Tahirim-pitaovana
Lesona 132: 2 Timoty 3-4


Lesona 132

2 Timoty 3-4

Fampidirana

Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly ary nanazava izy fa hihoa-papana ny apôstazia sy ny faharatsiana, na tamin’ny vaninandrony izany na amin’ny andro farany. Nanome torolalana an’i Timoty izy mba hijanona ho mahatoky amin’ireo fahamarinana efa nianarany i Timoty. Nampianatra ny tanjon’ireo soratra masina i Paoly. Nofaranan’i Paoly ny taratasiny tamin’ny fanentanana an’i Timoty mba hanatanteraka ny asa fanompoany amim-pahazotoana.

Sosokevitra enti-mampianatra

2 Timoty 3

Namariparitra ireo andro mahory amin’ny andro farany i Paoly

Mialoha ny fanombohan’ny fampianarana dia angataho ny mpianatra roa na telo izay tonga mba samy hanao sary eny amin’ny solaitrabe momba ny toe-javatra miseho mampidi-doza iray. Rehefa manomboka ny fampianarana dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo teny ho ampiasainao mba hamariparitana ny toe-javatra miseho eny amin’ny solaitrabe?

Hazavao tao anatin’ny Epistiliny Faharoa ho an’i Timoty i Paoly dia naminany momba ireo toe-javatra nisy tamin’ny androny sy amin’ny androntsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba namaritan’i Paoly ny andro iainantsika.

  • Ahoana no namariparitan’i Paoly ny andro iainantsika? (Raha ilaina dia hazavao fa ilay teny hoe mahory dia midika ho feno loza.)

  • Inona ny sasany amin’ireo antambo na loza ara-mpitondrantena na ara-panahy izay hitanareo amin’izao androntsika izao?

handout iconZarao tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo tahadikan’ity tabilao manaraka ity ny vondrona tsirairay: Asao ireo mpinamana mba hamaky ny 2 Timoty 3:2–7 ary hamaly ireo fanontaniana ao amin’ilay tabilao. Omeo torolalana izy ireo mba hampiasa ireo fanovozan-kevitra eny ambany pejy mba hanampiana amin’ireo teny sarotra sasany.

taratasy zaraina

2 Timoty 3:2–7

Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona 132

Inona ny sasany amin’ireo ohatra amin’ny toe-javatra miseho amin’ny andro farany nofariparitan’i Paoly?

Inona amin’ireo toe-javatra miseho ireo no hitanao tamin’ny androntsika? (Milazà iray na roa amin’izy ireny.) Nahoana no miteraka loza ireo toe-javatra miseho ireo?

Rehefa nanana fotoana ampy nanaovana izany ny mpianatra dia asao izy ireo mba hanao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra, ary anisan’izany ny antony maha-mampidi-doza ireo toe-javatra miseho ireo.

Angataho ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka efa niahiahy izy ireo fa mety ho tratran’ny sasany amin’ireo loza nolazain’i Paoly ao amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalinin’izy ireo.

  • Araka ny fiafaran’ny 2 Timoty 3:5, dia inona no namporisihan’i Paoly mba ho ataon’i Timoty izay afaka hanampy antsika amin’izao androntsika izao ihany koa? (Tokony hiala amin’ny faharatsiana isika.)

Fintino ny 2 Timoty 3:8–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nilaza tamin’i Timoty fa haseho amin’ny olona rehetra ny hadalan’ireo izay manohitra ny fahamarinana. Nanoratra momba ireo loza sy fanenjehana maro niaretany noho ireo ezaka nataony mba hiaina ny filazantsara ihany koa izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:12–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay naminanian’i Paoly fa hitranga amin’ireo izay miaina ny filazantsara.

  • Inona no naminanian’i Paoly fa hitranga amin’ireo izay miaina ny filazantsara?

Hazavao fa na dia tena mafy aza ireo zava-miseho manahirana ireo dia afaka mahazo fanampiana sy fiaroviana isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:14–15. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly fa afaka hanampy antsika ho voaro amin’ireo loza ireo.

