Lesona 20
Matio 17
Fampidirana
Nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana teo amin’i Petera sy Jakoba ary Jaona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Jesoa Kristy sy i Mosesy ary i Elia. Rehefa avy nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa dia nandroaka devoly avy tao amin’ny zazalahy iray. Nanome vola tamim-pahagagana mba handoavana ireo hetra i Jesoa tao Kapernaômy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 17:1–13
Niseho tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Mosesy sy i Elià
Asehoy ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia iray na asao ny mpianatra iray manana fahazoan-dalana hamily fiarakodia mba hampiseho izany amin’ny iray kilasy.
-
Manome lalana ny olona iray hanao inona ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia?
Asehoy ny sarin’ny fanalahidin’ny fiarakodia iray.
-
Nahoana no manan-danja ny fahafahana manana ireo fanalahidin’ny fiara ankoatra ny fananana ny fahazoan-dalana hamily fiara?
-
Ahoana no ahafahana mampitaha ny fananana fahazoan-dalana hamily fiarakodia sy ireofanalahidin’ny fiara amin’ny fahefana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hitarihana ny asan’ Andriamanitra? (Tahaka ny hoe ireo izay mihazona fahazoan-dalana hamily fiarakodia no afaka mitondra fiarakodia dia lehilahy maro no mihazona ny fahefam-pisoronana. Fa tahaka ny hoe ny fananana fanalahidin’ny fiarakodia kosa no mamela ny mpamily iray hanamory fiara iray manokana dia ny fanalahidin’ny fisoronana no mamela olona iray hitondra na hitarika ny asan’ Andriamanitra ao anatin’ny sehatra iray manokana. Ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona sy mampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana mba hiahiana sy hitarihana ny asan’ny Tompo rehetra eto ambonin’ny tany.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny Matio 16:19 isika dia mamaky fa ny Tompo dia nampanantena ny hanome an’i Petera ny fanalahidin’ny fanjakana, na ny fahefana mba hitarihana ny asan’ Andriamanitra eto an-tany. Tamin’izany fotoana i Petera sy ny tsirairay amin’ireo Apôstôly hafa dia efa nomena ny fahefan’ny fisoronana, fa mbola tsy nomena kosa ny fanalahidin’ny fanjakana.
Asao ny mpianatra, rehefa mandalina ny soratra masina anio, mba hikaroka ny fomba nandraisan’i Petera ny fanalahidin’ny fanjakana ary ny fomba nanomezana, taty aoriana an’ireo fanalahidy ireo an’i Joseph Smith sy ny olona hafa amin’izao vaninandro izao.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 17:1-2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ny toerana nitondran’ny Mpamonjy an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona mba hanomanana azy ireo amin’ny fandraisana ny fanalahidin’ny fisoronana. Mety ilaina ny hanamarihanao fa mety nisafidy an’i Petera sy Jakoba ary Jaona mba hiaraka Aminy ny Mpamonjy satria izy ireo no hiasa amin’ny maha-Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana ao aorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy amin’ny maty sy ny Fiakarany any an-danitra (jereo ny Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, nat. Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 3:152).
-
Taiza no nitondran’i Jesoa an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona?
-
Inona no nitranga tamin’ny Mpamonjy teo ambonin’ilay tendrombohitra?
-
Inona no dikan’ny hoe miova tarehy?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa Ny fiovan-tarehy dia milaza “ny toetoetry ny olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany olona—izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy,” scriptures.lds.org). Niova tarehy ihany koa i Petera sy Jakoba ary i Jaona tamin’io fotoana io (jereo ny F&F 67:11–12).
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao lohateny manaraka izao: Ireo olona izay teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy Soraty eo ambanin’ity lohateny ity ny hoe Jesoa Kristy, Petera, Jakoba, ary Jaona.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 17:3 ary asao ny iray kilasy hirady hoe iza ireo olona niseho tamin’i Jesoa sy ny Apôstôliny teo an-tendrombohitra.
-
Iza no niseho teo an-tendrombohitra? (Mariho fa i Elià dia milaza an’i Elia, ilay mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha.
Ampio hoe Mosesy sy Elia ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny antony nisehoan’i Mosesy sy Elia teo an-tendrombohitra, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Smith ity:
“Nanome ny fanalahidy ho an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Mpamonjy sy i Mosesy ary i Elià [Elia] teo an-tendrombohitra, rehefa niova tarehy teo anatrehany izy ireo” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 105).
