Lesona 10
Matio 5:17–48
Fampidirana
Rehefa nanohy ny Toriteniny teo An-tendrombohitra tao Galilia ny Mpamonjy dia nanazava Izy fa tsy tonga mba handrava ny lalàn’i Mosesy Izy fa tonga kosa mba hanatanteraka izany. Nanome ireo didy izay nilain’ny mpianany mba hahafahana ho tonga tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra ihany koa ny Mpamonjy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 5:17–48
Nampianatra ny mpianany ny fomba hahatongavana ho lavorary tahaka ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy
Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny hevitrao dia inona no didy sarotra hankatoavin’ny olona indrindra? Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io ny fotoam-pianarana. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:48. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny didy iray izay sarotra hankatoavina. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 5:48 .
-
Inona no tsapanao mikasika ny didy hoe tokony ho tanteraka ianao?
-
Inona no dikan’ny hoe tanteraka araka ny eritreritrareo?
Hazavao fa ny teny hoe “tanteraka” dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe “feno,” “tsy misy tomika” ary “mivelatra tanteraka.” Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no hanampian’izany azy ireo hahatakatra misimisy kokoa io andininy io. Hazavao fa ny hoe feno na mivelatra tanteraka dia midika hoe lasa mitovy amin’ny Ray any An-danitra.
Rehefa manohy ny fandalinana ny Toriten’ny Mpamonjy tao An-tendrombohitra ao amin’ny Matio 5ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika ilaintsika mba hahafahantsika mandroso amin’ny fahatanterahana tahaka ny Raintsika any An-danitra.
Fintino ny Matio 5:17–20 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa tonga mba hanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy fa tsy tonga mba handrava izany na hanafoana izay mety ho fahamarinana mandrakizay ao amin’ny lalàn’i Mosesy. I Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izay very noho ny faharatsiana sy ny apôstazia, nanitsy ireo fampianaran-diso Izy ary nanatanteraka ireo faminaniana nataon’ny mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Anisan’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny taty aoriana no tsy nanohizana intsony ny lafiny sasantsasany tao amin’ny lalàn’i Mosesy, tahaka ny famorana sy ny fanatitra biby.
Hazavao fa tafiditra ao amin’ny Matio 5:21–48 ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny lalàna isan-karazany sy ny fombafomba napetraky ny Jiosy sy nampian’izy ireo tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa nanazava ny tena dikan’ireo lalàna i Jesoa Kristy dia nampianatra lalàna ambonimbony kokoa momba ny fahamarinana Izy. Ireo mpikamban’ny fanjakany dia tsy maintsy miaina io lalàna ambonimbony kokoa io. Ireo lalàna ambonimbony kokoa ireo dia nitondra fitarihana mba hanampiana ny mpianatr’i Jesoa Kristy tsy handika ny didin’ Andriamanitra.
Mba hanomanana ireo mpianatra handalina ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fahatezerana, dia asao izy ireo hieritreritra fotoana iray izay nahatezitra azy ireo tamin’ny olona hafa.
-
Inona avy ireo loza avy amin’ny tsy fifehezana ny fahatezerantsika?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:21-22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampianarin’ny lalàn’i Mosesy momba ny herisetra sy ny fahatezerana ary ireo fahamarinana fanampiny izay nampianarin’ny Tompo mikasika ny fahatezerana izay tafiditra tao amin’ny lalàna avoavo kokoa.
-
Inona no nolazain’ny Mpamonjy momba ny herisetra sy ny fahatezerana? (Hazavao fa ny teny hoe Olom-poana ao amin’ny andininy 22 dia midika hoe tsy misaina, adala na olona tsy mieritreritra.)
-
Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, inona no hitranga raha tsy mianatra mifehy ny fahatezerantsika isika?
Asao ny mpianatra hanazava ny fiovana noentin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 5:22.
-
Nahoana no manan-danja ny nanesorana ny andian-teny hoe “tsy misy antony” ao amin’io andininy io?
