Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Asan’ny apostoly 13–19 (Fizarana 19)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Asan’ny Apostoly 13–19 (fizarana 19). Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.
Andro 1 (Asan’ny Apostoly 13–14)
Rehefa nandalina mikasika ny nifanenan’i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny mpanao ody iray ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa lehibe lavitra noho ny herin’ny devoly ny herin’ Andriamanitra. Rehefa nampianatra mikasika ny Mpamonjy sy ny fahoriana i Paoly dia nahita ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra: Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika sy hamarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Rehefa miatrika amim-pinoana ny fahoriana isika dia ho vonona ny hiditra ny fanjakana selestialy.
Andro 2 (Asan’ny Apostoly 15)
Rehefa nandalina ny fomba handraisan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fanapahan-kevitra miaraka ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa afaka mahafantatra ny sitrapon’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminany sy Apôstôliny velona isika, sy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina ary amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Nianatra ihany koa izy ireo fa mahazo fitaomam-panahy momba ireo olana saro-bahana amin’ny alalan’ny fikaonan-doha sy amin’ny alalan’ny fikatsahana fanambarana avy amin’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Andro 3 (Asan’ny Apostoly 16–17)
Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto avy amin’ny tantaran’ny asa fitoriana nataon’i Paoly sy i Silasy ny mpianatra: Rehefa manaraka ny fanambarana nomen’ Andriamanitra antsika isika dia afaka ny ho voatarika ho amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara. Ny famonjena dia mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, ary mampiseho ny finoantsika azy isika rehefa atao batisa. Raha mandray ny tenin’ireo mpanompon’ Andriamanitra amin’ny zotom-po isika sy mandinika ny soratra masina isan’andro, dia ho mafy orina kokoa ny finoantsika ny tenin’izy ireo.
Andro 4 (Asan’ny Apostoly 18–19)
Avy amin’ny fanomezan’ny Tompo toky an’i Paoly tamin’izy nahatsapa ho diso fanantenana tamin’ny olona tao Korinto dia nianatra ny mpianatra fa raha miaina am-pahamendrehana isika dia hiaraka amintsika ny Tompo rehefa manao ny asany isika. Rehefa nandalina ny fampianaran’i Paoly sy ny fanasitranana tao Efesosy ny mpianatra dia nianatra izao manaraka izao: Mba hanan-kery ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny mpanompon’ Andriamanitra nahazo lalana. Mba hahafeno ny batisa dia tsy maintsy arahan’ny fandraisana ny Fanahy Masina izany. Amin’ny alalan’ny mpanompony nahazo lalana no fomba iray anehoan’ Andriamanitra ny heriny. Rehefa mibaboka sy mahafoy ny fomba fanao ratsy isika dia maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.
Fampidirana
Nampianatra momba ny tena toetran’ Andriamanitra tao Areopago i Paoly. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo toetoetran’ Andriamanitra sy ny rohim-pihavanan’izy ireo Aminy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Asan’ny Apostoly 17:16–34
Nitory teo amin’ny Areopago i Paoly
Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny bokiny ao amin’ny sarin’ireo toerana ao amin’ny soratra masina, lah. 29, “Atena,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Hazavao fa ity sary ity dia maneho ny iray amin’ireo tempoly maro tao Atena izay nampiasaina mba hitsaohana andriamani-kafa. Hita tao anatin’ireo tempoly ireo ireo sary vongana nataon’olombelona izay maneho ireo andriamanitra ireo. Hita teny ivelany ireo alitara izay nanaovana sorona ho an’ireo andriamani-kafa ireo.
