Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
2 Timoty 1—Hebreo 4 (Fizarana 27)
Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano
Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra manaraka ity teo am-pandalinan’izy ireo ny 2 Timoty 1–Hebreo 4 (Fizarana 27). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (2 Timoty)
Tato amin’ity epistilin’i Paoly ho an’i Timoty ity ireo mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Rehefa mikatsaka mafy ny hanana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia afaka mandresy ny tahotra ary tsy ho menatra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa miaritra ireo zava-tsarotra isika sy mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo dia afaka manampy ny tenantsika sy ny hafa hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Rehefa manadio ny tenantsika amin’ny faharatsiana isika dia afaka manompo ny Tompo bebe kokoa. Rehefa mijanona ho mahatoky amin’izay rehetra takin’ny Tompo amintsika isika dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana. Nianatra momba ireo loza mitranga amin’izao androntsika izao sy ny lanjan’ny soratra masina ihany koa ireo mpianatra.
Andro 2 (Titosy)
Rehefa nandalina ny epistilin’i Paoly ho an’i Titosy, mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana tao Kreta, ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mihazona mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra isika dia ho afaka ny hampiasa fotopampianarana marina mba hamporisihana ny hafa hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanoherana ireo izay manohitra izany. Namporisika ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy i Paoly mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa. Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa nanolotra ny tenany ho antsika i Jesoa Kristy mba hahafahany manavotra sy manadio antsika.
Andro 3 (Filemona)
Tamin’ny fandalinan’ireo mpianatra ny fangatahan’i Paoly tamin’i Filemona mba handray olona iray afaka tamin’ny fanandevozana izay vao niova fo ho rahalahy ao amin’ny filazantsara dia nianatra izy ireo fa mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny filazantsara isika. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia manolotra famindram-po sy famelana ny hafa.
Andro 4 (Hebreo 1–4)
Rehefa nandalina ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo ireo mpianatra dia nianatra fotopampianarana maro mikasika ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny anjara asany amin’ny maha-Ilay Mpahary Azy sy ny fitoviany amin’ny Ray any An-danitra. Ireo fotopampianarana ireo dia nitarika ireo mpianatra hahita ilay fahamarinana hoe i Jesoa Kristy no Kapitenin’ny famonjena antsika. Nianatra ihany koa izy ireo hoe, satria nijaly sy nalaina fanahy tamin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy dia afaka mahatakatra tsara antsika Izy ary afaka manampy antsika amin’ny fotoana maha-sahirana antsika.
Fampidirana
Ity lesona ity dia mandalina ny faminanian’i Paoly ny amin’ny loza hitranga amin’ny andro farany sy tamin’ny androny. Nampianatra an’i Timoty sy ireo izay hamaky ny epistiliny i Paoly mba hijanona ho mahatoky amin’ireo fahamarinana izay efa nianarany sy hampiasa ny soratra masina ho loharanom-pahatakarana sy fanitsiana ary fianarana, eo anivon’ireo loza ireo.
Sosokevitra enti-mampianatra
2 Timoty 3
Mamariparitra ireo andro mahory amin’ny andro farany i Paoly
Mialoha ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia angataho ireo mpianatra roa na telo voalohany tonga mba hanao sary eny amin’ny solaitrabe ny toe-javatra iray mampidi-doza na mampatahotra. Rehefa manomboka ny kilasy dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:
-
Inona no teny hampiasainareo entina hanoritsoritana ireo toe-javatra aseho amin’ny alalan’ny sary eo amin’ny solaitrabe?
Hazavao fa ao anatin’ny Epistiliny Faharoa ho an’i Timoty, i Paoly dia naminany ireo toe-piainana tamin’ny androny sy amin’ny androntsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:1 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra hitadiavana ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny fotoana izay iainantsika.
-
Ahoana no nanoritsoritan’i Paoly ny fotoana iainantsika? (Raha ilaina dia hazavao fa ny teny hoe mahory dia midika hoe feno loza sy zavatra mampidi-doza.)
-
Inona avy ireo loza ara-pitondrantena na ara-panahy izay efa hitanao tamin’izao androntsika izao?
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo ny tahadikan’ity tabilao manaraka ity ny vondron’ olon-droa tsirairay avy. Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny 2 Timoty 3:2–7 sy hamaly ireo fanontaniana ao amin’ilay tabilao. Toroy hevitra izy ireo mba hampiasa ny fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy mba hanampy azy ireo amin’ireo teny sarotra.
2 Timoty 3:2–7
Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano (Fizarana 27)
|
Inona avy ny ohatra sasany momba ireo toe-javatra hitranga amin’ny andro farany nosoritan’i Paoly? |
Inona amin’ireo toe-javatra ireo no efa hitanao amin’izao andro farany izao? (Fantaro ny roa na telo amin’izany.) Nahoana no mampidi-doza ireo toe-javatra ireo? |
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hanao tatitra amin’ny kilasy ny fomba namaliany ireo fanontaniana ao amin’ilay tabilao, ka tafiditra ao anatin’izany ny antony mahatonga ireo toe-javatra ireo ho mampidi-doza.
Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa ka matahotra ny ho tratran’ny sasany amin’ireo loza nolazan’i Paoly ao amin’ireo andininy nohalalininy ireo izy ireo.
-
Araka ny voalaza any amin’ny faran’ny 2 Timoty 3:5, dia inona no namporisihan’i Paoly hataon’i Timoty izay afaka manampy antsika ihany koa amin’izao androntsika izao? (Tokony hiala amin’ny faharatsiana isika.)
Hazavao fa na dia mafy aza ireo toe-javatra manahirana ireo dia afaka mahita fanampiana sy fiarovana isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:14–15 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny kilasy hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Paoly izay afaka manampy antsika hanalavitra ireo zavatra mampidi-doza ireo.