-
Araka ny tenin’i Joseph Smith, nahoana i Elia sy i Mosesy no niseho teo an-tendrombohitra? (Mba hanomezana ny fanalahidin’ny fisoronana ho an’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Azonao atao ihany koa ny manazava fa i Mosesy sy Elia dia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny 3 aprily 1836 mba hamerina ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ny laoniny: Namerina ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely tamin’ny laoniny i Mosesy (jereo ny F&F 110:11), ary i Elia dia namerina ny fanalahidin’ny herin’ny famehezana tamin’ny laoniny [jereo ny F&F 110:13–16]. Ireo fisehoana tao Kirtland ireo dia mampianatra antsika lamina mba hahatakarana ny zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.
Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Baiboly dia manazava fa i Jaona Mpanao Batisa—izay novonoin’i Heroda—dia niseho teo an-tendrombohitra ihany koa (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:3 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ]; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elià”). (Ampio hoe Jaona Mpanao Batisa eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.)
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 17:4-9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady ny olona hafa teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.
-
Iza koa no teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy? (Ampio hoe Andriamanitra Ilay Ray eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.)
Ampahatsiahivo fohifohy amin’ny mpianatra fa ny fotoampitantanan’ny filazantsara dia vanim-potoana iray izay hanomezan’ny Ray any An-danitra ny fahefana sy ireo ôrdônansy ary ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena ho an’ny vahoaka eto ambonin’ny tany amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana. Asao ny mpianatra iray hankeo amin’ny solaitrabe ary hametraka kintana eo akaiky ny olona tsirairay ao anatin’ny lisitra eo amin’ny solaitrabe izay niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. (Ilay mpianatra dia tokony hametraka kintana iray eo akaiky ny olona tsirairay ao anatin’ny lisitra eo amin’ny solaitrabe.)
Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Namerina ny Fisoronana Aharôna amin’ny laoniny i Jaona Mpanao Batisa
Namerina ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny laoniny i Petera sy Jakoba ary Jaona
Namerina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny famehezana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elia
Asaivo hazavain’ny mpianatra rehetra ny fotoana nitrangan’ireo fitsidihana tsirairay ireo ary ny tanjon’izany. (Mandritra ny fanazavan’ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho ireto sary manaraka ireto: Ny Fahitana Voalohany; Manome ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa; Ny Famerenana ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny laoniny; ary Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elia [Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara (2009), lah. 90, 93, 94, 95; jereo koa ny LDS.org].)
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo mikasika ny fanomezana ny fanalahidin’ny fisoronana mandritra ny fotoampitantanana tsirairay avy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Manolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana eo amin’ireo mpanompo nofinidiny Andriamanitra isaky ny fotoampitantanana mba hahafahan’izy ireo mitarika ny asany eto ambonin’ny tany.
-
Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ilay lamina tamin’ny fanolorana ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nitranga tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?
-
Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith ve ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao fotoana izao? (Eny.) Ahoana no fomba nahazoan’izy ireo izany fanalahidy izany? (Nifandimbiasana avy tamin’i Joseph Smith ka nandalo tamin’i Brigham young sy ireo mpaminany nifandimby ireo fanalahidy ireo.)
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fahatsapany momba ny fahefam-pisoronana ary ny fitahiana amin’ny fananana ireo fanalahidy izay nomena ho an’ny fotoampitantanana misy antsika tahaka ny nanomezana izany nandritra ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany.
Matio 17:14–23
Nandroaka devoly avy tao amin’ny zazalahy iray i Jesoa
Fintino ny Matio 17:14–23 amin’ny fanazavana fa ny raim-pianakaviana iray dia nitondra ny zanany lahy teo anoloan’ny Mpamonjy mba ho sitraniny. Taorian’ny nanasitranan’ny Mpamonjy an’ilay zazalahy dia nampianatra ireo mpianany Izy fa ny fitahiana sasany dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadiankanina. Naminany ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty ihany koa Izy. (Fanamarihana: Ireo zava-nitranga ireo dia horesahana amin’ny fomba lalindalina kokoa ao amin’ny hevitra enti-mampianatra ho an’ny Marka 9:14–29.)
