Tahirim-pitaovana
Lesona 110: 1 Korintiana 13–14


Lesona 110

1 Korintiana 13–14

Fampidirana

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fitiavana i Paoly Nanoro hevitra ireo Olomasina Korintiana izy ny hiezaka hanana fiantrana sy hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hafa. Nampianatra i Paoly fa ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana dia lehibe noho ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny ary omena ny mpikamban’ny Fiangonana izany mba hahafahan’izy ireo mampahery ny hafa ara-panahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 13

Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fananana fiantrana i Paoly

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ireto toe-javatra noforonina manaraka ireto na omeo ny mpianatra amin’ny taratasy hozaraina izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny toe-javatra tsirairay dia asao ny mpianatra rehetra hieritreritra raha toa ka misy manoritsoritra azy ireo ireo fehezanteny ireo.

  1. Matetika ianao no sorena na tezitra amin’ny fihetsika asehon’ny mpiray tampo iray.

  2. Masiaka aminao ny mpiara-mianatra iray ka noho izany dia mahatsapa ianao fa rariny raha masiaka koa ianao ho setrin’izany.

  3. Mitsiriritra ny talenta sy ny zava-bitan’ny namana iray ianao.

  4. Indraindray ianao dia mahita fa mora ny mifosa sy manaratsy ny hafa ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana na ny kilasin’ny Zatovovavy misy anao.

  • Inona avy ireo fiantraikany manimba izay mety hateraky ny fananana ireo toe-tsaina sy fitondrantena ireo?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 13 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo hiala amin’ireo toe-tsaina sy fitondrantena izay afaka manimba ny fifalian’ny olona sy ny fifandraisana amin’ny hafa.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo Olomasina tao Korinto dia naneho fihetsika izay nitarika ho amin’ny fifandirana sy ny fizarazarana tao amin’ny Fiangonana. I Paoly dia nampianatra tao amin’ny epistiliny fa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia omena mba ho tombontsoan’ny rehetra sy hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hifanompo sy hifampahery. Nanoro hevitra ny Olomasina I Paoly mba haniry fatratra “ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra” (jereo ny 1°Korintiana 12:7–31).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 13:1–3. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hitady toetra tsara sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray izay noderain’i Paoly fatratra.

  • Inona ny toetra sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay noderain’i Paoly fatratra? (Ny fiantrana.)

Hazavao fa ny fiantrana no “avo indrindra, ny ambony indrindra, ny mahery indrindra amin’ny karazam-pitiavana fa tsy fankamamiana fotsiny ihany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fiantrana”).

  • Ahoana no nanoritsoritan’i Paoly ireo izay tsy manana fiantrana na dia manana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hafa aza?

(Hazavao fa ny andian-teny hoe “varahina maneno” sy “kipantsona mikarantsana” ao amin’ny andininy 1 dia entina ilazana ireo fitaovana izay mamoaka feo mafy na mikorintsana toy ireo haingon-javatra. Ao anatin’ny sahan-kevitry ny andininy 1, ireo andian-teny ireo dia mety midika hoe manonona teny izay lasa tsy manan-danja na tsy misy dikany rehefa tsy ny fiantrana no manosika ilay mpiteny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsinontsinona isika raha tsy manana fiantrana?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray manome ny fananany rehetra hamahanana ny mahantra na manolo-tena an-tsitrapo ny ho faty ho an’ny fahamarinana kanefa tsy mbola manana fiantrana? (Hazavao fa ny fiantrana dia mihoatra lavitra ny fanehoana fahalalahan-tanana ary mihoatra lavitra ny hoe maty noho ny fahamarinana.)

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:

Ny atao hoe fiantrana sy ny zavatra ataony

Ny tsy atao hoe fiantrana sy ny zavatra tsy ataony

Hazavao fa i Paoly dia namariparitra ireo toetoetran’ny fiantrana mba hanampiana ireo Olomasina Korintiana hahatakatra tsara kokoa io fanomezam-pahasoavana io. Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra hamaky miaraka amin’ny namany ny 1 Korintiana 13:4–8 mba hitady ny fomba namaritan’i Paoly ny fiantrana.

Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ny famaritan’i Paoly ny fiantrana eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany eo amin’ilay tabilao. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra ny famaritana tsirairay.

