Lesona 154
Apokalypsy 6–11, Fizarana 1
Fampidirana
Nahita ny Zanakondrin’ Andriamanitra tamin’ny fahitana nanokatra ireo tombokase enina voalohany tamin’ilay boky nisy tombokase i Jaona. Tao amin’ny tombokase fahenina i Jaona dia nahita ireo mpanompon’ Andriamanitra izay “[nanasa] ny akanjony … tamin’ny ran’ny Zanakondry” (Apokalypsy 7:14).
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 6
Nahita ny Zanakondrin’ Andriamanitra nanokatra ireo tombokase enina voalohany tamin’ilay boky voafehy tamin’ny tombo-kase i Jaona
Asao ny mpianatra hizara izay mety ho ahiahiny momba ny hoe miaina amin’izao andro farany izao. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra tsapan’ireo mpaminany fahiny mikasika ny androntsika:
“Ireo mpaminany sy mpisorona ary mpanjaka … dia niandrandra amim-pifaliana ny andro izay iainantsika; ary nientanentana amin’ny fiandrasana izany amim-pifaliana sy miaraka amin’ny lanitra izy ireo ka nihira sy nanoratra ary naminany an’izao andro misy antsika izao” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 186).
-
Inona no tsapan’ireo mpaminany fahiny momba ny androntsika?
Hazavao fa i Jaona ilay Mpanambara dia iray tamin’ireo mpaminany izay nahafantatra mikasika ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany sy naminany mikasika ny androntsika tamim-pifaliana.
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 6–7 mba hitady ireo antony niandrandran’ireo mpaminany fahiny ny androntsika tamim-pifaliana.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 5:1–5, dia nahita boky misy tombokase fito i Jaona ary ny Zanakondry ihany no mendrika ny hanokatra izany. Hazavao fa i Jaona tao anatin’ny fahitany dia nahita fanehoana an-tsary ny sasany amin’ireo trangan-javatra lehibe indrindra mahakasika ny arivo taona tsirairay asehon’ireo tombokase fito.
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity lisitra manaraka ity (ataovy alohan’ny fotoam-pianarana izany):
Tombokase voalohany (Apokalypsy 6:1–2)
Tombokase faharoa (Apokalypsy 6:3–4)
Tombokase fahatelo (Apokalypsy 6:5–6)
Tombokase fahefatra (Apokalypsy 6:7–8)
Tombokase fahadimy (Apokalypsy 6:9–11)
Omeo taratasy kely ny mpianatra tsirairay. Omeo ny iray amin’ireo tombokase ny mpianatra tsirairay (ny tombokase tsirairay dia azo omena mpianatra mihoatra ny iray). Asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina mifandraika amin’ny tombokase nomena azy ireo ka hanao sary ny sasany amin’ireo trangan-javatra hitan’i Jaona mahakasika izany tombokase izany.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo mba haneho araka ny filaharany ny sary nataony amin’ny iray kilasy, manomboka amin’ireo izay nomena ny tombokase voalohany. Asao ny mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay hampiasa ny sary nataony mba hanazavana ny zavatra hitan’i Jaona rehefa nosokafana izany tombokase izany. Rehefa manao tatitra ny mpianatra dia zarao ireto fanazavana azo heverina manaraka ireto, izay naroson’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra io fampahalalana io ao anatin’ny soratra masiny na ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.
