Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Marka 10–Lioka 4 (Fizarana 9)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Ity famintinana ireo trangan-javatra sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Marka 10–Lioka 4 (fizarana 9) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Marka 10–16)
Rehefa nandalina mikasika ny fanasan’ny Mpamonjy ireo ankizy madinika mba hanatona Azy ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mandray ny filazantsara toy ny ankizy madinika isika dia ho vonona hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Rehefa namaky ny fananarana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ilay mpahay lalàna manan-karena izy ireo dia nianatra hoe satria tian’ny Tompo isika, noho izany Izy dia hanampy antsika hahafantatra ny zavatra tsy ampy amin’ny ezaka ataontsika mba hanaraka Azy, ary raha manontany Azy isika dia hampianatra antsika ny zavatra tokony hataontsika Izy mba handovana ny fiainana mandrakizay. Ny tantara mikasika ilay mpitondratena malahelo izay nanome ireo farantsa keliny sy mikasika an’i Maria izay nanosotra menaka ny Mpamonjy dia nanampy ireo mpianatra hianatra fa raha toa isika ka vonona hanome ny Tompo izay rehetra ananantsika dia hanaiky ny fanatitra ataontsika Izy na dia miendrika kely aza izany raha oharina amin’ny an’ny hafa, ary ny Mpamonjy dia faly amintsika rehefa manome Azy ny tsara indrindra avy amintsika isika.
Andro 2 (Lioka 1)
Tamin’ity lesona ity dia nandalina mikasika ny fampanantenana nataon’ny anjely Gabriela ireo mpianatra fa i Zakaria sy i Elizabeta dia hanan-janaka lahy. Nianatra ihany koa izy ireo fa nilaza tamin’i Maria i Gabriela fa izy no ho renin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ao amin’ireo soratra masina ireo dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto ireo mpianatra: Ireo tenin’ny Tompo izay nambarany tamin’ny alalan’ireo mpanompony dia ho tanteraka avokoa amin’ny fotoany avy. I Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra Ray. Tsy misy zavatra tsy ho azo tanterahina rehefa miaraka amin’ Andriamanitra. Raha toa isika ka miezaka ny manatanteraka am-pahatokiana ireo anjara andraikitra izay omen’ny Tompo antsika, dia afaka manatanteraka zavatra goavana eo amin’ny fiainantsika Izy.
Andro 3 (Lioka 2)
Rehefa nandalina mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ireo mpianatra, dia nianatra hoe satria teraka teto an-tany ny Mpamonjy, dia afaka hiaina fifaliana lehibe isika. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa mitandrina ireo torolalana masina isika, dia afaka handray fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy, ary rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy isika dia te hizara izany amin’ny hafa. Rehefa nianatra mikasika ny fahatanoran’i Jesoa ireo mpianatra, dia nianatra fa afaka hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa isika amin’ny fahazoana fahendrena sy fitomboana ara-batana sy ara-panahy ary ara-tsosialy.
Andro 4 (Lioka 3–4)
Tamin’ity lesona ity dia nianatra momba ny Jaona Mpanao Batisa sy momba ny batisan’i Jesoa Kristy ireo mpianatra. Nianatra mikasika ny fanambarana nataon’i Jesoa tao Nazareta ihany koa ireo mpianatra fa Izy ilay Mesia. Avy amin’ireo tantara ireo dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto ireo mpianatra: Manasaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy i Jesoa Kristy. I Jesoa no Mesia izay nalefa mba hanasitrana ireo maratra am-po sy hanafaka ireo babo ara-panahy. Rehefa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita fahagagana mitranga.
Fampidirana
Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sasantsasany tamin’ireo zavatra nijalian’ny Mpamonjy, izay ampahany tafiditra tao amin’ny Sorompanavotany. Ankoatra izany ihany koa, ireo mpianatra dia ho tonga amin’ny fahatakarana ny sasantsasany amin’ireo antony nahatonga ny Mpamonjy nijaly ho antsika.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Marka 14:10–16:20
Nanomboka ny Sorompanavotany i Jesoa rehefa nijaly tao Getsemane noho ny fahotantsika; namadika Azy i Jodasy Iskariota ary nentiny teo anatrehan’ny mpitarika Jiosy Izy
Asaivo mandinika amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:
-
Efa nahatsapa ve ianao fa tsy misy olona na dia iray aza mahatakatra ny fahatsapana anananao na ny zava-tsarotra izay lalovanao?
-
Efa nahatsapa ve ianao ianao fa tsy afaka ny hahazo famelan-keloka amin’ireo fahotanao taloha?
Rehefa mandalina ny Marka 14 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hanampy ny olona mety manana ireo fahatsapana ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avy ny Marka 14:32–34. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ireo fahatsapana izay nananan’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane.
-
Nanao ahoana ny fahatsapana nananan’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane?
Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny manaraka ireto: talanjona sady ory indrindra, fadiranovana loatra.
Hazavao fa ireo fehezan-teny ireo dia nentina hilazana ny fijaliana niainan’i Jesoa Kristy izay tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotany.
-
Inona no ampianarin’ireo fehezan-teny ireo antsika momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nijaly sy novesaran’ny alahelo i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, izay tafiditra tao amin’ny Sorompanavotany.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fotopampianarana ity, dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tao Getsemane, ny fijalian’i Jesoa Kristy dia niantomboka rehefa ‘talanjona sady ory indrindra’ Izy (Marka 14:33), na raha amin’ny teny Grika dia hoe ‘zendana’ sy ‘gaga.’