  • Iza no mifanaraka tsara amin’ireo famaritana ireo toetran’ny fiantrana ireo? (Jesoa Kristy.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny mpaminany Môrmôna dia nampianatra fa “ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Hazavao fa ny fiantrana dia azo faritana amin’ny fomba roa manan-danja: (1) Ny fitiavan’i Kristy antsika sy (2) ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy izay tsapantsika ho an’ny hafa. Asao ny mpianatra hifidy famariparitana vitsivitsy ny fiantrana avy amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe dia hazavao amin’ny iray kilasy ny maha-famariparitana an’i Jesoa Kristy tena mety tsara an’izany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” ao amin’ny andininy 8?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny tena fiantrana … dia miseho amin’ny fomba tonga lafatra sy madio ao anatin’ny fitiavan’i Kristy antsika izay tsy mety levona sy lehibe indrindra ary manavotra. Izany dia ilay fiantrana—ny fitiavana madiony ho antsika—izay, raha tsy misy an’izany, dia ho tsinontsinona sy tsy hanan-kantenaina isika, ary ho fadiranovana indrindra amin’ny olona rehetra. …

“Misy tahotra sy tsy fahombiazana amin’ny fiainana. Indraindray dia tsy mety ny zavatra atao. Indraindray dia mamitaka antsika ny olona, na tsy manampy antsika ny fiharian-karena na ny raharaham-barotra na ny governemanta. Kanefa misy zavatra iray mandritra izao fiainana izao na mandrakizay izay tsy mamitaka antsika—dia ny fitiavana madion’i Kristy” (Christ and the New Covenant [1997], 337).

  • Afaka manampy amin’ny fomba ahoana ny mahatsiaro fa ny fitiavana madion’i Kristy dia tsy ho levona mandrakizay?

  • Araka ny zavatra nianarantsika tao amin’ny 1 Korintiana 13:4–8 dia inona no mitranga amintsika rehefa mahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana isika? (Mety hahita fahamarinana isan-karazany ny mpianatra, kanefa makà antoka fa mazava ny hoe rehefa mikatsaka ny hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny fiantrana isika dia lasa tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika bebe kokoa.) Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Fintino ny 1 Korintiana 13:9–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra ny antony tsy hisian’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny fahalalana sy ny faminaniana intsony any aoriana any. Nilaza i Paoly fa ny fahalalana misy eto amin’ity fiainana ity dia tsy feno ary isika dia hahazo fahalalana tomombana amin’ny mandrakizay.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 13:13. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hitady fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy miisa telo izay nampianarin’i Paoly fa hitoetra, izany hoe haharitra na tsy hiova. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no nampianarin’i Paoly fa fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy lehibe indrindra? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ny fiantrana no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy lehibe indrindra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana? (Ny finoana dia mitondra ho amin’ny fanantenana, ary ny fanantenana dia mitondra ho amin’ny fiantrana.)

  • Araka izay nianarantsika tao amin’ny 1 Korintiana 13, dia nahoana araka ny eritreritrareo no ny fiantrana no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy lehibe indrindra?

Hazavao ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14:1 mba “[hitady] ny fitiavana.”

  • Inona no azontsika atao mba “hitady” na hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:48. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Môrmôna ny vahoakany mba ho ataony ka hahazoany ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fananana fiantrana manatsara ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ireo olona mitovy taona amintsika?

  • Afaka mamariparitra fotoana iray nahitanareo ny fiantrana tao anatin’ny fomba nitondran’ny olona anareo na ny hafa ve ianareo? (Mizarà zavatra niainanao manokana.)

Asao ny mpianatra hanoratra amin’ny taratasy izay famariparitana ny fiantrana tsapan’izy ireo fa sarotra indrindra ho azy ireo sy ny anton’izany. Amporisiho ny mpianatra hanoratra tanjona mikasika ny zavatra hataony mba hanohy hikatsaka ny hanana fiantrana bebe kokoa. Asao ny mpianatra hametraka izany amin’ny toerana izay hahitan’izy ireo izany matetika ka hahatsiarovan’izy ireo ny tanjony.

1°Korintiana°14

Nampianatra i Paoly fa ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana dia lehibe noho ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny

Mitondrà zavatra azo ampiasaina hananganana tilikambo ao an-dakilasy, toy ny vongan-javatra, na boaty, na karatra, na boky. Asao ny mpianatra iray hampiasa ireo zavatra nentinao mba hananganana tilikambo avo araka izay vitany ao anatin’ny iray minitra. Aorian’izay dia asaivo mipetraka ilay mpianatra. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 1 Korintiana 14:1–3 mba hitady ao anatin’ireo andininy ireo ny teny izay mifandray amin’ny fanaovana andrana manangana tilikambo.

  • Inona ny teny ao amin’ny andininy 3 izay mifandray amin’ny fananganana tilikambo? (Fampandrosoana. Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe mampandroso dia midika hoe “manorina”, toy ny hoe mampahery na mampivoatra ara-panahy.)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 14 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba hahafahan’izy ireo mampahery ny hafa.