|
Tombokase voalohany (Teo ho eo amin’ny 4000 ka hatramin’ny 3000 taona talohan’i J.K.) |
Soavaly fotsy = Fandresena Tsipika = Ady Satroboninahitra = Mpandresy Ny Loholona McConkie dia nandroso sosokevitra fa ny andininy 1–2 dia mamariparitra ny andron’i Enoka ary ilay mpitaingin-tsoavaly dia i Enoka (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1966–73], 3:476–78). |
|
Tombokase faharoa (Teo ho eo amin’ny 3000 ka hatramin’ny 2000 taona talohan’i J.K.) |
Soavaly mena = Fandatsahan-dra Sabatra = Ady sy faharavana Ny Loholona McConkie dia nandroso sosokevitra fa ny andininy 3–4 dia mamariparitra ny andron’i Noa, rehefa nandrakotra ny tany ny haratsiam-panahy. Ilay mpitaingina ilay soavaly mena dia mety ho ny devoly mihitsy na angamba “olona iray izay maneho mpiady maro mpamono olona” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:478–79). |
|
Tombo-kase fahatelo (Teo ho eo amin’ny 2000 ka hatramin’ny 1000 taona talohan’i J.K.) |
Soavaly mainty = Mosary Mizana = Fahalafosan’ny sakafo Ny Loholona McConkie dia nandroso sosokevitra fa ny andininy 5-6 dia mamariparitra ny andron’i Abrahama, rehefa maro be ny olona matin’ny hanohanana (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, 3:479–80). Tsy afaka nividy afa-tsy izay sakafo sahaza mba hivelomana ny olona iray tamin’ny karama azo indray andro, izay maneho halafosan-tsakafo henjana ary mahazatra mandritra ny fotoan’ny mosary. |
|
Tombokase fahefatra (Teo ho eo amin’ny 1000 taona talohan’i J.K. ka hatramin’ny nahaterahan’i Kristy) |
Soavaly hatsatra = Fahafatesana Fahafatesana sy fiainan-tsi-hita = Faharinganan’ny ratsy fanahy sy fandraisana azy ireo ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy (jereo ny Isaia 5:14) Ny Loholona McConkie dia nilaza fa ny andininy 7–8 dia entina ilazana “ny arivo taona nisian’ireo fanjakana lehibe sy firenena ireo ka ny ady sy ny famadihana nataon’izy ireo dia nampahory sy nanafika [an’i Isiraely] foana foana” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:481). Ireo firenena ireo dia nahitana an’i Babylôna, Persia, Egypta, Gresy, ary Roma. |
|
Tombokase fahadimy (Teo ho eo amin’ny nahaterahan’i Kristy ka hatramin’ny 1000 taona taorian’i J.K.) |
Alitara = Sorona Fanahy = Maritiora, Kristianina novonoina noho ny finoan’izy ireo Ny Loholona McConkie dia nandroso sosokevitra fa ny andininy 9–11 dia entina ilazana ireo Kristianina maro taloha, ka anisan’izany ny ankamaroan’ireo Apôstôly tany am-piandohana, izay maty maritiora (Jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, 3:482–83). Koa satria ireo Olomasina ireo dia nahafoy ny ainy “noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny” (Apokalypsy 6:9), dia nomena “akanjo fotsy,” mariky ny fahadiovana izy ireo (jereo ny Apokalypsy 7:13–14; 3 Nefia 27:19). |
Rehefa avy nanao famelabelarana ny vondrona tsirairay dia hazavao fa ny tombokase fahenina dia maneho ny androntsika sy ireo trangan-javatra izay hitondra ho amin’ny Arivotaona, rehefa hanjaka eto an-tany i Jesoa Kristy Tenany mihitsy (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, 3:485–86).
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 6:12–17ary hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 14 dia mivaky hoe “Dia nisokatra tahaka ny fisokafan’ny horonan-taratasy ny lanitra rehefa akodia miaraka izany, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny fitoerany.” Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo zava-nitranga hitan’i Jaona.
-
Rehefa nosokafana ilay tombokase fahenina dia inona no zava-nitranga hitan’i Jaona? (Hazavao fa ireo loza mitranga ireo dia famantarana ny andro farany.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 16 dia inona no ho irian’ireo izay mikatsaka ny handositra ny “fahatezeran’”Andriamanitra?
-
Inona no fanontaniana voarakitra ao amin’ny andininy 17?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Ka iza no mahajanona?
Hazavao fa ny Apokalypsy 7 dia manampy antsika hahatakatra hoe iza no haharitra na ho tafatoetra amin’ireo loza amin’ny tombokase fahenina.
Apokalypsy 7
Nahita ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanakondry i Jaona
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 7:1 ary asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hafa hitan’i Jaona tao amin’ilay tombokase fahenina.
-
Inona no nataon’ireo anjely efatra? (Hazavao fa ny rivotra izay notazonin’izy ireo dia nanana hery handripaka ny aina teto an-tany. Jereo koa ny F&F 86:5–7.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 7:2–3 ary ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny anjely iray hafa tamin’ireo anjely efatra.
-
Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:9, dia iza ilay anjely “niakatra avy any atsinanana”? (Apokalypsy 7:2).
Hazavao fa ny teny hoe Elià eto amin’ity ohatra ity dia “anarana hiantsoana ireo izay manana iraka ny hanome fanalahidy sy fahefana an’ireo lehilahy amin’ny fotoampitantanana farany” (Doctrinal New Testament Commentary, 3:491–92; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Elià”).
-
Inona no nolazain’io anjely io tamin’ireo anjely efatra?
Hazavao fa ny “fanisiana tombo-kase, na marika ‘eo amin’ny handrin’ny mpanompon’ Andriamanintsika’ dia tandindon’ny fanolorantena sy ny fanompoana ary ny maha-an’ Andriamanitra azy ireo (Apokalypsy 7:3; jereo koa ny Apokalypsy 9:4; 14:1). …
“Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny fanisiana tombokase ny handrin’ireo mahatoky ‘dia midika hoe famehezana ny fitahiana eo ambony lohan’izy ireo, izany hoe ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, ka mahatonga ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ireo ho azo antoka’ (ao amin’ny History of the Church, 5:530)” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 544).
Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 9, dia hitan’i Jaona ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy mandray io tombo-kase io. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 9:3–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny toe-javatra iainan’ireo izay tsy manana io tombokase io. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 7:4, ka hitady ny isan’ny olona nasian’io anjely io tombokase teo amin’ny handrina. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hazavao fa ny Tompo dia nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa “ilay isa 144.000 voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4–8 dia isan’ireo mpisorona avo avy ao amin’ny foko roa ambin’ny folon’i Isiraely izay hanampy ny hafa amin’ny tanjon’izy ireo hahazo ny fisandratana [jereo ny F&F 77:11]. Izany dia tsy araka izay inoan’ny olona hoe fitambaran’ny isan’ny olona hahazo ny fisandratana” (New Testament Student Manual [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 544).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 7:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe iza koa no hitan’i Jaona.
-
Iza no hitan’i Jaona?
-
Nanao inona sy nitazona inona ireo olona tsy tambo isaina ireo? (Mety ilaina ny manazava fa ny sampan-drofia dia mety tandindon’ny fandresena sy ny fifaliana.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 7:13–17. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra fantatr’i Jaona momba ireo olona ireo.
-
Niaritra inona ireo olona ireo?
-
Ahoana no nahalasa fotsy ny akanjon’izy ireo? (Tamin’ny “ran’ny Zanakondry”—tandindon’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 15–17 dia inona no fitahiana azon’ireo olona ireo noho izy ireo nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manazava fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mamaritra ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fanolorantenan’ireo izay mandova ny voninahitra selestialy.)
-
Inona no fitsipika azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mandova ny voninahitra selestialy? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana isika ary lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahazo ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe ho toy ny ahoana izany hijoro madio eo anatrehan’ Andriamanitra izany ary ho toy ny ahoana ny fahatsapan’izy ireo amin’izany.
-
Ho toy ny ahoana ireo fahatsapana ireo raha ampitahaina amin’ny fahatsapana ananan’ireo olona resahina ao amin’ny Apokalypsy 6:16?
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahan’ny Mpamonjy manadio antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no anampian’ny fahatsiarovana ireo fitahian’ny voninahitra selestialy anareo amin’ny ezaka ataonareo hiaritra fahoriana ka ho lasa madio?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay lisitr’ireo olana nosoratana teo amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba hanampian’ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe azy ireo rehefa mahatsapa ho manana olana amin’ny fiainana amin’izao andro farany izao izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy izay vonona ny hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.