-
Ahoana no hanampian’ny fifehezana ny fahatezarana antsika amin’ny fivoarana amin’ny fahatanterahana?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Ary amin’izany, raha manatona ahy ianao, na maniry hanatona ahy …
Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy ny andian-teny hoe “raha manatona ahy ianao, na maniry hanatona ahy” amin’ny fiatombohan’ny andininy 23 ka lasa mivaky toy izao izany, “Ary amin’izany, raha manatona ahy ianao, na maniry hanatona ahy, na raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 5:25).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:23–24 ka anisan’izany ny andian-teny nampiana avy tamin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika manoloana ny fahatezerantsika amin’ny hafa raha maniry hanatona Azy isika.
-
Inona no dikan’ny andian-teny hoe “avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha”? (Alohan’ny nanomezan’ny olona fanatitra ho an’ny Tompo dia nila nanitsy ny fifandraisany tamin’ny olona hafa aloha izy ireo.)
-
Araka ny andininy 24, inona no zavatra tsy maintsy hataontsika raha maniry hanatona an’i Kristy isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Raha maniry hanatona an’i Jesoa Kristy isika dia tsy maintsy manao ny anjarantsika voalohany amin’ny fihavanana amin’ny hafa aloha.)
-
Inona no dikan’ny hoe mihavana amin’ny olona iray? (Mamela ny fifandirana na mamerina ny firaisan-kina amin’ny laoniny ao amin’ny fifandraisana. Anisan’izany ireo izay manana lolompo amintsika ary ireo izay mety hananantsika lolompo.)
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no mila mamela ny fifandirana amin’ny hafa isika mba hahafahana manatona an’i Kristy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:25-26. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa azontsika hatao mba hihavanana amin’ny hafa.
-
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe mihavana faingana amin’ilay manana ady aminao? (Raha mila fanampiana ny mpianatra dia hazavao fa ny andian-teny hoe “Mihavàna” dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe “Manàna eritreritra feno fahatsaram-panahy faingana, na mivonòna ho tsara fanahy” .)
-
Amin’ny fomba ahoana ny safidy ataontsika mba hanana eritreritra feno hatsaram-panahy no manampy antsika hamela fifandirana amin’ny hafa na hamerina fifandraisana simba amin’ny hafa amin’ny laoniny?
Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fotoana izay namelany ny fifandirana tamin’ny hafa ary nahafahany nanakaiky bebe kokoa ny Tompo noho ny nanaovana izany. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra niainany raha tsy tena natokana ho an’ny tenany ihany na tsiambaratelo ho azy ihany izany. Amporisiho ny mpianatra handravona ny fifandirany amin’ny hafa mba hahafahany mivoatra ho tonga tanteraka kokoa tahaka ny Raintsika any An-danitra.
Manehoa ahi-dratsy (na sarin’ ny ahi-dratsy).
-
Inona no mety hitranga raha tsy esorina amin’ny zaridaina ny ahi-dratsy?
-
Ahoana no fomba mety itovian’ny ahi-dratsy amin’ny fahotana?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:27-28. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fahotana iray izay nampitandreman’ny Mpamonjy ary ny lalàna avoavo kokoa izay hantenainy fa hiainan’ny mpianany.
-
Inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo izay mikolokolo eritreritra na faniriana feno fitsiriritana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy mazava ny hoe raha misafidy ny hikolokolo eritreritra na faniriana feno fitsiriritana isika dia tahaka ny efa nijangajanga tao am-pontsika.)
Hazavao fa na dia tsy afaka manakana foana ny eritreri-dratsy hiditra ao an-tsaintsika aza isika dia afaka manakana izany kosa ny fijanonany ao.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:29–30. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fanaisorana eritreri-dratsy.
-
Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tsy maintsy ataontsika mba hanaisorana ireo eritreri-dratsy?
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe manaisotra ny mason’ny tena ary manapaka ny tanan’ny tena ao amin’ireo andininy ireo?
Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 5:30 dia manampy izao fehezan-teny izao “Ary ankehitriny dia izao no fanoharana lazaiko mikasika ny fahotanareo; ankehitriny, esory eo aminareo izany, mba tsy hanariana sy hametrahana anareo any amin’ny afo” amin’ny faran’ilay andininy. Asaivo karohan’ny mpianatra ny fomba hanampian’ny Dikantenin’i Joseph Smith antsika amin’ny fahatakarana ny dikan’ny hoe manaisotra ny mason’ny tenantsika ary manapaka ny tanan’ny tenantsika ao amin’ireo andininy ireo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Araka ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Matio 5:29-30, inona no mety hitranga amintsika raha tsy manaisotra ny fahotana amin’ny fiainantsika isika? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha misafidy tsy hanaisotra ny fahotana amin’ny fiainantsika isika dia handrava antsika ara-panahy izany.)
-
Inona no azontsika atao mba hanaisorana ny fahotana amin’ny fiainantsika?
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanaisorana ny fahotana amin’ny fiainantsika ary mba hahazoana antoka fa tsy hanao ireo fahotana ireo indray isika aty aoriana?
Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fahotana iray izay tiany esorina amin’ny fiainany ary avy eo hametraka tanjona amin’ny fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny fibebahana sy fanoloana izany amin’ny fihetsika feno fahamarinana.
Fintino ny Matio 5:31–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampianatra momba ny fisaraham-panambadiana, ny fanambadiana ary ny fianianana.
Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa ny mpiara-mianatra iray ao an-tsekoly amin’izy ireo dia milaza zavatra mahatsiravina sy feno haratsiam-panahy momba azy ireo. Angataho ireo mpianatra ny amin’ny fomba mety hamalian’izy ireo izany.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:38. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny lalàn’i Mosesy momba ny fanasaziana ny olona noho ny fahotana na fanafintohinana nataony. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany. Hazavao fa ny andian-teny hoe “maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify” dia midika fa araka ny lalàn’i Mosesy ny fanasaziana dia tsy maintsy nifanaraka tamin’ny halehiben’ny fanafintohinana.
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa iray hamaky ny Matio 5:39–42 ary ny mpiara-miasa iray hafa hamaky ny Matio 5:43–47. Asaivo mitady ny lalàna avoavo kokoa izy ireo. Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy (azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe na manoratra izany amin’ny taratasy hozaraina ihany koa):
Araka ireo andininy ireo, inona no atao hoe lalàna ambonimbony kokoa?
Inona no ampianarin’ny lalàna avoavo kokoa amintsika momba ny fomba tokony hamaliantsika ireo izay manafintohina antsika?
Omeo fotoana ampy izy ireo ary manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny kilasy manontolo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy indray ny Matio 5:45. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitranga raha mitia ny fahavalontsika sy manasoa ireo izay mankahala antsika isika.
-
Inona no hitranga raha mitia ny fahavalontsika sy manasoa ireo izay mankahala antsika isika?
-
Manoloana ny fahafantaranao fa zanak’ Andriamanitra ara-panahy daholo isika rehetra, inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe zanaky ny Raintsika any An-danitra ao amin’ireo andininy ireo? (Midika hoe fitoviana Aminy sy fahatongavana ho mpandova ny fanjakany izany.)
-
Ahoana no naha-ohatra ny Mpamonjy amin’ny fitiavana ny fahavalony sy fanasoavana ny hafa nandritra ny fiainany?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany tao amin’ny Matio 5 mikasika ny tsy maintsy ataontsika mba hahatonga antsika ho tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra.
-
Inona no zavatra azontsika atao sasantsasany mba hahatonga antsika ho tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka ity: Rehefa manaraka ireo fampianarana sy didin’ny Mpamonjy isika dia afaka ho lasa tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny famindrampony ihany no hahafahantsika ho tanterahana (jereo ny Môrônia 10:32).
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fizotry ny hoe lasa tanteraka dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka ka toy ny manahirana [sarotra] sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy ao aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany” (“Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 88).
-
Araka ny Loholona Nelson dia oviana isika no ho lasa tanteraka?
-
Ahoana no mety hanampian’io fanambarana io ny olona iray izay mahatsapa ny vesatra na kivy noho ny tsy fahatanterahany?
Amporisiho ny mpianatra hanohy hatrany ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 5:22. Inona no dikan’ny teny hoe Olom-poana?
Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny hevitry ny teny hoe Olom-poana amin’ny ankapobeny:
“Ny fiten’izao tontolo izao na ny fiteny maneho tsi-fahaiza-miaina dia miovaova arakaraka ny firenena sy ny vanim-potoana, fa ny tanjon’io andininy io dia ny hanameloka izay mety ho fiteny rehetra hahatsapana fihetsehampo feno haratsiam-panahy amin’ny hafa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:222).
Matio 5:27-28. “Izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy”
Niresaka mikasika ny maha-fahotana lehibe ny fitsiriritana ny hafa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Fa maninona ny fanirian-dratsy no fahotana mahafaty? Eny, ankoatra ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ny fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ity fiainana an-tany ity—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny faniriana ananan’ny mpivady mba hitondra zaza ao anaty fianakaviana iray izay antenaina ho mandrakizay. … Ny fitiavana dia mahatonga antsika hitodika ho azy any amin’ Andriamanitra sy ny hafa. Etsy ankilany, ny fanirian-dratsy dia izay zavatra rehetra ankoatry ny zavatra araka an’ Andriamanitra ary ny fanirian-dratsy koa dia izay zavatra mamporisika ny famelana ny tena hanao izay tiana atao. Ny fitiavana dia tonga miaraka amin’ny tanana sy fo misokatra, ny fanirian-dratsy kosa dia tonga miaraka amin’ny filàna lehibe fotsiny ihany” (“Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny Fanahiko,” Ensign na Liahona, mey 2010, 44–45).
Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny voka-dratsin’ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiainan’ireo izay mampiasa izany:
“Ny pôrnôgrafia dia manimba ny fahafahan’ny olona iray hankafy ny fifandraisana ara-pihetsehampo sy ara-pitiavana ary ara-panahy araka ny tokony ho izy miaraka amin’ny vehivavy iray raha toa ka lehilahy ianao, ary lehilahy iray raha toa ka vehivavy ianao. Izany dia manimba ny fefy mijoro manoloana ny fitondrantena tsy mendrika, tsy araka ny tokony ho izy na tsy ara-dalàna. Rehefa mihavery ny fandairan’ny fahafantarana ny mety sy ny tsy mety dia voatarika amin’ny fanatanterahana izay zavatra hitany ireo mpijery pôrnôgrafia, na inona na inona fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fiainan’ny hafa” (“Pornography,” Ensign na Liahona, mey 2005, 89).
Matio 5:31–37. “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny”
Tamin’ny andron’i Jesoa dia nihevitra ny afaka nanazava ny fenitra ara-pitondrantenan’ny Lalàn’i Mosesy (jereo ny Deoteronomia 24:1–2) tamin’ny fomba izay niteraka ny fanomezan-dalana ny fisaraham-panambadiana noho ny antony adaladala ny andiana Jiosy mpiray hevitra iray. Ohatra, raha naniry vady tanora na tsara endrika kokoa ny lehilahy iray na raha tsy nikarakara tsara ny sakafom-badiny ny vehivavy iray, na niseho vahoaka tsy nisaron-doha na kizitina dia azon-dralehilahy natao ny nangataka fisaraham-panambadiana. Araka ny voasoratra ao amin’ny Matio 5:31–37, izay tsapa ihany koa amin’ny andininy hafa ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nikatsaka ny hiantso ireo mpanara-dia Azy mba hiaina fenitra ara-pitondrantenan’ny fahamarinana avoavo kokoa i Jesoa ary nanampy azy ireo hahatakatra fa ny fanambadiana dia rafitra tokony hajaina sy kolokoloina araka ny lamina izay napetrak’ Andriamanitra tamin’ny fanambadiana mandrakizain’i Adama sy i Eva. (Jereo ny Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah, boky 4 [1979–81], 3:291–97; jereo koa ny Matio 19:3–9.)
Matio 5:43. “Efa renareo fa voalaza hoe”
Ny didy hoe “tiava ny namanao” dia hita ao amin’ny Levitikosy 19:18, fa tsy misy soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha ka mandidy antsika mba hankahala ny fahavalontsika. Hita fa ny Mpamonjy dia niresaka momba ny fomba fiteny fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany.