Tahirim-pitaovana
Lesona 148: 1 Jaona


Lesona 148

1 Jaona

Fampidirana

Nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana hikatsaka ny hanana firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka i Jaona. Noantitranteriny ny ilàna ny hitandremana ny didin’ Andriamanitra mba hanehoana ny fitiavantsika Azy. Nampahatsiahivin’i Jaona ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hitia ny hafa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Jaona 1–5

Manazava ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny didy sy ny fifankatiavana i Jaona

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe apôstazia. Asao ny mpianatra hitodika any amin’ireo mpiara-mianatra aminy ka hanazava fohifohy ny dikan’ny hoe apôstazia. Dia asao avy eo ny mpianatra iray mba ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra famaritana ny hoe apôstazia. Ilay famaritana dia tokony hilaza fa ny hoe apôstazia dia midika hoe fialana amin’ny fahamarinana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôstazia,” scriptures.lds.org).

Hazavao fa ny Apôstôly Jaona dia nanoratra ny epistilin’ny 1 Jaona tamin’ny fotoana nanambanan’ny apôstazia ny Fiangonana. Ao amin’ity epistily ity i Jaona dia mampitandrina an’ireo Olomasina amin’ny antikristy (jereo ny 1 Jaona 2:18–26; 4:3). Ny antikristy dia “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra ankitsirano na mangingina an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.lds.org). Ny antikristy sasany tamin’ny andron’i Jaona dia nampianatra fa tsy nanana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy fony izy teto an-tany fa niseho tamin’ny endrika olombelona fotsiny ihany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Jaona 1:1–4 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nijoroan’i Jaona ho vavolombelona mba hanoherana io fampianaran-diso io. Hazavao fa ny andian-teny hoe “Teny Fiainana” (andininy 1) dia entina ilazana an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no teny nampiasain’i Jaona mba hanoherana ilay hevitra diso hoe tsy manana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3–4, nahoana i Jaona no nizara ny tenivavolombelona masina nananany momba an’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana? (Tiany hanana firaisana tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, izay nanana firaisana tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo. Niriany ihany koa ny hahatsapan’izy ireo fifaliana feno.)

Hazavao fa ny hoe manana firaisana dia midika hoe manana fihavanana feno fifampitokisana sy firaisan-tsaina sy fo ary iray tanjona. Afaka manana firaisana amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana isika rehefa mandray sy manaraka ny fampianarana sy ny torohevitr’izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga manaraka ity: Raha mandray sy manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly isika dia afaka …

  • Raha miainga avy amin’ny fampianaran’i Jaona ao amin’ny Jaona 1:3 dia ahoana no hanohizanareo io fehezanteny io mba handrafetana fitsipika iray? (Fenoy amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba hampitan’izany an’ity fitsipika manaraka ity: Raha mandray sy manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly isika dia afaka manana firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka.)

Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao sy ireo mpaminany ary apôstôly hafa.

  • Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly mba hananantsika firaisana amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Jaona 1:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra mety manakana antsika tsy hanana firaisana amin’ny Raintsika any An-danitra.

  • Inona no mety manakana antsika tsy hanana firaisana amin’ny Raintsika any An-danitra?

Hazavao fa ny fampiasan’i Jaona ny teny hoe maizina dia entina ilazana ny haizina ara-panahy.

  • Inona aminareo no dikan’ny hoe mandeha amin’ny haizina ara-panahy?

Asao ny mpianatra handalina ny 1 Jaona 1:7–10; 2:1–6, mba hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Jaona izay afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba handehanana amin’ny fahazavan’ny filazantsara. Hazavao fa ny teny hoe avotra ao amin’ny 1 Jaona 2:2 dia midika hoe sorompanavotana izay manome fahafaham-po ny fahamarinan’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra handalina mangina samirery ireo andininy ireo na miaraka amin’ny namana na ao anatina vondrona kely maromaro.

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanareo tao amin’ireo andininy ireo? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fahamarinana tahaka ireto manaraka ireto: Nanao sorona noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy. Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika dia lasa tanteraka ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no lasa tanteraka bebe kokoa na feno kokoa ny fitiavantsika an’ Andriamanitra rehefa mitandrina ny didiny isika?

  • Oviana ianareo no nahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho an’ Andriamanitra rehefa niezaka nitandrina ny didiny?

Vakio mafy ireto famariparitana ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany miisa roa ireto. Asao ny mpianatra hihaino didy iray manokana izay manahirana an’ireto olona roa ireto ny mankatò azy.