Matio 17:24–27
Nanome vola tamim-pahagagana mba handoavana ireo hetra ho an’ny Tenany sy ho an’i Petera i Jesoa
Rehefa mandalina ny Matio 17:24–27ireo mpianatra dia asao izy ireo mba hikaroka fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba hiantefan’ny ohatra ataontsika amin’ny hafa.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ao amin’ity andalan-tsoratra masina ity dia hazavao fa teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy dia notakiana tamin’ny lehilahy Israelita rehetra mihoatra ny 20 taona ny mandoa hetran’ny tempoly isan-taona, izay nantsoina hoe vola hetra (jereo ny Eksodosy 30:13–16). Io vola io dia nampiasaina mba hanefana ny fandaniana mifandray amin’ny fampandehanana ny tempoly. Ny loholona sy mpampianatra sasantsasany teo anivon’ny vahoaka dia navahan’ny filankevitra mpanapaka mba tsy handoa an’io hetra io.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 17:24–26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hikaroka ireo fanontaniana napetraky ny mpamory hetra sy i Jesoa an’i Petera.
-
Inona no nanontanian’ny mpamory hetra an’i Petera? Inona no valintenin’i Petera?
-
Inona no fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’ i Petera? Inona no valintenin’i Petera?
Hazavao fa ny teny hoe olon-kafa ao amin’io andalan-tsoratra masina io dia milaza ny tsirairay ao anatin’ny fanjakana iray izay tsy zanaky mpanjaka. Ny “olon-kafa” dia tsy maintsy mandoa hetra, fa ny zanaky ny mpanjaka kosa dia tsy hiharan’izany. I Jesoa dia nampianatra izany an’i Petera satria Zanakalahin’ Andriamanitra Izy ary ny tempoly dia tranon’ny Rainy (jereo ny Matio 17:25–26; Jaona 2:16), tsy nila nandoa an’io hetra io Izy ary afaka nisafidy ny tsy hanao izany. Ireo mpamory hetra anefa dia niandry ny handoavan’i Jesoa Kristy an’ilay hetra satria izy ireo dia tsy nahatakatra hoe iza moa Izy.
Asao hamaky amim-pahanginana ny Matio 17:27 ireo mpianatra ka hikaroka ny toromarika nomen’i Jesoa an’i Petera avy eo.
-
Inona no toromarika nomen’ny Mpamonjy an’i Petera?
-
Nahoana i Jesoa no nilaza fa handoa an’ilay hetra?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe manafintohina ary hazavao fa eto ny andian-teny manao hoe “andrao isika manafintohina azy” dia tena mety manambara tokoa ny tsy fanirian’ny Mpamonjy hanao zavatra izay hahatonga ny hafa ho tafintohina ara-panahy. (Raha tsy nandoa an’ilay hetra Izy dia mety tsy nankasitraka Azy sy ny mpianany ireo Jiosy sasantsasany ka mety tsy dia vonon-kandray ny hafatry ny filazantsara.)
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatry ny Tompo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika amin’ny fisorohana ny fanaovana zavatra izay mety hahatonga ny hafa ho tafintohina ara-panahy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany hafa izay mety hanampian’io fitsipika io antsika amin’ny fanaovana safidy tsara?
-
Tamin’ny fomba ahoana ianao no notahiana rehefa niezaka nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka nisoroka ny fanaovana zavatra izay mety hahatonga ny hafa ho tafintohina ara-panahy?
Farano ny lesona amin’ny fanasana ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay ho ataony mba hahafahany miaina tsaratsara kokoa ny fitsipika izay hitany teo ambony.
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina
Rehefa afaka mahita mora foana ireo andinin-tsoratra masina fehezina ny mpianatra dia ho mahatoky tena kokoa amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny filazantsara sy amin’ny fampiharany ireo fitsipiky ny filazantsara ary amin’ny fampianarany avy amin’ny soratra masina.
Ny asa ampanaovina mikasika ny soratra masina fehezina dia hita ao amin’ity boky torolalana ity mba hampahafantarana karazana fomba fiasa samihafa amin’ny fanampiana ireo mpianatra hamerina tsy tapaka ny andinin’ny soratra masina fehezina. Ahitana asa ampanaovina fanampiny hoentina mamerina ao amin’ny Tovana any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.