Asao ny mpianatra haka minitra vitsy hisaintsainana ny fomba ahafahany mampihatra ny fitsipika nianarany androany. Amporisiho izy ireo hanoratra izay fitaomam-panahy rehetra azony.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Apokalypsy 6–11. Miaina amin’ny andro farany
Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fiainana amin’ny andro farany:
“Ny zatovo koa dia mieritreritra indraindray hoe: ‘Inona no ilàna an’izany? Tsy ho ela dia hiparitaka izao tontolo izao ary ho tonga ny farany.’ Izany fahatsapana izany dia avy amin’ny tahotra, fa tsy avy amin’ny finoana. Tsy misy na dia iray aza mahafantatra ny ora na ny fotoana (Jereo ny F&F 49:7), kanefa ny farany dia tsy ho tonga raha tsy tontosa avokoa ny tanjon’ny Tompo rehetra. Ny zava-drehetra nianarako avy amin’ireo fanambarana sy teo amin’ny fiainana dia nandresy lahatra ahy fa misy ny fotoana ary ampy hiomananao amim-pitandremana ho amin’ny fiainana maharitra” (“To Young Women and Men,” Ensign, mey 1989, 59).
Apokalypsy 7:1–3. Hiaritra fitsapana sy fijaliana ny olo-marina
“Ny Apôstôly Jaona dia nahita fa ny loza sasany izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany dia tsy hamely ny tany rehetra na ny mponina eo aminy ‘fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany’ (Apokalypsy 9:4). Io fitsipika io dia mifanaraka amin’ireo fampanantenana ao amin’ny soratra masina izay milaza fa amin’ny andro farany, ireo izay mahatoky dia ho voaaro amin’ny farany (jereo ny 1 Nefia 22:17–19; F&F 115:5–6). …
“Na dia nampanantena fiarovana ho an’ireo olo-marina amin’ny andro farany aza ny Tompo, ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa ny olona sasany izay marina dia mety hamoy ny ainy ao anatin’ireo fitsapana sy loza amin’ny andro farany: ‘Nanazava mikasika ny fahatongavan’ilay Zanak’ Olona [aho]. Fa fahadisoan-kevitra ihany koa ny hoe ho afaka amin’ireo fitsarana rehetra ireo Olomasina raha toa kosa ka hijaly ireo ratsy fanahy; satria natao hijaly avokoa ny nofo rehetra, ary “zara raha ho afa-miala ny olo-marina” [jereo ny F&F 63:34]; mbola ho maro amin’ny Olomasina anefa no ho afaka, satria hovelomin’ny finoana ny marina [jereo ny Habakoka 2:4]; kanefa maro amin’ireo olo-marina no ho azon’ny aretina, ny valanaretina, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa dia ho voavonjy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra’ (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 253)” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 547).
Apokalypsy 7:2. Elià
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ilay anarana fiantsoana hoe Elià:
“Anjely mpanatanteraka iraka maro avy any amin’ny lapam-boninahitra no nirahina hanolotra fanalahidy sy fahefana, ary hanolo-tena amin’ny fotoampitatanan’izy ireo sy ny voninahiny amin’ny olombelona ety an-tany indray. Ireto manaraka ireto no tonga farafahakeliny: Moronia, Jaona Mpanao Batisa, Petera, Jakoba, sy Jaona, Mosesy, Elia, Elià, Gabriely, Rafaely, ary Mikaela. (F&F 13; 110; 128:19–21.) Teo dia nazava fa tsy nisy iraka na iray aza izay nitondra ny zioga rehetran’ny famerenana amin’ny laoniny, fa ny tsirairay dia tonga niaraka tamin’ny hery avy any ambony, ary lasa mazava fa Elià dia karazan’olona fameno. Ilay hevitra dia tsy maintsy takatra fa izany dia anarana sy fiantsoana ho an’ireo izay nanana iraka ny hanolotra fanalahidy sy fahefana ho an’ny olona amin’ity fotoampitantanana farany ity. ([Jereo ny Joseph Fielding Smith,] Doctrines of Salvation, boky 1, pp. 170–174.)” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 221). Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elià.”)