“Alaivo sary an-tsaina hoe i Jehovah, ilay Mpahary izao tontolo izao sy ireo tontolo hafa, no ‘gaga’! … Tsy mbola nahafantatra manokana ny hatsarana feno sy ny dingana mazava hizoran’ny Sorompanavotana Izy teo aloha. Koa rehefa tonga taminy tamin’ny fahafenoany ny fanaintainana, dia be loatra izany, ratsy lavitra noho izay efa noeritreretiny tamin’ny fahatakarana nananany izay tsy manam-paharoa! Tsy mahagaga raha nisy anjely niseho mba hampahery azy! (Jereo ny Lioka 22:43..)
“Ny fitambaran’ny vesatry ny fahotan’izao tontolo izao—taloha, ankehitriny, sy ny hoavy—dia novesarana teo ambon’izany fanahy tonga lafatra, tsy misy fahotana ary mpangoraka izany! Ny fahalementsika sy ny aretintsika rehetra, tamin’ny fomba tsy azo eritreretina, dia tonga ampahany ihany koa amin’ny rafitrisa mahatsiravin’ny Sorompanavotana. (Jereo ihany koa ny Almà 7:11–12; Isa. 53:3–5; Mat. 8:17.) …
“Tao anatin’ny halehiben’izany fanaintainana izany Izy, angamba mety nanantena hahita ondrilahy hanolo-toerana sy hanafaka Azy tao amin’ilay kiriatra hazo madinika? Tsy fantatro. Ny fijaliany—araka ny nisehoany, halehibeny nampitomboana isa tsy voafetra—avy eo no niteraka ilay fitomaniany ara-panahy teo ambonin’ny hazo fijaliana, ary izany dia tomany noho ny fandaozana. (Jereo ny Mat. 27:46.) …
“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mahagaga sy feno voninahitra no zavatra lehibe indrindra notanterahana teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra. Io no fototra hitodihan’ny zavatra hafa rehetra manan-danja amin’ny farany. Fa izany dia nitodika tamin’ny fanoavana ara-panahin’i Jesoa Kristy!” (“Willing to Submit,” Ensign, mey 1985, 72–73).
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 14:35–42. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy noho ny fijaliana goavana izay nianjady taminy.
-
Inona no zavatra nataon’ny Mpamonjy noho ny fijaliana goavana izay nianjady taminy? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa lehibe loatra ny fijalian’i Jesoa izay nahatonga Azy nangataka raha toa ka azony atao ny tsy handalo amin’izany.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny manaraka izao: I Jesoa Kristy dia niaritra … mba …
Hazavao fa ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny antony nananany fahavononana mba hijaly ho antsika.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Isaia 53:3–5 sy Almà 7:11–13. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao izy ireo hiara-hamaky ireo andininy ireo sy hikaroka ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy sy ny anton’izany. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hamenony ilay fehezan-teny misoratra eny amin’ny solaitrabe raha miainga amin’ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny Isaia 53:3–5 sy Almà 7:11–13. (Mety ilainao ny manazava fa ny teny hoe manampy ao amin’ny Almà 7:12 dia midika hoe manome fanamaivanana haingana, na mandeha manampy olona iray.)
Rehefa ampy ny fotoana nomena azy ireo, dia manasà mpianatra maromaro hanao tatitra ny fomba namenoan’izy ireo ilay fehezan-teny. Tokony hitovitovy amin’ireto manaraka ireto ny valintenin’izy ireo: I Jesoa Kristy dia nijaly noho ireo fanaintanana, fahoriana, fakam-panahy, aretina, rofy sy ireo alahelontsika mba hahafantarany ny fomba hanampiana antsika. I Jesoa Kristy dia nijaly noho ny fahotantsika mba hahafahany mamafa ny fandikan-dalàna vitantsika. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fijalian’ny Mpamonjy noho ny fahotan’ny zanak’ olombelona dia nanomboka tao Getsemane ary nitohy izany ka niafara tamin’ny fanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana.
-
Ahoana no mety ahafahan’ny fahalalana ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy sy ny anton’izany hanampy anao rehefa miatrika fitsapana, fanaintainana, na fijaliana ianao? (Jereo ny F&F 45:3–5.)
-
Oviana ianao no efa nahatsapa fa ny Tompo dia nanampy anao tao anatin’ny fotoana niatrehanao fanaintainana, aretina na alahelo?
-
Inona avy ireo fahatsapana niainanao rehefa nibebaka sy nahatsapa ianao fa nesorina taminao (na voafafa) ny fahotanao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Fintino ny Marka 14:43–16:20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa Kristy dia noentina tamin’ny fitsarana tsy ara-dalàna teo anoloan’ny Sanhedrina (mpitarika Jiosy) ary nohelohina ho faty. Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana sy nitsanganany tamin’ny Maty, dia niseho tamin’ireo Apôstôliny sy nandefa azy ireo hitory Izy, ary nampanantena azy ireo fa ny famantarana dia hanaraka ireo izay mino. (Fanamarihana: Ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny nandevenana Azy ary ny Fitsanganany tamin’ny Maty dia hita tamin’ny antsipirihany nandritra ny fandalinan’ny mpianatra ny Matio 27–28.)
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 16:15. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nanirahan’ny Tompo ireo Apôstôliny.
-
Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanatanterahana ilay iraka mba hitory ny filazantsara amin’ “izao tontolo izao” androany sy amin’ny ho avy?
Azonao faranana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay noresahinareo androany ity lesona ity.
Fizarana manaraka (Lioka 5:1–10:37)
Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka efa nisy fotoana nanontanian’izy ireo tena raha toa ka afaka ny hahazo famelan-keloka izy ireo. Hazavao fa rehefa mianatra ny Lioka 5:1–10:37 izy ireo amin’ny herinandro ho avy, dia hianatra mikasika ny fahavononan’ny Mpamonjy hamela ny fahotan’izy ireo sy hianatra ny zavatra afaka ataon’izy ireo mba ho voavela heloka.