireo izay mino an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny famelana ny fahotany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 10:44–48. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy, mba hitady ny fiantraikan’ny fampianaran’i Petera teo amin’ireo Jentilisa ireo. Hazavao fa ny andian-teny hoe “isan’ny voafora” (andininy 45) dia manondro ireo mpianatra Jiosy izay niaraka tamin’i Petera avy any Jopa.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 44–46, inona no fiantraikan’ny fampianaran’i Petera teo amin’ny ankohonan’i Kornelio?

  • Nahoana ireo Jiosy nanatrika io fotoana io no gaga?

  • Raha jerena avy amin’ny zavatra niainan’i Petera izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10, inona no nampahafantarin’ny Tompo azy mikasika ny Jentilisa? (Tokony hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara ary azo atao batisa mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izy ireo.)

handout iconMba hanampiana ny mpianatra hitady ireo fotopampianarana azontsika ianarana avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10, dia tsinjarao ho vondrona ahitana olona roa na telo izy ireo. Omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay na soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto. Asao ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny vondrona misy azy mba hamaly ireo fanontaniana.

taratasy zaraina

Asan’ny Apostoly 10

Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera—Lesona 89

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Petera sy i Kornelio mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny hoe ny Tompo dia nanambara fahamarinana tamin’i Petera tao anatin’ny fotoana lavalava fa tsy nilaza izany indray mandeha?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny zavatra mety hataon’ Andriamanitra amin’ireo torolalana nomeny taloha?

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe mba hanoratra ireo fahamarinana hitan’ny vondrona misy azy ireo. Makà antoka fa hita taratra ao amin’ny zavatra soratan’izy ireo ireto fahamarinana manaraka ireto:

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny, dia ny Apôstôly zokiny indrindra Andriamanitra.

Mety hahazo fanambarana sy fahatakarana tsikelikely isika rehefa mankatò ny Tompo.

Mety hanova na hanampy ireo torolalana nomeny taloha Andriamanitra araka ny fahendreny sy ny zavatra ilain’ireo zanany.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba hanazavana ilay fahamarinana fahatelo ao amin’ilay lisitra nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matavy ao amin’ny teny nambaran’ny Loholona Christofferson.

Loholona D. Todd Christofferson

“Tamin’ny alalan’izay zava-nitranga izay sy tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena an’i Petera dia novain’ny Tompo ny fomba fanao iray tao amin’ny Fiangonana ary nanambara fampahalalana ara-potopampianarana feno kokoa tamin’ny mpianany izy. “Ary noho izany ny fitoriana ny filazantsara dia nivelatra mba hampidirana ny olona rehetra” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey. 2012, 88).

Omeo fotoana ny mpianatra hijerena indray ny zavatra nosoratan’izy ireo mikasika ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontanian’ilay namany. Amporisiho izy ireo hanoratra ireo hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo rehefa nandalina ny Asan’ny Apostoly 10, ary avelao izy ireo hizara ireo hevi-baovao ireo amin’ny iray kilasy.

Mety ilainao ny manazava fa na dia mety hanova ireo fomba fanaon’ny Fiangonana sy hampitombo ny fahatakarantsika ara-potopampianarana amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy aza Andriamanitra (jereo ny Fanekem-pinoana 1:9), dia tsy miova mihitsy ny toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ireo toetrany, ireo fanekempihavanany, ireo fotopampianarany, ary ny drafiny. Ny fahafantarana izany dia afaka manampy antsika hino an’ Andriamanitra sy hahatoky fa hitarika ny Fiangonany araka ny sitrapony sy ny zavatra ilain’ireo zanany Izy.

Asan’ny apostoly 11:1–18

Nampisy fifandirana teo anivon’ny Olomasina Jiosy i Petera momba ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa

  • Toy ny ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fahatsapana nananan’ireo Olomasina Jiosy rehefa nahare mikasika ny fifaneraseran’i Petera tamin’ny Jentilisa? (Ny fifaneraseran’i Petera tamin’ny Jentilisa iray dia fiovana goavana tamin’ny fomba fanao teo aloha, ary sarotra ho an’ny mpikambana sasany ny nanaiky io fiovana io.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny apostoly 11:1–3 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny iray kilasy mba hitady ny teny nasetrin’ireo mpianatra ny zavatra nataon’i Petera.

  • Inona no nolazain’ireo mpianatra ho setrin’ny zavatra nataon’i Petera?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 11:4-15 amin’ny fanazavana fa nohazavain’i Petera tamin’ireo mpianatra ireo fahitana hitany sy hitan’i Kornelio. Nolazainy azy ireo fa efa nandray ny fampianaran’i Jesoa Kristy i Kornelio sy ny ankohonany ary avy eo dia nahatsapa ny herin’ny Fanahy Masina tahaka ny nahatsapan’i Petera sy ireo mpianatra hafa izany.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 11:16-17 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, mba hitady ny fanamarihana farany nataon’i Petera tamin’ireo mpianatra.