  • Inona no nampianarin’i Paoly momba ny fiaretana ireo loza izay nolazalazainy?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao” ao amin’ny andininy 14 ?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’izany fehezanteny izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao. … Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

Resaho ilay andian-teny hoe “satria fantatrao izay nampianatra anao izany” ao amin’ny andininy 14. Hazavao fa isika dia afaka mianatra sy mahazo toky ny amin’ny fahamarinana avy amin’ireo loharano azo itokisana toy ireo mpaminany, mpitarika, mpampianatra, ray aman-dreny, ary ny Fanahy Masina.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny andininy 14–15 mikasika ny fomba handresena ireo loza ara-panahy amin’ny andro farany? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika ka manohy miaina ireo fahamarinana izay nianarantsika avy ao amin’ireo loharano azo antoka sy ny soratra masina, dia afaka mandresy ireo loza ara-panahy izay hitranga amin’ny andro farany.)

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fianteherana amin’ireo soratra masina sy amin’ireo fahamarinana nianarantsika antsika mba handresy ireo loza amin’ny androntsika?

  • Oviana ianao no nisafidy ny hiantehitra amin’ireo fahamarinana izay nianaranao? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany? (Azonao atao voalohany ny manasa ireo mpianatra mba hamaly ireo fanontaniana ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ao amin’ny kahieny, ary manasa azy ireo avy eo mba hizara ny zavatra izay nosoratan’izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:16–17 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny soratra masina. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no nampianarin’i Paoly momba ny fandalinana ny soratra masina izay afaka manampy antsika amin’izao androntsika izao? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mianatra fotopampianarana sy mandray fanitsiana sy torolalana izay hanampy antsika hivoatra mankany amin’ny fahatanterahana. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Ataovy anaty faribolana ireo teny hoe fotopampianarana, fanitsiana, ary torolalana ao amin’ilay fehezanteny nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana iray izay nanampian’ny soratra masina azy ireo tamin’ny iray amin’ireto fomba manaraka ireto: (1) mba hahatakatra fotopampianarana iray ao amin’ny filazantsara; (2) amin’ny alalan’ny fibedesana na fanitsiana mikasika ny eritreritra na safidy na fitondrantenan’izy ireo izay tsy tsara; na (3) amin’ny alalan’ny fanolorana valim-bavaka na fanomezana torolalana ny amin’ny fomba mety ahafahan’izy ireo mamaha olana iray. Omeo fotoana hieritreretana zavatra niainana ny mpianatra, ary avy eo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra neritreretin’izy ireo amin’ny iray kilasy. (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy mila mizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana na tsiambaratelo izy ireo, anisan’izany ireo fahotana natao taloha.)

  • Avy amin’ny zavatra nianarantsika momba ny lanjan’ny soratra masina dia nahoana araka ny eritreritrareo no amporisihina handalina azy ireny isan’andro isika?

Omeo ny tahadikan’ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany ary asaivo jeren’ny iray kilasy ny torohevitra sy fampanantenana nomen’ny Loholona Scott mikasika ny fandalinana ny soratra masina.

Loholona Richard G. Scott

“Aza milefitra amin’ny laingan’i Satana hoe tsy manana fotoana ianareo handalinana ny soratra masina. Misafidiana haka fotoana handalinana azy ireny. Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéos, na ny tambazotra ifaneraserana ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra. Mety mila mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy!

“… Rehefa manokana fotoana isan’andro ianareo, mitokana na miaraka amin’ny fianakavianareo, handalinana ny tenin’ Andriamanitra dia hanjaka eo amin’ny fiainanareo ny fiadanana” (“Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahamehanareo ny fampiasana finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 93–94).

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fiarovana sy ny fiadanana izay tonga amin’ireo izay manohy ao amin’ireo fahamarinana hita ao anatin’ny soratra masina. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hametraka tanjona iray araka ireo fitaomam-panahy tsapan’izy ireo.

2 Timoty 4

Nilaza i Paoly fa efa niady ny ady tsara izy ary manainga an’i Timoty mba hanohy ny fitoriana izy

Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toy izy ireo ka efa nahatsapa te hilavo lefona tamin’ny asa nampanaovina iray izay sarotra.

  • Inona no traikefa nanananao rehefa naharitra ianao na dia te hilavo lefona aza?

Hazavao fa hinoana fa mety ho ny 2 Timoty no taratasy farany nosoratan’ny Apôstôly Paoly mialoha ny nahafatesany. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Timoty 4:1–5 , ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty. Asao ny antsasany hafa mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ihany ary hitady ny faminanian’i Paoly momba ny hoavin’ny Fiangonana Kristianina fahiny. Amporisiho ny mpianatra mba hampiasa ireo fanovozan-kevitra eny ambany pejy mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny zavatra izay vakiny. Rehefa avy mamaky izy ireo dia manasà mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay hizara izay zavatra hitany.