-
Inona no nampianarin’i Paoly mikasika ny fanoherana ireo zavatra mampidi-doza nosoritany ireo?
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao ao amin’ny andininy 14 ?
Asao ireo mpianatra hamantatra fahamarinana avy amin’ny 2 Timoty 3:14–15 mikasika ny fandresena ireo loza ara-panahy amin’ny andro farany. (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mifikitra amin’ireo fahamarinana nianarantsika avy amin’ireo loharano azo antoka sy ny soratra masina isika dia afaka mandresy ny zavatra mampidi-doza ara-panahy amin’ny andro farany.)
-
Manampy antsika handresy ireo zavatra mampidi-doza ara-panahy amin’ny androntsika amin’ny fomba ahoana ny fianteherana amin’ny soratra masina sy ireo fahamarinana nianarantsika?
-
Oviana ianao no efa nisafidy ny hiantehitra amin’ireo fahamarinana nianaranao? Inona no fitahiana azonao noho ny fanaovana izany? (Azonao asaina valian’ireo mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahie fandraisany an-tsoratra any am-pianarana aloha ireo fanontaniana ireo, ary avy eo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany amin’ny iray kilasy.)
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny 2 Timoty 3:15–17 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:15–17 , ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny soratra masina. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.
-
Inona no nampianarin’i Paoly mikasika ny fandalinana ny soratra masina izay afaka manampy antsika amin’izao androntsika izao? (Ampio ireo mpianatra hahita izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mianatra fotopampianarana sy mandray fanitsiana sy torohevitra izay hanampy antsika hivoatra mankany amin’ny fahatanterahana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nanampian’ny soratra masina—mety ho andinin-tsoratra masina nohalalininy tao amin’ny Testamenta Vaovao—azy ireo tamin’ny iray tamin’ireto fomba manaraka ireto:
-
Mahatakatra fotopampianaran’ny filazantsara iray
-
Tamin’ny fananarana na fanitsiana zavatra tao amin’ny eritreriny, na safidiny na toetrany izay tsy tsara.
-
Tamin’ny famaliana vavaka iray na fanomezana torohevitra momba ny famahana olana iray
Omeo fotoana ireo mpianatra hieritreretana zavatra niainana ary avy eo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra neritreretiny amin’ny iray kilasy.
-
Raha mandinika ny zavatra nianarantsika mikasika ny lanjan’ny soratra masina isika dia nahoana araka ny eritreritrareo no amporisihina handalina isan’andro azy ireny isika?
Omeo ny tahadikan’ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany ary asao ny mpianatra hitady ny torohevitra sy ny fampanantenan’ny Loholona Scott mikasika ny fandalinana soratra masina.
“Aza milefitra amin’ny laingan’i Satana hoe tsy manana fotoana ianareo handalinana ny soratra masina. Misafidiana haka fotoana handalinana azy ireny. Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéos, na ny tambazotra ifaneraserana ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra. Mety mila mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy!
“… Rehefa manokana fotoana isan’andro ianareo, mitokana na miaraka amin’ny fianakavianareo, handalinana ny tenin’ Andriamanitra dia hanjaka eo amin’ny fiainanareo ny fiadanana.” (“Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 93).
Mijoroa ho vavolombelona momba ny filaminana sy ny fiadanana azon’ireo izay mifikitra amin’ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina.
Asao ireo mpianatra hamoritra taratasy iray mba hizara telo. Asao izy ireo hamelatra ilay taratasy sy hanoratra hoe Fotopampianarana eo ambony amin’ny fizarany voalohany, Fananarana sy fanitsiana eo ambony amin’ny fizarany faharoa ary Torohevitra momba ny fahamarinana eo ambony amin’ny fizarany fahatelo.
Asao ireo mpianatra hampiasa ity taratasy ity ho fanamariham-pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo mandritra ny herinandro iray sady hanoratra ao amin’ny fizarana tokony hisy azy isaky ny mamaky soratra masina iray izay mahafeno ny iray amin’ireo tanjona ireo izy ireo. Ohatra, eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fotopampianarana,” dia afaka manoratra andinin-tsoratra masina iray miaraka amin’ny fotopampianarana na fitsipika nianarany avy tamin’izany andinin-tsoratra masina izany ireo mpianatra. Eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fananarana sy fanitsiana,” dia afaka manoratra ilay andinin-tsoratra masina sy ny fomba hanitsian’ilay andinin-tsoratra ireo hevitra diso izy ireo. Ary eo ambanin’ny hoe “Fampianarana amin’ny fahamarinana,” dia afaka manoratra andinin-tsoratra izay manome azy ireo hevi-baovao ahafahan’izy ireo manao asa tsara izy ireo.
Amporisiho ireo mpianatra hitondra ny taratasiny ao an-dakilasy afaka herinandro mba hanaovana tatitra ny zavatra niainany. Azonao asiana fampahatsiahivana ao amin’ny soratra masinao na ny boky torolalanao ny hanaovana fifanakalozan-kevitra fohy hijerena ny fomba nampiharan’izy ireo ity andinin-tsoratra masina fehezina ity.
Fizarana manaraka (Hebreo 5–Jakoba 1)
Amporisiho ireo mpianatra hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ny fizarana manaraka: Ahoana no fomba iantsoana ny zatovolahy ho amin’ny fisoronana? Iza no voalaza ao amin’ny Hebreo fa manana finoana lehibe? Fantatrao ve ireo lehilahy sy vehivavy ianaranao ao amin’io fizarana io? Inona no andinin-tsoratra masina novakian’i Joseph Smith izay nitarika azy “hangataka amin’ Andriamanitra,” ka nahatonga ny Fahitana Voalohany? Inona no atao hoe fivavahana madio?