Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Matio 6:1–13:23 (Fizarana 3)


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano

Matio 6:1–13:23 (Fizarana 3)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Matio 6:1–13:23 (fizarana 3) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Matio 6-7)

Rehefa nanohy ny fandalinany ny Toriteny teo An-tendrombohitra ireo mpianatra dia nianatra izao manaraka izao: Raha manao ireo asa fanolorantena mba hahazoana sitraka amin’ny Ray any An-danitra isika fa tsy mba hisarihana ny hafa dia hanome valim-pitia ho antsika Izy. Tsy afaka sady hanompo an’ Andriamanitra no hanompo an’i Mamôna isika. Rehefa mangataka sy mikatsaka ary mandondona isika ao amin’ny fitadiavantsika ny fahamarinana dia hamaly sy hitahy antsika amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Ray any An-danitra. Afaka mahafantatra azy ireo amin’ny voany isika.

Andro 2 (Matio 8-10)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nianatra fa i Jesoa dia afaka manasitrana ireo aretintsika sy ireo rofintsika ary niantso Apôstôly Izy sy nanome ny fahefany ho azy ireo. Ireo mpianatra dia nianatra ihany koa fa rehefa eo am-panompoana ny Tompo isika dia hanentana ny fanahintsika Izy amin’izay tokony ho tenenintsika rehefa ilaina izany, ary raha mamery ny aintsika (manome ny fotoanantsika) ho an’i Jesoa Kristy isika dia hisy tanjona ny fiainantsika.

Andro 3 (Matio 11-12)

Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mikatsaka ny hianatra ny momba an’i Jesoa Kristy isika sy rehefa mijoro ho vavolombelona ny Aminy, dia afaka mihamatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona momba Azy, ary raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hohamaivaniny ny enta-mavesatsika ary homeny fitsaharana isika Ho fanampin’izany dia nianatra ihany koa ny mpianatra mikasika ny fanolorantena feno ho an’ Andriamanitra ary ny fanoloana ireo fitaoman’ny ratsy amin’ny fiainan’izy ireo ho fitaomana tsara.

Andro 4 (Matio 13:1–23)

Rehefa nandalina ny fanoharana momba ilay mpamafy voa ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny ahiahin’izao fiainana izao dia afaka manary dia antsika sy mampivily ny fifantohantsika tsy ho eo amin’ny Tompo ary mampihena ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny tenin’ Andriamanitra. Mba hisorohana ny hitrangan’izany ary mba hahatonga antsika hiova fo amin’ny Mpamonjy dia tsy maintsy mandray ny tenin’ Andriamanitra sy miezaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika.

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 7dia nanohy ny Toriteny teo An-tendrombohitra tamin’ny fampianarana ny mpianany mba hitsara amim-pahamarinana i Jesoa Kristy. Nampianatra koa Izy momba ny fandraisana fanambarana manokana sy ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fanamarihana Mandritra ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano ho an’ny fizarana 1 ary ny leson’ny andro 3 amin’ity herinandro ity, dia nandalina ny soratra masina fehezina ao amin’ny Matio 11:28–30ny mpianatra. Diniho ny handaniana fotoana vitsivitsy hanaovana famerenana an’ireo andinin-tsoratra masina ireo miaraka amin’ny mpianatra.

Matio 7:1–5

Tao anatin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra no nampianaran’i Jesoa Kristy ny mpianany mikasika ny fitsarana amim-pahamarinana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana: Tokony hitsara sa tsy tokony hitsara ny hafa ve isika? Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io ny fotoam-pianarana.

Asehoy ilay sary hoe Toriteny teo An-tendrombohitra (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 39; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa raha nanohy ny Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesoa dia nampianatra ny mpianany momba ny fitsarana Izy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:1. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fitsarana. Mariho fa diso fihevitra isika matetika mikasika ny andininy 1 rehefa milaza fa tsy tokony hitsara na oviana na oviana isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 7:1, “Ankehitriny dia ireto ny teny izay nampianarin’i Jesoa ny mpianany ka tokony holazain’izy ireo ny olona. Aza mitsara mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.”

  • Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny fitsarana?

  • Inona aminao no dikan’ny hoe mitsara araka ny fitsarana marina?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:2. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga amintsika avy amin’ny fomba hitsarantsika ny hafa. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “araka ny ohatra ataonareo” dia milaza ny fomba handrefenao na hitsaranao.)

  • Inona no hitranga raha mitsara ny hafa araka ny fitsarana marina isika? (Mety hanome valinteny samy hafa ireo mpianatra, fa ampio anefa izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mitsara ny hafa araka ny fitsarana marina isika dia hanome famindrampo sy rariny mitovy amin’izany ho antsika Izy.

Raha azo atao dia zarao tahadikan’ity fanambarana manaraka avy amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana ity ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny karazana fitsarana tokony ataontsika ary ny karazana fitsarana tsy tokony ataontsika ary hikaroka ny fomba hitsarantsika amim-pahamarinana.

“Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara ny hafa amin’ny endriny rehetra. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa na hitsara azy ireo tsy ara-drariny ianao dia mila ianao mandanjalanja mikasika ireo hevitra sy toe-javatra ary olona mandritra ny fiainanao manontolo. …

“Ny fitsarana dia fomba fampiasana manan-danja ny fahafahana misafidy ary mitaky fitandremana tanteraka izany, indrindra rehefa maneho ny hevitrao mikasika ny olona hafa ianao. Tokony ho tarihan’ny fitsipika mifono fahamarinana ny fitsaranao rehetra. Tsarovy fa Andriamanitra irery ihany, izay mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay, no afaka mitsara farany ny olona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 20:12; 3 Nefia 27:14; F&F 137:9). …

“… Tsarao arak’izay vitanao araka ny toe-javatra iainany ny olona fa aza tsaraina amin’ny maha-izy azy. Raha mbola azo atao dia ajanony ny fitsaratsarana mandra-pahafantatrao marina ilay toe-javatra. Aoka ianao hihaino foana ny Fanahy Masina, izay afaka ny hitarika anao amin’ny fanapahan-kevitrao” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 90–91).

  • Inona avy no karazana fitsarana tokony ataontsika?

  • Ahoana no hahafahantsika mitsara araka ny fahamarinana?

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ny fotoana izay mila hanaovan’ny olona iray fitsarana araka ny fahamarinana?

Asehoy ny tapakazo kely iray ary ny vongan-kazo lava sy matevina iray. Hazavao fa raha nampianatra ny mpianany momba ny fitsarana ny Mpamonjy dia niantso ny tapakazo kely hoe sombin-kazo Izy ary ny vongan-kazo lehibe dia nantsoiny hoe andry (jereo ny Matio 7:3 ). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:3 . Angataho ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fitsarana ny hafa.

  • Inona no mety hambaran’ny sombin-kazo sy ny andry ao amin’ilay fanoharana? (Izany dia maneho ireo fahadisoana kely sy goavana, ireo fahalemena na fahotana.)

  • Ahoana no hilazanao indray amin’ny fombanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 3?

Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray hitazona ny andry eo ambonin’ny masony. Anontanio ilay mpianatra faharoa hoe:

  • Tianao ve raha manala pitika hazo avy amin’ny masonao ilay mpiara-mianatra mitazona ny andry? Nahoana?

Anontanio ilay mpianatra mitazona ny andry hoe:

  • Mila mahita inona ianao vao afaka hanala pitika hazo eo amin’ny mason’ny mpiara-mianatra aminao?

Asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra roa. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:4–5 . Asao ny iray kilasy hanaraka izany ary hitady ireo fahadisoana nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hampiahiahy antsika.