Hazavao fa i Paoly dia nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto izay nahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny fiteny, na ny fahafahana miteny amin’ny fiteny hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 14:1–3. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nasain’i Paoly nokatsahan’ny Olomasina ho solon’izany.

  • Inona ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nasain’i Paoly nirian’ireo Olomasina sy nokatsahan’izy ireo?

Hazavao fa “Ny faminaniana dia teny na soratra avy amin’ Andriamanitra, izay raisin’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana (Apo. 19:10). Rehefa maminany ny olona iray dia miresaka na manoratra mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantany izy mba ho tombontsoany manokana na ho tombontsoan’ny hafa” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Faminaniana,” scriptures.lds.org).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny ity: faminaniana = mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy antsika hitondra fitahiana ho an’ny hafa? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy isika dia afaka mampahery sy mampionona ny hafa.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampaherezana sy nampiononana anareo tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fitaomam-panahy nozarain’ny olona iray?

Fintino ny 1 Korintiana 14:4–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitandrina ireo Olomasina Korintiana momba ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny i Paoly. Nampitandrina i Paoly fa raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny dia tsy hampandroso ny Fiangonana izany ka tsy hampifantoka ireo mpikambana amin’ny fikatsahana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ilaina bebe kokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 14:31, 33, 40. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina momba ny faminaniana.

  • Inona ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina momba ny faminaniana? (Samy afaka maminany na mampianatra sy mijoro ho vavolombelona daholo na ny lahy na ny vavy. Tokony hatao milamina izany, mandeha tsirairay ny olona manao izany.)

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Atao amim-pilaminana avokoa ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny hanaovana ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonana amim-pilaminana?

Hazavao fa ny asasoratr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14:34–35 dia manome ohatra mikasika ny fomba nampianarany an’ireo Olomasina tao Korinto mba hampisy filaminana tao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 14:34–35. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Hazavao fa sarotra takarina ny fikasana ao anatin’ny torohevitra nomen’i Paoly satria hita mazava tsara fa tsy nandrara ny vehivavy tsy hivavaka na hiteny mandritra ireo fivoriam-piangonana izy (jereo ny 1 Korintiana 11:5). Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manolo ny teny hoe miteny ao amin’ny andininy 34 sy 35 amin’ny hoe mitondra. Io fanovana teny io dia milaza fa i Paoly dia mety niezaka nanitsy ny toe-javatra iray izay mety nanakorontanan’ny vehivavy Korintiana sasany nandritra ny fotoam-pivavahana na nikatsahan’izy ireo handray ny andraikitra hitarika fa tsy hanohana sy hanaraka ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana (jereo ny New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 380).

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny 1 Korintiana 13–14.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Korintiana 13:1–3. Mihoatra lavitra ny falalahan-tanana ny fiantrana

Ny Loholona Bruce C. Hafen tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fiantrana:

“Tena azo atao ny manao asa fiantrana—na ‘feno fiantrana araka ny maha-feno fiantrana an’i Kristy’ mihitsy aza—kanefa tsy manana toetra tahaka ny an’i Kristy izay tena miorim-paka lalina ao anatinao. Nahatakatra izany i Paoly rehefa nampitandrina ny olona izy tamin’ny fanomezana ny fananan’ny tena rehetra mba hamahanana ny mahatra kanefa tsy manana fiantrana marina. …Afaka manome isika na tsy tia aza, kanefa tsy afaka mitia tsy manome isika. Raha toa ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra izay any amin’ny avo ka feno dia ho feno ihany koa, amin’ny alalan’ny vokatra aterak’izany fifandraisana izany, ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika izay mitovy amintsika ihany. Noho izany dia maneho fiantrana amin’ny hafa isika, tsy noho ny fiheverantsika fotsiny ihany fa tokony hanao izany isika, fa satria toy izany mihitsy isika” (The Broken Heart: Applying the Atonement to Life’s Experiences [1989], 196–97).

1 Korintiana 13:4–7. Fiantrana

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 13:4–5, dia nanoritsoritra ireo toetra samihafa an’ny fiantrana i Paoly. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia manao ireo zavatra sy manana ireo toetra nofariparitany ny olona manana fiantrana. Ilay andian-teny hoe “mahari-po” dia mamaritra ny olona izay mahay miaritra fitsapana amim-paharetana. Ny hoe “tsy mialona” dia mamaritra olona izay tsy mialona ny hafa. Ny hoe “tsy mirehareha” dia mamaritra olona iray izay tsy tia sehoseho. Ny hoe “tsy mieboebo” dia mamaritra olona manetry tena. Ny hoe “tsy manao izay tsy mahamendrika” dia mamaritra olona tsy henja-piteny na tsy miraharaha ny hafa. Ny hoe “tsy mikatsaka ny ho azy” dia mamaritra ny toetra izay mametraka an’ Andriamanitra sy ny hafa alohan’ny tena. Ny hoe “tsy mora sosotra” dia mamaritra olona tsy mora tezitra. Ny “mino ny zavatra rehetra” dia mamaritra ny olona iray izay manaiky ny fahamarinana rehetra.

1 Korintiana 13:8. Ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana sy ny fiteny ary ny fahalalana dia “hitsahatra” ary “ho foana”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony hitsaharan’ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana sy ny fiteny any am-parany any sy ny antony hahafoana ny fanomezam-pahasoavan’ny fahalalana:

“Moa ve hitsahatra ny fisian’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? Moa ve misy andro tsy hananan’ny olomasina intsony ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana sy ny fiteny? Na ny fanomezam-pahasoavan’ny fahalalana? Eny, raha raisina amin’ny heviny hoe ho voatelin’ny zavatra lehibe kokoa izy ireo ka tsy ilaina intsony amin’ny fotoan’ny fahatanterahana. Rehefa mahay ny fiteny rehetra ny olomasina dia tsy hisy olona afaka hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra intsony. Rehefa tonga tahaka an’ Andriamanitra ny olomasina ary mahafantatra ny zavatra rehetra—ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy—dia tsy ilaina intsony ny haminaniana momba ny ho avy ary tsy hisy fotoana hanaovana izany intsony” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:380).

1 Korintiana 14:1. “[Tadiavo] ny fitiavana”

Nanazava ny Loholona Robert J. Whetten tao amin’ny Fitopololahy hoe:

“Tahaka ny finoana, ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary izy io dia omena araka ny fitsipiky ny fahamarinan’ny tena manokana sy araka ny halehiben’ny fankatoavantsika ny lalàna izay ifotorany. Tahaka ny finoana, ny fitiavana dia tsy maintsy ampiharina mba hitomboany” (“True Followers,” Ensign, mey 1999, 30).

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny fiantrana,dia ‘ny fitiavana madion’i Kristy’ (Môrô. 7:47), dia tsy asa fa toe-tena. Tratra amin’ny alalan’ny fitohitohizan’ny fanaovana asa izay miteraka fiovam-po ny fiantrana. Ny fiantrana dia toetra maha-izy ny tena izay hahatongavana” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 34).

1 Korintiana 14:1–3. Ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha-samy hafa ny mpikamban’ny Fiangonana izay manana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny faminaniana sy ireo izay antsoina hanompo ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpaminany:

“Raha raisina amin’ilay heviny rehefa miresaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ny mpaminany dia olona mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, mampianatra ny tenin’ Andriamanitra, ary mamporisika ny vahoakan’ Andriamanitra. Raha raisina amin’ny heviny ara-panahy, ny hoe maminany dia mifono hevitra mihoatra lavitra ny hoe mamantatra ny ho avy. …

“Zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra ny maha-samy hafa ny mpaminany, izay manana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny faminaniana, sy ny mpaminany, izay manana ny anjara fanompoan’ny mpaminany” (“Spiritual Gifts,” Ensign, sept. 1986, 71).

1 Korintiana 14. “Fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra”

“Ny Apôstôly sy ireo olona hafa dia niteny tamin’ny ‘fiteny … hafa’ tamin’ny andron’ny Pentekôsta (Asan’ny Apostoly 2:4–8). Tamin’io fotoana io, ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny dia naseho tamin’ny alalan’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nampianatra ny filazantsara tamin’ny fiteny maro izay fantatr’ireo mpihaino azy ireo fa tsy fantatr’ilay mpiteny (jereo ny fanamarihana ho an’ny Asan’ny Apostoly 2:5–11). Ny fomba iray hafa fitrangan’ny fiasan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny ny fotoana iray izay hanentanan’ny Fanahy ny olona iray hiteny amin’ny fiteny izay sady tsy fantatr’ilay mpiteny no tsy fantatr’ireo mpihaino (jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 2:383)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 379).

Mba hahazoana fampahalalana fanampiny momba ireo fampitandremana manan-danja mikasika ny antony hampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny dia jereo ny Robert D. Hales, “Gifts of the Spirit,” Ensign, feb. 2002, 14–15.