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Petera holazaina rehefa nilaza izy hoe “Iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?” (andininy 17)? (Tsy hanohitra ny sitrapon’ Andriamanitra mba hanome fahafahana ireo Jentilisa handray ny filazantsara sy hibebaka ary hatao batisa i Petera.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 11:18, ka hitady ny teny navalin’ireo mpianatra ny fanazavana nataon’i Petera.

  • Inona no navalin’ireo mpianatra raha vantany vao nahafantatra izy ireo fa notarihin’ Andriamanitra i Petera?

  • Inona no fitsipika ampianarin’io tantara io mikasika ny fomba ahafahantsika manohana sy manaraka ireo izay miahy ny Fiangonana? (Mety hahita karazana fitsipika maro ireo mpianatra saingy makà antoka fa takatr’izy ireo ny hoe Rehefa fantatsika fa Andriamanitra no mitarika ireo mpitondra miahy ny Fiangonana, dia afaka manohana sy manaraka azy ireo amim-pahatokiana isika. Io fitsipika io dia nohamafisina ao amin’ny soratra masina amin’izao vaninandro izao, izay mirakitra fa Andriamanitra dia manambara ny sitrapony amin’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hitarihana ny Fiangonana [jereo ny F&F 28:2, 7; 42:11; 107:65–66].)

  • Ahoana no nahafantaranareo fa tarihin’ Andriamanitra ireo mpitondra miahy ny Fiangonana?

  • Torohevitra inona avy amin’ireo mpaminany no nofidinao ho arahina noho ny fahafantaranao fa Andriamanitra no mitarika ireo mpaminany?

Asao ny mpianatra hametraka tanjona mba hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa fa tarihin’ Andriamanitra ireo mpitondra miahy ny Fiangonana.

Asan’ny Apostoly 11:19–30

Mitohy mandroso hatrany ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanenjehana

Fintino ny Asan’ny Apostoly 11:19–30 amin’ny fanazavana fa noho ny fanenjehana dia mpianatra maro no niparitaka manerana ny faritra saingy nitory tamim-pahatokiana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo na taiza na taiza ny toerana nalehany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 8:18–24. Nila naniraka olona haka an’i Petera i Kornelio mba handraisany ireo ôrdônasin’ny filazantsara

“Tsy mitondra famonjena ny fahitana anjely na ny fitsidihan’ny olona avy any an-danitra; fa ny fitandremana ny didy kosa dia mitondra famonjena. Naniry ny hahazo famonjena i Kornelio, ka mba hahazoany izany dia tsy maintsy nankatò ireo fitsipika nifehy izany izy. Ilay anjely izay niseho sy nanome torolalana voalohany an’i Kornelio dia afaka nilaza taminy izay tokony hataony, saingy nasainy nankany amin’i Petera izay nihazona ny fahefana tety an-tany izy. Izany no lamina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Noho izany, ilay izy dia tahaka izay nolazain’i Joseph Smith hoe: … ‘Nolazain’ilay anjely tamin’i Kornelio izay lehilahy zokiolona mahafinaritra fa tsy maintsy maniraka olona haka an’i Petera izy mba hianarany mikasika ny fomba hahazoana famonjena: Afaka nanao batisa i Petera fa ny anjely dia tsy afaka, raha mbola misy tompon’andraikitra ara-dalàna velona eto an-tany izay mihazona ny fanalahidin’ny fanjakana, na ny fahefan’ny fisoronana” [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 110; nampiana sora-mandry]” (The Life and Teachings of Jesus and His Apostles [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1979], 252).

Asan’ny Apostoly 10:45. Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:45, ilay andian-teny hoe “ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” dia entina ilazana ny herin’ny Fanahy Masina izay tonga teo amin’ireo Jentilisa ireo. Izy io dia tsy mitovy amin’ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay azontsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana aorian’ny batisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:14–17; Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 97).

Asan’ny Apostoly 11. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny, dia ny Apôstôly zokiny indrindra Andriamanitra

Ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny lamina hahazoan’ny Fiangonana fanambarana:

“Misy lamina ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ny olombelona. Isika rehetra dia manana zo hangataka amin’ny Tompo sy handray fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny sehatra izay iandraiketantsika. Afaka mandray fanambarana ho an’ny fianakaviany ny ray aman-dreny, ary ny eveka ho an’ny mpiangona izay iandraiketany, ary toy izany hatrany amin’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ny Fiangonana manontolo. Kanefa isika dia tsy afaka mahazo fanambarana ho an’ny sehatra iandraiketan’ny hafa. Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“‘Mifanohitra amin’ny fomba fiasan’ Andriamanitra amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana izany, na amin’ny olona hafa na iza na iza, dia ny handray toromarika omena ireo izay manana fahefana ambony noho ny azy ireo’ [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 197–98]” (“We Believe All That God Has Revealed,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 85–86).

Asan’ny Apostoly 11. Matetika ny fanambarana no tonga tsikelikely rehefa manao zavatra araka izay fantatsika isika

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitovy ny fanambarana azo tsikelikely tamin’ny masoandro miposaka:

“Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraky ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io no toa mateti-pitranga”(“Ny fanahin’ny fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 88).