Tahirim-pitaovana
Lesona 147: 2 Petera 2–3


Lesona 147

2 Petera 2–3

Fampidirana

Nampitandrina i Petera fa mitarika ny olona hivily lalana ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka. Naminany izy fa amin’ny andro farany dia haneso ny olo-marina ny olon-dratsy noho ny finoan’izy ireo fa hiverina i Jesoa Kristy. Namporisika ny Olomasina i Petera mba hiomana amim-pahavitrihana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Sosokevitra enti-mampianatra

2 Petera 2

Nampitandrina ny amin’ny famitahana ataon’ireo mpampianatra sandoka i Petera

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no misafidy ny hanota ny olona na dia efa fantany aza fa tsy mety ny zavatra ataony?

Asao ny mpianatra hisaintsaina io fanontaniana io, dia avy eo angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hitatitra ny valinteniny.

Hazavao fa ao amin’ny 2 Petera 2 isika dia mahita fa nampitandrina ny Olomasina mikasika ireo olona izay mikatsaka ny hamitaka azy ireo ny Apôstôly Petera. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 2 Petera 2 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hamantatra sy hisoroka ireo fitaka izay mitondra any amin’ny fahotana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 2:1–3 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny fampitandreman’i Petera mikasika ireo olona miezaka ny hamitaka ny Olomasina.

  • Iza no olona nampitandreman’i Petera an’ireo Olomasina?

  • Inona no ampianarin’ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka ireo? (Hazavao fa ny hoe “sain-diso mahavery” [andininy 1] dia fampianarana diso sy manimba.)

  • Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’i Petera mikasika ny zavatra katsahan’ireo mpampianatra sandoka hatao amintsika? (Ampio ny mpianatra hitady fahamarinana iray izay mitovy amin’ity manaraka ity: Mikatsaka ny hamitaka antsika ireo mpampianatra sandoka. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Angataho ny mpianatra mba hihaino ny zavatra ampianaran’ny mpampianatra sandoka amin’izao fotoana izao mba hamitahana antsika.

Loholona M. Russell Ballard

“Ny mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka dia ireo izay manambara fa ny Mpaminany Joseph Smith dia mpamitaka sy mpampiely lainga. Lavin’izy ireo ny maha-marina ny zava-nitranga tamin’ny Fahitana Voalohany. Manambara izy ireo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina nankatoavina hafa dia tsy rakitsoratra masina fahiny. Manandrana koa izy ireo ny manova ny famaritana ny toetoetry Ny Andriamanitra, ary lavin’izy ireo fa nanome sy mbola manohy manome fanambarana an’ireo mpaminaniny voatokana sy notohanana Andriamanitra amin’izao andro izao. …

“Ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra diso ihany koa no ireo izay manandrana ny manova ny fotopampianarana fototry ny soratra masina izay nomen’ Andriamanitra izay miaro ny fahamasinan’ny fanambadiana, ny toetra masin’ny fianakaviana ary ny fotopampianarana manan-danjan’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny olona tsirairay. Miaro ny fanovana ny famaritana ny fitsipiky ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo mba hanamarinana ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady ary ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 6364).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fotoana izay mety nahitany fampianarana na hafatra avy amin’ny mpampianatra sandoka.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ireo hafatra sy fampianarana avy amin’ireo mpampianatra sandoka?

Fintino ny 2 Petera 2:4–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nanome ohatra maro mikasika ny zavatra nitranga tamin’ny olona izay nanaraka ireo mpampianatra sandoka taloha. Nanome ohatra izay ahitana ireo olona tsy voasarik’ireo mpampianatra sandoka ihany koa i Petera. Dia nohazavain’i Petera ny toetra ratsin’ireo mpampianatra sandoka.

fintana, kankana

Mampisehoa fanjonoana sy fandrika na jono vitsivitsy, na ampisehoy na ataovy eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ ireo zavatra ireo. (Raha toa ka misy fomba hafa mahazatra kokoa ny mpianatrao mba hanjonoana trondro, dia mampiasà zavatra azo tsapain-tanana na sary izay mampiseho ilay fomba.)

Hazavao fa ny fomba hisamboran’ny mpanjono iray trondro dia amin’ny alalan’ny fampiasana fandrika na jono izay hamandrihana trondro iray na hanakaikerany ny lelam-pintana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mampitovy ny fomba fiasan’ny mpanjono amin’ny mpampianatra sandoka.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 2:18–19 . Asao hanaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hitady ny fomba fanangolen’ireo mpampianatra sandoka ny Olomasina mba hanaraka ny fampianarany.

  • Ahoana no fomba entin’ireo mpampianatra sandoka manangoly sy mamitaka ny mpikamban’ny Fiangonana? (Hazavao fa misy mpampianatra sandoka sasany mety hahitsy toetra saingy voafitaka koa izy ireo.)

  • Mitovy amin’ny fandrika na bibikely artifisialy hanjonoana amin’ny fomba ahoana ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka?

  • Araka ny andininy 19, dia inona no ampanantenain’ireo mpampianatra sandoka ireo? (“Fahafahana.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mampianatra izy ireo fa mitondra any amin’ny fahafahana lehibe kokoa ny fahotana noho ny fankatoavana ny didy.)