Hazavao fa ny andininy 3–4 dia mirakitra ny famaritan’i Paoly ny apôstazia izay nanomboka nitranga tao amin’ny Fiangonana. Ny fitondrantena tahaka ireo izay nolazalazain’i Paoly dia nitarika tamin’ny Apôstazia Lehibe, izay nahatonga ny filàna ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

  • Araka ny hevitrareo dia nahoana i Paoly no nanentana an’i Timoty mba hanohy hitory sy hanompo ny olona na dia nahafantatra aza izy fa betsaka ny hihemotra amin’ny fahamarinana?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Timoty 4:6–8 , ary asaivo jeren’ny mpianatra ny zavatra nosoratan’i Paoly momba ny ezaka manokana nataony mba hanaparitahana ny filazantsara.

  • Inona no nolazain’i Paoly momba ny asa fitoriana nataony? (Hazavao fa ny fanoharan’i Paoly ny amin’ny niadiany ny ady tsara sy ny nahatanterahany ny fihazakazahana dia manoritsoritra fa nahavita ny iraka nampanaovina azy tamim-pahatokiana izy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 8 dia inona no fantatr’i Paoly fa miandry azy aorian’ny fahafatesany?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny ezaka ataontsika mba hijanona ho mahatoky amin’ny fanaovana izay takin’ny Tompo amintsika? (Tokony hanome valinteny toy izao manaraka izao ny mpianatra: Raha mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra takin’ny Tompo amintsika isika dia hahazo ny satro-boninahitry ny fahamarinana. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Hazavao fa tafiditra ao amin’ny fahazoana “satro-boninahitry ny fahamarinana” ny hoe lasa toy ny Ray any An-danitra. Asao ny mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo zavatra takin’ny Tompo amin’ireo tanoran’ny Fiangonana mba hanampiana azy ireo ho lasa toy ny Rainy any An-danitra.

  • Nahoana ny tanora no mety hisafidy ny hilavo lefona amin’ny fahatokiana amin’ny fanaovana ny sasany amin’ireo zavatra takina ireo?

  • Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara, tahaka an’i Paoly amin’ny fijanonana ho mahatoky na dia sarotra aza izany? Inona no zavatra nataony izay ohatra maneho izany fitsipika izany?

Fintino ny 2 Timoty 4:9–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namarana ny taratasiny i Paoly tamin’ny fanazavana fa na dia nahatsapa tena ho irery tao amin’ny asany aza izy indraindray dia niaraka taminy ary nankahery azy ny Tompo.

Ankaherezo ny mpianatra mba hijanona ho mahatoky amin’ny fanaovana ny zavatra izay takin’ny Tompo amin’izy ireo.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—2 Timoty 3:15–17

Asaivo aforitry ny mpianatra telo ny taratasy iray ka lasa misy tsanganana telo. Dia asaivo manokatra ilay taratasy izy ireo ary manoratra hoe Fotopampianarana eo an-tampon’ny tsanganana voalohany, Fananarana sy fanitsiana eo an-tampon’ny tsanganana faharoa, ary Fampianarana araka ny fahamarinana eo an-tampon’ny tsanganana fahatelo.

Asao ny mpianatra hampiasa io taratasy io ho fanamariham-pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo mandritra ny herinandro, ary hanoratra ao amin’ny fizarana mifandraika amin’izany isaky ny mamaky soratra masina izay manatontosa iray amin’ireo tanjona ireo izy ireo. Ohatra: azon’ny mpianatra soratana eo ambanin’ny lohateny hoe Fotopampianarana ireo andalan-tsoratra masina sy ireo fitsipika na fotopampianarana nianaran’izy ireo avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Azon’ny mpianatra soratana eo ambanin’ny lohateny hoe Fananarana sy fanitsiana ireo andalan-tsoratra masina sy ny fomba hanitsian’ireo andalan-tsoratra masina ireo hevi-diso na ireo safidy sy fitondrantenan’izy ireo manokana. Ary ao ambanin’ny Fampianarana araka ny fahamarinana, dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo andalan-tsoratra masina izay manome hevi-baobao ho azy ireo momba ireo asa tsara azon’izy ireo atao.

Amporisiho ny mpianatra mba hitondra ny taratasin’izy ireo ao an-dakilasy afaka herinandro mba hanao tatitra ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao ny mametraka fampahatsiahivana ao anatin’ny soratra masina na boky fampianaranao mba hifampiresaka fohy afaka herinandro hamerenana ity andinin-tsoratra masina fehezina ity.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

2 Timoty 3:1–7. “Any am-parany any dia hisy andro mahory.

Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ireo fahoriana naminaniana ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7 dia ireo toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny:

“Ampiasaina mba entina hampitandremana ireo andinin-tsoratra masina ireo, izay mampiseho ny zavatra tokony halavirina. Tsy maintsy miambina sy mitandrina hatrany isika. Afaka mamerina mijery ny tsirairay amin’ireo faminaniana ireo isika ary manisy marika eo akaikin’izy ireo fa ny tsirairay avy amin’izy ireo dia misy ary miteraka fanahiana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny:

Andro mahory—mitranga izany. Miaina ao anatin’ny fotoana feno loza isika.

Tia vola, mpandoka tena, mpiavonavona—mitranga ireo rehetra ireo ary eo anivontsika.

Miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana—mihanaka izany rehetra izany amin’izao.

Mpanontolo fo, mpanendrikendrika, sy ny sisa—Voamarina ireo rehetra ireo fa misy avy amin’ny zava-mitranga manodidina antsika” (“Ny fanalahidy amin’ny fiarovana ara-panahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 26).

Tao anatin’ny lahateniny, ny Filoha Packer dia nanohy nijoro ho vavolombelona avy eo fa ireo soratra masina no fanalahidy amin’ny fiarovana antsika mandritra ireo andro mahory amin’ny andro farany.

2 Timoty 3:14. “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”

Nilaza ny Loholona Paul B. Pieper ao amin’ny Fitopololahy hoe:

“Ankehitriny dia mitohy ny tolona. Ireo feo tsy masina dia mitombo isa ary lasa mafy ny feony sy ny heriny. Izy ireo dia tsy mitsahatra mamporisika ny mpino mba hiala amin’ny finoana izay eritreretin’izao tontolo izao fa tsy ara-drariny sy tsy mitombina. … Indraindray dia mety mahatsapa ho malemy isika ary mila fanomezan-toky ara-panahy lehibe kokoa. Ny Tompo dia nilaza tamin’i Oliver Cowdery hoe:

“‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ ireto zavatra ireto.

“‘Tsy nilaza fiadanana tamin’ ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?’ F&F 6:22–23).

Ny Tompo dia nampahatsiahy antsika sy an’i Oliver mba hiantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona masina an’ny tena manokana izay efa noraisina rehefa voasedra ny finoantsika. … Ireo fihaonana masina ireo dia azo ampiasaina ho vatofantsika masina hiaro antsika sy hampijanona antsika amin’ny lalana tsara mandritra ny fotoan’ny fitsapana” (“Mihazona izany ho masina,” Ensign na Liahona, mey 2012, 110–11).

2 Timoty 4:7–8. “Nahatanteraka ny fihazakazahana aho”

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fanantenana ho antsika rehetra izay tafintohina mandritra ny hazakazatsika eto amin’ity fiainana an-tany ity:

“Eo amin’ny fiainana dia tsy entina eto an-tany mba ho teraka eto amin’ny fiainana an-tany fotsiny isika. Tonga niaraka tamin’ny asa nanirahana iray sy tanjona iray isika, ary izany dia ny haharitra hatramin’ny farany. …

“Raha toa ka diso lalana ianao teo amin’ny fahatanoranao dia aza avela mandresy anao ny fahakiviana. Ny fitsaran’ Andriamanitra dia tsy salan’isa ara-panahy toy ny any am-pianarana—tamin’ireo fahotana sy fahadisoana taloha izay hatambatra hahazoana salan’isa amin’ny farany. Nampanantena izy fa ‘izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ (F&F 58:42).

“Koa raha tsy amin’ny toerana izay tianao hisy anao ianao dia manapaha hevitra ny handeha ho any.

“Ny androm-piainantsika dia horefesina amin’ny hoe hatraiza ny fiainantsika araka ireo fanekempihavanana natao tamin’ireo ôrdônansim-panavotana nataontsika—batisa, fandraisana ny Fanahy Masina, fanadiovana, fanosorana, fanafiana masina, ary famehezana.

Afaka mandia ny tsipika manamarika ny fahatongavana miaraka amin’ny olona rehetra ianao.

“‘Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza, … dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena!’ (F&F 128:22)” (“Ten Axioms to Guide Your Life,” Ensign, feb. 2007, 29).