Hazavao fa mba hiarovana an’i Paoly tamin’ireo andiana Jiosy feno fankahalana tao Tesalonika dia nalefan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Atena izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:13–15). Vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:16–21 fa nanahy mafy tamin’ny fanompoan-tsampy tao Atena i Paoly ka dia nampianatra tao amin’ireo synagoga sy ireo tsena tao izy. Dia nanasa an’i Paoly avy eo ireo manam-pahaizana mpikaroka hevi-dalina mba hanazava tamin’ny filankevi-pitsarana izay nivory tao Areopago ny “fampianarana vaovao” (andininy 19) nozarainy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 17:22–23. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tsikaritr’i Paoly teo amin’ny iray tamin’ireo alitara Ateniana.
-
Inona no hitan’i Paoly teo amin’ny iray tamin’ireo alitara Ateniana?
Hazavao fa ny Asan’ny Apostoly 17:22 dia milaza fa nandoka ireo Ateniana i Paoly rehefa nilaza fa izy ireo dia “fatra-pivavaka,” izay midika hoe “mpivavaka be” na “nitandrina tsara tamin’ireo zava-masina”. Ilay alitara “ho an’izay andriamanitra tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23) dia ezaka nataon’ireo Ateniana mba hanome fahafaham-po ny andriamanitra tsy fantatra iray na izay andriamanitra tsy fantatra anarana. Hita mazava tsara fa tsy te hanafintohina na hanao tsinontsinona izay mety ho andriamanitra rehetra izy ireo.
Resaho ilay fehezanteny farany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:23 dia manontania avy eo hoe:
-
Nahoana i Paoly no niresaka io alitara “ho an’izay andriamanitra tsy fantatra” io? (Nampiasainy izy io hampidirana resaka mikasika ilay Andriamanitra marina, ny Ray any An-danitra, ilay Andriamanitra tsy fantatr’izy ireo.
Ampiaraho tsiroaroa na zarao ho vondrona kelikely ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba hikaroka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:24–31 fahamarinana maro araka izay azon’izy ireo tadiavina mikasika ilay Andriamanitra tsy fantatr’ireo vahoaka tao Atena. Mandritra ny fandalinana ataon’izy ireo dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny laharan’ny andinin-tsoratra masina tsirairay (24–31).
Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe mba hanoratra fahamarinana iray hitan’izy ireo eo akaikin’ilay laharan’ny andinin-tsoratra masina izay nahitan’izy ireo izany. (Mba hanampiana ny mpianatra hahita fahamarinana iray ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:27, dia hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io dia mivaky toy izao: “Mba hitady ny Tompo izy ireo, raha vonona ny hahita Azy, satria tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.”)
Azonao atao ihany koa ny manoro ny mpianatra hanisy marika ny tsirairay amin’ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.) Ny sasany amin’ireo fahamarinana mety hosoratan’izy ireo eo amin’ny solaitrabe dia mety ahitana izao manaraka izao:
-
Andininy 24: Nahary izao tontolo izao Andriamanitra.
-
Andininy 25: Manome aina ny zava-drehetra Andriamanitra.
-
Andininy 26: Manjaka amin’ny aina rehetra Andriamanitra.
-
Andininy 27: Raha vonona ny hitady an’ Andriamanitra isika dia ho hitantsika fa tsy lavitra antsika Izy.
-
Andininy 28: Taranak’ Andriamanitra isika.
-
Andininy 29: Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika.
-
Andininy 30: Mandidy ny olona rehetra hibebaka Andriamanitra.
-
Andininy 31: Hitsara antsika Andriamanitra; Hanangana ny olona rehetra amin’ny maty Andriamanitra.
Asao ny mpianatra hifidy fahamarinana iray izay manan-danja amin’izy ireo eo amin’ny solaitrabe. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara izay fahamarinana nofidiany sy ny antony maha-manan-danja izany aminy.
Resaho ilay fahamarinana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:28 hoe “Taranak’ Andriamanitra isika.”
-
Inona no dikan’ny “taranak’ Andriamanitra”? (Fanahy zanaky ny Ray any An-danitra isika.)
-
Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mahatakatra io fotopampianarana io? (Afaka manampy antsika hahafantatra ny hasarobidintsika tsy manam-petra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny hery anaty ananantsika mba ho tonga tahaka Azy izany.)
-
Inona no mety ho olana na safotofoton-tsaina mety hitranga rehefa tsy mahatakatra io fotopampianarana io?
Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity teny nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany: Angataho ny mpianatra mba hihaino na hitady ny antony tsy maintsy hahatsiarovantsika ny hijery ny tenantsika ho toy ny zanak’ Andriamanitra aloha voalohany indrindra.
“Mitandrema amin’ny fomba hamaritanareo ny tenanareo. Aza mamaritra ny tenanareo amin’ireo toetra tsy maharitra. Ny hany toetra tokana tokony hamaritra antsika dia ny hoe zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika. Izany fahamarinana izany dia ambony lavitra noho ireo toetra rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny firazanana, ny asa atao, ireo toetoetra ara-batana, ny voninahitra, na ny fivavahana arahana aza” (“How to Define Yourself,” New Era, jona 2013, 48).
-
Nahoana no manan-danja ny mahatsiaro fa zanak’ Andriamanitra aloha isika voalohany indrindra?
Resaho ilay fahamarinana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:27 hoe “Raha vonona ny hitady an’ Andriamanitra isika dia ho hitantsika fa tsy lavitra antsika Izy.”
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mikatsaka ny hahafantatra sy hanakaiky an’ Andriamanitra?
-
Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny rohim-pihavanantsika amin’ Andriamanitra amin’ny faniriantsika hikatsaka Azy?
-
Oviana ianareo no nahatsapa fa akaiky anareo ny Ray any An-danitra?
Fintino ny Asan’ny Apostoly 17:32–34 amin’ny fanazavana fa nafangaron’ireo Ateniana ny fihetsika tsara sy ny fihetsika ratsy nasetrin’izy ireo ny filazan’i Paoly “ny amin’ny fitsanganan’ny maty” (Asan’ny Apostoly 17:32). Ny sasany tamin’izy ireo dia naneso an’i Paoly, ary ny sasany dia naniry ny handre zavatra bebe kokoa, ary ny olona sasany dia nino.
Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa afaka mahafantatra sy mahatakatra ny momba an’ Andriamanitra ireo mpianatra na dia maro aza ireo olona tsy mahafantatra Azy. Asao ny mpianatra hanoratra Ho an’ilay Andriamanitra azo fantarina amin’ny taratasy iray na karatra iray ka hitanisa ireo fomba hikatsahan’izy ireo sy hampitomboany ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hametraka io taratasy io eo amin’ny toerana izay hampahatsiahivan’izany azy ireo ny tanjony.
Fizarana manaraka (Asan’ny Apostoly 20–Romana 7)
Hazavao amin’ny mpianatra fa mandritra ny fizarana manaraka izy ireo dia hahita ny valin’ireo fanontaniana hoe “Iza no natsangan’i Paoly tamin’ny maty?” ary “Inona ny toe-javatra mahakasika ny fahafatesan’io olona io?” Asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe noampangaina tsy ara-drariny, rendrika tao amin’ny nosy iray ny sambo nitondra azy, ary avy eo dia nokaikerin’ny bibilava. Anontanio ny mpianatra izay heveriny fa mety ho zavatra hianarany avy amin’ny fitsapana toy izany. Angataho ny mpianatra hitady mpanjaka iray izay nilaza tamin’i Paoly nandritra ny fitsarana iray hoe: “Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana” (Asan’ny Apostoly 26:28). Amporisiho izy ireo, rehefa mandalina ny sisa tavela amin’ny Asan’ny Apostoly mba hijery ny fomba ahafahan’ireo olana manampy antsika hanatoka akaiky kokoa ny Mpamonjy? Lazao azy ireo fa hamaky ampahana taratasy iray izay nosoratan’ny Apôstôly Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Roma koa izy ireo.