  • Tokony hifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa ve ny ahiahy sy fanitsiana tiantsika atao sa tokony hifantoka amin’ny an’ny antsika manokana? Nahoana?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy antsika hisoroka amin’ny fitsarana ny hafa tsy araka ny fahamarinana? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mifantoka amin’ny fanesorana ny fahotantsika sy ny fahalementsika isika dia ho sarotra amintsika avy eo ny hitsara ny hafa tsy araka ny fahamarinana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ity fitsipika ity antsika rehefa mahatsikaritra ny fahalemen’ny hafa isika?

Azonao atao ny manome ny mpianatra tapakazo kely mba hampahatsiahivana azy ireo ity fitsipika ity. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fahotana na fahalemena izay azony esorina eo amin’ny fiainany manokana. Entano izy ireo mba hangataka fanampiana amin’ny Tompo amin’ny fanesorana ny fahalemeny manokana fa tsy hitsara ny hafa araka ny tsy fahamarinana.

Matio 7:24–27

Mampanantena famonjena ho an’ireo izay manao ny sitrapon’ny Ray ny Mpamonjy

Asehoy ny vato iray sy ny lovia feno fasika. Anontanio ny mpianatra raha tiany kokoa ny manorina ny tranony eo amin’ny vato na eo amin’ny fasika. Asao izy ireo hanazava ny anton’izany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:24–27. Asao ny iray kilasy hanaraka izany ary hitady ny hoe inona no nolazain’i Jesoa fa mitovy amin’ny fanorenana trano eo ambonin’ny vatolampy ary inona no mitovy amin’ny fanorenana trano eo ambonin’ny fasika.

  • Araka ny andininy 24, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa zavatra ataon’ny olona iray izay hitovizany amin’ny olona manan-tsaina manorina eo ambonin’ny vatolampy?

  • Araka ny andininy 26, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa zavatra ataon’ny olona iray izay hitovizany amin’ny olona adala manorina eo ambonin’ny fasika?

  • Araka ny hevitrao, manambara inona ny ranonorana, ny riaka be sy ny rivotra ao amin’ireo fanoharana ireo (jereo ny andininy 27; jereo koa ny Helamàna 5:12)?

  • Inona no fitsipika mikasika ny tokony hampiharana ny fampianaran’ny Tompo izay azontsika ianarana avy amin’ireo fanoharana ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ireto fitsipika manaraka ireto: Raha mihaino sy mampihatra ireo fampianaran’ny Tompo isika dia hankahery antsika mba haharetantsika ireo fizahan-toetra Izy avy eo. Raha mihaino ireo fampianaran’ny Tompo isika fa tsy manaraka izany dia tsy hahazo ny fanampiana izay ilaintsika isika rehefa mitranga ny fizahan-toetra.)

Asao ny mpianatra mba hitovy amin’ilay olona manan-tsaina amin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra hampihatra ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra mba hanoratany ny fomba hampiharany ny fitsipika iray na fitsipika maro avy amin’ity lesona ity na avy amin’ny fandalinany ny ambin’ny Toriten’ny Mpamonjy teo An-tendrombohitra.

Fizarana manaraka (Matio 13:24–17:27)

Lazao ny mpianatra fa mandritra ny herinandro manaraka izy ireo dia hamaky momba ny teti-dratsy nitarika ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa. Hianatra momba ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ihany koa izy ireo: Nahoana no nasain’i Heroda notapahin-doha i Jaona? Nahoana i Petera no nilentika tao anaty rano taorian’ny nahafahany nandeha tamim-pahombiazana teo ambonin’izany? Asaivo mandinika ny fahatsapana hananana noho ny fahalasan’ny namana akaiky iray na ny mpikamban’ny fianakaviana iray ireo mpianatra. Rehefa mandalina ny fizarana manaraka izy ireo dia asao mba hijery ny fomba fihetsiky ny Mpamonjy nanoloana ny fahafatesan’ny olon-tiana iray ary inona no nitranga tao an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.