Ireo fanontaniana hoenti-manadina dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany ary handrefy ny fianarany. Asao ny mpianatra hamaky ireo andalan-tsoratra masina fehezina miisa telo izay efa nampahafantarina azy ireo tao amin’ity boky torolalana ity. Azonao atao ihany koa ny mampamaky andalan-tsoratra masina fehezina vaovao vitsivitsy. (Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina telo ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.) Rehefa avy namaky ny mpianatra dia mametraha fanontaniana hoenti-manadina amin’ny fanomezana teny manan-danja avy amin’ilay andalan-tsoratra masina na amin’ny famakiana andian-teny iray avy amin’ny fanamariham-pejin’ny seminera. Asaivo fantarin’ireo mpianatra avy eo ny toerana marina ahitana ilay andininy ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 17:1-5. Ny Fiovan-tarehy sy ny Famerenana ny filanzantsara tamin’ny laoniny amin’ny andro farany.
“Ireo olona teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy [Andriamanitra Ilay Ray, Jesoa Kristy, Petera, Jakoba, Jaona, Jaona Mpanao Batisa, Mosesy, ary Elia] dia nanana anjara asa ambony tamin’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny amin’ny andro farany. Izany dia manampy antsika hahita fa ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana nohazonina tamin’ny fotoampitantanana fahiny ihany no naverina tamin’ny laoniny mandritra ity fotoampitantanana farany ity” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra - Testamenta Vaovao [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 56).
Nanantitrantitra ity fahamarinana ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa nilaza hoe:
“Manasa antsika aho hieritreritra ny mety ho havalintsika amin’ity fanontaniana napetraky ny Filoha David O. McKay tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ity taona maro lasa izay: ‘Raha amin’izao fotoana izao ny tsirairay avy aminareo no asaina milaza ao anatin’ny fehezan-teny iray na andian-teny iray ny endrika mampiavaka indrindra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ahoana no mety ho valinteninareo?’ (“The Mission of the Church and Its Members,” Improvement Era, nôv. 1956, 781).
“Ny valinteny nomen’ny Filoha McKay tamin’izany fanontaniana napetrany izany dia ny ‘fahefana avy any an-danitra’ izay an’ny fisoronana. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy mitovy amin’ireo fiangonana hafa izay milaza fa ny fahefana ananan’izy ireo dia azo avy tamin’ny fahefana natolotr’olona nifandimby toerana, na avy tamin’ny soratra masina na avy tamin’ny alalan’ny fianarana teôlôjia. Manambara mazava isika fa ny fahefan’ny fisoronana dia nomena tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana mivantana nataon’ireo iraky ny lanitra tamin’ny Mpaminany Joseph Smith” (“Ireo Herin’ny Lanitra,” Ensign na Liahona, mey 2012, 48).
Matio 17:1-5. Ireo Fanalahidin’ny Fisoronana
Omen’ Andriamanitra ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana ny fahefan’ny fisoronana mba hahafahan’izy ireo miasa amin’ny Anarany ho famonjena ireo Zanany. Ny fanalahidin’ny fisoronana no zon’ny fiadidiana, na ny fahefana nomen’ Andriamanitra ny olona mba hitantanany sy hitarihany ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny Matio 16:15–19). Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia afaka manome lalana ireo mpihazona ny fisoronana mba hitory ny filazantsara sy hitantana ireo ôrdônansin’ny famonjena. Ireo rehetra izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia antsoina eo ambany fitarihan’ny olona iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Araka izany dia omena azy ireo ny fahefana ilainy hanompoana sy hanatanterahana ireo andraikitra mifamatotra amin’ny antson’izy ireo. (Jereo ny Dallin H. Oaks, “Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49–52.)
Matio 17:1-13. Ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namintina ny zavatra fantany fa nitranga tao an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy:
“(1) I Jesoa dia niantso manokana an’i Petera sy Jakoba ary Jaona avy teo anivon’ireo Roambinifololahy rehetra hafa ambiny; nitondra azy ireo tany amin’ny tendrombohitra tsy fantatr’anarana Izy; ary tao dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy, ary izy ireo dia nihatrika ny voninahiny. … I [Petera] dia nilaza fa ‘efa hitan’ny [masony] ny fiandrianany.’ (2 Pet. 1:16.)