  1. Mamaky ny soratra masina isan’andro ny zatovolahy iray ary manatanteraka amim-pahatokiana ny andraikiny maro ao amin’ny fisoronana, saingy matetika izy no ratsy fanahy amin’ny zandriny lahy.

  2. Manatrika tsy tapaka ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana misy azy ny zatovovavy iray ka nahazo ny Distinction de la Jeune Fille Accomplie (Maripankasitrahana amin’ny maha-zatovovavy). Kanefa matetika izy no manoratra fanamarihana henjana momba ny sasany amin’ireo mpiara-mianatra aminy sy ny mpampianany ao amin’ny tambazotra ifaneraserana.

  • Inona no didy izay manahirana an’ireo zatovo roa ireo ny mankatò azy?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo toe-javatra izay mety manahirana azy ireo ny maneho fitiavana ny hafa ao anatin’izany.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Jaona 2:9–11; 4:7–11, 19–21. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nampianarin’i Jaona mikasika ny fitiavana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo fampianarana izay manan-danja amin’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona amin’ireo fampianaran’i Jaona mikasika ny fitiavana no manan-danja aminareo? Nahoana?

  • Inona no fitsipika hitantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny zavatra hataontsika raha tia an’ Andriamanitra isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony ahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Rehefa tia an’ Andriamanitra isika dia ho tia ny hafa.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no haneho ny fitiavantsika ny hafa isika raha tena tia an’ Andriamanitra marina?

Hazavao fa raha toa ka nampiasa ny teny hoe mankahala i Jaona ao amin’ny 1 Jaona 4:20, dia misy fomba maro mety azontsika hanakanana ny fitiavantsika ny hafa na ny hatsaram-panahintsika amin’izy ireo ankoatra ny fankahalana azy ireo. Asao ny mpianatra hanazava hoe mety ho inona no sasany amin’ireo fomba ireo araka ny eritreriny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Jaona 3:17–18 ary angataho ny iray kilasy hitady ny fomba tokony hanehoantsika ny fitiavantsika ny hafa. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Ny mpianatra dia tokony hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fitiavana tsy amin’ny “teny” fotsiny ihany fa amin’ny “asa” ihany koa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hanehoantsika ny fitiavantsika amin’ny alalan’ny asantsika fa tsy amin’ny tenintsika fotsiny ihany?

  • Iza no olona fantatrareo fa ohatra tsara amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa? Inona no ataon’io olona io ka maneho ny fitiavany ny hafa?

Asao ny mpianatra hieritreritra olona iray eo amin’ny fiainany izay azon’izy ireo hanehoana fitiavana bebe kokoa. Angataho izy ireo hanoratra amin’ny taratasy ny anaran’io olona io miaraka amin’ny zavatra iray manokana azon’izy ireo atao mba hanehoana fitiavana na hatsaram-panahy amin’io olona io. Hazavao fa tsy mila maneho ny fitiavany amin’ny fomba mihoatra ny antonony izy ireo ary ireo fihetsika kely sy tsotra maneho fiantrana sy hatsaram-panahy no matetika tena manan-danja indrindra. Asao izy ireo hitondra ilay taratasy any an-trano ka hanao ny zavatra izay nosoratany.

Hazavao fa rehefa maneho ny fitiavantsika amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika isika dia manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Jaona 2:6; 3:1–3). Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny 1 Jaona. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Jaona 3:2. “Ho tahaka Azy isika”

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy:

“Ao amin’ny teôlojian’ny fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ny tanjon’ny fiainana ety an-tany dia ny manomana antsika mba hanatanteraka ny anjarantsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra—dia ny ho lasa tahaka Azy. … Ny Baiboly dia mamaritra ny olombelona ho ‘zanak’ Andriamanitra’ sy ho ‘mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy’ (Rom. 8:16–17). Manambara koa izany fa ‘miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa’ (Rom. 8:17) sy ny hoe ‘raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika’ (1 Jao. 3:2). Mandray ara-bakiteny ireo fampianaran’ny Baiboly ireo isika. Mino isika fa ny tanjon’ny fiainana ety an-tany dia ny hahazo vatana ary ny ho mendrika ny hahazo ny toetra feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty ary selestialy izay antsoina hoe fisandratana faratampony na fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara (“Apostasy and Restoration,” Ensign, mey 1995, 86–87).

1 Jaona 5:3. “Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra”

Nampianatra mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa tia ny Tompo isika dia tsy enta-mavesatra intsony ny fankatoavana. Manjary fahafinaretana ny fankatoavana” (“The Great Commandment,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 30).