Ampio ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe mba ho lasa toy izao manaraka izao: Ny mpampianatra sandoka dia mikatsaka ny hamitaka antsika amin’ny finoana fa mitondra any amin’ny fahafahana lehibe kokoa ny fahotana.

Asao ny mpianatra hamaky mangina indray ny andininy 19 , ary hitady ny zavatra mitranga amin’ny olona izay resin’ny fampianarana diso sy ny fahotana.

  • Inona no mitranga amin’ny olona izay resin’ny fampianarana diso sy ny fahotana? (Lasa andevon’izany izy ireo.)

  • Inona avy ireo fampianarana diso sasantsasany izay toa manindrahindra ny fahafahana nefa raha ny marina mitondra any amin’ny fanandevozana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 2:20–22 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ireo olona izay miverina manota rehefa avy afaka tamin’ izany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo izay “efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho i … Jesoa Kristy” (andininy 20) no mety ho azon’ny fakam-panahy hiverina amin’ireo fomba ratsiny indray?

  • Inona no torohevitra omenao ny olona iray mba hijanonany ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany toy izay hiverina amin’ny otany teo aloha indray?

2 Petera 3

Mijoro ho vavolombelona momba ny Fiaviana Fanindroany i Petera

Hazavao fa rehefa namarana ny epistiliny i Petera dia nampahatsiahy ny Olomasina momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary nampianatra azy ireo ny fomba hiomanana amin’izany izy. Fintino ny 2 Petera 3:1–9 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nampianatra hoe amin’ny andro farany dia hisy olona sasantsasany haneso sy hanaraby ireo izay mino ny Fiaviana Fanindroany.

Asaivo hazavain’ny mpianatra vitsivitsy ny antony inoan’izy ireo ny Fiaviana Fanindroany, na dia olona maro aza no tsy mino izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 3:10–14 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ny Fiaviana Fanindroany .

  • Araka ny andininy 10, dia inona no zavatra nampianarin’i Petera momba ny Fiaviana Fanindroany?

  • Araka ny andininy 11–14, dia inona no torohevitra nomen’i Petera ny Olomasina mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Manàna fiainana masina sy araka an’ Andriamanitra, miandrandrà sy miandrasa amim-pientanentanana ny Fiaviana Fanindroany, ary miezaha mba ho hita “tsy manan-tsiny amam-pondro” [andininy 14].)

Hazavao fa ny andian-teny hoe “tsy manan-tsiny amam-pondro” (andininy 14) dia midika hoe madio amin’ny fahotana. Ireo izay voadio amin’ny fahotana dia nihavana tamin’ Andriamanitra ary hifanara-tsaina amin’ny Mpamonjy rehefa tonga Izy.

  • Manomeza famintinana fitsipika iray izay nampianarin’i Petera mikasika ny fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. (Ampio ny mpianatra hahita fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fananana fiainana araka an’ Andriamanitra ary fiandrandrana amim-pahamatorana ny Fiaviany. Hazavao fa ny “fiandrandrana” dia mety midika hoe fiandrasana amim-pientanentanana ny Fiavian’ny Mpamonjy.)

  • Inona ireo zavatra sasany izay azontsika atao mba hananana fiainana araka an’ Andriamanitra rehefa miandry amim-pahamatorana ny Fiaviana Fanindroany isika?

Fintino ny 2 Petera 3:15–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitandrina mikasika ny fianjerana ao anatin’ny faharatsiana i Petera. Nanasa ny Olomasina izy mba “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy fahalalana [ny Tompo]” (andininy 18).

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny 2 Petera 2–3 ny lesona. Asao ny mpianatra hikatsaka ny hamantatra sy hisoroka ireo fampianarana diso ary hiomana amim-pahavitrihana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

2 Petera 3:12 “Ny [hiavian’ny] andron’ Andriamanitra”

Nijoro ho vavolombelona momba ny Fiavian’i Kristy Fanindroany ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“[Amin’ny Fiaviany Fanindroany] dia hisy zavatra izay toy ny tsy ho tanteraka izany izay [hitranga]: ‘Ny nofo rehetra,’ hoy ny Tompo dia, ‘hiara-hahita Ahy’ [F&F 101:23]. Ahoana no hitrangan’izany? Tsy fantatsika. Mijoro ho vavolombelona anefa aho fa hitranga izany—araka ny faminaniana. Handohalika am-panajana isika, ‘ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany’ [F&F 45:49]. ‘Izany … dia ho toy ny feon’ny rano maro ary ho toy ny feon’ny kotrokorana lehibe’ [F&F 133:22]. ‘Ary ny Tompo, dia ny Mpamonjy, dia hitsangana eo afovoan’ny vahoakany’ [F&F 133:25]. …

“Amin’izany andro izany dia hangina ireo mpiroahan-tsaina, ‘fa ny sofina tsirairay dia handre izany … , ary ny lohalika rehetra hitsaoka, ary ny lela rehetra hiaiky’ [F&F 88:104] fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao” (“Ho tonga anie ny fanjakanao,” Ensign na Liahona, mey 2015, 122).