“(2) I Petera sy Jakoba ary Jaona dia ‘niova tarehy teo anatrehiny’ [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 105], … dia toy izany no nahafahan’izy ireo nanatrika ireo anjely, nahita ireo fahitana ary nahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra. …
“(3) I Mosesy sy Elia—izay mpaminany fahiny roa nalaina ho any an-danitra fa tsy nandalo fahafatesana mba hahafahan’izy ireo miverina miaraka amin’ny vatana azo tsapain-tanana tamin’io fotoana, fotoana izay nialoha ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty—dia niseho teo an-tendrombohitra; ary izy ireo sy i Jesoa dia nanome ny fanalahidin’ny fanjakana ho an’i Petera sy Jakoba ary Jaona [jereo ny Teachings: Joseph Smith, 105].
“(4) I Jaona Mpanao Batisa, izay notapahin-doha teo aloha, dia toa nanatrika tao ihany koa. …
“(5) I Petera sy Jakoba ary Jaona dia nahita tao anatin’ny fahitana ny fiovan’ny tany endrika, izany hoe nahita ny tany noavaozina sy niverina tamin’ny voninahitry ny paradisany izy ireo—izay zavatra hitranga mandritra ny Fiaviana Fanindroany rehefa hanomboka ny vanim-potoan’ny arivotaona. [F&F 63:20–21.]
“(6) Hita fa i Petera sy Jakoba ary Jaona dia nandray ny fanafiana masin’izy ireo manokana raha mbola tao an-tendrombohitra. [Jereo ny Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, nat. Bruce R. McConkie, boky 3 (1954–56), 2:165.] … Hita ihany koa fa raha mbola tao an-tendrombohitra izy ireo no nandray ny tenin’ny faminaniana natao mafy orina kokoa, izay nanambarana tamin’izy ireo avy teo fa nofehezina ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo. (2 Pet. 1:16–19; F&F 131:5.)
“(7) I Jesoa Tenany mihitsy dia toa nankaherezin’i Mosesy sy Elia ary namporisihan’izy ireo mba hahafahany ho voaomana amin’ny fijaliana sy fanaintainana tsy manam-petra miandry Azy manoloana ny fanatanterahana ny sorompanavotana tsy manam-petra sy mandrakizay. [Jereo ny James E. Talmage, Jésus Le Christ, ed. faha 3 (1916), 373.] …
“(8) Azo antoka tokoa fa ireo apôstôly finidy telo dia nampianarina mazava tsara mikasika ‘ny fahafatesany, sy ny fitsanganany amin’ny maty ihany koa’ [Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 9:31 ( )]. …
“(9) Tokony nazava tamin’izy ireo ihany koa fa ireo fotoampitantanana fahiny dia efa tapitra, ary ny lalàna (i Mosesy no tandindona) ary ny mpaminany (i Elia no solontena mpaneho) dia manaiky Azy, Izy izay tokony hainoan’izy ireo.
“(10) Ny Ray any An-danitra, izay voahaloka sy niafina tao ambadiky ny rahona dia tao an-tendrombohitra ihany koa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:399–401).
Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Marka 9:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina), dia milaza fa i Jaona Mpanao Batisa, izay efa maty maritiora nefa mbola tsy tafatsangana tamin’ny maty dia niseho ihany koa tao an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandroso hevitra momba ny antony naha tao an’i Jaona Mpanao Batisa:
“Tsy tokony ho takarina fa i Jaona Mpanao Batisa no ilay Elià izay niseho niaraka tamin’ny Mosesy mba hanomezana ny fanalahidy sy fahefana ho an’ireo izay nihazona ny Fisoronana Melkizedeka tamin’izany fotoana, izay fisoronana avoavo kokoa mirakitra sy ahitana ny fahefana sy hery rehetra efa nihazonan’i Jaona sy nampiasany nandritra ny asa fanompoany. Fa noho ny antony izay mbola tsy fantatra hatramin’izao—noho ny fisian’ny rakitsoratra amin’ny ampahany fotsiny mikasika ny zava-nitranga—dia nanana anjara asa hafa tamin’ireo fisehoana feno voninahitra nampanantenaina tamin’ny olombelona tamin’izany fotoana i Jaona. Mety tao izy, tamin’ny maha-mpitantana ara-dalàna azy farany ao amin’ny Fanekempihavanana Taloha, mba hanehoana fa ny lalàna dia tanteraka ary tapitra ny zavatry ny lasa, ka ahitana miavaka tsara ny toerany amin’ny an’i Petera sy Jakoba ary Jaona, izay lasa mpitantana ‘voalohany’ ao amin’ny Fanjakana Vaovao tamin’io” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:404).